Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza ireo Mpanao soa noresahin’i Jesosy? Nahoana izy ireo no nomena an’izany anaram-boninahitra izany?

Nilaza tamin’ny apostoly i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, hoe tsy tokony hiezaka ho ambony noho ny mpiara-manompo aminy izy ireo. Hoy izy: “Ny mpanjakan’ny firenena manjakazaka aminy, ary izay manana fahefana eo aminy dia atao hoe Mpanao soa. Fa tsy tokony ho tahaka izany ianareo.”—Lioka 22:25, 26.

Iza ireo Mpanao soa ireo? Nantsoin’ny Grika sy ny Romanina hoe Évergète, na Mpanao soa, ny mpitondra sy ny olona nanana toerana ambony taloha. Manaporofo an’izany ny vola madinika sy ny asa soratra hitan’ny mpikaroka, ary ny soratra sasany tamin’ny vato sy metaly ary zavatra hafa. Nanao soa ho an’ny vahoaka angamba ilay olona, dia izay no nahatonga ny vahoaka hanome voninahitra azy hoatr’izany.

Maromaro ny mpanjaka nantsoina hoe Mpanao soa. Anisan’izany ireo mpanjaka ejipsianina atao hoe Ptolémée III sy Ptolémée Faha-8, ireo mpitondra romanina atao hoe Jules César sy Aogosto, ary ilay mpanjakan’i Jodia atao hoe Heroda Lehibe. Nahazo an’io anarana io angamba i Heroda, satria nanafatra varimbazaha avy tany ivelany izy mba homena ny vahoakany, tamin’izy ireo tratran’ny mosary. Nanome akanjo ho an’ny mahantra koa izy.

Nilaza i Adolf Deissmann, Alemà manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa tena fampiasan’ny olona taloha ilay anaram-boninahitra hoe Mpanao soa. Hoy izy: “Raha hitady an’ilay soratra [hoe Mpanao soa] ianao, ohatra hoe amin’ny vato na metaly na zavatra hafa, dia hahita zato mahery sady tsy voatery hikaroka ela akory.”

Inona àry no tian’i Jesosy hotenenina tamin’ilay hoe: “Tsy tokony ho tahaka izany ianareo”? Te hiteny ve izy hoe tsy tokony hanao soa na hanampy olona ny mpianany? Tsy izany mihitsy! Ny antony nahatonga ny olona halala-tanana angamba no tena tiany horesahina.

Nanome vola hanaovana fampisehoana sy lalao tany amin’ny kianja be ny mpanankarena tamin’ny andron’i Jesosy. Nanome vola koa ry zareo hanorenana tempoly sy zaridaina lehibe, na zavatra hafa hoatr’izany. Te ho mamy hoditra teo amin’ny fiaraha-monina fotsiny anefa ry zareo, na te hoderain’ny olona, na te ho lany amin’ny fifidianana, dia izay no nahatonga an-dry zareo hanao an’izany. Izao no voalazan’ny boky iray: “Marina fa tena vokatry ny fo ny asa soa nataon’ny sasany tamin’izy ireny. Nitady seza anefa ny ankamaroany matoa nalala-tanana.” Te hampitandrina ny mpanara-dia azy àry i Jesosy hoe tsy tokony ho tia tena na hitady laza sy fahefana hoatr’izany izy ireo.

Nilaza koa ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy taorian’izay, hoe antony tsara no tokony hahatonga antsika hanome. Nanoratra ho an’ireo rahalahy sy anabavy tany Korinto izy hoe: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Kor. 9:7.