Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia An’i Jehovah dia Hiaina Mandrakizay Ianao!

Matokia An’i Jehovah dia Hiaina Mandrakizay Ianao!

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.”—OHAB. 3:5.

HIRA: 3, 8

1. Nahoana isika rehetra no mila fampaherezana?

MILA fampaherezana daholo isika. Adin-tsaina sy tebiteby angamba no mameno ny fiainantsika, na isika diso fanantenana foana. Mety hoe malahelo be isika satria mihantitra, na marary, na maty ny olona iray tena tiantsika. Misy amintsika koa halan’ny olona dia ampijaliny. Tsy resahina intsony ny herisetra, ary vao mainka manjaka izy io. Tena “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” marina no iainantsika. Izany no mahatonga antsika hino hoe “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1) Matoky koa isika hoe mihamanakaiky ny tontolo vaovao, isaky ny lasa ny andro iray. Mety ho efa ela anefa isika no niandry an’ireo zavatra nampanantenain’i Jehovah. Ny olana mahazo antsika koa toa vao mainka mihabetsaka. Ahoana àry no hahazoantsika fampaherezana?

2, 3. a) Inona no fantatsika momba an’i Habakoka? b) Nahoana isika no handinika ny bokin’i Habakoka?

2 Handinika ny bokin’i Habakoka isika mba hahitantsika ny valin’izany. Tena mampahery ny zavatra nosoratany, na dia tsy miresaka firy momba ny fiainany sy izay nataony aza ny Soratra Masina. Mety hidika hoe “Famihinana Mafy” ny hoe Habakoka. Ny zavatra ataon’i Jehovah angamba no tiana horesahina amin’izany. Toy ny hoe mamihina antsika amim-pitiavana mantsy izy rehefa mampahery antsika. Mety ho isika koa anefa no tiana horesahina amin’io anarana io. Rehefa matoky an’i Jehovah mantsy isika, dia hoatran’ny hoe mifikitra mafy aminy. Nametraka fanontaniana taminy i Habakoka, ary mahasoa antsika ny valiny matoa nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly.—Hab. 2:2.

3 Tena kivy i Habakoka mpaminany, ka namoaka ny tao am-pony tamin’i Jehovah. Io resaka nifanaovany tamin’i Jehovah io ihany no resahin’ny Baiboly momba azy. Anisan’izay “rehetra voasoratra taloha” sy notehirizina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny boky nosoratany. Manampy antsika koa àry izy io ‘mba hanana fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.’ (Rom. 15:4) Mahasoa antsika tsirairay ny bokin’i Habakoka. Resahina ao mantsy ny dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah. Manome toky antsika koa ny faminaniana ao hoe afaka ny ho tony sy hilamin-tsaina foana isika, na inona na inona olana mianjady amintsika. Andao àry isika handinika ny bokin’i Habakoka.

ANTSOY I JEHOVAH

4. Inona no nahakivy an’i Habakoka?

4 Vakio ny Habakoka 1:2, 3. Tena mafy ny fiainana tamin’ny andron’i Habakoka. Nalahelo izy satria feno olona nahery setra sy mpanao ratsy teo amin’ny manodidina azy. Be dia be koa ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena, ary ny mpiray tanindrazana taminy ihany no nanao an’izany. Lasa saina izy hoe: ‘Rahoviana ihany àry vao tsy hisy faharatsiana intsony? Fa maninona i Jehovah no tsy manao na inona na inona fa miandry ela be?’ Nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra izy. Niantso an’i Jehovah àry izy, dia niangavy azy hanao zavatra. Efa tonga tao an-tsainy angamba hoe tsy miraharaha ny vahoakany intsony i Jehovah, na hoe ela loatra izy. Efa nieritreritra hoatr’izany koa ve ianao?

5. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’ny bokin’i Habakoka? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Tsy natoky an’i Jehovah intsony ve izany i Habakoka? Tsy nino intsony ve izy hoe ho tanteraka izay nampanantenain’i Jehovah? Tsy izany mihitsy! Mbola natoky an’i Jehovah izy ary tsy namoy fo, matoa i Jehovah no niresahany an’izay nampanahy azy fa tsy olona. Niady saina fotsiny izy satria tsy azony hoe fa maninona i Jehovah no mbola tsy manao zavatra, ary maninona izy no avelany hijaly. Nasain’i Jehovah nosoratan’i Habakoka izay nampanahy azy, satria misy lesona lehibe tiany hianarantsika. Inona izany? Tsy tokony hatahotra isika hiresaka aminy an’izay manahiran-tsaina antsika na izay tsy azontsika antoka. Asainy mihitsy aza isika hamboraka aminy an’izay rehetra ao am-pontsika. (Sal. 50:15; 62:8) Hoy koa ny Ohabolana 3:5: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.” Izany mihitsy no nataon’i Habakoka.

6. Nahoana no tena ilaina ny vavaka?

6 Nihevitra an’i Jehovah ho Rainy sy Namany i Habakoka. Natoky an’i Jehovah izy ary niezaka ho akaiky azy. Nitebiteby izy nefa tsy niezaka namaha samirery ny olana nahazo azy. Nolazainy tamin’i Jehovah kosa ny tao am-pony. Izany koa no tokony hataontsika. Mpihaino vavaka i Jehovah, ary mampirisika antsika izy mba hatoky azy ka hiresaka aminy an’izay mampanahy antsika. (Sal. 65:2) Raha manao an’izany isika, dia ho hitantsika hoe tena mamaly vavaka izy. Hanoro antsika an’izay tokony hatao izy sady hampahery antsika, ka toy ny hoe hamihina antsika amim-pitiavana. (Sal. 73:23, 24) Hampahafantariny antsika foana ny heviny momba an’izay mahazo antsika, na inona izany na inona. Ny vavaka vokatry ny fo àry no fomba tsara indrindra ampisehoana hoe tena matoky an’i Jehovah isika.

HENOY I JEHOVAH

7. Inona no nataon’i Jehovah rehefa noresahin’i Habakoka taminy izay nampanahy azy?

7 Vakio ny Habakoka 1:5-7. Rehefa avy niresaka tamin’i Jehovah momba ny adin-tsainy i Habakoka, dia angamba izy nieritreritra hoe: ‘Inona re izao no hataon’i Jehovah e?’ Ray be fitiavana sy mangoraka i Jehovah, ka tsy nobedesiny i Habakoka rehefa mba nitaraina. Fantany hoe kivy sy vaky fo izy, dia niantso vonjy. Nampahafantariny azy àry hoe tsy ho ela dia hosaziny ireo Jiosy nivadika. Mety ho i Habakoka aza no olona voalohany nilazan’i Jehovah an’izany.

8. Nahoana ny valin-tenin’i Jehovah no nahagaga an’i Habakoka?

8 Nasehon’i Jehovah an’i Habakoka fa efa vonona hanao zavatra izy. Nampahafantariny azy hoe kely sisa dia hosaziny ireo Jiosy ratsy fanahy sy mahery setra, ka hampiasainy hanao an’izany ny Kaldeanina, izany hoe ny Babylonianina. Nilaza koa izy hoe “amin’izao andronareo izao” izany no hitranga, izany hoe amin’ny andron’i Habakoka na amin’ny andron’ireo mpiara-belona taminy. Azo antoka fa gaga be i Habakoka hoe izany no navalin’i Jehovah azy, nefa izy aza mba nitaraina. Midika mantsy izany hoe vao mainka hijaly ny Jiosy, satria nasiaka be ny Babylonianina sady nahery setra noho ry zareo. Marina fa nahery setra koa ny Jiosy, nefa mba nahalala ny fitsipik’i Jehovah ry zareo, fara fahakeliny. Fa maninona àry no firenena mpanompo sampy sy ratsy fanahy be hoatr’izany no hampiasain’i Jehovah hanafaizana ny vahoakany? Ahoana raha ianao no nilazan’i Jehovah an’izany?

9. Inona no fanontaniana hafa napetrak’i Habakoka?

9 Vakio ny Habakoka 1:12-14, 17. Niady saina ihany i Habakoka, na dia efa azony aza hoe ny Babylonianina no hampiasain’i Jehovah hanafaizana ny ratsy fanahy. Nanetry tena anefa izy, ka nilaza fa mbola i Jehovah foana no “Vatolampy” ianteherany. (Deot. 32:4; Isaia 26:4) Natoky foana izy hoe be fitiavana sy tsara fanahy i Jehovah, ka sahy nanontany azy indray izy. Nanontany, ohatra, izy hoe: ‘Vao mainka havelanao hiharatsy ve ny fiainana eto Joda? Fa maninona ianao no tsy tonga dia manao zavatra? Ianao no Mahery Indrindra, dia maninona ianao no “mangina” fotsiny nefa manjaka ny faharatsiana? Angaha tsy hoe ianao “Ilay Masina”, ary “madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy”?’

10. Nahoana isika no mety hitovy fihetseham-po amin’i Habakoka indraindray?

10 Mety hitovy fihetseham-po amin’i Habakoka isika indraindray. Mihaino an’i Jehovah koa isika, dia matoky azy tanteraka sady mamaky sy mianatra ny Teniny. Manampy antsika hanana fanantenana izany. Mampahafantatra antsika an’izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy koa ny fandaminana. Mety ho lasa saina ihany anefa isika hoe: ‘Fa rahoviana ihany àry vao tsy hijaly intsony?’ Hodinihintsika indray izao izay nataon’i Habakoka, ary handray lesona avy amin’izany isika.

MIANDRASA AN’I JEHOVAH

11. Tapa-kevitra ny hanao inona i Habakoka, rehefa avy nihaino an’i Jehovah?

11 Vakio ny Habakoka 2:1. Tony sy nilamin-tsaina i Habakoka rehefa avy niresaka tamin’i Jehovah. Lasa tapa-kevitra ny hiandry azy hanao zavatra izy. Tsy taitaitra fotsiny izy tamin’izay, fa tena vonona hiandry. Nilaza indray mantsy izy tatỳ aoriana hoe: “Hiandry amim-pahatoniana ny andro fahoriana aho.” (Hab. 3:16) Nanam-paharetana sy natoky an’i Jehovah hoatr’izany koa ny mpanompony hafa tsy nivadika. Mampahery izany satria manome toky antsika hoe ho vitantsika koa ny hiandry an’i Jehovah.—Mika 7:7; Jak. 5:7, 8.

12. Inona avy ny lesona ianarantsika avy amin’i Habakoka?

12 Inona no ianarantsika avy amin’i Habakoka? Voalohany, tokony hivavaka foana isika isaky ny manana olana. Faharoa, mila mihaino an’i Jehovah isika. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany izy. Fahatelo, mila miandry azy isika sady manam-paharetana, ary matoky hoe hataony izay tsy hijaliantsika intsony amin’ny fotoana mety. Manahaka an’i Habakoka isika raha manao an’ireo, ka ho tony sy hilamin-tsaina dia hahavita hiaritra an’izay manjo antsika. Raha mieritreritra ny fampanantenan’i Jehovah koa isika, dia hatoky hoe tena hanao zavatra izy. Vao mainka hanam-paharetana isika amin’izay ka ho faly, na inona na inona zava-tsarotra mahazo antsika.—Rom. 12:12.

13. Nahoana no tena mampahery ny Habakoka 2:3?

13 Vakio ny Habakoka 2:3. Azo antoka fa faly i Jehovah nahita hoe tapa-kevitra ny hiandry azy i Habakoka. Izy no Mahery Indrindra ary fantany tsara izay nampahory an’ilay mpaminaniny. Tsara fanahy taminy àry i Jehovah, ka nampahery sy nanome toky azy hoe kely sisa izy dia hanao zavatra. Hoatran’ny hoe niteny taminy i Jehovah tamin’izay hoe: “Miandrasa foana, dia matokia ahy. Tena hamaly ny vavaka nataonao aho, na dia hoatran’ny elaela aza.” Nampahatsiahivin’i Jehovah an’i Habakoka hoe efa misy fotoana eritreretiny hanatanterahana ny fampanantenany. Nampirisihiny hiandry an’izany izy, sady nomeny toky hoe tsy ho diso fanantenana.

Nahoana isika no tapa-kevitra hoe hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah? (Fehintsoratra 14)

14. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika rehefa manana olana?

14 Mila manam-paharetana koa isika, ary mihaino tsara an’izay lazain’i Jehovah. Hatoky azy isika amin’izay ary hilamin-tsaina, na inona na inona manjo antsika. Nilaza i Jesosy hoe tsy tokony hieritreritra be momba “ny fotoana na ny vanim-potoana” tsy nampahafantarin’i Jehovah antsika isika. (Asa. 1:7) Afaka matoky isika hoe tena manaja fotoana i Jehovah. Tsy tokony ho kivy àry isika, fa mila manetry tena sy manam-paharetana ary matoky azy. Mila mampiasa ny fotoanantsika koa isika mba hanomezana ny tsara indrindra ho azy.—Mar. 13:35-37; Gal. 6:9.

HANANA HOAVY TSARA IZAY MATOKY AN’I JEHOVAH

15, 16. a) Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika ao amin’ny bokin’i Habakoka? b) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

15 Nampanantena i Jehovah hoe ‘ho velona noho ny tsy fivadihany ny olo-marina’, ary “ny tany ho feno fahalalana ny voninahitr’i Jehovah.” (Hab. 2:4, 14) Hiaina mandrakizay àry izay manam-paharetana sy matoky azy.

16 Hoatran’ny hoe zavatra efa mahazatra fotsiny ilay resahin’ny Habakoka 2:4, raha jerena maimaika. Misy dikany be anefa io fampanantenana io, ka naverin’ny apostoly Paoly intelo. (Rom. 1:17; Gal. 3:11; Heb. 10:38) Raha matoky an’i Jehovah isika sady tsy mivadika aminy na inona na inona olana mitranga, dia ho velona isika ka hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenany. Izany no tian’i Jehovah hifantohantsika fa tsy izay mahazo antsika amin’izao.

17. Inona no ampanantenain’i Jehovah an’izay matoky azy?

17 Misy lesona lehibe ho antsika miaina amin’ny andro farany ao amin’ny bokin’i Habakoka. Mampanantena i Jehovah hoe izay manao ny marina ka matoky azy, dia homeny fiainana mandrakizay. Miezaha foana àry hatoky bebe kokoa an’i Jehovah, na inona na inona manahirana na mampitebiteby anao. Hanampy sy hamonjy antsika izy, araka ny teniny tamin’i Habakoka. Miangavy antsika izy mba hatoky azy sy hiandry foana an’ilay fotoana efa nofidiny hoe hitondran’ny Fanjakany. Ho sambatra isika amin’izany satria hanompo an’i Jehovah ny olona rehetra ary halemy fanahy daholo.—Mat. 5:5; Heb. 10:36-39.

FALY SADY MATOKY AN’I JEHOVAH

18. Nanao ahoana i Habakoka rehefa avy naheno ny tenin’i Jehovah?

18 Vakio ny Habakoka 3:16-19. Nisy vokany be tamin’i Habakoka ny tenin’i Jehovah. Nisaintsaina an’ireo zavatra miavaka efa nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany izy, dia vao mainka natoky azy. Resy lahatra izy hoe kely sisa i Jehovah dia hanao zavatra. Nampahery azy izany, na dia fantany aza hoe mety tsy ho afaka izao dia izao ny fahoriany. Tsy sahiran-tsaina intsony i Habakoka nanomboka teo. Faly kosa izy nieritreritra hoe manana hery hamonjena ny mpanompony i Jehovah. Nasehony hoe tena natoky an’i Jehovah izy, ao amin’ny Habakoka 3:18. Izy angamba no nilaza teny tsara indrindra mampiseho an’izany, ao amin’ny Baiboly. Misy manam-pahaizana mieritreritra hoe hoatr’izao no dikan’io andininy io raha ara-bakiteny: “Faly amin’ny Tompo aho ka hitsambikina. Hitsinjaka aho fa tena faly amin’Andriamanitra.” Tena mampahery antsika rehetra àry ny voalazan’ny Habakoka 3:16-19! Tsy hoe mampanantena zavatra faran’izay tsara fotsiny i Jehovah, fa manome toky koa hoe efa manao zavatra izy izao mba hanatanterahana an’izany.

19. Inona no azontsika atao raha te hahazo fampaherezana hoatran’i Habakoka isika?

19 Matokia an’i Jehovah! Izay no lesona lehibe indrindra ao amin’ny bokin’i Habakoka. (Hab. 2:4) Hatoky an’i Jehovah foana isika, raha miezaka hifandray akaiky kokoa aminy. Inona no hanampy antsika amin’izany? 1) Mivavaha foana, ka resaho aminy daholo izay mampitebiteby sy mampiady saina anao. 2) Henoy sy araho tsara izay lazainy amintsika ao amin’ny Teniny sy izay toromarika omen’ny fandaminany. 3) Miandrasa foana an’i Jehovah ary aza mivadika mihitsy. Nanao an’ireo i Habakoka. Inona no vokany? Marina hoe kivy izy ao amin’ny fiandohan’ny bokiny, nefa nahazo fampaherezana izy tamin’ny farany ka faly indray. Manaova àry hoatr’azy, dia hamihina mafy anao koa ilay Rainao any an-danitra. Aiza indray ianao no hahita fampaherezana tsara hoatr’izany eto amin’ity tontolo mahakivy ity?