Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hevitr’iza no Arahinao?

Ny Hevitr’iza no Arahinao?

“Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity.”—ROM. 12:2.

HIRA: 88, 45

1, 2. a) Inona no navalin’i Jesosy rehefa niteny taminy i Petera hoe tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenany izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Fa maninona izy no niteny an’izany?

SAIKA tsy nino ny mpianatr’i Jesosy! Nilaza mantsy i Jesosy hoe kely sisa izy dia hijaly sy ho faty, nefa ry zareo nieritreritra hoe izy no hamerina ny Fanjakana amin’ny Israely. Tonga dia niteny ny apostoly Petera hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” Namaly anefa i Jesosy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato mahatafintohina eo anoloako ianao, satria tsy ny hevitr’Andriamanitra no eritreretinao, fa ny an’ny olombelona.”—Mat. 16:21-23; Asa. 1:6.

2 Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo hoe tsy mitovy ny hevitr’Andriamanitra sy ny hevitr’ity tontolo fehezin’i Satana ity. (1 Jaona 5:19) Tian’i Petera hanao izay metimety aminy fotsiny i Jesosy, nefa ity tontolo ity no tia tena hoatr’izany. Fantatr’i Jesosy hoe tsy izany no tian’i Jehovah hataony. Tsy maintsy hijaly sy ho faty izy, ary tian’i Jehovah ho vonona amin’izany. Hita amin’ny valin-tenin’i Jesosy hoe naleony nanaraka ny hevitr’i Jehovah fa tsy ny hevitr’ity tontolo ity.

3. Nahoana no sarotra ny manaraka ny hevitr’i Jehovah?

3 Ary isika? Mitovy hevitra amin’i Jehovah isika sa mitovy hevitra amin’ity tontolo ity? Marina aloha hoe efa mampifanaraka an’izay ataontsika amin’izay takin’i Jehovah isika. Fa ahoana kosa ny fomba fisainantsika? Mitovy amin’ny an’i Jehovah ve izy io? Tsy vitavita ho azy izany fa mitaky ezaka be. Ny hevitr’ity tontolo ity kosa anefa mora miditra ao an-tsaintsika. Tsy mila miezaka akory isika! Hita hatraiza hatraiza mantsy ny toe-tsain’ity tontolo ity. (Efes. 2:2) Mety ho voatarika hanaraka azy io koa isika, satria hoatran’ny hoe mahafinaritra ilay izy. Mampirisika antsika hanao izay metimety amintsika fotsiny mantsy ity tontolo ity.

4. a) Inona no ho vokany raha manaiky hanaraka ny toe-tsain’ity tontolo ity isika? b) Inona no hianarantsika ato?

4 Ho tia tena isika raha manaiky hanaraka ny toe-tsain’ity tontolo ity. Lasa te hamaritra ny tsara sy ny ratsy ho antsika koa isika. (Mar. 7:21, 22) Tena mila miezaka àry isika mba hanana “ny hevitr’Andriamanitra” fa tsy “ny an’ny olombelona.” Hanampy antsika amin’izany ity lahatsoratra ity. Ho hitantsika ato fa mandray soa isika rehefa mitovy hevitra amin’i Jehovah, fa tsy hoe voafehifehy be. Ho hitantsika koa hoe inona no hanampy antsika tsy ho voataona hanaraka ny toe-tsain’ity tontolo ity. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa izay azontsika atao mba hahalalana ny hevitr’i Jehovah momba ny zavatra sasany, sy izay hanampy antsika hitovy hevitra aminy.

HANDRAY SOA ISIKA RAHA MITOVY HEVITRA AMIN’I JEHOVAH

5. Nahoana ny olona sasany no tsy manaiky hanaraka ny hevitry ny hafa mihitsy?

5 Misy olona tsy manaiky hanaraka ny hevitry ny hafa mihitsy, na iza io na iza. Afaka mampiasa ny sainy, hono, izy fa tsy mila an’iza na iza hanampy azy hieritreritra. Te hanapa-kevitra irery ny amin’izay hataony izy, ary mihevitra izy hoe zony izany. Tsy te hofehifehezina mantsy izy, ary te hampiseho hoe manana ny mampiavaka azy. *

6. a) Inona no fahafahana omen’i Jehovah antsika? b) Misy fetrany ve izany? Hazavao.

6 Matokia anefa fa tsy hoe lasa tsy afaka manana ny hevitrao intsony ianao, rehefa manaraka ny fomba fisainan’i Jehovah. Milaza ny 2 Korintianina 3:17 hoe: “Izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.” Avelan’i Jehovah hanana ny maha izy antsika isika. Afaka misafidy an’izay tiantsika sy mahafinaritra antsika isika, ary efa hoatr’izany mihitsy no nanaovany antsika. Misy fetrany anefa io fahafahana io. (Vakio ny 1 Petera 2:16.) Tian’i Jehovah hanaraka ny heviny ao amin’ny Baiboly isika, rehefa manapa-kevitra hoe tsara na ratsy ny zavatra iray. Mahasoa antsika ve izany sa mahatonga antsika ho voafehifehy be?

7, 8. Ho voafehifehy be ve isika raha miezaka ny hitovy hevitra amin’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Eritrereto ange ny ray aman-dreny e! Miezaka mampianatra ny zanany hanana toetra tsara ry zareo. Ampianariny hanao ny marina sy hazoto hiasa ary ho tsara fanahy, ohatra, ny zanany. Tsy midika anefa izany hoe lasa voafehifehy be ireo ankizy ireo. Manomana azy ireo mba hahaleo tena sy hahomby amin’izay hataony kosa izany. Rehefa lehibe sy miala ao an-trano ry zareo any aoriana any, dia ho afaka hisafidy an’izay tiany hatao. Tsy hanenina mihitsy ry zareo raha mbola manaraka an’izay nampianarin’ny ray aman-dreniny rehefa manapa-kevitra. Hanampy azy ireo hisoroka olana sy adin-tsaina be dia be izany.

8 Hoatran’ny ray aman-dreny mahay mitaiza i Jehovah. Tiany ho afa-po amin’ny fiainana ny mpanompony. (Isaia 48:17, 18) Omeny toro lalana àry isika, mba hanampiana antsika hanao ny tsara sy hahay hifandray amin’ny hafa. Ampirisihiny isika mba hiezaka hitovy hevitra aminy sy hanaraka an’izay hitany hoe mety. Manampy antsika hieritreritra tsara izany, fa tsy mahatonga antsika ho voafehifehy be akory. (Sal. 92:5; Ohab. 2:1-5; Isaia 55:9) Raha manao an’izany isika, dia ho tsara ny safidy hataontsika, ka ho sambatra isika. Mbola ho afaka ny hanana ny maha izy antsika ihany koa anefa isika. (Sal. 1:2, 3) Tena mahasoa àry ny manaraka ny fomba fisainan’i Jehovah.

TSARA LAVITRA NY FOMBA FISAINAN’I JEHOVAH

9, 10. Inona no porofo fa tsara lavitra noho ny an’ity tontolo ity ny fomba fisainan’i Jehovah?

9 Nahoana koa ny mpanompon’i Jehovah no miezaka hitovy hevitra aminy? Satria tsara lavitra noho ny an’ity tontolo ity ny fomba fisainan’i Jehovah. Manome torohevitra isan-karazany ity tontolo ity. Anisan’izany ny hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviana, na hahazoana asa tsara, na hoatran’ny ahoana no atao hoe tsara fitondran-tena. Mifanipaka amin’ny hevitr’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ireny torohevitra ireny. Matetika ity tontolo ity no mampirisika ny olona ho tia tena. Leferiny koa ny fitondran-tena maloto. Ampirisihiny hisara-panambadiana na hisara-toerana koa ny mpivady indraindray, na dia noho ny antony tsy dia misy dikany aza. Ho sambatra kokoa, hono, ry zareo amin’izay. Mifanohitra amin’izay lazain’ny Soratra Masina anefa ireny torohevitra ireny. Na izany aza, dia misy mieritreritra hoe mety kokoa amin’izao androntsika izao ny sasany amin’izy ireny. Marina ve izany?

10 Hoy i Jesosy: “Ny fahendren’ny olona ... dia hamarinin’izay ataony.” (Mat. 11:19) Nahavita zavatra be ity tontolo ity raha ny teknolojia no resahina, saingy tsy vitany ny manafoana ny ady sy ny fanavakavahana ary ny heloka bevava. Ireo anefa no tena misakana ny olona tsy ho sambatra. Ary inona no vokatry ny fitondran-tena maloto? Be dia be no miaiky hoe mandrava tokantrano izany sady miteraka aretina, ary vao mainka aza mahatonga olana hafa. Ny Kristianina kosa manaraka ny hevitr’i Jehovah, ka mihavana tsara amin’ny mpiray finoana aminy eran-tany. Tsy vitan’izany fa sambatra kokoa ny fianakaviany ary salama kokoa ry zareo. (Isaia 2:4; Asa. 10:34, 35; 1 Kor. 6:9-11) Tsy hitanao amin’izany ve fa tsara lavitra noho ny an’ity tontolo ity ny fomba fisainan’i Jehovah?

11. Ny hevitr’iza no narahin’i Mosesy, ary inona no vokany?

11 Niaiky ny mpanompon’i Jehovah taloha hoe tsara lavitra noho ny an’ity tontolo ity ny hevitr’i Jehovah. Anisan’izany i Mosesy. Nampianarina “ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” izy, nefa niantehitra tamin’i Jehovah mba ‘hanana fo hendry.’ (Asa. 7:22; Sal. 90:12) Niangavy an’i Jehovah koa izy hoe: ‘Mba ampahafantaro ahy re ny lalanao e!’ (Eks. 33:13) Nanaraka ny hevitr’i Jehovah i Mosesy, ka nampiany hahavita zavatra miavaka mba hanatanterahana ny sitrapony. Nomeny voninahitra koa i Mosesy, satria nampanoratiny ao amin’ny Baiboly hoe tena nanam-pinoana izy.—Heb. 11:24-27.

12. Inona no nataon’ny apostoly Paoly rehefa nila nanapa-kevitra izy?

12 Tena nahay sy nahita fianarana koa ny apostoly Paoly. Roa, fara fahakeliny, ny fiteny hainy. (Asa. 5:34; 21:37, 39; 22:2, 3) Tsy niantehitra tamin’ny fahendren’ity tontolo ity anefa izy, rehefa nila nanapa-kevitra hoe inona no tsara na ratsy. Nisaintsaina an’izay voalazan’ny Soratra Masina kosa izy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:2; 1 Korintianina 2:6, 7, 13.) Nahavita tsara ny fanompoany àry izy, sady natoky hoe hahazo valisoa mandrakizay.—2 Tim. 4:8.

13. Iza no tokony hanitsy ny toe-tsaintsika mba hifanaraka amin’ny an’i Jehovah?

13 Tsara lavitra noho ny an’ity tontolo ity àry ny fomba fisainan’Andriamanitra. Tena ho sambatra sy hahomby amin’izay ataontsika isika, raha manaraka ny heviny. Tsy manery antsika hanaraka ny heviny anefa i Jehovah. Tsy manao an’izany koa na ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” na ny anti-panahy. (Mat. 24:45; 2 Kor. 1:24) Anjarantsika tsirairay ny manitsy ny toe-tsaintsika mba hifanaraka amin’ny an’i Jehovah. Inona no hanampy antsika amin’izany?

AZA MANARAKA NY TOE-TSAIN’ITY TONTOLO ITY

14, 15. a) Inona no mila saintsainintsika raha te hitovy fomba fisainana amin’i Jehovah isika? b) Nahoana no tsy tokony hampidirantsika ny hevitr’ity tontolo ity ao an-tsaintsika? Hazavao amin’ny ohatra.

14 Misy vokany eo amin’ny toe-tsaintsika ny fiainantsika taloha sy ny toetra nolovantsika. Hoy anefa ny Romanina 12:2: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” Midika izany hoe azo ovana foana ny toe-tsaina, mba hitovy kokoa amin’ny an’i Jehovah. Azo atao izany na inona na inona namolavola azy io, talohan’ny nahalalantsika ny fahamarinana. Miankina amin’izay ampidirintsika ao an-tsaina sy izay eritreretintsika izany. Raha ny fomba fisainan’i Jehovah no eritreretintsika, dia ho resy lahatra isika fa marina ny azy. Hiezaka hanana ny fomba fisainany isika amin’izay, satria lasa tiantsika ilay izy.

15 Raha tiantsika hitovy amin’ny an’i Jehovah anefa ny fomba fisainantsika, dia tsy tokony ‘hanaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony’ isika. Midika izany hoe tsy tokony hampidirantsika hevitra mifanohitra amin’ny an’i Jehovah intsony ao an-tsaintsika. Tena zava-dehibe izany. Eritrereto, ohatra, hoe misy olona te ho salama kokoa, dia mihinana sakafo mahasalama. Ahoana anefa raha mihinana sakafo lo koa izy? Tsy hisy dikany akory ny ezaka ataony. Hoatr’izany koa isika. Ho very maina fotsiny ny ezaka ataontsika, raha avelantsika hiditra ao an-tsaintsika koa ny hevitr’ity tontolo ity.

16. Inona no mila tandremantsika?

16 Tsy maintsy miaina eto amin’ity tontolo ity isika, ka tsy afaka miala tanteraka amin’ny toe-tsain’izy io. (1 Kor. 5:9, 10) Na dia rehefa mitory aza isika, dia maheno olona milaza hevi-diso. Marina hoe tsy fidiny antsika indraindray ny maheno an’ireny hevitra ireny. Tsy voatery hieritreritra be na hanaiky azy ireny anefa isika. Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka tonga dia handa an’izay hevitra fantatsika hoe avy amin’i Satana. Mila mitandrina koa isika sao isika indray no mamela ny toe-tsain’ity tontolo ity hiditra ao an-tsaintsika.—Vakio ny Ohabolana 4:23.

17. Inona no azontsika atao mba tsy hahatonga ny toe-tsain’ity tontolo ity hiditra ao an-tsaintsika?

17 Mila fidintsika tsara, ohatra, ny namantsika. Mampitandrina ny Baiboly hoe raha olona tsy manompo an’i Jehovah no ataontsika namana be, dia hifindra amintsika ny toe-tsainy. (Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:12, 32, 33) Mila fidintsika tsara koa ny fialam-bolintsika. Tsy hanao fialam-boly mampirisika ny olona hahery setra na hijangajanga na hino ny evolisiona isika. Mahatonga antsika hanana hevitra ‘manohitra ny fahalalana an’Andriamanitra’ mantsy izany, ka ho toy ny hoe voapoizina ny saintsika.—2 Kor. 10:5.

Ampianao ve ny zanakao mba tsy hanao fialam-boly ratsy? (Fehintsoratra 18, 19)

18, 19. a) Nahoana isika no mila mitandrina? Inona avy, ohatra, no mety hahatonga antsika hanaraka ny toe-tsain’ity tontolo ity? b) Inona no tokony hoeritreretintsika, ary nahoana?

18 Tsy miharihary be indraindray ny toe-tsain’ity tontolo ity, ka mila mahay mamantatra sy mandà azy io isika. Mety hanohana an-kolaka ny hevitry ny antoko politika anankiray, ohatra, ny tatitra ataon’ny filazam-baovao. Mety hohindrahindraina amin’ny tele na radio koa ny olona nahavita zavatra miavaka teto amin’ity tontolo ity, dia hoatran’ny hoe tsara ny tanjony. Misy koa boky sy filma mampirisika ny olona ho tia tena na tsy hieritreritra afa-tsy ny fianakaviany. Lasa hoatran’ny hoe mahafinaritra sy tsy mampaninona izany. Mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly anefa izany. Voalaza ao mantsy hoe raha i Jehovah no tiantsika voalohany, dia tena ho sambatra isika sy ny fianakaviantsika. (Mat. 22:36-39) Hoatran’ny hoe tsy mampaninona koa ny tantara, filma, video, na sary miaina sasany natao ho an’ny ankizy, nefa mety hampirisika an-dry zareo an-kolaka mba hanaiky fanao tsy tian’i Jehovah ireny.

19 Tsy midika anefa izany hoe tsy azo atao ny miala voly. Mila mieritreritra kosa isika hoe: ‘Haiko ve ny mamantatra ny toe-tsain’ity tontolo ity, na dia tsy miharihary be aza ilay izy? Ampiako ve ny zanako mba tsy hijery fandaharana na hamaky boky mety hahitana an’izany? Mitandrina amin’izany koa ve aho? Ahoana raha nahita na nandre zavatra mety hahatonga azy hanaiky ny hevitr’ity tontolo ity ny zanako? Ampiako hitovy hevitra amin’i Jehovah ve izy?’ ‘Tsy hanaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony’ isika, rehefa hitantsika ny maha samy hafa ny toe-tsainy sy ny an’i Jehovah.

NY HEVITR’IZA NO ARAHINAO IZAO?

20. Ahoana no ahalalana hoe ny hevitr’iza no arahintsika?

20 Ahoana no ahalalana hoe ny hevitr’iza no arahinao? Miankina amin’izay akanao hevitra izany: Na ianao any amin’i Jehovah no maka hevitra, na any amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. Raha any amin’ity tontolo ity ianao no maka hevitra, dia hanaraka ny heviny ianao. Hanahaka ny toe-tsain’ny olona tsy manompo an’i Jehovah ianao amin’izay, sady hanao ny fanaon’izy ireo. Tena mila mitandrina amin’izay avelantsika hiditra ao an-tsaintsika àry isika.

21. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Noresahintsika tato hoe tsy ampy ny mandà ny toe-tsain’ity tontolo ity, raha te hanana ny fomba fisainan’i Jehovah. Mila misaintsaina ny hevitr’i Jehovah koa isika, ka hiezaka hitovy hevitra aminy. Hiresaka bebe kokoa momba an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 5 Tsy maintsy misy hevitra arahin’ny olona iray foana raha ny marina. Marina foana izany na zavatra lalina be no eritreretiny, ohatra hoe ny nampisy an’izao rehetra izao, na zavatra tsotra kely, ohatra hoe mifidy akanjo hanaovana. Na izany aza, dia afaka misafidy foana isika hoe ny hevitr’iza no tiantsika harahina.