Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 48

Vitao Izay Natombokao

Vitao Izay Natombokao

“Vitao [izay natombokao].”—2 KOR. 8:11.

HIRA 35 ‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

HO HITANAO ATO *

1. Avelan’i Jehovah hanao inona isika?

AVELAN’I Jehovah hifidy ny fomba hitondrantsika ny fiainantsika isika. Ampianariny hanao safidy tsara koa isika, sady ampiany mba hahomby rehefa mampifaly azy ny fanapahan-kevitra raisintsika. (Sal. 119:173) Vao mainka isika hahay hanapa-kevitra raha mampihatra an’izay lazainy ao amin’ny Teniny. Feno fahendrena mantsy izy io.—Heb. 5:14.

2. Inona no mety ho sarotra amintsika rehefa avy nanapa-kevitra isika?

2 Mety ho sarotra amintsika ny hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika, na dia tsara aza ilay izy. Ireto misy ohatra: Nanapa-kevitra ny rahalahy tanora iray hoe hamaky ny Baiboly manontolo. Arany tsara ilay izy tamin’ny voalohany, nefa tsy vitany intsony rehefa afaka herinandro maromaro. Misy anabavy iray koa nanapa-kevitra hanao mpisava lalana maharitra, dia efa nisy daty noeritreretiny hanombohana. Nangataka andro lava anefa izy dia mbola tsy nanomboka ihany. Ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana iray indray nanapa-kevitra hoe hiezaka kokoa mba hitsidika mpiara-manompo. Efa volana maromaro no lasa, nefa mbola tsy notanterahin’izy ireo ilay izy. Samy hafa ireo zava-mitranga ireo nefa misy itovizany. Inona izany? Nanapa-kevitra fotsiny ry zareo fa tsy nanatanteraka hatramin’ny farany. Nanana olana hoatr’izany koa ny Kristianina tany Korinto. Inona no azo ianarana avy amin’izy ireo?

3. Nanapa-kevitra hanao inona ny Korintianina, nefa inona no nitranga?

3 Nandray fanapahan-kevitra lehibe ny Korintianina tamin’ny taona 55 tany ho any. Henon-dry zareo hoe nahantra sy sahirana ny mpiara-manompo tany Jerosalema sy Jodia, ka nanangona vola halefa any ny fiangonana hafa. Tsara fanahy ny Korintianina sady nalala-tanana, dia nanapa-kevitra handray anjara koa. Nanontanian’izy ireo àry ny apostoly Paoly hoe inona no azo atao. Nandefa toromarika tany amin’izy ireo i Paoly, sady nanendry an’i Titosy mba hanampy amin’ny fanangonana an’ilay vola. (1 Kor. 16:1; 2 Kor. 8:6) Henon’i Paoly anefa, volana vitsivitsy taorian’izay, hoe mbola tsy vonona ilay fanomezana. Natahorana tsy ho vonona ara-potoana ilay izy, nefa tokony halefa any Jerosalema miaraka amin’ny fanomezan’ny fiangonana hafa.—2 Kor. 9:4, 5.

4. Inona no nampirisihin’i Paoly hataon’ny Korintianina, araka ny 2 Korintianina 8:7, 10, 11?

4 Tsara ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny Korintianina. Nidera azy ireo i Paoly satria niavaka ny finoan’izy ireo sady tena te hanampy izy ireo. Tsy maintsy nampirisika azy ireo koa anefa izy mba hamita an’izay natombok’izy ireo. (Vakio ny 2 Korintianina 8:7, 10, 11.) Hita avy amin’izany fa na dia Kristianina tsy mivadika aza mety ho sahirana vao hahavita hanatanteraka ny fanapahan-kevitra tsara noraisiny.

5. Inona no hovaliantsika ato?

5 Mety ho sarotra amintsika koa ny hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika. Tsy lavorary mantsy isika dia mety hangataka andro. Mety hisy zavatra tsy ampoizina koa, ka tsy ho vitantsika ny hanatanteraka an’ilay izy. (Mpito. 9:11; Rom. 7:18) Inona àry no hanampy antsika hahay hanapa-kevitra sy hahita raha mila ovana ny fanapahan-kevitra efa noraisintsika? Ary inona no hanampy antsika hamita an’izay natombotsika?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HAHAY HANAPA-KEVITRA?

6. Inona no mety hahatonga antsika hanova ny fanapahan-kevitra noraisintsika?

6 Tsy hanova ny fanapahan-kevitra sasany noraisintsika mihitsy isika, anisan’izany ny hoe hanompo an’i Jehovah sy tsy hivadika amin’ny vady. (Mat. 16:24; 19:6) Misy fanapahan-kevitra sasany anefa mila ovana. Nahoana? Satria miova ny fiainana. Inona àry no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra faran’izay tsara?

7. Inona no tokony hangatahinao amin’i Jehovah, ary nahoana?

7 Mivavaha mba hahazo fahendrena. Izao no nasain’i Jehovah nosoratan’i Jakoba: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy.” (Jak. 1:5) “Tsy ampy fahendrena” daholo isika, raha ny marina. Mila miantehitra amin’i Jehovah àry ianao rehefa hanapa-kevitra, sy rehefa handinika raha mila ovana ny fanapahan-kevitra noraisinao. Hampiany hanao safidy tsara ianao amin’izay.

8. Inona no tokony hatao alohan’ny hanapahana hevitra?

8 Manaova fikarohana tsara. Jereo izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny boky sy gazety navoakan’ny fandaminana. Miresaha koa amin’ny olona azonao antoka hoe hanome torohevitra tsara anao. (Ohab. 20:18) Tena ilaina ny mikaroka hoatr’izany alohan’ny hanapahana hevitra hoe hiova asa, na hifindra any an-toeran-kafa. Ilaina koa ny manao an’izany rehefa hifidy fianarana hahafahana manompo an’i Jehovah.

9. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny antony andraisantsika fanapahan-kevitra?

9 Diniho ny antony mahatonga anao handray an’ilay fanapahan-kevitra. Zava-dehibe amin’i Jehovah izany satria mandinika ny fo izy. (1 Sam. 16:7) Rehefa mandini-tena isika, dia mahita ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Mila mieritreritra tsara anefa isika hoe: ‘Tena izay ve ilay antony, sa sao dia misy antony hafa?’ Manao ny marina mantsy isika, raha izay tena ao am-pontsika no jerentsika. Raha tsy tsara ny antony mahatonga antsika handray fanapahan-kevitra, dia mety ho sarotra amintsika ny hanatanteraka an’ilay izy rehefa misy olana. Eritrereto, ohatra, hoe manapa-kevitra hanao mpisava lalana maharitra ny rahalahy tanora iray. Tsy mahatratra ora anefa izy rehefa mandeha ny fotoana, sady zara raha faly rehefa manompo. Fa maninona? Mety ho nieritreritra izy hoe ny hampifaly an’i Jehovah no tena nahatonga azy hanao mpisava lalana. Sao dia te hampifaly ny ray aman-dreniny na olon-kafa anefa izy?

10. Inona no hanampy antsika hiova?

10 Eritrereto hoe misy mpianatra Baiboly nanapa-kevitra hiala amin’ny sigara. Niady mafy izy ka nahavita tsy nifoka nandritra ny herinandro na tapa-bolana teo ho eo. Resy anefa izy avy eo dia niverina nifoka indray. Rehefa ela ny ela, dia afaka tamin’ny sigara ihany izy! Tena tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy izy, dia izay no nanampy azy.—Kol. 1:10; 3:23.

11. Nahoana no ilaina ny manana tanjona mazava tsara?

11 Ataovy mazava tsara ny tanjonao. Rehefa mazava tsara aminao izay tianao hatao, dia ho mora kokoa aminao ny hamita an’ilay izy. Andao hatao hoe nanapa-kevitra hamaky Baiboly isan’andro ianao. Raha tsy manana fandaharam-potoana mazava tsara anefa ianao, dia mety tsy ho tratra io tanjonao io. * Eritrereto koa ilay hoe nanapa-kevitra hitsidika matetika kokoa ny mpiara-manompo ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana iray. Nandeha ny fotoana nefa mbola tsy natomboka ilay izy. Inona no hanampy azy ireo hamita an’izay nokasainy? Azon’izy ireo dinihina ireto: “Efa nataontsika lisitra ve ireo rahalahy sy anabavy mila tsidihina? Efa misy daty mazava hitsidihana azy ireo ve?”

12. Mila manao inona isika indraindray, ary nahoana?

12 Ekeo ny zava-misy. Tsy misy olona mahavita an’izay rehetra tiany hatao mihitsy. Tsy ampy hanaovana an’izany mantsy na ny fotoana na ny vola na ny hery ananantsika. Mila manaiky ny zava-misy àry ianao, dia mahay mandanjalanja. Mila manova tanteraka ny fanapahan-kevitrao angamba ianao indraindray, rehefa hitanao hoe tsy ho vitanao ilay izy. (Mpito. 3:6) Ahoana anefa raha nodinihinao ny fanapahan-kevitrao dia nahitsinao, ary hitanao hoe azonao tanterahina ihany ilay izy? Ireto misy dingana dimy afaka manampy anao hamita an’izay natombokao.

DINGANA HANAMPY ANAO HAMITA AN’IZAY NATOMBOKAO

13. Ahoana no hahazoanao hery hanatanterahana ny fanapahan-kevitrao?

13 Mivavaha mba hahazo hery. Afaka manome anao hery ‘hanatanterahana’ ny fanapahan-kevitrao Andriamanitra. (Fil. 2:13) Mangataha àry fanahy masina aminy mba hahazoanao ny hery ilainao. Mivavaha foana na dia mieritreritra aza ianao hoe hoatran’ny tsy mivaly ny fangatahanao. Hoy i Jesosy: “Mangataha foana dia homena [fanahy masina] ianareo.”—Lioka 11:9, 13.

14. Nahoana ny Ohabolana 21:5 no manampy anao hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisinao?

14 Alamino tsara ny fomba hanatanterahana an’ilay fanapahan-kevitra. (Vakio ny Ohabolana 21:5.) Na inona na inona tianao hatao, dia mila mandamina mialoha foana ianao, ary manaraka tsara an’ilay lamina. Amin’izay ihany ianao vao hahavita an’ilay izy hatramin’ny farany. Hoatr’izany koa no tokony hataonao rehefa manapa-kevitra. Ataovy lisitra aloha izay dingana rehetra eritreretinao hatao mba hanatanterahana an’ilay izy, ary soraty izany. Raha ngezabe ilay zavatra tianao hovitaina nefa zarazarainao ho kelikely kokoa, dia ho mora kokoa aminao ny hahita ny fandrosoanao. Nampirisika ny Korintianina, ohatra, i Paoly hoe mila manokana vola ry zareo “isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro.” Tsy rehefa tonga izy amin’izay vao hanangona an’ilay vola hatao fanomezana ry zareo. (1 Kor. 16:2) Tsy hahatsiaro ho tototra loatra koa ianao raha tsinjarainao hoatr’izany izay zavatra lehibe tianao hovitaina.

15. Inona amin’izay no tokony hataonao raha efa mazava ny dingana tianao harahina?

15 Raha efa nosoratanao ny dingana tianao hatao, dia araho amin’izay ilay izy. (1 Kor. 14:40) Ho mora kokoa aminao ny hanatanteraka an’ilay fanapahan-kevitra, raha manao an’ireo ianao. Asaina manendry anti-panahy iray, ohatra, ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana mba hanoratra an’izay fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo, sy hoe iza no hanatanteraka an’ilay izy, ary rahoviana ilay izy no tokony ho vita. Rehefa manaraka an’izany toromarika izany ny anti-panahy, dia ho mora kokoa amin’izy ireo ny hamita an’izay nokasainy. (1 Kor. 9:26) Afaka manao hoatr’izany koa ianao. Maninona raha atao lisitra izay tianao hatao mandritra ny andro, dia alahatra hoe iza no hatao voalohany? Hahavita an’izay natombokao ianao amin’izay sady mety hahavita zavatra betsaka kokoa.

16. Inona no tokony hataonao raha te hahavita hanatanteraka ny fanapahan-kevitrao ianao? Nahoana ny Romanina 12:11 no manamafy an’izany?

16 Miezaha mafy. Mila miezaka ianao raha te hahavita hanaraka an’ilay lamina napetrakao sy hamita an’izay natombokao. (Vakio ny Romanina 12:11.) Izany no nampirisihin’i Paoly an’i Timoty. Nasainy niezaka mafy foana izy mba hahay hampianatra kokoa. Afaka miezaka mafy koa isika, na inona na inona tanjona tiantsika hotratrarina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—1 Tim. 4:13, 16.

17. Ahoana no azo ampiharana ny Efesianina 5:15, 16?

17 Ampiasao tsara ny fotoananao. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Fidio hoe rahoviana ianao no hanatanteraka an’ilay fanapahan-kevitra, dia tena ataovy amin’iny fotoana iny ilay izy. Aza miandry hoe efa mety ny zava-drehetra izay vao hanomboka. Tsy hisy mihitsy mantsy izany! (Mpito. 11:4) Tandremo sao lany amin’ny zavatra tsy dia misy dikany ny fotoana sy ny hery tokony hampiasainao amin’izay zava-dehibe kokoa. (Fil. 1:10) Jereo koa hoe rahoviana ianao no tsy dia misy manelingelina, dia atokàny hanaovana an’izay noeritreretinao hatao iny fotoana iny. Ampahafantaro ny hafa fa mila mifantoka ianao. Azo atao koa ny mamono telefaonina, dia tsy mijery e-mail na tambazotran-tserasera raha tsy aorian’izay. *

18-19. Inona no hanampy anao tsy hilavo lefona rehefa misy olana?

18 Tadidio ny soa ho azonao. Eritrereto hoe misy toerana tianao haleha. Azo oharina amin’io toerana io ny soa ho azo avy amin’ny fanapahan-kevitra noraisinao. Ahoana raha tapaka ny lalana mankany amin’ilay toerana? Raha tena te ho tonga any ianao, dia hitady lalana hafa ary hanohy ny dianao foana. Hoatr’izany koa no tokony hatao rehefa avy nanapa-kevitra. Raha tena te handray soa amin’ilay izy ianao, dia tsy hilavo lefona mihitsy fa hiezaka foana na dia misy olana aza.—Gal. 6:9.

19 Tsy ny mandray fanapahan-kevitra tsara fotsiny no sarotra, fa ny manatanteraka an’ilay izy koa. Afaka manome ny fahendrena sy hery ilainao anefa i Jehovah, ka ho vitanao izay natombokao.

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

^ feh. 5 Misy fanapahan-kevitra sasany anenenanao ve? Sa sarotra aminao indraindray ny mandray fanapahan-kevitra tsara sy manatanteraka an’ilay izy? Hanampy anao hamaha an’ireo olana ireo ity lahatsoratra ity, amin’izay ho vitanao izay efa natombokao.

^ feh. 11 Te handamina fotoana hamakiana Baiboly ve ianao? Midira ao amin’ny jw.org®, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY, dia jereo ilay hoe “Fandaharana Famakiana Baiboly.”

^ feh. 17 Raha mila soso-kevitra fanampiny ianao, dia jereo ilay hoe “Fomba 20 Andaminana Fotoana”, ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2010.