Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 45

Ampio Izy Hitandrina ny Didin’i Kristy

Ampio Izy Hitandrina ny Didin’i Kristy

“Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”​—MAT. 28:19, 20.

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

HO HITANAO ATO *

1. Inona ny didy nomen’i Jesosy, araka ny Matio 28:18-20?

NISEHO tamin’ny mpianany nivory tany Galilia i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Nisy zava-dehibe tiany holazaina tamin-dry zareo tamin’izay. Inona izany? Hitantsika ao amin’ny Matio 28:18-20 ny teny nolazainy.​—Vakio.

2. Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

2 Mila manaraka an’ilay didin’i Jesosy mba hanao mpianatra koa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amin’izao. Andao àry isika handinika fanontaniana telo mifandray amin’izany. Voalohany, inona no tokony hataontsika, ankoatra ny hoe mampianatra an’izay takin’Andriamanitra? Faharoa, inona no azon’ny mpitory rehetra ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana mpianatra Baiboly handroso? Fahatelo, ahoana no azo anampiana ny mpiara-manompo tsy mitory intsony mba hitory sy hanao mpianatra indray?

AMPIANARO HITANDRINA NY DIDIN’I KRISTY IZY

3. Inona no tsy tokony hohadinointsika ao amin’ilay didin’i Jesosy?

3 Mazava be ilay didin’i Jesosy. Tsy maintsy mampianatra ny olona an’izay nandidiany isika. Misy tsipiriany tsy tokony hohadinointsika anefa amin’ilay izy. Tsy niteny fotsiny i Jesosy hoe: ‘Ampianaro an’izay rehetra nandidiako anareo izy ireo.’ Nilaza kosa izy hoe: ‘Ampianaro hitandrina an’izay rehetra nandidiako anareo izy ireo.’ Ahoana no azontsika ampiharana an’izany? Tsy hoe mampianatra fotsiny isika, fa manoro koa hoe ahoana no tokony hatao. (Asa. 8:31) Fa maninona?

4. Hazavao amin’ny ohatra hoe ahoana izany mampianatra olona hitandrina didy izany.

4 Mankatò no dikan’ny hoe ‘mitandrina.’ Ahoana izany hoe mampianatra ny olona hitandrina, na hankatò, ny didin’i Kristy izany? Andao isika haka ohatra. Eritrereto hoe misy olona mianatra mitondra aotomobilina. Ampianaran’ilay mpampianatra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana aloha izy. Misy zavatra hafa tokony hataon’ilay mpampianatra anefa, mba hanampiana an’ilay mpianatra hankatò an’ireny lalàna ireny. Mila miaraka amin’ilay mpianany mitondra aotomobilina mihitsy izy, dia manoro azy hoe ahoana no fomba hampiharany an’izay nianarany. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

5. a) Araka ny Jaona 14:15 sy ny 1 Jaona 2:3, inona no tokony hampianarintsika ny mpianatra Baiboly? b) Ahoana no hanampiana an’ilay mpianatra mba hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

5 Rehefa mampianatra Baiboly isika, dia mampianatra ny olona hoe inona no takin’Andriamanitra. Tsy ampy anefa izany. Tsy maintsy ampianarintsika azy koa hoe ahoana no hampiharany an’izay nianarany eo amin’ny fiainany andavanandro. (Vakio ny Jaona 14:15; 1 Jaona 2:3.) Ahoana no hanaovana an’izany? Isika mihitsy aloha no mila mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly rehefa any am-pianarana sy any am-piasana ary rehefa miala voly. Azontsika resahina aminy avy eo hoe nahoana isika no voaro rehefa nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly, na hoe nahoana izany no nanampy antsika hahay hanapa-kevitra. Afaka mivavaka miaraka amin’ilay olona koa isika, dia mangataka amin’i Jehovah mba hanome azy fanahy masina hitari-dalana azy.​—Jaona 16:13.

6. Inona koa no tokony hataontsika mba hampianarana ny olona hitandrina ny didin’i Jesosy?

6 Inona koa no tokony hataontsika mba hampianarana ny olona hitandrina ny didin’i Jesosy? Tokony hampiantsika izy mba haniry hanao mpianatra. Matahotra hitory ny mpianatra Baiboly sasany. Inona àry no azontsika atao? Ampio aloha izy mba hahazo kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary manàna faharetana rehefa manao an’izany. Hanohina ny fony izany sady hanatanjaka ny finoany, dia handrisika azy hitory. Andao isika handinika fomba iray hampirisihana ny mpianatra Baiboly mba haniry hitory ny vaovao tsara.

7. Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly mba haniry hitory ny vaovao tsara?

7 Anontanio, ohatra, izy hoe: ‘Hitanao ve hoe nihatsara ny fiainanao rehefa nampihatra an’izay lazain’ny Baiboly ianao? Araka ny hevitrao, mila maheno ny hafatra ao amin’ny Baiboly ve ny olona? Inona no azonao atao mba hanampiana an-dry zareo?’ (Ohab. 3:27; Mat. 9:37, 38) Ampisehoy taratasy mivalona ao amin’ny Fitaovana Fampianarana izy. Asaivo mieritreritra izy avy eo hoe iza amin’ireo no mety hahaliana ny havany, na ny namany, na ny mpiara-miasa aminy, dia omeo maromaro izy. Atoroy azy hoe ahoana no fomba hanolorana an’ilay taratasy mivalona, ary ampirisiho izy mba ho tsara fanahy rehefa manao an’izany. Manaova koa fanazaran-tena miaraka aminy. Mazava ho azy fa rehefa lasa mpitory tsy vita batisa izy, dia hiaraka aminy ianao mba hanoro azy izay tokony hataony.​—Mpito. 4:9, 10; Lioka 6:40.

INONA NO AZON’NY FIANGONANA ATAO?

8. Nahoana no tena tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny hafa ny mpianatra Baiboly? (Jereo koa ilay hoe “ Ahoana no Hanampiana Azy ho Tia Kokoa An’i Jehovah?”)

8 Tadidio fa nilaza i Jesosy hoe tokony hampianarintsika ‘hitandrina an’izay rehetra’ nandidiany ny olona. Anisan’izany ireo didy roa lehibe indrindra, hoe tiavo i Jehovah Andriamanitrao ary tiavo ny namanao. Tsy maintsy tia an’Andriamanitra sy ny olona isika raha te hahavita hitory sy hanao mpianatra. (Mat. 22:37-39) Fa maninona? Satria izany no antony voalohany mahatonga antsika hitory. Mety hampahatahotra ny mpianatra Baiboly sasany na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hitory, ary ara-dalàna izany. Afaka manome toky azy anefa isika hoe hanampy azy i Jehovah, dia ho resiny tsikelikely izany tahotra izany. (Sal. 18:1-3; Ohab. 29:25) Inona no azo atao mba hanampiana azy ho tia kokoa an’Andriamanitra? Miresaka an’izany ilay efajoro ato amin’ity lahatsoratra ity. Misy azon’ny fiangonana atao koa anefa mba hanampiana an’ilay mpianatra hampiseho fitiavana bebe kokoa amin’Andriamanitra sy ny olon-kafa.

9. Nahoana no mahasoa an’ilay olona mianatra mitondra aotomobilina ny miaraka amin’ny mpampianatra azy?

9 Eritrereto indray ilay olona mianatra mitondra aotomobilina teo. Inona no ho vokany raha miaraka aminy ilay mpampianatra azy rehefa mitondra aotomobilina izy? Miana-javatra izy satria sady mihaino an’ilay mpampianatra no mijery ny ataon’ny mpamily hafa. Mety hiteny aminy ilay mpampianatra hoe: “Jereo ange iny e! Iny izao misy mpamily tena tsara fanahy. Avelany hankeo alohany ny mpamily hafa.” Na mety hiteny izy hoe: “Irỳ koa izao mahafinaritra! Tsy ataony mitaratra be any amin’ny mpamily hafa ny jirony.” Rehefa mahita an’ireny modely ireny ilay mpianatra, dia afaka manao hoatr’izany koa rehefa tena mitondra.

10. Inona no hanampy ny mpianatra Baiboly handroso?

10 Mitovy amin’izany ny olona mianatra Baiboly rehefa manomboka mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Tsy hoe mianatra avy amin’ilay mpampianatra azy fotsiny izy, fa mianatra avy amin’ny ohatra tsara omen’ny mpanompon’i Jehovah hafa koa. Inona àry no tena hanampy azy handroso? Mila manatrika fivoriana izy. Fa maninona? Satria hitombo ny zavatra fantany rehefa mivory izy. Hihamatanjaka ny finoany amin’izay, ary hanampy azy ho tia kokoa an’i Jehovah izany. (Asa. 15:30-32) Tsy izay ihany fa afaka mampahafantatra azy amin’ny rahalahy sy anabavy hafa ny mpampianatra azy rehefa any am-pivoriana. Mety hisy zavatra betsaka iombonany amin’izy ireny. Ho hitany amin’ny ataon’ny mpiara-manompo hoe hoatran’ny ahoana izany mampiseho fitiavana izany.

11. Inona no mety ho hitan’ny mpianatra Baiboly rehefa mivory izy? Inona no mety ho vokatr’izany?

11 Andao isika handinika ohatra vitsivitsy. Tonga mivory ny mpianatra Baiboly iray mitaiza irery ny zanany. Mahita anabavy hoatr’izany koa izy any am-pivoriana. Manohina ny fony ny mahita hoe miezaka be ilay anabavy mba hitondra ny zanany kely mivory. Mety hisy mpianatra Baiboly koa miady mafy mba hiala amin’ny sigara. Rehefa tonga any am-pivoriana izy, dia mihaona amin’ny mpitory iray nahavita tsy nifoka sigara intsony. Tantarain’ilay mpitory aminy hoe rehefa lasa tia kokoa an’i Jehovah izy, dia lasa nankatò ny didiny. (2 Kor. 7:1; Fil. 4:13) Hoy ilay mpitory avy eo: “Ao fa ho vitanao koa io!” Rehefa avy niresaka ry zareo, dia vao mainka matoky ilay mpianatra Baiboly hoe tena hahavita hiala amin’ny sigara izy. Tonga mivory koa ny ankizivavy iray, dia mahita anabavy tanora tena mankafy ny fiainany satria manompo an’i Jehovah. Hitany hoe falifaly ilay anabavy, dia lasa tiany ho fantatra hoe inona no mahatonga azy ho falifaly foana hoatr’izany.

12. Nahoana isika no milaza fa afaka manampy ny mpianatra Baiboly ny rahalahy sy anabavy rehetra ao amin’ny fiangonana?

12 Inona no vokany rehefa mahafantatra rahalahy sy anabavy tsy mivadika hoatr’izany ny mpianatra Baiboly? Manampy azy ny modely omen-dry zareo. Hitany mantsy hoe ahoana no hankatoavana an’ilay didin’i Kristy hoe tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. (Jaona 13:35; 1 Tim. 4:12) Araka ny efa hitantsika teo koa, dia afaka mianatra avy amin’ny olona niatrika olana mitovy amin’ny azy ilay mpianatra. Ho hitany amin’izany hoe tsy sarotra loatra ny miova mba ho lasa mpianatr’i Kristy. (Deot. 30:11) Afaka manampy azy handroso daholo àry ny olona ao amin’ny fiangonana. (Mat. 5:16) Maninona raha mieritreritra an’izay azonao atao mba hampaherezana ny mpianatra Baiboly tonga mivory?

AMPIO IZAY TSY MITORY INTSONY

13-14. Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa kivy ny apostoliny?

13 Ary inona no azo atao mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy tsy mitory intsony? Azo ampiana ry zareo mba hiverina hitory sy hanao mpianatra indray. Hanampy antsika amin’izany ny nataon’i Jesosy rehefa kivy ny apostoliny.

14 Taloha kelin’ny namonoana an’i Jesosy, dia “nandao azy” daholo ny apostoliny “ka nandositra.” (Mar. 14:50; Jaona 16:32) Kivy ry zareo tamin’izay. Ahoana àry no nanampian’i Jesosy an-dry zareo? Nilaza tamin’ny mpianany sasany izy taoriana kelin’ny nananganana azy tamin’ny maty hoe: “Aza matahotra! Mandehana milaza amin’ny rahalahiko [fa efa natsangana aho].” (Mat. 28:10a) Tsy nanary ny apostoliny i Jesosy. Mbola nantsoiny hoe rahalahiny ry zareo, na dia efa nandao azy aza. Namindra fo sy namela heloka izy, hoatran’i Jehovah.​—2 Mpanj. 13:23.

15. Ahoana no fiheverantsika ny mpiara-manompo tsy mitory intsony?

15 Hoatran’ny fiheveran’i Jesosy ny apostoliny no fiheverantsika an’ireny mpiara-manompo tsy mitory intsony ireny. Mbola rahalahy sy anabavintsika foana ry zareo, ary tena tiantsika. Mbola tadidintsika ny asa mafy nataony tamim-pitiavana, ary angamba efa aman-taonany mihitsy izy no nanao an’izany. (Heb. 6:10) Tena malahelo an-dry zareo isika! (Lioka 15:4-7) Ahoana àry no hanahafantsika an’i Jesosy, ka hampisehoantsika hoe mbola tiantsika ry zareo?

16. Ahoana no hampisehoantsika hoe tiantsika ny mpiara-manompo tsy mitory intsony?

16 Asao hivory izy. Nasain’i Jesosy hivory ny apostoly. Izay no anisan’ny fomba nampaherezany an-dry zareo, tamin-dry zareo kivy. (Mat. 28:10b; 1 Kor. 15:6) Azo antoka fa faly be izy rehefa tonga nanatrika an’ilay fivoriana ireo apostoly ireo. Hoatr’izany koa no ataontsika. Ampirisihintsika hivory ny olona tsy mitory intsony, raha mbola tsy manao an’izany izy. Marina fa mety hila hanasa azy imbetsaka isika vao ho tonga izy. Ho faly hoatran’i Jesosy anefa isika raha tonga mivory izy.​—Ampitahao amin’ny Matio 28:16 sy ny Lioka 15:6.

17. Inona no tokony hataontsika rehefa tonga mivory ny rahalahy na anabavy iray tsy mitory intsony?

17 Raiso tsara izy. Rehefa nihaona tamin’ny mpianany i Jesosy, dia nataony tsapan-dry zareo hoe faly izy nandray an-dry zareo. Tsy niandry an-dry zareo hanatona azy izy, fa izy no tonga dia nanatona sy niresaka tamin-dry zareo. (Mat. 28:18) Ary isika? Ahoana no hataontsika rehefa misy olona tsy mitory intsony tonga ao am-pivoriana? Tokony hanatona azy isika dia handray azy tsara. Mety tsy ho hitantsika izay holazaina amin’ny voalohany. Afaka milaza aminy fotsiny isika hoe faly isika mahita azy. Tsy tokony hanao izay hahamenatra azy koa isika.

18. Ahoana no azo ampaherezana ny mpiara-manompo tsy mitory intsony?

18 Ampaherezo izy. Mety ho nieritreritra ny mpianatr’i Jesosy hoe tsy ho vitan-dry zareo mihitsy izany hitory maneran-tany izany. Nanome toky azy ireo àry izy hoe: “Homba anareo foana aho.” (Mat. 28:20) Nisy vokany tsara ve izany? Ie! Tsy ela taorian’izay dia nazoto be ry zareo “nampianatra sy nitory ny vaovao tsara.” (Asa. 5:42) Mila ampaherezina hoatr’izany koa ny mpiara-manompo tsy mitory intsony. Matahotra be angamba izy raha vao mieritreritra fotsiny hoe hiverina hitory. Azontsika omena toky anefa izy hoe hisy namana fa tsy hitory irery. Maninona raha miara-mitory aminy mihitsy rehefa vonona izy? Azo antoka fa ho faly izy mahita hoe manampy azy isika. Mety hiverina hitory ireny mpiara-manompo ireny, raha asehontsika aminy hoe mbola rahalahy sy anabavintsika foana izy. Ho faly ny fiangonana amin’izay.

TIANTSIKA HOVITAINA ILAY ASA NANKININ’I JESOSY TAMINTSIKA

19. Inona no tena tiantsika hatao, ary nahoana?

19 Mila mitory sy mampianatra foana isika, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Mat. 28:20) Ho vitantsika ve izany? Izany mihitsy, ary tapa-kevitra ny hamita an’io asa io isika! Faly isika mahafoy fotoana sy hery ary vola hitadiavana an’ireo manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.” (Asa. 13:48) Manahaka an’i Jesosy isika rehefa manao an’izany. Izao no nolazainy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34; 17:4) Te hamita an’ilay asa nankinina tamintsika koa isika. (Jaona 20:21) Te hanampy ny olon-kafa isika, anisan’izany ny mpiara-manompo tsy mitory intsony, mba hiaritra sy hanohy an’ilay asa hatramin’ny farany miaraka amintsika.​—Mat. 24:13.

20. Nahoana isika no matoky fa ho vitantsika ilay asa nankinin’i Jesosy tamintsika, rehefa jerena ny Filipianina 4:13?

20 Marina fa tsy mora ny mamita an’ilay asa nankinin’i Jesosy tamintsika. Tsy miasa irery anefa isika. Efa nampanantena hanampy antsika mantsy izy. ‘Miara-miasa amin’Andriamanitra’ koa isika rehefa manao mpianatra, sady “tafaray amin’i Kristy.” (1 Kor. 3:9; 2 Kor. 2:17) Tena ho vitantsika àry io asa io! Faly isika manao azy io sy manampy ny hafa handray anjara amin’ilay izy. Voninahitra lehibe ho antsika izany!​—Vakio ny Filipianina 4:13.

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

^ feh. 5 Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hanao mpianatra, sy hampianatra azy ireo hitandrina an’izay rehetra nandidiany. Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no ankatoavantsika an’io didin’i Jesosy io. Nalaina avy tamin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2004, pejy 14-19, ny ampahany amin’ny fanazavana ato.

^ feh. 66 SARY: Anabavy mampianatra Baiboly. Hazavainy amin’ilay mpianany hoe inona no tokony hataony mba hahatonga azy ho tia kokoa an’i Jehovah. Ampiharin’ilay mpianatra avy eo ny soso-kevitra telo nomen’ilay mpampianatra azy.