Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 46

Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao!

Mahereza fa i Jehovah no Mpanampy Anao!

“Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”​—HEB. 13:5.

HIRA 55 Aza Matahotra Azy Ireo!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no hanampy antsika rehefa mahatsiaro ho miady irery isika na tototry ny olana? (Salamo 118:5-7)

EFA nisy fotoana ve ianao nahatsiaro hoe miady irery satria tsy nisy olona afaka nanampy anao hiatrika olana? Betsaka ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika efa nahatsapa hoatr’izany. (1 Mpanj. 19:14) Raha izany no tsapanao, dia tadidio ity fampanantenan’i Jehovah ity: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Ho afaka hilaza ianao amin’izay hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.” (Heb. 13:5, 6) Nanoratra an’ireo ho an’ny mpiara-manompo tany Jodia ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 61 teo ho eo. Mampahatsiahy antsika ny voalazan’ny Salamo 118:5-7 ireo.​—Vakio.

2. Inona no hodinihintsika ato, ary nahoana?

2 Hitan’ilay mpanao salamo tamin’ny zavatra niainany hoe i Jehovah no mpanampy azy. Nahatsapa hoatr’izany koa i Paoly. Nisy zavatra nitranga, ohatra, roa taona mahery talohan’ny nanoratany an’ilay taratasy ho an’ny Hebreo. Nandeha sambo izy tamin’izay, dia nisy tafio-drivotra mahery be teny an-dranomasina. (Asa. 27:4, 15, 20) Nanampy azy i Jehovah tamin’iny diany iny sy talohan’izay, ary be dia be ny fomba nanaovany an’izany. Handinika telo amin’izany isika izao. Nampiasa an’i Jesosy sy ny anjely, ohatra, izy, dia nampiasa ny manam-pahefana sy ny mpiara-manompo koa. Rehefa mandinika ny zavatra niainan’i Paoly isika, dia vao mainka hatoky hoe tena hamaly antsika i Jehovah rehefa miantso vonjy aminy isika.

AMIN’NY ALALAN’I JESOSY SY NY ANJELY

3. Inona no mety ho noeritreretin’i Paoly, ary nahoana?

3 Taona 56 teo ho eo tamin’izay. Nila vonjy i Paoly. Notaritaritin’ny olona hivoaka ny tempoly tao Jerosalema mantsy izy, ary notadiavin-dry zareo hovonoina. Nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ny ampitson’iny, dia saika nifandroritan’ny fahavalony. (Asa. 21:30-32; 22:30; 23:6-10) Nieritreritra angamba i Paoly tamin’izay hoe: ‘Mandra-pahoviana aho no hahavita hiaritra an’izao?’

4. Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Jesosy mba hanampiana an’i Paoly?

4 Inona no fanampiana azon’i Paoly? Nijoro teo akaikin’i Paoly i Jesosy Tompo, ny alina taorian’ny nisamborana azy, dia niteny hoe: “Mahereza! Fa toy ny nanazavanao tsara ny momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.” (Asa. 23:11) Tena nampahery an’i Paoly izany! Nidera azy i Jesosy noho ny fitoriana nataony tany Jerosalema. Nampanantena azy koa izy hoe ho tonga soa aman-tsara any Roma, ary mbola ho afaka hitory any. Nanahoana re i Paoly taorian’izay e? Azo antoka fa tsy natahotra mihitsy izy, hoatran’ny zazakely fihinin’ny dadany.

Mandeha sambo i Paoly dia misy tafio-drivotra be eny an-dranomasina. Milaza aminy ny anjely iray hoe ho tafavoaka velona daholo ny olona ao amin’ilay sambo (Fehintsoratra 5)

5. Ahoana no nampiasan’i Jehovah anjely mba hanampiana an’i Paoly? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

5 Niatrika olana hafa i Paoly, roa taona teo ho eo taorian’ilay zava-nitranga tany Jerosalema. Nandeha sambo ho any Italia izy tamin’izay, dia nisy tafio-drivotra be teny an-dranomasina. Nieritreritra mihitsy ny mpiasan’ilay sambo sy ny mpandeha hoe ho faty ry zareo. Tsy natahotra anefa i Paoly. Fa maninona? Izao no nolazainy tamin’ny olona tao amin’ilay sambo: “Nisy anjelin’ilay Andriamanitra tompoko sady anaovako fanompoana masina ... nitsangana teo anilako halina, ka nanao hoe: ‘Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao. Tsara fanahy Andriamanitra ka hitsimbina ny ain’izay rehetra miara-dia aminao ato an-tsambo.’” Nampiasa anjely i Jehovah mba hampahatsiahivana an’i Paoly an’ilay toky nomeny tamin’ny alalan’i Jesosy. Dia tena tonga tany Roma izy!​—Asa. 27:20-25; 28:16.

6. Inona no nampanantenain’i Jesosy, ary nahoana izany no mampahery antsika?

6 Inona no fanampiana azontsika? Tena hanampy antsika i Jesosy, hoatran’ny nataony tamin’i Paoly. Nampanantena ny mpanara-dia azy rehetra, ohatra, izy hoe: “Homba anareo foana aho [isan’andro], mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 28:20) Tena mampahery io toky nomen’i Jesosy io. Fa maninona? Satria mafy ny mahazo antsika amin’ny andro sasany. Rehefa maty, ohatra, ny olona tiantsika, dia tsy hoe mandritra ny andro vitsivitsy fotsiny isika no malahelo fa mety ho aman-taonany mihitsy. Misy koa kivy satria mihantitra, dia tsy mora aminy ny miatrika ny andro tsirairay. Ny sasany amintsika indray tototry ny hakiviana, dia maloka tanteraka ny androny indraindray. Na izany aza, dia mahavita miaritra isika satria fantatsika hoe eo foana i Jesosy isan’andro, na dia mandritra ny andro manjombona indrindra amin’ny fiainantsika aza.​—Mat. 11:28-30.

Manohana sy mitarika antsika ny anjely rehefa mitory isika (Fehintsoratra 7)

7. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika, araka ny Apokalypsy 14:6?

7 Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe mampiasa ny anjeliny i Jehovah mba hanampiana antsika. (Heb. 1:7, 14) Manohana sy mitari-dalana antsika, ohatra, izy ireny rehefa mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” amin’ny olona “samy hafa fiteny” sy avy any amin’ny “firenena sy foko” isan-karazany isika.​—Mat. 24:13, 14; vakio ny Apokalypsy 14:6.

AMIN’NY ALALAN’NY MANAM-PAHEFANA

8. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny mpitari-tafika iray mba hanampiana an’i Paoly?

8 Inona no fanampiana azon’i Paoly? Nanome toky an’i Paoly i Jesosy tamin’ny taona 56 hoe ho tonga soa aman-tsara any Roma izy. Nisy Jiosy tao Jerosalema anefa efa niafina mba hanafika sy hamono an’i Paoly. Rehefa nahafantatra momba an’izany ny mpitari-tafika romanina atao hoe Klaodio Lysia, dia tonga izy dia namonjy an’i Paoly. Nalefany haingana nankany Kaisaria izy, dia nisy miaramila be dia be nasaina nanaraka azy mba hiaro azy. Lalana 105 kilaometatra teo ho eo no nandehanan-dry zareo. Rehefa tonga tany i Paoly, dia nasain’i Feliksa Governora nambenana tao amin’ny “lapam-panjakan’i Heroda.” Tsy afaka nanisy ratsy an’i Paoly àry ny Jiosy nitady hamono azy.​—Asa. 23:12-35.

9. Ahoana no nanampian’i Festosy Governora an’i Paoly?

9 Mbola nigadra tany Kaisaria i Paoly tamin’ny taona 58. Festosy indray no governora nandimby an’i Feliksa tamin’izay. Niangavy an’i Festosy ny Jiosy mba handefa an’i Paoly hotsaraina any Jerosalema. Tsy nanaiky anefa izy. Fantatr’io governora io angamba fa ‘efa niafina mba hanafika sy hamono an’i Paoly teny an-dalana’ ny Jiosy.​—Asa. 24:27–25:5.

10. Ahoana no nataon’i Festosy Governora rehefa nampakarin’i Paoly tany amin’i Kaisara ny raharaha?

10 Tao Kaisaria ihany i Paoly no notsaraina. “Nila sitraka tamin’ny Jiosy” anefa i Festosy, dia nanontany an’i Paoly hoe: “Tianao ve ny hiakatra ho any Jerosalema ka hotsaraina eo anatrehako?” Fantatr’i Paoly fa mety hisy hamono izy raha tonga any Jerosalema. Fantany koa hoe inona no azony atao mba tsy ho faty sy ho tonga any Roma ary hanohy ny fanompoany. Izao àry no nolazainy: “Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” Rehefa avy niresaka tamin’ny mpanolo-tsainy i Festosy, dia nilaza tamin’i Paoly hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara tokoa ianao.” Nanavotra an’i Paoly io fanapahan-kevitr’i Festosy io. Tonga tany Roma izy tsy ela taorian’izay, ka tsy tratran’ireo Jiosy nitady hamono azy.​—Asa. 25:6-12.

11. Inona no mety ho noeritreretin’i Paoly?

11 Inona no mety ho tao an-tsain’i Paoly, talohan’ilay diany ho any Italia? Angamba izy nieritreritra ny fampitandreman’i Isaia mpaminany ho an’izay olona manohitra an’i Jehovah. Izao ilay izy: “Manaova tetika, nefa ho rava izany! Mitenena, nefa tsy ho tanteraka izany, satria momba anay Andriamanitra!” (Isaia 8:10) Fantatr’i Paoly hoe hanampy azy Andriamanitra. Tsy maintsy ho nampahery azy hiatrika ny fitsarana niandry azy izany.

Mety handrisika ny manam-pahefana mba hiaro ny mpanompony i Jehovah, hoatran’ny nataony taloha (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no nanampian’i Jolio an’i Paoly? Inona no mety ho tsapan’i Paoly avy amin’izany?

12 Nanomboka ny diany ho any Italia i Paoly. Gadra izy tamin’izay, ary manamboninahitra romanina antsoina hoe Jolio no niandraikitra azy. Teo am-pelatanan’i Jolio ny fiainany, satria afaka ny hampijaly azy izy na hampiseho hatsaram-panahy aminy. Ahoana no nataon’i Jolio? Rehefa tonga teny an-tanety ry zareo ny ampitson’iny, dia ‘tsara fanahy tamin’i Paoly izy, ka namela azy ho any amin’ny namany.’ Namonjy ny ain’i Paoly mihitsy aza izy tatỳ aoriana. Saika hamono ny gadra rehetra tao amin’ilay sambo mantsy ny miaramila, nefa tsy navelan’i Jolio hanao an’izany ry zareo. Fa maninona? Satria “te hiaro ny ain’i Paoly” izy. Azo antoka fa hitan’i Paoly hoe i Jehovah no nampirisika an’io manam-pahefana tsara fanahy io mba hanampy sy hiaro azy.​—Asa. 27:1-3, 42-44.

Fehintsoratra 13

13. Ahoana no azon’i Jehovah ampiasana ny manam-pahefana?

13 Inona no fanampiana azontsika? Afaka mampiasa ny fanahiny mahery i Jehovah mba hahatonga ny manam-pahefana hanao izay tiany, raha izay no sitrapony. Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.” (Ohab. 21:1) Inona no dikan’izany? Manao lakandrano ny olona mba hanovana ny lalan’ny rano ho any amin’izay itiavany azy. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah amin’ny mpitondra. Afaka mampiasa ny fanahiny izy ka manova an’izay eritreretin-dry zareo hatao, mba hifanaraka amin’ny sitrapony. Lasa mahasoa ny vahoakan’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra raisin’ny manam-pahefana amin’izay.​—Ampitahao amin’ny Ezra 7:21, 25, 26.

14. Afaka mivavaka ho an’iza isika, rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 12:5?

14 Inona no azontsika atao? Afaka mivavaka ho an’ny ‘mpanjaka sy izay rehetra mitana toerana ambony’ isika, rehefa handray fanapahan-kevitra misy vokany amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ry zareo. (1 Tim. 2:1, 2; Neh. 1:11) Mivavaka mafy ho an’ny rahalahy sy anabavy migadra koa isika, hoatran’ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:5; Heb. 13:3) Tsy vitan’izany fa afaka mivavaka momba an’ireo mpiambina ny mpiara-manompo migadra koa isika. Afaka mitalaho amin’i Jehovah isika mba hampiova hevitra an’ireny olona ireny. Ho tsara fanahy amin’ny rahalahy sy anabavintsika ry zareo amin’izay, hoatran’ny nataon’i Jolio.

AMIN’NY ALALAN’NY MPIARA-MANOMPO

15-16. Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Aristarko sy Lioka mba hanampiana an’i Paoly?

15 Inona no fanampiana azon’i Paoly? Matetika i Jehovah no nampiasa rahalahy sy anabavy mba hanampiana an’i Paoly, nandritra ny diany nankany Roma. Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

16 Tena namana tsy mivadika i Aristarko sy Lioka. Te hanampy an’i Paoly izy mirahalahy, dia nanapa-kevitra hiaraka aminy ho any Roma. * Nanao vivery ny ainy mihitsy ry zareo tamin’izay. Tsy milaza mantsy ny Baiboly hoe nampanantena tamin’i Aristarko sy Lioka i Jesosy fa ho tonga soa aman-tsara any Roma koa ry zareo. Efa nandritra an’ilay dia nampidi-doza izy roa lahy vao nahafantatra hoe ho tafavoaka velona. Azo antoka fa nisaotra an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo i Paoly tany Kaisaria, rehefa niditra an’ilay sambo i Aristarko sy Lioka. Nisaotra an’i Jehovah izy nampiasa an’ireo rahalahy be herim-po ireo mba hanampy azy.​—Asa. 27:1, 2, 20-25.

17. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny mpiara-manompo mba hanampiana an’i Paoly?

17 Imbetsaka i Paoly no nampian’ny mpiara-manompo tamin’io diany io. Navelan’i Jolio ‘ho any amin’ny namany sy hokarakarain’izy ireo’, ohatra, izy rehefa tao Sidona. Mbola nihaona tamin’ny mpiara-manompo koa izy tatỳ aoriana, tao Potioly, dia niangavian-dry zareo hijanona herinandro niaraka tamin-dry zareo. Azo antoka fa nitantaran’i Paoly zavatra mampahery ny mpiara-manompo tany amin’ireny toerana ireny, ka faly erỳ nikarakara azy sy ny namany. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:2, 3.) Velombelona indray ry Paoly taorian’izay, dia nanohy ny diany.​—Asa. 27:3; 28:13, 14.

Mampiasa ny mpiara-manompo i Jehovah mba hanampiana antsika, hoatran’ny nataony tamin’i Paoly (Fehintsoratra 18)

18. Inona no nampahery an’i Paoly ka nahatonga azy hisaotra an’i Jehovah?

18 Inona no mety ho tao an-tsain’i Paoly rehefa nandeha tongotra nankany Roma izy? Tadidiny angamba ilay taratasy nosoratany ho an’ilay fiangonana tany, telo taona talohan’izay. Nosoratany tao hoe efa hatramin’ny taona maro izy no naniry mafy ho any amin-dry zareo. (Rom. 15:23) Tsy nampoiziny anefa hoe gadra izy no ho tonga any. Rehefa tonga izy dia nitsena azy teny an-dalana ny rahalahy tany Roma. Nampahery be azy izao izany! “Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vao nahita an’ireo, ary nihanahery.” (Asa. 28:15) Mariho hoe nisaotra an’Andriamanitra i Paoly rehefa nahita an’ireo rahalahy. Fa maninona? Satria hitany hoe nampiasa ny mpiara-manompo indray i Jehovah mba hanampiana azy.

Fehintsoratra 19

19. Araka ny voalazan’ny 1 Petera 4:10, ahoana no mety hampiasan’i Jehovah antsika?

19 Inona no azontsika atao? Eritrereto ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonanao. Misy mijaly ve amin-dry zareo satria marary na manana olana hafa? Sa misy havany na namany maty? Raha mahafantatra mpiara-manompo mila fanampiana ianao, dia afaka mivavaka amin’i Jehovah mba hampiany ho tsara fanahy, ka hilaza na hanao zavatra mampahery azy. Mety ho ilay zavatra hataonao na holazainao iny mihitsy no tena ilainy. (Vakio ny 1 Petera 4:10.) * Rehefa manampy azy hoatr’izany ianao, dia mety hatoky indray izy fa tena marina ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Tsy ho faly ve ianao amin’izany?

20. Nahoana isika no tsy misalasala milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy”?

20 Hoatran’i Paoly sy ny namany isika. Toy ny hoe mandeha sambo isika, dia misy tafio-drivotra eny an-dranomasina. Betsaka mantsy ny olana mianjady amintsika. Na izany aza, dia be herim-po isika satria fantatsika fa eo i Jehovah. Manampy antsika amin’ny alalan’i Jesosy sy ny anjely izy. Afaka mampiasa ny manam-pahefana koa izy mba hanampiana antsika, raha izay no sitrapony. Tsy vitan’izany fa mampiasa ny fanahy masina izy mba hahatonga ny mpiara-manompo hanampy antsika, ary be dia be no efa nahatsapa an’izany. Matoky hoatran’i Paoly àry isika hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”​—Heb. 13:6.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

^ feh. 5 Nisy fomba telo nanampian’i Jehovah ny apostoly Paoly mba hiatrika olana, ary izany no horesahintsika ato. Rehefa mandinika ny fomba nanampian’i Jehovah ny mpanompony taloha isika, dia hatoky kokoa hoe hanampy antsika izy rehefa miatrika olana isika.

^ feh. 16 Efa niara-dia tamin’i Paoly i Aristarko sy Lioka talohan’io. Mbola niaraka taminy ry zareo tamin’izy nigadra tany Roma.​—Asa. 16:10-12; 20:4; Kol. 4:10, 14.