Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 48

Ny Hoavy Banjinina!

Ny Hoavy Banjinina!

“Aoka ny masonao hijery tsara ny any aloha, eny, aoka ny masonao hibanjina ny eo anoloanao.”​—OHAB. 4:25.

HIRA 77 Mamiratra ao Anaty Haizina

HO HITANAO ATO *

1-2. Ahoana no azo ampiharana ny Ohabolana 4:25? Manomeza ohatra.

ANDAO hatao hoe mahatsiaro ny fotoana mamy niainany taloha ny anabavy iray be taona. Marina fa mafy ny fiainany amin’izao, nefa mbola manao izay rehetra azony atao ho an’i Jehovah izy. (1 Kor. 15:58) Misaintsaina foana izy isan’andro hoe miaraka amin’ny namany sy ny fianakaviany any amin’ny tontolo vaovao. Ny anabavy iray indray mahatadidy ny nataon’ny mpiara-manompo taminy. Nandratra ny fony ilay izy nefa tsy navelany hampahatezitra azy intsony. (Kol. 3:13) Ny rahalahy iray kosa mahatsiaro ny fahadisoana nataony taloha, nefa tsy mifantoka amin’izany izy fa aleony manao izay rehetra azony atao mba tsy hivadihana amin’i Jehovah.​—Sal. 51:10.

2 Inona no mampitovy an’ireo Kristianina ireo? Samy mahatadidy ny zavatra niainany taloha ry zareo, nefa tsy mifantoka be amin’izany. Aleony kosa ‘mibanjina’ ny hoavy.​—Vakio ny Ohabolana 4:25.

3. Fa maninona no tena ilaina ny mibanjina ny hoavy?

3 Tena ilaina ny mibanjina ny hoavy. Eritrereto ange e! Ho afaka handeha mahitsy tsara ve ny olona iray raha miherika foana? Mazava ho azy fa tsia. Hoatr’izany koa isika. Tsy ho afaka hanompo tsara an’i Jehovah isika raha mieritreritra ny lasa foana.​—Lioka 9:62.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Hiresaka zavatra telo mila tandremana isika ato. 1) Mila mitandrina isika sao manembonembona ny lasa foana. 2) Tsy tokony hitana lolompo isika. 3) Tsy mety ny manamelo-tena be loatra. Handinika toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika amin’ireo isika. Tsy hifantoka amin’ny “zavatra any aoriana” isika amin’izay fa hibanjina ny “eo aloha.”​—Fil. 3:13.

AZA MANEMBONA NY LASA FOANA

Inona no mety hanakana antsika tsy hibanjina ny hoavy? (Fehintsoratra 5, 9, 13) *

5. Inona no tsy tokony hataontsika, raha ny Mpitoriteny 7:10 no jerena?

5 Vakio ny Mpitoriteny 7:10. Tsy milaza akory io andininy io hoe: “Fa maninona re no tsara ny taloha e?” Fanomezana avy amin’i Jehovah mantsy ny fahatsiarovana tsara. Izao kosa no resahiny: “Aza manao hoe: ‘Fa nahoana re no tsara noho ny ankehitriny ny taloha e?’” Midika izany fa tsy mety ny mampitaha ny fiainantsika amin’izao sy ny fiainantsika taloha, dia mieritreritra hoe tsy misy mangirana mihitsy amin’izao raha oharina amin’ny tamin’izany.

Inona no fahadisoana nataon’ny Israelita rehefa avy niala tany Ejipta? (Fehintsoratra 6)

6. Fa maninona no tsy mety ny mieritreritra be foana hoe tsara kokoa ny lasa? Manomeza ohatra.

6 Fa maninona no tsy mety ny mieritreritra be foana hoe tsara kokoa ny lasa? Rehefa manembona ny lasa isika, dia izay tsara ihany matetika no tadidintsika. Mety hieritreritra isika hoe tsy dia mafy loatra ny olana natrehintsika tamin’izany. Hoatr’izany mihitsy ny Israelita. Rehefa niala tany Ejipta ry zareo, dia vetivety dia hadinony hoe mafy be ny fiainany tany. Ilay sakafo matsiro nohaniny tany fotsiny no tena tadidiny. Izao no nolazain-dry zareo: “Tsaroanay ny trondro nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, mbamin’ny kôkômbra, ny pasteky, ny poarô, ny tongolobe, ary ny tongolo lay!” (Nom. 11:5) Fa tena maimaim-poana ve ireny sakafo ireny? Tsy izany mihitsy! Novidin-dry zareo lafo ilay izy, satria andevo ry zareo sady nampijalin’ny Ejipsianina. (Eks. 1:13, 14; 3:6-9) Tsy tsaroan-dry zareo intsony anefa izany tatỳ aoriana, dia manimanina ny taloha izy. Naleony nifantoka tamin’izany toy izay nifantoka tamin’ny zavatra tsara vao avy nataon’i Jehovah ho an-dry zareo. Tezitra tamin-dry zareo àry i Jehovah.​—Nom. 11:10.

7. Inona no nanampy ny anabavy iray mba tsy hieritreritra hoe tsara kokoa ny fiainany taloha?

7 Inona no hanampy antsika tsy hanembonembona ny lasa? Tena ohatra tsara ho antsika ny anabavy iray Betelita tany Brooklyn. Nanomboka nanompo tao amin’ny Betela izy tamin’ny 1945, dia nanambady Betelita tao izy taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Niaraka nanompo tao amin’ny Betela izy mivady nandritra ny taona maro. Narary anefa ilay rahalahy tamin’ny 1976, dia niresaka tamin’ny vadiny izy rehefa akaiky ho faty. Tiany hatoro azy hoe inona no hanampy azy rehefa tsy ho eo intsony izy. Nampahatsiahiviny azy fa nanana tokantrano sambatra izy roa, ary be dia be ny mpivady tsy mba nahatsapa hoatr’izany. Izao koa no nolazainy: ‘Marina fa mbola hahatsiaro ny lasa ianao, kanefa aza mieritreritra be loatra momba izany. Ho tony ny alahelonao, rehefa mandeha ny fotoana. Aza sosotra na mitsetra tena. Mifalia fa nanana izany fitahiana izany ianao. Fanomezana tsara avy amin’Andriamanitra ny fitadidiana.’ Tsy hitanao ve hoe tena tsara izany torohevitra izany?

8. Inona no vokany rehefa tsy nifantoka tamin’ny lasa ny anabavy iray?

8 Nanaraka ny torohevitry ny vadiny ilay anabavy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy mandra-pahafatiny, tamin’izy 92 taona. Nanompo manontolo andro nandritra ny 63 taona mahery izy. Nilaza izy taona vitsivitsy talohan’ny nahafatesany hoe tena afa-po rehefa mieritreritra an’izany. Fa maninona? Nohazavainy hoe manana fianakaviana ara-panahy mahafinaritra be isika, sady manantena hiaina ao amin’ny Paradisa sy hanompo an’i Jehovah mandrakizay miaraka amin-dry zareo. Izany rehetra izany no nolazainy hoe tena mahatonga ny fiainana hahafa-po. * Ohatra tsara ho antsika izy satria nibanjina ny hoavy foana.

AZA MITANA LOLOMPO

9. Rahoviana no mety ho mafy amintsika ny hampihatra ny Levitikosy 19:18?

9 Vakio ny Levitikosy 19:18. Sarotra amintsika matetika ny tsy hitana lolompo, raha mpiara-manompo na namana akaiky na havana no nanao ny tsy nety tamintsika. Izany, ohatra, no nanjo ny anabavy iray. Nisy anabavy tao amin’ny fiangonana nanendrikendrika azy ho nangalatra ny volany. Tonga saina io anabavy io tatỳ aoriana hoe diso, dia niala tsiny taminy. Tsy nety afaka tao an-tsain’ilay anabavy voaendrikendrika anefa ilay zava-nitranga. Efa tratran’izany koa ve ianao? Marina hoe mety tsy hitovy amin’ny nahazo azy ny nahazo anao. Azo inoana anefa fa efa tezitra tamin’ny nataon’ny hafa ny ankamaroantsika, ary nieritreritra hoe tsy hahavita hamela azy mihitsy.

10. Inona no hanampy antsika rehefa tezitra amin’ny nataon’ny hafa isika?

10 Inona no hanampy antsika rehefa tezitra amin’ny nataon’ny hafa isika? Tadidio hoe mahita ny zava-drehetra i Jehovah. Fantany daholo izay iaretantsika, anisan’izany ny tsy rariny. (Heb. 4:13) Malahelo izy rehefa mijaly isika. (Isaia 63:9) Mampanantena koa izy hoe hofoanany ny fijaliana rehetra mahazo antsika vokatry ny tsy rariny.​—Apok. 21:3, 4.

11. Inona no vokany rehefa tsy mitana lolompo isika?

11 Tokony hotadidintsika koa hoe mandray soa isika rehefa tsy mitana lolompo. Nahatsapa an’izany ilay anabavy tetsy aloha. Nahavita namela heloka ihany izy tatỳ aoriana. Tonga saina izy hoe rehefa mamela ny hafa isika, dia havelan’i Jehovah koa ny helotsika. (Mat. 6:14) Fantany hoe tsy nety ny nataon’ilay anabavy, nefa naleony namela heloka. Sambatra kokoa izy vokatr’izany, dia afaka nifantoka tamin’ny fanompoany an’i Jehovah.

AZA MANAMELO-TENA BE LOATRA

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny 1 Jaona 3:19, 20?

12 Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20. Mpahazo antsika rehetra izany manamelo-tena izany. Misy, ohatra, manamelo-tena noho ny zavatra nataony talohan’izy nahalala ny fahamarinana. Ny hafa indray enjehin’ny eritreriny noho ny fahadisoana nataony tamin’izy efa vita batisa. (Rom. 3:23) Marina fa te hanao ny tsara isika rehetra, nefa “manao fahadisoana imbetsaka.” (Jak. 3:2; Rom. 7:21-23) Mety hahasoa antsika ihany anefa ilay manamelo-tena, na dia tsy mahafinaritra aza. Fa maninona? Satria mahatonga antsika hanitsy an’izay tsy mety izany, ary manampy antsika tsy hamerina ny fahadisoantsika.​—Heb. 12:12, 13.

13. Fa maninona isika no tokony hitandrina mba tsy hanamelo-tena be loatra?

13 Misy fotoana anefa isika mety hanamelo-tena be loatra. Efa nibebaka angamba isika dia efa nasehon’i Jehovah hoe namela antsika izy, nefa mbola manenjika antsika ihany ny eritreritsika. Ratsy ny manamelo-tena be loatra hoatr’izany. (Sal. 31:10; 38:3, 4) Fa maninona? Eritrereto ny nanjo ny anabavy iray. Nanamelo-tena foana izy noho ny fahotana vitany taloha. Izao no nolazainy: “Nieritreritra aho hoe maninona moa izaho no miezaka be manompo an’i Jehovah, nefa izaho aza angamba tsy ho avotra intsony.” Betsaka amintsika no mieritreritra hoatr’izany. Tena tokony hitandrina anefa isika mba tsy hanamelo-tena be loatra. Eritrereto ange ny hafalian’i Satana raha tsy manompo an’i Jehovah intsony ianao e! I Jehovah aza tsy mieritreritra hoe tsy avotra intsony ianao, dia ianao indray ve no hieritreritra an’izany?​—Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 2:5-7, 11.

14. Ahoana no hahazoana antoka hoe mbola tia antsika i Jehovah?

14 Mety ho lasa saina anefa ianao hoe: ‘Ahoana no hahazoako antoka fa mbola tena tia ahy i Jehovah?’ Raha mametraka an’io fanontaniana io ianao, dia midika izany hoe efa namela anao i Jehovah. Fa ahoana? Nanana fahazaran-dratsy angamba ianao talohan’ny nanompoanao an’i Jehovah. Nieritreritra ianao hoe efa resy tanteraka ilay izy, nefa mbola niverina indray tatỳ aoriana ary mety ho imbetsaka mihitsy aza. Aza kivy raha izany no mahazo anao. Aza mieritreritra hoe tsy ho voavela mihitsy ny fahotanao. Izany mihitsy mantsy no tian’i Satana hoeritreretinao. Matoa ianao malahelo sy miady saina amin’ny zavatra nataonao, dia midika izany hoe mbola afaka mamela ny fahotanao i Jehovah. Manetre tena dia mivavaha amin’i Jehovah foana. Iangavio izy mba hamela ny fahadisoanao sy hanampy anao tsy hamerina intsony, ary hanampy anao hanana feon’ny fieritreretana madio. Manaova hoatran’ny ankizy. Tsy misalasala mankany amin’ny dadany mihitsy izy rehefa misy olana, na impiry na impiry ilay izy no miverina. Raha manao hoatr’izany ianao, dia hanampy anao i Jehovah satria izy tsara fanahy be tsy misy hoatr’izany. Niresaka momba an’ireo hevitra ireo Ny Tilikambo Fiambenana, taona maro lasa izay. *

15-16. Inona no tsapan’ny mpiara-manompo sasany rehefa nahazo toky hoe mbola tia azy i Jehovah?

15 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah nahatsiaro ho maivamaivana, rehefa azony hoe mbola tia azy i Jehovah fa tsy mihevitra azy hoe tsy avotra intsony. Tena nanohina ny fon’ny rahalahy iray, ohatra, ny tantaran’ny anabavy iray tao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly.” Nilaza ilay anabavy fa noho ny zavatra niainany taloha, dia sarotra taminy ny hino hoe tia azy i Jehovah. Hoatr’izany no tsapany na dia efa taona maro taorian’ny batisany aza. Niova anefa ny fomba fiheviny rehefa nisaintsaina momba ny vidim-panavotana izy. *

16 Inona no vokany rehefa namaky an’io lahatsoratra io ilay rahalahy? Izao no nosoratany: ‘Zatra nijery sary vetaveta aho tamin’izaho tanora ary niady mafy tamin’izany. Resin’izany indray aho vao haingana. Nitady ny fanampian’ny anti-panahy aho ary efa tsy manao an’ilay izy intsony. Nanome toky ahy ny anti-panahy hoe tia ahy sy mamindra fo amiko i Jehovah. Mbola mahatsiaro ho tsy misy dikany ihany anefa aho indraindray. Toy ny hoe tsy afaka ny ho tia ahy mihitsy i Jehovah. Tena nanampy ahy iny tantara iny. Hay rehefa mieritreritra aho hoe tsy afaka mamela ny heloko i Jehovah, dia toy ny milaza fa tsy ampy hanaronana ny fahotako ny soron’ny Zanany! Nohetezako iny lahatsoratra iny mba hovakiko sy hosaintsainiko isaky ny mitady hieritreritra aho hoe tsy misy dikany.’

17. Inona no nanampy ny apostoly Paoly mba tsy hanamelo-tena be loatra?

17 Mahatsiaro ny apostoly Paoly isika rehefa mamaky tantara hoatran’ireny. Be dia be ny fahotana vitany tamin’izy mbola tsy Kristianina. Tadidiny tsara izany nefa tsy nifantoka tamin’izany izy. (1 Tim. 1:12-15) Nataony hoatran’ny hoe fanomezana ho azy mihitsy ny vidim-panavotana. (Gal. 2:20) Tsy nanamelo-tena be loatra izy vokatr’izany. Niezaka nanome izay tsara indrindra ho an’i Jehovah koa izy nanomboka teo.

NY HOAVY BANJININA!

Andao hanao izay rehetra azo atao mba ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao (Fehintsoratra 18-19) *

18. Inona no nianarantsika tato?

18 Inona no nianarantsika tato? 1) Fitahiana avy amin’i Jehovah ny fahatsiarovana tsara. Na tsara hoatran’ny inona aza anefa ny fiainantsika taloha, dia mbola ho tsara lavitra noho izany ny any amin’ny tontolo vaovao. 2) Mety handratra ny fontsika ny olona sasany, nefa raha mifidy ny hamela heloka isika dia ho afaka hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. 3) Tsy ho faly manompo an’i Jehovah isika raha manamelo-tena be loatra. Mila matoky hoatran’i Paoly àry isika hoe namela antsika i Jehovah.

19. Ahoana no ahalalantsika fa tsy halahelo intsony isika any amin’ny tontolo vaovao?

19 Afaka manantena hiaina mandrakizay isika. Tsy hokaikerin’ny nenina intsony isika rehefa any amin’ny tontolo vaovao, ary tsy hahatsiaro zavatra hahatonga antsika halahelo. Milaza mantsy ny Baiboly hoe “tsy hotsarovana intsony ... ny zavatra taloha” amin’izay. (Isaia 65:17) Tsy izany ihany ny fitahiana miandry antsika. Raha efa ela, ohatra, ianao no nanompo an’i Jehovah ka efa antitra izao, dia ho tanora indray ianao! (Joba 33:25) Enga anie àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hifantoka amin’ny lasa. Andao kosa hibanjina ny hoavy, ka hanao izay rehetra azo atao mba ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao!

HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

^ feh. 5 Tsy voatery ho ratsy ny mitadidy ny lasa. Mila mitandrina anefa isika sao mifantoka be loatra amin’izany, dia lasa tsy manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah na manadino ny zavatra tsara be ampanantenainy antsika. Hiresaka zavatra telo mety hahatonga antsika hifantoka amin’ny lasa isika ato. Handinika toro lalan’ny Baiboly koa isika, ary hijery hoe inona no nanampy ny mpiara-manompo sasany mba tsy hifantoka amin’ny lasa.

^ feh. 14 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1995, pejy 11, fehintsoratra 10.

^ feh. 58 SARY: Manembonembona ny lasa ny sasany amintsika, na tezitra foana noho ny ratsy natao taminy. Misy indray manamelo-tena be loatra. Hoatran’ny entana mavesatra be anefa ireo fihetseham-po ireo, ary misakana antsika tsy handroso tsara amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana.

^ feh. 65 SARY: Raha esorintsika ao am-pontsika ireo fihetseham-po ratsy ireo, dia ho maivamaivana sy ho faly isika ary hahazo hery. Ho afaka hibanjina ny hoavy isika amin’izay.