Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 45

Ampian’i Jehovah Isika Hanatanteraka ny Fanompoantsika

Ampian’i Jehovah Isika Hanatanteraka ny Fanompoantsika

“Tena ho fantany fa nisy mpaminany teo aminy.”​—EZEK. 2:5.

HIRA 67 “Torio ny Teny”

HO HITANAO ATO a

1. Inona no efa ampoizintsika, nefa inona no azontsika antoka?

 EFA ampoizintsika hoe hisy hanohitra isika rehefa mitory, ary mety tena hitombo izany amin’ny hoavy. (Dan. 11:44; 2 Tim. 3:12; Apok. 16:21) Na izany aza, dia afaka matoky isika fa hanome antsika ny fanampiana ilaintsika i Jehovah. Fa maninona? Satria efa nanampy ny mpanompony hanatanteraka ny asa nanendreny azy ireo foana izy, na dia sarotra hoatran’ny inona aza ilay asa. Andao isika handinika zavatra sasany nitranga teo amin’ny fiainan’i Ezekiela mpaminany, mba hanaporofoana an’izany. Nitory tamin’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona izy.

2. Hoatran’ny ahoana ny olona nitorian’i Ezekiela, araka ny nolazain’i Jehovah? Ary inona no hodinihintsika ato? (Ezekiela 2:3-6)

2 Hoatran’ny ahoana ny olona nitorian’i Ezekiela? Nilaza i Jehovah fa “mpaniratsira” sy “mafy loha” ary “mpikomy” ry zareo. Nanindrona hoatran’ny tsilo ireo olona ireo, sady nampidi-doza hoatran’ny maingoka. Tsy mahagaga raha imbetsaka i Jehovah no niteny tamin’i Ezekiela hoe: “Aza matahotra!” (Vakio ny Ezekiela 2:3-6.) Nahavita nanatanteraka ny asa fitoriana nanirahana azy i Ezekiela, satria 1) nirahin’i Jehovah izy, 2) nomen’ny fanahin’Andriamanitra hery, ary 3) nanatanjaka ny finoany ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana ireo no nanampy an’i Ezekiela? Nahoana koa ireo no manampy antsika?

NIRAHIN’I JEHOVAH I EZEKIELA

3. Inona ny tenin’i Jehovah tsy maintsy hoe nampahery an’i Ezekiela? Ary ahoana no nanomezan’i Jehovah toky azy hoe hanampy azy izy?

3 Hoy i Jehovah tamin’i Ezekiela: ‘Irahiko ianao.’ (Ezek. 2:3, 4) Tsy maintsy hoe nampahery an’i Ezekiela ireo teny ireo. Fa maninona? Satria azo antoka fa tadidiny hoe nilaza hoatr’izany tamin’i Mosesy sy Isaia mpaminany koa i Jehovah tamin’izy naniraka azy ireo. (Eks. 3:10; Isaia 6:8) Fantany koa hoe nampian’i Jehovah ireo mpaminany roa ireo, mba hamita ny asa nanirahany azy na dia sarotra aza izy ireny. Afaka natoky àry ilay mpaminany fa hanampy azy koa i Jehovah rehefa niteny taminy indroa hoe: ‘Irahiko ianao.’ Ankoatra izay, dia miverimberina ao amin’ny bokin’i Ezekiela ilay hoe: “Niteny tamiko i Jehovah.” (Ezek. 3:16) Miverina imbetsaka hoatr’izany koa ilay hoe: “Niteny tamiko indray i Jehovah.” (Ezek. 6:1) Resy lahatra àry i Ezekiela fa tena nirahin’i Jehovah izy. Tsy izay ihany fa mpisorona ny dadany. Azo inoana àry fa nampianariny azy hoe nanome toky an’ireo mpaminany i Jehovah nandritra ny tantara fa hanampy an-dry zareo. Nilaza tamin’i Isaka sy Jakoba ary Jeremia, ohatra, i Jehovah hoe: “Hanampy anao aho.”​—Gen. 26:24; 28:15; Jer. 1:8.

4. Inona no hevitra nampahery an’i Ezekiela?

4 Ahoana no hataon’ny ankamaroan’ny Israelita rehefa hitory amin-dry zareo i Ezekiela? Hoy i Jehovah: ‘Tsy hihaino anao ny taranak’Israely, satria tsy te hihaino ahy izy ireo.’ (Ezek. 3:7) I Jehovah àry no nolavin’ilay vahoaka rehefa nanda an’i Ezekiela ry zareo. Nanome toky an’ilay mpaminany izany fa tsy hoe tsy nahavita tsara ny asa nanirahana azy akory izy matoa tsy nihaino ny olona. Nanome toky an’i Ezekiela koa i Jehovah fa rehefa tanteraka ny didim-pitsarana nambarany, dia ho fantatry ny olona fa efa “nisy mpaminany teo aminy.” (Ezek. 2:5; 33:33) Azo antoka fa nanome ny hery nilain’i Ezekiela izany mba hanatanterahany ny fanompoany.

NIRAHIN’I JEHOVAH ISIKA

Hoatran’ny nahazo an’i Ezekiela dia mety tsy hiraharaha sy hanohitra antsika ny olona itoriantsika, kanefa fantatsika hoe manampy antsika i Jehovah (Fehintsoratra 5-6)

5. Inona no manampy antsika ho be herim-po, araka ny Isaia 44:8?

5 Fantatsika hoe nirahin’i Jehovah isika. Hanampy antsika ho be herim-po koa izany. Omeny voninahitra isika ka antsoiny hoe ‘vavolombelony’, ary tombontsoa be izany! (Isaia 43:10) Nampirisika an’i Ezekiela i Jehovah hoe “aza matahotra”, dia hoatr’izay koa no lazainy amintsika. Nahoana no tsy misy tokony hatahorantsika ny mpanohitra? Satria nirahin’i Jehovah isika sady manampy antsika izy, hoatran’ny nataony tamin’i Ezekiela ihany.​—Vakio ny Isaia 44:8.

6. a) Inona ny toky omen’i Jehovah antsika? b) Inona no mampionona sy mampahery antsika?

6 Manome toky antsika i Jehovah hoe hanampy antsika izy. Izao, ohatra, no noteneniny taloha kelin’ny nilazany hoe “ianareo no vavolombeloko”: “Hanampy anao aho rehefa miampita rano ianao. Tsy ho tondraka sy tsy handifotra anao ny renirano rehefa miampita eny ianao. Tsy ho may ianao rehefa mandeha eo amin’ny afo, ary tsy handoro anao ny lelafo.” (Isaia 43:2) Miatrika olana mandifotra antsika na fitsapana mivaivay hoatran’ny afo isika indraindray rehefa manompo. Na izany aza, dia mitory foana isika satria ampian’i Jehovah. (Isaia 41:13) Tsy miraharaha ny hafatra torintsika ny ankamaroan’ny olona, hoatran’ny tamin’ny andron’i Ezekiela ihany. Tsara hotadidintsika anefa fa tsy hoe tsy nahavita tsara ny asa fitoriana nanirahana antsika akory isika Vavolombelony matoa tsy mihaino antsika ry zareo. Mampionona sy mampahery antsika ny mahalala hoe faly i Jehovah rehefa manohy manambara ny hafatra asainy torina foana isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Samy hahazo ny valisoany avy” ny tsirairay, “arakaraka ny asa mafy nataony.” (1 Kor. 3:8; 4:1, 2) Izao no nolazain’ny anabavy mpisava lalana efa hatry ny ela: “Tena faly aho mahalala hoe mamaly soa ny ezaka ataontsika i Jehovah.”

NANOME HERY AN’I EZEKIELA NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA

Nahazo fahitana mampiseho ny kalesin’i Jehovah any an-danitra i Ezekiela. Vao mainka àry izy resy lahatra hoe hanampy azy hanatanteraka ny fanompoany i Jehovah (Fehintsoratra 7)

7. Inona no tsapan’i Ezekiela isaky ny nisaintsaina an’ilay fahitana hitany izy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

7 Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana hoe mahery be ny fanahin’Andriamanitra. Nanampy an’ireo anjely mahery mantsy ny fanahy masina, sady nampihodina an’ireo kodiarana ngezabe an’ilay kalesy any an-danitra. (Ezek. 1:20, 21) Inona no nataon’i Ezekiela rehefa nahita an’izany? Izao no nosoratany: “Rehefa nahita an’izany aho, dia niankohoka.” Nahavariana be an’i Ezekiela ilay izy sady nampahatahotra azy, ka niankohoka tamin’ny tany izy. (Ezek. 1:28) Isaky ny nisaintsaina an’iny fahitana miavaka iny izy, dia tsy maintsy ho resy lahatra kokoa hoe hanampy azy hanatanteraka ny fanompoany ny fanahin’Andriamanitra.

8-9. a) Inona no vokany tamin’i Ezekiela rehefa nahazo didy avy amin’i Jehovah izy? b) Inona koa no nataon’i Jehovah mba hampaherezana an’i Ezekiela hitory foana na dia tsy nandray aza ny olona?

8 Nandidy an’i Ezekiela i Jehovah hoe: “Ry zanak’olona, mitsangàna fa hiteny aminao aho.” Nanome ny hery nilain’i Ezekiela mba hitsanganana io didy io sy ny fanahin’Andriamanitra. Izao no nolazainy: “Niasa tamiko ny fanahy ka nampitsangana ahy.” (Ezek. 2:1, 2) Nitarika azy ny “herin’i Jehovah” tatỳ aoriana sy nandritra ny fanompoany. (Ezek. 3:22; 8:1; 33:22; 37:1; 40:1) Nanome hery azy ny fanahin’Andriamanitra mba hanatanterahany an’ilay asa nanirahana azy, izany hoe hitory amin’ny olona “mafy hatoka sy mafy loha.” (Ezek. 3:7) Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Ezekiela: “Ataoko mafy hoatran’ny tarehin’izy ireo ny tarehinao, ary ataoko mafy hoatran’ny handriny ny handrinao. Ataoko mafy hoatran’ny diamondra ny handrinao, izany hoe mbola mafy noho ny vatoafo. Aza matahotra azy na mihorohoro amin’ny endriny.” (Ezek. 3:8, 9) Hoatran’ny nilaza tamin’i Ezekiela àry i Jehovah hoe: ‘Aza kivy na dia mafy loha aza ry zareo, fa izaho ange hanatanjaka anao e!’

9 Nentin’ny fanahin’Andriamanitra nankany amin’ilay faritany hitoriany i Ezekiela avy eo. Izao no nosoratany: “Tsapako fa niasa be tamiko ny herin’i Jehovah.” Nila herinandro ilay mpaminany mba hianarana tsara sy hahazoana an’ilay hafatra nasaina notoriny, amin’izay izy resy lahatra tsara rehefa mitory an’ilay izy. (Ezek. 3:14, 15) Nasain’i Jehovah nankany amin’ny tany lemaka iray izy avy eo, dia ‘niasa taminy ny fanahy.’ (Ezek. 3:23, 24) Vonona hanomboka ny fanompoany amin’izay i Ezekiela.

MANOME HERY ANTSIKA NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA

Inona no manampy antsika hanatanteraka ny fanompoantsika, hoatran’ny tamin’i Ezekiela? (Fehintsoratra 10)

10. Inona no fanampiana ilaintsika mba hanatanterahantsika ny asa fitoriana, ary nahoana?

10 Inona no fanampiana ilaintsika mba hanatanterahantsika ny asa fitoriana? Eritrereto indray izay nitranga tamin’i Ezekiela. Nanome azy ny hery nilainy ny fanahin’Andriamanitra, talohan’ny nanombohany ny asa fitoriana. Hoatr’izany koa amin’izao. Tsy hahavita hitory isika raha tsy ampian’ny fanahin’Andriamanitra. Fa maninona? Satria miady amintsika i Satana, amin’izay isika tsy mitory intsony. (Apok. 12:17) Hoatran’ny hoe atody miady amam-bato isika raha ny fijerin’olombelona. Mandresy an’i Satana anefa isika rehefa mitory! (Apok. 12:9-11) Rehefa mandeha manompo mantsy isika, dia mampiseho hoe tsy mampahatahotra antsika ny fandrahonan’i Satana. Resy izy isaky ny mitory isika! Mahavita mitory foana àry isika na dia misy manohitra aza. Miharihary amin’izany fa manome hery antsika ny fanahy masina, ary ankasitrahan’i Jehovah isika.​—Mat. 5:10-12; 1 Pet. 4:14.

11. Ahoana no hanampian’ny fanahin’Andriamanitra antsika, ary ahoana no hahazoantsika azy io foana?

11 Hitantsika teo fa hoatran’ny hoe nataon’i Jehovah mafy be ny tarehin’i Ezekiela sy ny handriny. Inona no toky ananantsika avy amin’izany? Hoe ataon’ny fanahin’Andriamanitra mifandanja amin’izay olana hitantsika eny amin’ny fanompoana ny hery omeny antsika. (2 Kor. 4:7-9) Inona àry no azontsika atao mba ho azo antoka hoe hahazo ny fanahin’Andriamanitra foana isika? Mila mangataka azy io foana isika, sady matoky hoe hihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah. Izao no nampianarin’i Jesosy ny mpianany: “Mangataha foana, ... mitadiava foana, ... dondòny foana.” Hamaly antsika i Jehovah ka “hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy.”​—Lioka 11:9, 13; Asa. 1:14; 2:4.

NANATANJAKA NY FINOAN’I EZEKIELA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

12. Avy taiza ilay horonam-boky, ary inona no tao anatiny? (Ezekiela 2:9–3:3)

12 Nanome hery an’i Ezekiela ny fanahin’Andriamanitra. Tsy izay ihany anefa fa nanatanjaka ny finoany koa ny teniny. Nahita tanana nitazona horonam-boky i Ezekiela tao amin’ny fahitana. (Vakio ny Ezekiela 2:9–3:3.) Avy taiza izy io, ary inona no tao anatiny? Nahoana izy io no nanatanjaka ny finoan’i Ezekiela? Andao hojerentsika. Avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ilay horonam-boky. Azo inoana fa ny iray tamin’ireo anjely efatra efa hitan’i Ezekiela no nasain’i Jehovah nanome azy an’io horonana io. (Ezek. 1:8; 10:7, 20) Ny tenin’Andriamanitra no tao, izany hoe didim-pitsarana lava be tokony holazain’i Ezekiela tamin’ireo mpikomy natao sesitany ireo. (Ezek. 2:7) Nisy an’ilay hafatra ny ambadika sy ambadik’ilay horonam-boky.

13. Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Ezekiela tamin’ilay horonam-boky, ary nahoana ilay izy no mamy?

13 Nasain’i Jehovah nohanin’ilay mpaminany ilay horonam-boky sady nasainy ‘nofenoina an’ilay izy ny kibony.’ Nankatò i Ezekiela dia nohaniny daholo ilay izy. Inona no dikan’io ampahany amin’ilay fahitana io? Hoe nila azon’i Ezekiela tsara ilay hafatra hotoriny. Tokony ho lasa anisan’ny vatany ilay izy, izany hoe tokony hino an’ilay hafatra izy mba hazoto hiresaka an’ilay izy. Nisy zavatra nahagaga nitranga avy eo. Hitan’i Ezekiela hoe “mamy hoatran’ny tantely” ilay horonam-boky. (Ezek. 3:3) Fa maninona? Satria mamy taminy, na nahafinaritra azy, izany hoe hisolo tena an’i Jehovah izany, sady voninahitra be. (Sal. 19:8-11) Tena nankasitrahany hoe neken’i Jehovah ho mpaminaniny izy.

14. Inona no nanampy an’i Ezekiela ho vonona hanao an’ilay asa nanendrena azy?

14 Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Ezekiela tatỳ aoriana: “Henoy ny teny rehetra holazaiko aminao dia alatsaho ao am-ponao.” (Ezek. 3:10) Nilaza taminy i Jehovah mba hitadidy sy hisaintsaina ny teny rehetra tao amin’ilay horonam-boky. Hanatanjaka ny finoan’i Ezekiela izany, ary hanana hafatra mafonja holazaina amin’ilay vahoaka koa izy. (Ezek. 3:11) Vonona hanao sy hamita an’ilay asa nanendrena azy àry i Ezekiela, satria efa latsa-paka tao am-pony ny hafatra avy amin’Andriamanitra sady hoatran’ny hoe efa teo am-bavany mihitsy.​—Ampitahao amin’ny Salamo 19:14.

MANATANJAKA NY FINOANTSIKA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

15. Inona no tokony ‘halatsatsika ao am-pontsika’ raha tiantsika ny hahavita hiaritra?

15 Tsy maintsy avelantsika hanatanjaka ny finoantsika foana koa ny tenin’Andriamanitra, raha te hahavita hiaritra isika rehefa manompo. Mila ‘mandatsaka am-po’ an’izay rehetra lazain’i Jehovah amintsika isika. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly i Jehovah amin’izao. Inona àry no tokony hataontsika mba hahazoana antoka hoe misy vokany amin’ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny antony anaovantsika zavatra ny Tenin’Andriamanitra?

16. Tian’i Jehovah hataontsika ahoana ny Teniny? Inona no hanampy antsika handray am-po azy io?

16 Mihamatanjaka isika rehefa misakafo sy mandevon-kanina. Mihamatanjaka koa ny finoantsika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina an’izany isika. Mila tadidintsika foana ny lesona momba an’ilay horonam-boky. Tian’i Jehovah raha ‘fenointsika [ny Teniny] ny kibontsika’, izany hoe tiany ho azontsika tsara izy io. Manao an’izany isika rehefa mivavaka, mamaky Baiboly, ary misaintsaina. Voalohany, mivavaka isika mba ho vonona handray ny hevitr’Andriamanitra ny fontsika. Mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly isika avy eo. Aorian’izay, dia miato kely isika mba hisaintsaina na hieritreritra lalina an’izay novakintsika. Inona no ho vokatr’izany? Vao mainka isika handray am-po ny Tenin’Andriamanitra, arakaraka ny hisaintsainantsika azy io.

17. Nahoana no tena ilaina ny misaintsaina an’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly?

17 Nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay voalaza ao? Hanome antsika ny hery ilaina izany mba hitoriana ny hafatra momba an’ilay Fanjakana amin’izao, sy hanambarana an’ilay didim-pitsarana henjana mety hotorintsika atsy ho atsy. Rehefa misaintsaina an’ireo toetra tsaran’i Jehovah koa isika, dia vao mainka isika hinamana aminy. Hiadan-tsaina sy ho afa-po isika amin’izay ka tena ho mamintsika na hahafinaritra antsika izany.​—Sal. 119:103.

VONONA HIARITRA ISIKA

18. Inona no tsy maintsy heken’ny olona ao amin’ny faritanintsika, ary nahoana?

18 Tsy nirahina haminany hoatran’i Ezekiela isika. Na izany aza, dia tapa-kevitra isika hanambara an’ilay hafatra nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Teniny, mandra-pahavitan’ny asa fitoriana araka ny itiavany azy. Amin’izay rehefa tonga ny fotoam-pitsarana, dia tsy ho afaka hilaza ny olona ao amin’ny faritanintsika hoe tsy nisy nampitandrina ry zareo, na hoe tsy noraharahian’Andriamanitra. (Ezek. 3:19; 18:23) Tsy maintsy hiaiky kosa ry zareo hoe avy amin’Andriamanitra ny hafatra notorintsika.

19. Inona no hanome antsika hery hanatanterahana ny fanompoantsika?

19 Inona no hanome antsika hery hanatanterahana ny fanompoantsika? Ireo zavatra telo nanome hery an’i Ezekiela. Mitory foana isika, satria fantatsika hoe nirahin’i Jehovah isika, mahazo hery avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary manatanjaka ny finoantsika ny Teniny. Manampy antsika i Jehovah, ka vonona hanatanteraka ny fanompoantsika sy hiaritra “hatramin’ny farany” isika.​—Mat. 24:13.

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

a Nanampy an’i Ezekiela mpaminany i Jehovah, mba hanatanteraka ny asa fitoriana nanirahana azy. Handinika fomba telo nanaovany an’izany isika ato. Vao mainka isika hatoky hoe hanampy antsika koa i Jehovah, mba hanatanterahantsika ny fanompoantsika.