Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 46

Ampian’i Jehovah Isika Hiaritra Sady ho Faly

Ampian’i Jehovah Isika Hiaritra Sady ho Faly

‘Mbola maharitra miandry foana i Jehovah, satria te hiantra anareo, ary hitsangana izy satria te hamindra fo aminareo.’​—ISAIA 30:18.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

HO HITANAO ATO a

1-2. a) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato? b) Inona no mampiseho hoe tena te hanampy antsika i Jehovah?

 AFAKA manampy antsika i Jehovah mba hahavita hiatrika ny olana eo amin’ny fiainana isika sady ho faly manompo azy. Ahoana no ataony? Inona no azontsika atao mba handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny fanampiana omeny isika? Hamaly an’ireo isika ato. Alohan’ny handinihantsika an’izany anefa, dia andao aloha hofantarintsika hoe tena te hanampy antsika ve i Jehovah.

2 Manampy antsika hahafantatra an’izany ny teny iray nampiasain’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Izao no nosoratany: “I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?” (Heb. 13:6) Milaza ny boky momba ny Baiboly fa ilay teny nadika hoe “mpanampy” eo, dia mampiseho olona mihazakazaka hanampy olona miantso vonjy. Alao sary an-tsaina hoe iny i Jehovah fa mikoropaka hamonjy olona ao anatin’ny sarotra! Azo antoka fa hiaiky ianao hoe tena te ho Mpanampy antsika izy, raha io fanazavana io no jerena. Rehefa eo anilantsika i Jehovah, dia hahavita hiaritra fitsapana isika sady ho faly foana.

3. Inona ny fomba telo anampian’i Jehovah antsika hiaritra sady ho faly?

3 Inona ny fomba sasany anampian’i Jehovah antsika hiaritra sady ho faly? Andao isika handinika ny bokin’i Isaia mba hamaliana an’izany. Fa maninona? Satria betsaka amin’ny faminaniana nasain’i Jehovah nosoratany no mihatra amin’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao. Tsy izay ihany, fa matetika no teny mora azontsika no nampiasain’i Isaia rehefa niresaka momba an’i Jehovah izy. Anisan’izany ny Isaia toko faha-​30. Mampiasa sarin-teny tsara be izy ao mba hanazavana ny fomba anampian’i Jehovah ny vahoakany. Resahiny ao hoe 1) mihaino tsara sy mamaly ny vavaka ataontsika izy, 2) mitari-dalana antsika, ary 3) mitahy antsika dieny izao sy amin’ny hoavy. Andao isika izao handinika kokoa an’ireo fomba telo anampiany antsika ireo.

MIHAINO ANTSIKA I JEHOVAH

4. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah ny Jiosy tamin’ny andron’i Isaia, ary inona no navelany hanjo an-dry zareo tamin’ny farany? b) Inona no nampanantenain’i Jehovah ny Jiosy tsy nivadika? (Isaia 30:18, 19)

4 Resahin’i Jehovah ao amin’ny fiandohan’ny Isaia toko faha-​30 ny fahitany ny Jiosy. Nantsoiny hoe “zanaka mafy loha” ry zareo, ary “vao mainka mitombo ny fahotany.” Izao koa no nolazainy: ‘Vahoaka mpikomy izy ireo, ary tsy vonona hihaino ny lalàn’i Jehovah.’ (Isaia 30:1, 9) Tsy nanaiky hihaino ilay vahoaka, ka naminany i Isaia hoe havelan’i Jehovah hahita faisana ry zareo. (Isaia 30:5, 17; Jer. 25:8-11) Izany mihitsy no nitranga satria nentin’ny Babylonianina ho babo ny Jiosy. Tsy nivadika ihany anefa ny sasany, ka nisy hafatra manome fanantenana nolazain’i Isaia taminy. Hiantra an-dry zareo, hono, i Jehovah any aoriana any. (Vakio ny Isaia 30:18, 19.) Tena tanteraka izany! Nafahan’i Jehovah avy tany Babylona mantsy ry zareo. Tsy teo no ho eo anefa izany no nitranga matoa i Isaia nilaza hoe mbola ‘maharitra miandry foana i Jehovah, satria te hiantra’ an’izay Jiosy tsy nivadika. Raha ny marina aza, dia 70 taona ny Israelita no natao sesitany tany Babylona, izay vao nisy sisa tafaverina tany Jerosalema. (Isaia 10:21; Jer. 29:10) Rehefa tafaverina tany an-tanindrazany ry zareo, dia ranomasom-pifaliana no solon’ilay ranomasom-pahoriana tamin-dry zareo babo.

5. Inona ny toky azontsika avy amin’ny Isaia 30:19?

5 Mampahery antsika ilay hoe: “Hiantra anao tokoa Izy rehefa maheno anao miantso vonjy.” (Isaia 30:19) Manome toky antsika i Isaia fa hihaino tsara i Jehovah rehefa miantso vonjy aminy isika, ary hamaly haingana ny fitalahoantsika izy. Hoy koa i Isaia: “Hamaly anao Izy raha vao maheno an’izany.” Mampahatsiahy antsika ireo teny mampahery ireo hoe tena te hanampy an’izay miantso vonjy aminy ilay Raintsika. Manampy antsika hiaritra sy ho faly foana ny mahafantatra an’izany.

6. Inona amin’izay nolazain’i Isaia no mampiseho fa mihaino ny vavaky ny mpanompony tsirairay i Jehovah?

6 Misy zavatra hafa momba ny vavaka azontsika ianarana avy amin’io andininy io. Inona izany? Hoe mihaino ny vavaky ny tsirairay amintsika i Jehovah. Nahoana isika no milaza an’izany? “Ianareo” no ampiasain’i Isaia amin’ny tapany voalohany amin’ny toko faha-30, satria ilay vahoaka amin’ny fitambarany no niresahan’i Jehovah. “Ianao” indray anefa no ampiasainy eo amin’ny andininy faha-19, satria ny olona tsirairay no niresahany. Izao no nosoratan’i Isaia: “Tsy hitomany intsony ianao”, “hiantra anao tokoa Izy”, “hamaly anao Izy.” Ray be fitiavana i Jehovah, ka tsy milaza amin’ny zanany efa kivy hoe: “Ianao koa tsy mba matanja-tsaina hoatran’itsy rahalahinao itsy!” Na hoe: “Ianao tsy mba be herim-po hoatran’itsy rahavavinao itsy!” Fantany hoe tsy mitovy isika nefa sarobidy aminy isika tsirairay, ary izy mihitsy no mihaino ny vavaka ataontsika.​—Sal. 116:1; Isaia 57:15.

Inona no tian’i Isaia holazaina tamin’ilay hoe “aza avela hitsahatra mihitsy” i Jehovah? (Fehintsoratra 7)

7. Ahoana no nanasongadinan’i Isaia sy Jesosy hoe mila mikiry mivavaka isika?

7 Ahoana no ataon’i Jehovah rehefa miresaka aminy momba an’izay mampanahy antsika isika? Mety ho tonga dia homeny hery hiatrehana an’ilay olana isika. Raha tsy milamina haingana araka ny nieritreretantsika azy ilay izy, dia mety hila hivavaka amin’i Jehovah imbetsaka isika mba hahazoana hery hiaretana an’izany. Asainy manao an’izany mihitsy isika, raha ny marina. Izany no tian’i Isaia holazaina tamin’ilay hoe “aza avela hitsahatra mihitsy” i Jehovah. (Isaia 62:7) Inona no dikan’izany? Tokony hikiry hivavaka amin’i Jehovah foana isika, ka hoatran’ny hoe tsy mamela azy haka aina mihitsy. Mampahatsiahy antsika an’ireo fanoharan’i Jesosy momba ny vavaka ireo tenin’i Isaia ireo. Ao amin’ny Lioka 11:8-10, 13 no misy an’izany. Mampirisika antsika i Jesosy ao hoe tokony ho “be fikirizana” isika rehefa mivavaka, ary ‘hangataka foana’ ny fanahy masina. Afaka mivavaka amin’i Jehovah koa isika mba homeny ny tari-dalana ilaintsika, amin’izay isika mandray fanapahan-kevitra tsara.

MITARI-DALANA ANTSIKA I JEHOVAH

8. Ahoana no nahatanteraka ny Isaia 30:20, 21 taloha?

8 Vakio ny Isaia 30:20, 21. Nijaly be ny Jiosy rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babylonianina nandritra ny herintaona sy tapany. Mafy ilay fahoriana ka lasa nahazatra an-dry zareo hoatran’ny mofo sy rano ilay izy. Nampanantena ny Jiosy anefa i Jehovah eo amin’ny andininy faha-20 sy faha-21 hoe raha mibebaka ry zareo ka miova, dia hamonjy an-dry zareo izy. Nantsoin’i Isaia hoe “Mpampianatra Be Voninahitra” i Jehovah. Nampanantena izy tamin’izany hoe hampianatra ny vahoakany i Jehovah, mba hanompoan’izy ireo azy araka ny tokony ho izy. Tanteraka izany rehefa nafahana ny Jiosy. Noporofoin’i Jehovah tamin’ny vahoakany hoe Mpampianatra Be Voninahitra izy, ka nahavita namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina ry zareo rehefa nahazo ny tari-dalany. Soa ihany fa Mpampianatra Be Voninahitra ho antsika koa i Jehovah amin’izao!

9. Milazà fomba iray ahazoantsika ny tari-dalan’i Jehovah.

9 Mbola nampiasa sarin-teny ihany i Isaia avy eo. Nataony hoatran’ny hoe mpianatra isika, dia misy fomba roa ampianaran’i Jehovah antsika. Izao aloha no nolazainy: “Ny masonao mihitsy no hahita an’ilay Mpampianatra Be Voninahitra.” Mijoro eo anoloan’ny mpianany ilay mpampianatra eo. Mandray soa avy amin’ny fampianarany isika amin’izao, ary tombontsoa be izany! Ahoana no ampianaran’i Jehovah antsika? Amin’ny alalan’ny fandaminany. Soa ihany fa mazava tsara ny tari-dalana azontsika avy amin’izy io! Mahazo toromarika, ohatra, isika any am-pivoriana, any amin’ny fivoriambe, amin’ny alalan’ny boky sy gazety ary ny Tele JW. Manampy antsika izy ireny rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra, mba hahavita hiaritra isika sady ho faly foana.

10. Nahoana isika no lazaina hoe maheno ‘teny avy ao aorianantsika’?

10 Ary inona ilay fomba faharoa ampianaran’i Jehovah antsika? Izao no nolazain’i Isaia: “Ny sofinao mihitsy no haheno teny avy ao aoriananao.” Mpampianatra vonon-kanampy mandeha ao aorianan’ny mpianany indray i Jehovah eto, dia manoro an-dry zareo ny lalan-kizorana sady manome tari-dalana azy. Maheno ny feon’Andriamanitra avy ao aorianantsika koa isika amin’izao. Nahoana? Efa ela be ny tenin’Andriamanitra no nosoratana ao amin’ny Baiboly, izany hoe taona maro lasa izay. Rehefa mamaky Baiboly àry isika, dia hoatran’ny hoe maheno ny feon’Andriamanitra avy ao aorianantsika.​—Isaia 51:4.

11. Inona no mila ataontsika raha te hahavita hiaritra isika sady ho faly foana, ary nahoana?

11 Inona no azontsika atao, raha tiantsika ny handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny tari-dalana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany sy ny Teniny? Mariho fa nilaza zavatra roa i Isaia. Voalohany, nilaza izy hoe: “Ity no lalana.” Faharoa, “andehano” izy io. (Isaia 30:21) Tsy ampy àry ny mahafantatra an’ilay “lalana.” Mila ‘mandeha’ eo amin’izy io koa isika. Ampianarin’ny Tenin’i Jehovah sy ny fanazavana avy amin’ny fandaminany hoe inona no takin’i Jehovah amintsika. Ianarantsika koa ny fomba ampiharana an’izany. Mila manao an’ireo zavatra roa ireo isika, raha te hahavita hiaritra sady ho faly foana rehefa manompo an’i Jehovah. Amin’izay ihany isika vao hahazo antoka hoe hotahiny.

MITAHY ANTSIKA I JEHOVAH

12. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny vahoakany, araka ny Isaia 30:23-26?

12 Vakio ny Isaia 30:23-26. Tanteraka tamin’ny Jiosy nody tany Israely io faminaniana io, rehefa nafahana avy tany Babylona ry zareo. Ahoana no nahatanterahan’izany? Nomen’i Jehovah fitahiana be dia be ry zareo. Nomeny sakafo tondraka, ohatra, ny vahoakany. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe nomeny sakafo ara-panahy be dia be ry zareo, rehefa naverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Mbola tsy nahazo sakafo ara-panahy betsaka sy tsara hoatr’izany ireo vahoakan’Andriamanitra ireo hatramin’izay. Resahin’ny andininy faha-26 fa nitombo be ny hazavana ara-panahy nomen’i Jehovah, izany hoe lasa nazava kokoa tamin-dry zareo ny Teniny. (Isaia 60:2) Inona no vokatr’ireny fitahiana ireny tamin’ny mpanompon’i Jehovah? Nanompo azy foana ry zareo sady nahazo hery “satria falifaly ny fony.”​—Isaia 65:14.

13. Naverina tamin’ny laoniny koa ve ny fivavahana marina amin’izao androntsika izao? Hazavao.

13 Tanteraka amin’ny androntsika koa ve ilay faminaniana hoe haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina? Izany mihitsy! Olona an-tapitrisany babo tao amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, no nafahana avy tao nanomboka tamin’ny 1919. Nentina tany amin’ny toerana tsara kokoa noho ny Tany Nampanantenaina ry zareo, satria nentina tao amina paradisa ara-panahy. (Isaia 51:3; 66:8) Inona io paradisa ara-panahy io?

14. Inona ilay paradisa ara-panahy, ary iza no mipetraka ao amin’izao? (Jereo ny Fanazavana.)

14 Ny voahosotra no nipetraka tao amin’io paradisa ara-panahy io nanomboka tamin’ny 1919. b Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa nipetraka tao koa ny “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany, ary mahazo fitahiana be dia be avy amin’i Jehovah ry zareo.​—Jaona 10:16; Isaia 25:6; 65:13.

15. Aiza no misy an’ilay paradisa ara-panahy?

15 Aiza no misy an’ilay paradisa ara-panahy amin’izao? Miparitaka eran-tany ny mpanompon’i Jehovah. Midika izany fa eran-tany koa ilay paradisa ara-panahy misy an-dry zareo. Ao amin’ilay paradisa ara-panahy àry isika, raha mbola mazoto manohana ny fivavahana marina, na aiza na aiza misy antsika eto an-tany.

Inona no azontsika tsirairay atao mba ho tsara tarehy foana ilay paradisa ara-panahy? (Fehintsoratra 16-17)

16. Inona no azontsika atao mba ho tsara tarehy foana ny fahitantsika an’ilay paradisa ara-panahy?

16 Inona, ohatra, no tsy maintsy ataontsika mba tsy hiala ao amin’ilay paradisa ara-panahy mihitsy isika? Tsy maintsy mankasitraka foana ny fiangonana kristianina eran-tany isika. Ahoana no anaovana an’izany? Mifantoha amin’izay tsara amin’ireo mipetraka ao, fa tsy amin’ny toetra ratsiny. (Jaona 17:20, 21) Nahoana izany no tena ilaina? Eritrereto izao: Rehefa mitsidika valan-javaboary isika na zaridaina tsara tarehy, dia manantena hoe hahita hazo isan-karazany. Hoatr’izany koa ilay paradisa ara-panahy. Misy olona isan-karazany azo oharina amin’ny hazo ao. (Isaia 44:4; 61:3) Mila mifantoka foana amin’ny hakanton’ilay “ala” isika, fa tsy amin’izay tsy metimety kely amin’ny “hazo” tsirairay eo akaikintsika eo. Mila mitandrina àry isika sao takon’ny toetra ratsintsika na ny an’ny mpiara-manompo, ny hakanton’ilay fiangonana kristianina miray saina eran-tany.

17. Inona no azontsika tsirairay atao mba hiray saina ny fiangonana?

17 Inona no azontsika tsirairay atao mba hiray saina foana ny fiangonana? Mila miezaka ny ho mpampihavana isika. (Mat. 5:9; Rom. 12:18) Vao mainka hanatsara an’ilay paradisa ara-panahy isika, isaky ny manao zavatra voalohany mba hisian’ny fihavanana. Mila tadidintsika hoe i Jehovah no nitaona ny tsirairay mipetraka ao amin’io paradisa ara-panahy io mba ho ao amin’ny fivavahana marina. (Jaona 6:44) Eritrereto àry ny hafalian’i Jehovah rehefa mahita antsika miezaka mafy manampy ny mpanompony hihavana sy hiray saina foana. Sarobidy aminy mantsy ry zareo!​—Isaia 26:3; Hag. 2:7.

18. Inona no tokony hosaintsainintsika matetika, ary nahoana?

18 Manome zavatra tsara be dia be ho an’ny mpanompony i Jehovah. Inona àry no azontsika atao mba handraisantsika soa faran’izay betsaka avy amin’izy ireny? Saintsaino tsara izay ianaranao ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ao amin’ireo boky sy gazetintsika. Lasa tsara toetra isika rehefa mianatra sy misaintsaina hoatr’izany, ka ‘hifankatia hoatran’ny mpirahalahy’ ary ‘hiraiki-po amintsika samy isika.’ (Rom. 12:10) Vao mainka isika hifandray amin’i Jehovah rehefa misaintsaina ny fitahiana azontsika amin’izao. Rehefa mieritreritra ny fitahiana omaniny ho antsika amin’ny hoavy indray isika, dia vao mainka hatoky hoe tena ho afaka hanompo azy mandrakizay. Izany rehetra izany no hahatonga antsika ho faly manompo an’i Jehovah dieny izao.

TAPA-KEVITRA NY HIARITRA

19. a) Inona no azontsika antoka, araka ny Isaia 30:18? b) Inona no hanampy antsika hiaritra sady ho faly foana?

19 “Hitsangana” mba hamonjy antsika i Jehovah rehefa handringana an’ity tontolo ratsy ity. (Isaia 30:18) Matoky isika hoe “Andriamanitry ny rariny” izy, ka tsy havelany hihoatra ny fotoana isian’ny tontolon’i Satana, na dia iray andro aza! (Isaia 25:9) Manam-paharetana isika sady miara-miandry amin’i Jehovah an’io andro anafahana antsika io. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tapa-kevitra isika hoe hihevitra ny tombontsoa hivavaka ho sarobidy foana, hianatra sy hampihatra ny Tenin’Andriamanitra, ary hisaintsaina ny fitahiana avy amin’i Jehovah. Raha manao an’izany isika, dia hampian’i Jehovah hiaritra sady ho faly manompo azy.

HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

a Ampian’i Jehovah ny mpanompony mba hahavita hiaritra ny olana eo amin’ny fiainana sady ho faly rehefa manao an’izany. Handinika ny Isaia toko faha-​30 isika ato, mba hahitana fomba telo anaovany an’izany. Hampahatsiahy antsika io toko io hoe tena ilaina ny mivavaka amin’i Jehovah sy mianatra ny Teniny ary misaintsaina ny fitahiana omeny antsika dieny izao sy amin’ny hoavy.

b FANAZAVANA: Ao amin’ilay “paradisa ara-panahy” isika, rehefa miray saina manompo an’i Jehovah. Milamina sy voaro tsara isika ao sady mahazo sakafo ara-panahy tondraka sy tsy voaloton’ny laingan’ny fivavahan-diso. Manana asa maro mahafa-po koa isika, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy izay ihany, fa mifandray akaiky amin’i Jehovah isika sady mihavana tsara amin’ny mpiara-manompo be fitiavana. Ry zareo no manampy antsika hiaritra ny olana eo amin’ny fiainana sady ho faly. Miditra ao amin’io paradisa ara-panahy io isika rehefa manomboka manompo an’i Jehovah araka ny tokony ho izy, sy manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanahafana azy.