Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 47

Aza Avela Hisy Hampisaraka Anao Amin’i Jehovah

Aza Avela Hisy Hampisaraka Anao Amin’i Jehovah

“Izaho ... matoky anao, Jehovah ô!”​—SAL. 31:14.

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana no ahalalantsika hoe te hifandray akaiky amintsika i Jehovah?

 ASAIN’I Jehovah isika mba hifandray akaiky aminy. (Jak. 4:8) Tiany raha lasa Andriamanitsika izy, Raintsika, ary Namantsika. Mamaly ny vavaka ataontsika izy, sady manampy antsika rehefa ao anatin’ny sarotra isika. Mampiasa ny fandaminany koa izy mba hampianarana sy hiarovana antsika. Inona anefa no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hifandray akaiky amin’i Jehovah?

2. Inona no azontsika atao raha te hifandray akaiky amin’i Jehovah isika?

2 Hifandray akaiky amin’i Jehovah isika raha mivavaka aminy, mamaky ny Teniny, ary misaintsaina an’izay vakintsika. Tena ho tia sy hankasitraka azy isika raha manao an’izany. Hazoto hankatò sy hidera azy isika amin’izay ary tena mendrika an’izany izy. (Apok. 4:11) Arakaraka ny ahafantarantsika an’i Jehovah no hahatonga antsika hatoky azy sy ilay fandaminana ampiasainy mba hanampiana antsika.

3. Inona no iezahan’ny Devoly atao mba hampisaraka antsika amin’i Jehovah? Inona anefa no hanampy antsika tsy hiala amin’Andriamanitra sy ny fandaminany mihitsy? (Salamo 31:13, 14)

3 Miezaka mampisaraka antsika amin’i Jehovah anefa ny Devoly, indrindra rehefa miatrika olana isika. Inona no tetikady ampiasainy? Ataony izay hampihena tsikelikely ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany. Tsy voatery ho voany anefa isika. Tsy hiala amin’Andriamanitra sy ny fandaminany isika, raha manana finoana matanjaka sy matoky tanteraka an’i Jehovah.​—Vakio ny Salamo 31:13, 14.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Handinika olana telo avy any ivelan’ny fiangonana isika ato. Mety hampihena tsikelikely ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany ny tsirairay amin’ireo. Nahoana ireo olana ireo no mety hampisaraka antsika amin’i Jehovah? Ary inona no azontsika atao mba hanoherana an’i Satana?

REHEFA MIATRIKA OLANA ISIKA

5. Nahoana ny olana no mety hampihena tsikelikely ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany?

5 Miatrika olana isika indraindray, ohatra hoe toherin’ny fianakaviantsika na very asa. Nahoana ny olana hoatr’izany no mety hampihena tsikelikely ny fatokisantsika ny fandaminana sy hahatonga antsika hisaraka amin’i Jehovah? Mety ho very fanantenana sy ho kivy isika, raha maharitra ela be ny olana mahazo antsika. Hararaotin’i Satana izany. Ataony izay hahatonga antsika hisalasala raha tia antsika i Jehovah. Tian’ny Devoly hieritreritra isika hoe: ‘Sao dia i Jehovah na ny fandaminany no mahatonga ahy hijaly hoatr’izao?’ Niatrika zavatra nitovitovy tamin’izany ny Israelita sasany tany Ejipta. Nino ry zareo tamin’ny voalohany hoe i Jehovah no nanendry an’i Mosesy sy Arona, mba hanafaka an-dry zareo tsy ho andevo intsony. (Eks. 4:29-31) Vao mainka nampijalin’i Farao anefa ry zareo tatỳ aoriana, dia nolazainy hoe i Mosesy sy Arona indray no fototr’ilay olana. Izao no noresahin-dry zareo tamin’izy mirahalahy: “Nataonareo izay hankahalan’i Farao sy ny mpanompony anay, ary nasianareo sabatra teny an-tanany hamonoany anay.” (Eks. 5:19-21) Mampalahelo fa ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika ireo indray no nomeny tsiny. Inona no hanampy anao hatoky an’i Jehovah sy ny fandaminany foana raha efa ela ianao no niatrika olana?

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Habakoka mpaminany rehefa miatrika olana isika? (Habakoka 3:17-19)

6 Aborahy amin’i Jehovah daholo izay ao am-ponao, ary mitadiava fanampiana aminy. Niatrika olana be dia be i Habakoka mpaminany. Nisy fotoana izy hoatran’ny nisalasala raha nikarakara azy i Jehovah. Noresahiny tamin’i Jehovah daholo àry izay tsapany. Izao no nolazainy: “Jehovah ô, mandra-pahoviana aho no hiantso vonjy nefa tsy henoinao? ... Maninona no jerenao fotsiny ny olona manjakazaka?” (Hab. 1:2, 3) Novalian’i Jehovah ny vavaka tamin’ny fo nataon’io mpanompony tsy nivadika io. (Hab. 2:2, 3) Lasa falifaly indray izy rehefa avy nisaintsaina ny fomba namonjen’i Jehovah ny vahoakany. Lasa resy lahatra izy hoe nikarakara azy i Jehovah, ary hanampy azy hiaritra an’izay fisedrana nahazo azy. (Vakio ny Habakoka 3:17-19.) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa miatrika zava-tsarotra ianao, dia mivavaha amin’i Jehovah ary resaho aminy izay tsapanao. Mangataha fanampiana aminy avy eo. Raha manao an’izany ianao, dia afaka matoky hoe hanome ny hery ilainao hiaretana i Jehovah. Vao mainka ianao hino azy, rehefa tsapanao hoe nanampy anao izy.

7. Inona no niezahan’ny havan’i Shirley nasisika tao an-tsainy? Inona no nanampy azy hino an’i Jehovah foana?

7 Aza ovana mihitsy ny fandaharana ara-panahy efa fanaonao. Izany no nanampy an’i Shirley, anabavy any Papouasie-Nouvelle-Guinée, rehefa niatrika olana izy. b Nahantra ny fianakaviany, ary indraindray ry zareo sahirana vao nahita sakafo. Nisy havany iray niezaka nampihena tsikelikely ny fatokisany an’i Jehovah, ka niteny hoe: “Lazainareo fa manampy anareo ny fanahin’Andriamanitra, nefa aiza akory izay eo? Mbola mahantra foana ianareo mianakavy. Lany andro mitory fotsiny ianareo!” Izao no nolazain’i Shirley: “Lasa saina aho hoe sao dia tsy mikarakara anay àry Andriamanitra. Tonga dia nivavaka tamin’i Jehovah aho, dia noresahiko taminy daholo izay tao an-tsaiko. Notohizako koa ny famakiana ny Baiboly ary ny boky sy gazetintsika, dia nitory sy nivory foana aho.” Tsy ela dia tsapan’i Shirley hoe nikarakara ny fianakaviany i Jehovah. Nahita hohanina foana ry zareo sady faly. Izao no nolazainy: “Tsapako hoe namaly ny vavaka nataoko i Jehovah.” (1 Tim. 6:6-8) Tsy havelanao hampisaraka anao amin’i Jehovah koa ny olana atrehinao, na izay zavatra mampisalasala anao, raha manaraka ny fandaharana ara-panahy fanaonao ianao.

REHEFA IHARAN’NY TSY RARINY IREO RAHALAHY MANANA ANDRAIKITRA

8. Inona no mety hitranga amin’ireo rahalahy manana andraikitra ao amin’ny fandaminan’i Jehovah?

8 Mampiasa ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera ny fahavalontsika, mba hampielezana lainga na tsaho momba an’ireo rahalahy manana andraikitra ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Sal. 31:13) Nosamborina ny rahalahy sasany, ary nampangaina ho mpanao heloka bevava. Niatrika olana hoatr’izany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nendrikendrehina sy nosamborina ny apostoly Paoly. Ahoana no nataon-dry zareo?

9. Inona no nataon’ny Kristianina sasany rehefa nogadraina ny apostoly Paoly?

9 Tsy nanohana ny apostoly Paoly intsony ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nigadra tany Roma izy. (2 Tim. 1:8, 15) Fa maninona? Menatra ve ry zareo satria noheverin’ny olona ho mpanao heloka bevava i Paoly? (2 Tim. 2:8, 9) Sa ry zareo natahotra sao dia henjehina koa? Na inona na inona antony, dia eritrereto ny mety ho fihetseham-pon’i Paoly. Ho an-dry zareo mantsy no nahatonga azy hiatrika olana be dia be sy hanao vivery ny ainy mihitsy aza. (Asa. 20:18-21; 2 Kor. 1:8) Enga anie isika tsy hanao hoatran’ireo olona nandao an’i Paoly tamin’ny fotoana tena nilany fanampiana! Inona àry no tokony hotadidintsika rehefa enjehina ireo rahalahy manana andraikitra?

10. Inona no tokony hotadidintsika rehefa enjehina ireo rahalahy manana andraikitra, ary nahoana?

10 Tadidio hoe nahoana isika no enjehina, ary iza no mahatonga an’izany. Izao no resahin’ny 2 Timoty 3:12: “Henjehina ihany koa izay rehetra te hampiseho eo amin’ny fiainany hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” Tsy tokony ho gaga àry isika raha ireo rahalahy manana andraikitra no kendren’i Satana. Tiany hivadika mantsy ry zareo, dia tiany hampitahorina isika.​—1 Pet. 5:8.

Na nigadra aza i Paoly, dia naneho herim-po i Onesiforosy ka nanampy azy. Manohana ny mpiara-manompo migadra koa ireo rahalahy sy anabavintsika amin’izao (Fehintsoratra 11-12)

11. Inona no ianarantsika avy amin’i Onesiforosy? (2 Timoty 1:16-18)

11 Ampio foana ireo rahalahy ary aza afoy mihitsy. (Vakio ny 2 Timoty 1:16-18.) Hafa mihitsy ny nataon’i Onesiforosy, Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nigadra i Paoly. “Tsy mba nahamenatra azy ny rojo vy namatorana” an’i Paoly. Nikaroka an’i Paoly kosa izy. Rehefa hitany i Paoly, dia nitady fomba hanomezana azy an’izay nilainy izy. Nanao vivery ny ainy i Onesiforosy mba hanaovana an’izany. Inona no ianarantsika avy aminy? Tsy tokony hanaiky ho resin’ny tahotra olona isika, na hamela an’izany hisakana antsika tsy hanampy an’ireo rahalahintsika enjehina. Andao kosa isika hiaro sy hanampy an-dry zareo. (Ohab. 17:17) Mila ny fitiavantsika sy ny fanohanantsika mantsy ry zareo.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia?

12 Diniho izay nataon’ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Nanampy an’ireo mpiara-manompo malalany nampidirina am-ponja ry zareo. Rehefa nisy tamin-dry zareo, ohatra, nentina teny amin’ny fitsarana, dia be dia be ny rahalahy sy anabavy tonga nanotrona tany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aza matahotra rehefa alam-baraka, samborina, na enjehina ireo rahalahy manana andraikitra. Mivavaha ho azy ireo, ampio ny fianakaviany, ary mitadiava fomba hafa azonao anampiana azy.​—Asa. 12:5; 2 Kor. 1:10, 11.

REHEFA MISY MANESO ISIKA

13. Nahoana ny esoeso no mety hampihena tsikelikely ny fatokisantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany?

13 Mety hesoesoin’ny havana tsy Vavolombelona, ny mpiara-miasa, na ny mpiara-mianatra isika noho isika mitory na manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. (1 Pet. 4:4) Mety hiteny ry zareo hoe: “Ianareo aloha mahafinaritra ahy, fa ilay fivavahanareo hentitra loatra sady tsy maharaka toetrandro.” Mety hanakiana antsika koa ny sasany, amin’ny fomba itondrantsika ny voaroaka. Mety hiteny izy hoe: “Izany ve ianareo no mba milaza hoe be fitiavana?” Mety hahatonga antsika hisalasala ny teniteny hoatr’izany. Mety ho lasa saina isika hoe: ‘Mitaky be loatra amiko ve i Jehovah? Hentitra loatra ve ny fandaminana?’ Raha sendra an’izany ianao, dia inona no hanampy anao ho akaiky an’i Jehovah sy ny fandaminany foana?

Nanesoeso an’i Joba ireo nilaza ho namany. Tsy nety nino ny laingan-dry zareo anefa izy, fa tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah (Fehintsoratra 14)

14. Inona no tokony hataontsika raha esoina isika satria manaraka ny fitsipik’i Jehovah? (Salamo 119:50-52)

14 Tokony ho tapa-kevitra hanaraka ny fitsipik’i Jehovah ianao. Nanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana i Joba, na dia nisy naneso aza. Ilay lehilahy iray nilaza ho namany aza niezaka nandresy lahatra azy hoe tsy raharahian’Andriamanitra izy na manaraka ny fitsipiny na tsia. (Joba 4:17, 18; 22:3) Tsy nety nino an’izany lainga izany anefa i Joba. Fantany hoe ny fitsipik’i Jehovah momba ny mety sy tsy mety no tsara, dia tapa-kevitra hanaraka an’izany foana izy. Tsy nanaiky hivadika mihitsy izy, na inona na inona nataon’ny hafa. (Joba 27:5, 6) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aza misalasala mihitsy hoe sao dia tsy mety ny fitsipik’i Jehovah, na dia misy maneso anao aza. Saintsaino izay efa niainanao. Tsy efa imbetsaka ve ianao no nahita hoe tsara ny fitsipik’i Jehovah sady mahasoa anao? Tohano foana àry ilay fandaminana manaraka an’ireny fitsipika ireny. Raha manao an’izany ianao, dia tsy ho tafasaraka amin’i Jehovah mihitsy, na maneso anao hoatran’ny inona aza ny olona.​—Vakio ny Salamo 119:50-52.

15. Nahoana i Brizit no nisy naneso?

15 Diniho ny zavatra niainan’i Brizit, anabavy iray any Inde. Nesoin’ny fianakaviany izy noho ny finoany. Natao batisa izy tamin’ny 1997, ary very asa ny vadiny tsy ela taorian’izay. Tsy Vavolombelona io vadiny io. Nanapa-kevitra àry ilay rangahy hoe hifindra any amin’ny ray aman-dreniny izy mivady sy ny zanany telo vavy. Nipetraka tany amin’ny tanàna hafa ireo ray aman-dreniny ireo. Vao mainka anefa nitombo ny olan’i Brizit. Tsy maintsy niasa manontolo andro mantsy izy mba hamelomana ny fianakaviany, satria tsy an’asa ny vadiny. Tany amin’ny 350 kilaometatra teo ho eo koa no nisy ny fiangonana akaiky indrindra. Mampalahelo fa nanohitra azy ny fianakavian’ilay lehilahy noho ny finoany. Nihamafy ilay fanenjehana, dia tsy maintsy nifindra indray ry zareo. Maty tampoka ny vadin’i Brizit taorian’izay. Matin’ny kansera koa ny zanany vavy iray tatỳ aoriana, nefa vao 12 taona. Mbola nanampy trotraka an’izany anefa ny havan’i Brizit. Izy indray no nomen-dry zareo tsiny hoe tsy ho nitranga, hono, ireny olana ireny raha tsy lasa Vavolombelon’i Jehovah izy. Mbola natoky an’i Jehovah foana anefa izy, sady tsy niala tamin’ny fandaminany mihitsy.

16. Inona no fitahiana azon’i Brizit, noho izy tsy niala tamin’i Jehovah sy ny fandaminany?

16 Nifanalavitra be ny toerana nisy an-dry Brizit sy ny fiangonana, dia nampirisihin’ny mpiandraikitra ny faritra izy mba hitory eo an-toerana sady hitarika fivoriana ao an-tranony. Nieritreritra izy tamin’ny voalohany hoe tsy ho vitany mihitsy izany, nefa narahiny ihany ilay toromarika. Nitory tamin’ny hafa izy, nanao fivoriana tao an-tranony, ary nanokana fotoana hanaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana niaraka tamin’ny zanany vavy. Dia inona no vokany? Lasa nanana fampianarana Baiboly be dia be i Brizit, ary betsaka ny mpianany natao batisa. Lasa mpisava lalana maharitra izy tamin’ny 2005. Novalian-tsoa izy satria nitoky tamin’i Jehovah sady tsy nivadika tamin’ny fandaminany. Mpanompon’i Jehovah tsy mivadika izao ny zanany vavy, sady misy fiangonana roa any amin’ilay toerana. Resy lahatra i Brizit hoe i Jehovah no nanome hery azy mba hahafahany hiatrika an’ireny olana ireny, sy hiaritra ny esoeson’ny fianakaviany.

AZA MIVADIKA AMIN’I JEHOVAH SY NY FANDAMINANY

17. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

17 Tian’i Satana hino isika hoe hafoin’i Jehovah isika rehefa ao anatin’ny sarotra, ary vao mainka hihamafy ny fiainantsika rehefa manohana ny fandaminana isika. Tiany hatahotra isika rehefa endrikendrehina ireo rahalahy manana andraikitra, na enjehina, na gadraina. Ampiasainy koa ny esoeso, amin’izay mihena tsikelikely ny fatokisantsika ny fandaminan’i Jehovah sady hieritreritra isika hoe tsy mahasoa ny fitsipiny. Fantatsika tsara anefa ny teti-dratsin’i Satana ary tsy voafitak’izany isika. (2 Kor. 2:11) Aza mino ny laingany, ary aza mivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Tadidio hoe tsy handao anao mihitsy i Jehovah! (Sal. 28:7) Aza avela hisy hampisaraka anao aminy àry.​—Rom. 8:35-39.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Hitantsika tato ireo olana atrehintsika avy any ivelan’ny fiangonana. Mety ho sarotra amintsika koa anefa ny hatoky an’i Jehovah sy ny fandaminany, noho ny olana ao amin’ny fiangonana. Inona no hanampy antsika hahavita hiatrika an’izany? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”

a Tsy maintsy matoky an’i Jehovah sy ny fandaminany foana isika, raha tiantsika ny hiaritra sy tsy hivadika amin’izao andro farany izao. Mampiasa fitsapana samihafa anefa ny Devoly mba tsy hananantsika an’izany fatokisana izany intsony. Ho hitantsika ato hoe inona ny olana telo ampiasain’ny Devoly, ary inona no azontsika atao mba hanoherana azy.

b Novana ny anarana sasany.