Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Olona tena nisy ve i Mordekay?

JIOSY natao sesitany i Mordekay, ary nandray anjara be tamin’ny tantara voaresaka ao amin’ny bokin’i Estera ao amin’ny Baiboly izy. Niasa tao amin’ny lapa persianina izy tamin’ny taona 496 T.K., “tamin’ny andron’i Ahasoerosy” Mpanjaka. (Ksersesy I matetika no ahafantarana an’io mpanjaka io amin’izao.) Henon’i Mordekay, indray mandeha, hoe nisy nitady hamono ny mpanjaka. Nataony àry izay tsy hahatanteraka an’ilay teti-dratsy. Nankasitraka azy ny mpanjaka, ka nasainy nomena voninahitra teo anatrehan’ny rehetra izy. Notendren’ilay mpanjaka ho praiminisitra izy tatỳ aoriana, rehefa maty i Hamana fahavalony sy fahavalon’ny Jiosy hafa. Rehefa nahazo fahefana àry i Mordekay, dia afaka namoaka lalàna hiarovana ny Jiosy tao amin’ny fanjakana persianina, ka tsy ripaka ry zareo.​—Est. 1:1; 2:5, 21-23; 8:1, 2; 9:16.

Nisy mpahay tantara tany am-piandohan’ny taonjato faha-20 nilaza fa tantara noforonina ny bokin’i Estera ary tsy nisy izany Mordekay izany. Nisy zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany anefa tamin’ny 1941, ary mety ho manaporofo izany fa marina ilay voalazan’ny Baiboly momba an’i Mordekay. Inona no hitan-dry zareo?

Nahita soratra miendri-pantsika persianina ahitana anarana lehilahy atao hoe Mardoka (Malagasy: Mordekay) ny mpikaroka. Manam-pahefana tao Sosana izy io, angamba mpanao kaonty. Nilaza i Arthur Ungnad, manam-pahaizana momba ny tantara tatsinanana, fa iny soratra miendri-pantsika “iny ihany” tamin’izany “no miresaka momba an’i Mordekay, ankoatra ny Baiboly.”

Nandika soratra miendri-pantsika persianina an’arivony ny manam-pahaizana, taorian’ilay tatitr’i Ungnad. Anisan’izany ilay takelaka tanimanga hita tao amin’ny tanàna efa ravan’i Persepolisy, tao amin’ny Trano Fitehirizan-karena teo akaikin’ny mandan’ilay tanàna. Efa tamin’ny andro nanjakan’i Ksersesy I ireo takelaka tanimanga ireo. Amin’ny teny elamita ilay izy ary ahitana anarana maromaro voatonona ao amin’ny bokin’i Estera. a

Ilay anarana hoe Mordekay (Mardoka) amin’ny soratra miendri-pantsika persianina

Takelaka maromaro avy tao Persepolisy no ahitana an’ilay anarana hoe Mardoka. Mpanora-dalàna tao amin’ny lapan’i Sosana izy io, tamin’ny fotoana nanjakan’i Ksersesy I. Milaza ny takelaka iray fa mpandika teny i Mardoka. Mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Mordekay izany. Manam-boninahitra tao amin’ny lapan’i Ahasoerosy Mpanjaka (na Ksersesy I) izy, ary nahay fiteny roa fara fahakeliny. Nipetraka foana teo am-bavahadin’ny mpanjaka tao amin’ny lapan’i Sosana i Mordekay. (Est. 2:19, 21; 3:3) Trano ngezabe io vavahady io, ary tao no niasa ny tandapa.

Mahagaga hoe mitovy be ilay Mardoka resahin’ny takelaka tanimanga sy ilay Mordekay resahin’ny Baiboly. Mitovy ny fotoana niainan-dry zareo, ny toerana nisy azy, ny andraikitra notanany, ary ny toeram-piasany. Hita avy amin’izany rehetra izany fa mety ho ilay Mordekay resahin’ny bokin’i Estera ihany ilay hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany.

a Nanoratra lahatsoratra misy anarana folo avy ao amin’ireo takelaka tanimanga hita tao Persepolisy ny Profesora Edwin Yamauchi, tamin’ny 1992. Hita ao amin’ny bokin’i Estera koa ireo anarana ireo.