Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 48

Miezaha Hisaina Tsara Foana Rehefa Iharam-pitsapana

Miezaha Hisaina Tsara Foana Rehefa Iharam-pitsapana

“Aoka ianao hisaina tsara foana amin’ny zava-drehetra.”​—2 TIM. 4:5.

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

HO HITANAO ATO a

1. Inona no dikan’ny hoe misaina tsara foana? (2 Timoty 4:5)

 METY ho sarotra ny tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany rehefa manana olana isika. Ahoana no iatrehantsika an’izany? Mila misaina tsara foana sy miambina foana isika, ary manana finoana matanjaka. (Vakio ny 2 Timoty 4:5.) Misaina tsara foana isika rehefa tony sy mandinika tsara ary miezaka ny hitovy fomba fijery amin’i Jehovah. Tsy hobaikoin’ny fihetseham-po isika rehefa manao an’izany.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Niresaka olana telo avy any ivelan’ny fiangonana isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Handinika olana telo ao amin’ny fiangonana kosa isika ato. Mety ho sarotra amintsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa miatrika an’ireo isika. Inona avy izany? 1) Rehefa tsapantsika hoe nanao ny tsy rariny tamintsika ny mpiara-manompo iray, 2) rehefa mahazo fanitsiana isika, ary 3) rehefa mafy amintsika ny manaiky ny fanovana ataon’ny fandaminana. Inona no hanampy antsika hisaina tsara foana, ka hifikitra amin’i Jehovah sy ny fandaminany rehefa sendra an’ireo isika?

REHEFA TSAPANTSIKA HOE NANAO NY TSY RARINY TAMINTSIKA NY MPIARA-MANOMPO IRAY

3. Inona no mety hataontsika raha tsapantsika hoe nanao ny tsy rariny tamintsika ny mpiara-manompo iray?

3 Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe nanao ny tsy rariny taminao ny mpiara-manompo iray, angamba rahalahy manana andraikitra? Mety tsy ho nieritreritra ny hanisy ratsy anao aloha izy e! (Rom. 3:23; Jak. 3:2) Na izany aza, dia nandratra ny fonao ny nataony. Tsy nahita tory mihitsy angamba ianao rehefa nieritreritra an’ilay olana. Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Rahalahy ve dia nahavita an’izany? Fa angaha ity tsy tena fandaminan’Andriamanitra?’ Izany mihitsy no tian’i Satana hoeritreretinao. (2 Kor. 2:11) Mety hampisaraka anao amin’i Jehovah sy ny fandaminany ny eritreritra hoatr’izany. Raha tsapanao hoe nanao ny tsy rariny taminao àry ny rahalahy na anabavy iray, dia inona no azonao atao mba hisaina tsara foana ka tsy hieritreritra zavatra mety hisy vokany ratsy aminao?

4. Ahoana no nataon’i Josefa mba hisaina tsara foana izy rehefa niharan’ny tsy rariny? Inona no lesona ianarantsika avy aminy? (Genesisy 50:19-21)

4 Aza tezitra. Nanao ny tsy rariny tamin’i Josefa ny zokiny tamin’izy tanora. Nankahala azy ry zareo, ary ny sasany aza nitady hamono azy mihitsy. (Gen. 37:4, 18-22) Namidin-dry zareo ho andevo izy tatỳ aoriana. Vokatr’izany, dia niaritra ny mafy nandritra ny 13 taona teo ho eo i Josefa. Afaka nieritreritra izy hoe tsy tena tia azy i Jehovah, na nandao azy tao anatin’ny fotoana tena nilany fanampiana. Tsy tezitra anefa i Josefa fa nisaina tsara, ka tony foana. Afaka namaly faty ny rahalahiny izy tatỳ aoriana, nefa tsy nanao an’izany fa nampiseho hoe tia an-dry zareo sy namela ny helony. (Gen. 45:4, 5) Nahavita nanao an’izany i Josefa satria nandinika tsara. Tsy nifantoka tamin’ny olana nahazo azy izy, fa tamin’ny fikasan’i Jehovah. (Vakio ny Genesisy 50:19-21.) Izay mantsy no zava-dehibe kokoa. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha iharan’ny tsy rariny ianao, dia aza tezitra amin’i Jehovah na mieritreritra hoe nandao anao izy. Saintsaino kosa ny fomba anampiany anao hiaritra fitsapana. Rehefa misy manao ny tsy rariny aminao koa, dia ezaho saronana fitiavana ny tsy mety ataony.​—1 Pet. 4:8.

5. Inona no nanampy an’i Miqueas hisaina tsara foana rehefa tsapany hoe niharan’ny tsy rariny izy?

5 Eritrereto ny nahazo an’i Miqueas, b anti-panahy any Amerika Atsimo. Tsapany hoe nasiaka taminy ny rahalahy sasany nanana andraikitra. Izao no nolazainy: “Mbola tsy niady saina hoatr’izany mihitsy aho. Natahotra aho! Tsy nahita tory aho rehefa alina, sady nitomany satria tsy afa-nanoatra.” Mbola nisaina tsara foana anefa i Miqueas sady niezaka mafy nifehy ny fihetseham-pony. Nivavaka matetika izy, dia nangataka tamin’i Jehovah mba homeny fanahy masina sy hery hiaretana. Nitady fanazavana mety hanampy azy tao amin’ny boky sy gazetintsika koa izy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha tsapanao hoe manao ny tsy rariny aminao ny rahalahy na anabavy iray, dia miezaha ho tony sy hifehy ny fihetseham-ponao. Mety tsy ho fantatrao mantsy izay nahatonga azy hiteny na hanao an’iny zavatra iny. Miresaha àry amin’i Jehovah, dia angataho izy mba hanampy anao hitovy fomba fijery amin’ilay olona. Mety hanampy anao izany mba tsy hieritreritra hoe nanao fanahy iniana ilay mpiara-manompo aminao. Mety hanampy anao hamela azy koa izany. (Ohab. 19:11) Tadidio hoe fantatr’i Jehovah ny zavatra iainanao, ary hanome ny hery ilainao izy mba hahavitanao hiaritra.​—2 Tan. 16:9; Mpito. 5:8.

REHEFA MAHAZO FANITSIANA ISIKA

6. Nahoana no tena ilaina ny mitadidy hoe porofon’ny fitiavan’i Jehovah ny fanitsiana? (Hebreo 12:5, 6, 11)

6 Mety halahelo be isika rehefa mahazo fanitsiana. Raha mifantoka amin’ny fihetseham-pontsika fotsiny anefa isika, dia mety hanamaivana an’ilay fanitsiana, ka hieritreritra hoe tsy rariny ilay izy sady tsy mihatra amintsika, na hentitra loatra. Misy zava-dehibe lasa tsy tena azontsika anefa amin’izay. Inona izany? Hoe fitiavana no mahatonga an’i Jehovah hanitsy. (Vakio ny Hebreo 12:5, 6, 11.) Raha baikoin’ny fihetseham-po koa isika, dia manome hirika an’i Satana mba hanararaotra an’izany. Tiany handa fanitsiana mantsy isika, ary hanalavitra an’i Jehovah sy ny fiangonana mihitsy aza. Inona no hanampy anao hisaina tsara raha nahazo fanitsiana ianao?

Nanetry tena i Petera dia nanaiky torohevitra sy fanitsiana, ka vao mainka azon’i Jehovah nampiasaina (Fehintsoratra 7)

7. a) Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Petera rehefa nanaiky hahitsy izy, araka ny aseho eo amin’ny sary? b) Inona no ianaranao avy amin’i Petera?

7 Maneke fanitsiana, dia ahitsio izay mila ahitsy. Tsy indray mandeha fotsiny i Jesosy no nanitsy an’i Petera teo imason’ny apostoly hafa. (Mar. 8:33; Lioka 22:31-34) Menatra mihitsy angamba izy! Na izany aza, dia tsy nivadika tamin’i Jesosy i Petera. Nanaiky hahitsy izy, ary nianatra avy tamin’ny fahadisoany. Inona no vokatr’izany? Namaly soa ny tsy fivadihan’i Petera i Jehovah, ary notendreny hanao andraikitra ngezabe tao amin’ny fiangonana izy. (Jaona 21:15-17; Asa. 10:24-33; 1 Pet. 1:1) Inona no ianarantsika avy amin’i Petera? Mandray soa isika sy ny olon-kafa raha manaiky fanitsiana, fa tsy mifantoka amin’ilay hoe isika afa-baraka, ary manitsy an’izay mila ahitsy. Vao mainka isika ho azon’i Jehovah ampiasaina, ary hahasoa kokoa ny mpiara-manompo.

8-9. Ahoana no tsapan’i Bernardo tamin’ny voalohany rehefa avy nahitsy izy? Inona anefa no nanampy azy hanitsy ny toe-tsainy?

8 Eritrereto izay nitranga tamin’i Bernardo, rahalahy any Mozambika. Nesorina tsy ho anti-panahy izy. Ahoana no tsapany tamin’ny voalohany? Izao no nolazainy: “Tezitra aho satria tsy tiako ilay fanitsiana azoko.” Ny fahitan’ny tao amin’ny fiangonana azy no nampanahy an’i Bernardo. Niaiky izy hoe: “Amam-bolana aho vao nahita hoe nety ilay fanitsiana, sy natoky an’i Jehovah sy ny fandaminany indray.” Inona no nanampy an’i Bernardo hanova ny fahitany an’ilay fanitsiana?

9 Nanitsy ny toe-tsainy i Bernardo. Izao no nohazavainy: “Nampiasa ny Hebreo 12:7 aho tamin’izaho anti-panahy, mba hanampiana ny olon-kafa hahita hoe mahasoa ny fanitsian’i Jehovah. Dia lasa saina aho hoe: ‘Iza moa no mila mampihatra an’io andinin-teny io?’ Ny mpanompon’i Jehovah rehetra, anisan’izany aho.” Nisy zavatra hafa nataony koa mba hahatonga azy hatoky an’i Jehovah sy ny fandaminany indray. Vao mainka izy namaky Baiboly sy nisaintsaina lalina. Marina hoe nampiady saina an’i Bernardo ny fahitan’ny mpiara-manompo azy. Mbola niara-nanompo tamin-dry zareo foana anefa izy, ary nandray anjara tamin’ny fivoriana. Voatendry ho anti-panahy indray izy tatỳ aoriana. Nahazo fanitsiana hoatran’i Bernardo ve ianao? Raha izany, dia ekeo ilay torohevitra fa aza mifantoka amin’ilay ianao afa-baraka, ary ahitsio izay mila ahitsy. c (Ohab. 8:33; 22:4) Raha manao an’izany ianao, dia matokia fa hamaly soa anao i Jehovah noho ianao mifikitra aminy sady tsy mivadika amin’ny fandaminany.

REHEFA MAFY AMINTSIKA NY MANAIKY NY FANOVANA ATAON’NY FANDAMINANA

10. Inona ny fanovana nitranga ka mety ho sarotra tamin’ny lehilahy israelita sasany ny tsy hivadika?

10 Mety ho sarotra amintsika ny tsy hivadika rehefa misy fanovana ataon’ny fandaminana. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hamela an’izany hampisaraka antsika amin’i Jehovah mihitsy. Eritrereto, ohatra, ny fanovana tsy maintsy natrehin’ny Israelita sasany. Ny loham-pianakaviana no nanao ny asan’ny mpisorona, tamin’ny mbola tsy nisy ny Lalàn’i Mosesy. Nanamboatra alitara ry zareo, dia nisolo tena ny fianakaviany hanao fanatitra ho an’i Jehovah. (Gen. 8:20, 21; 12:7; 26:25; 35:1, 6, 7; Joba 1:5) Tsy navela hanana an’izany tombontsoa izany intsony anefa ny loham-pianakaviana rehefa nomena ny Lalàna. Mpisorona avy amin’ny fianakavian’i Arona no notendren’i Jehovah hanolotra fanatitra. Rehefa nampiharina io fanovana io, dia mety ho novonoina ho faty mihitsy izay loham-pianakaviana nanao ny asan’ny mpisorona nefa tsy taranak’i Arona. d (Lev. 17:3-6, 8, 9) Mety ho io fanovana io ve no nahatonga an’i Kora, Datana, Abirama, ary ireo mpiadidy 250 hanohitra ny fahefan’i Mosesy sy Arona? (Nom. 16:1-3) Asa aloha! Na ahoana na ahoana dia nivadika tamin’i Jehovah i Kora sy ireo namany ireo. Inona no azonao atao raha sarotra aminao ny tsy hivadika, rehefa misy fanovana ataon’ny fandaminana?

Rehefa niova ny fanendrena ny Kehatita dia vonona ny ho lasa mpihira, mpiandry vavahady, na mpiasa tao amin’ny fitehirizana entana ry zareo (Fehintsoratra 11)

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny Levita Kehatita sasany?

11 Ekeo amin’ny fo manontolo ny fanovana ataon’ny fandaminana. Nanana andraikitra miavaka ny Kehatita tamin-dry zareo nivezivezy tany an-tany efitra. Isaky ny nifindra toby ny Israelita, dia ny Kehatita sasany no nitondra ny Vata misy ny fifanekena teo alohan’ny olona rehetra. (Nom. 3:29, 31; 10:33; Jos. 3:2-4) Tombontsoa be izany! Niova anefa izany rehefa nipetraka tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Tsy nila nafindrafindra toerana intsony mantsy ilay Vata. Tamin’i Solomona lasa mpanjaka àry, dia efa hafa ny fanendrena ny Kehatita. Nisy lasa mpihira, na mpiandry vavahady, na niandraikitra ny fitehirizana entana. (1 Tan. 6:31-33; 26:1, 24) Tsy resahin’ny Baiboly hoe nisy Kehatita nimenomenona na nitaky fanendrena tsara kokoa, satria hoe niavaka ny fanendrena azy hatramin’izay. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ekeo amin’ny fo manontolo foana izay fanovana ataon’ny fandaminana, na dia misy vokany amin’ny fanendrena anao aza ilay izy. Miezaha ho faly amin’izay fanendrena omena anao. Tadidio fa tsy ny fanendrena no mahatonga anao hisy vidiny. Amin’i Jehovah dia sarobidy lavitra noho izay asa anendrena anao ny fankatoavanao.​—1 Sam. 15:22.

12. Hoatran’ny ahoana no tsapan’i Zaina rehefa tsy nasaina nanompo tao amin’ny Betela intsony izy?

12 Eritrereto ny nahazo ny anabavy antsoina hoe Zaina. Tena nankafy nanompo tao amin’ny Betela izy, ary efa 23 taona mahery izy no tao. Voatendry hanompo eny amin’ny saha indray anefa izy. Izao no nolazainy: “Hoatran’ny nilatsaham-baratra aho rehefa naheno an’ilay fanendrena vaovao. Hoatran’ny hoe tsisy nilana ahy intsony, dia lasa saina foana aho hoe: ‘Fa inona no tsy nety nataoko?’” Manginy fotsiny ny nataon’ny rahalahy sy anabavy sasany tao amin’ny fiangonana. Izao, hono, no nolazain-dry zareo: “Tsy maintsy hoe nanao tsirambina ianao matoa nesorin’ny fandaminana tany.” Nisy fotoana i Zaina kivy be, dia ranomaso foana isak’alina. Izao anefa no nolazainy: “Niezaka mafy aho mba hatoky ny fandaminana sy ny fitiavan’i Jehovah foana.” Inona no nanampy azy hisaina tsara foana?

13. Inona no nanampy an’i Zaina tsy ho kivy be intsony?

13 Tsy kivy be intsony i Zaina. Ahoana no nataony? Novakiny tao amin’ny boky sy gazetintsika izay lahatsoratra miresaka momba ny zavatra nahazo azy. Nanampy be azy ilay lahatsoratra hoe “Afaka Mandresy ny Fahakiviana Ianao!”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2001. Hazavaina ao fa nahatsapa hoatr’izany koa ilay mpanoratra Baiboly antsoina hoe Marka, rehefa niova fanendrena. Izao no notantarain’i Zaina: “Ny modely nomen’i Marka no nanasitrana ny foko, dia tsy kivy intsony aho.” Tsy nihatakataka tamin’ny namany koa i Zaina. Tsy nitokantokana izy na nitsetra tena. Tonga saina izy hoe ny fanahy masina no manampy ny fandaminan’i Jehovah handray fanapahan-kevitra, ary tena miahy azy ireny rahalahy manana andraikitra ireny. Niaiky koa izy hoe tsy maintsy mitady ny fomba tsara indrindra ny fandaminan’Andriamanitra mba hampandrosoana ny asan’i Jehovah.

14. Inona ny fanovana nataon’ny fandaminana ka mafy tamin’i Vlado ny nanaiky azy? Inona no nanampy azy?

14 Eritrereto koa ny nahazo an’i Vlado, anti-panahy 73 taona any Slovenia. Natambatra tamina fiangonana hafa ny fiangonan-dry zareo, dia nakatona ilay Efitrano Fanjakana nivoriany. Izao no nolazainy: “Tsy azoko mihitsy hoe Efitrano Fanjakana tsara tarehy be io dia akatona! Nalahelo aho satria vao haingana kely io no nohavaozinay. Mpandrafitra aho, dia izaho no nanao ny sasany tamin’ny fanaka vaovao tao. Be dia be koa ny zavatra nila nahitsy vokatr’iny fanovana iny, nefa tsy mora aminay mpitory be taona ange izany e!” Inona anefa no nanampy an’i Vlado hanaiky an’ilay toromarika? Izao no nohazavainy: “Mahazo fitahiana foana izay manaiky ny fanovana ataon’ny fandaminan’i Jehovah. Manomana antsika amina fanovana ngeza kokoa amin’ny hoavy ireny fanatsarana ireny.” Mafy aminao ve ny manaiky fanovana, satria natambatra tamin’ny fiangonana hafa ny fiangonanareo, na niova ny fanendrena anao? Matokia fa azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-ponao. Tena hotahiny ianao, raha manaiky an’ireny fanovana ireny sady mifikitra amin’i Jehovah sy tsy mivadika amin’ny fandaminana ampiasainy.​—Sal. 18:25.

MIEZAHA HISAINA TSARA FOANA AMIN’NY ZAVA-DREHETRA

15. Inona no hanampy antsika hisaina tsara foana rehefa misy olana ao amin’ny fiangonana?

15 Mihamanakaiky ny faran’izao tontolo izao. Efa ampoizintsika àry hoe hisy olana ao amin’ny fiangonana. Mety ho sarotra amintsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa mitranga izany. Tsy maintsy misaina tsara foana àry isika. Aza tezitra raha tsapanao hoe nanao ny tsy rariny taminao ny mpiara-manompo iray. Raha nahazo fanitsiana indray ianao, dia ekeo ilay torohevitra fa aza mifantoka amin’ilay ianao afa-baraka, ary ahitsio izay mila ahitsy. Ary ahoana raha misy vokany aminao ny fanovana ataon’ny fandaminana? Ekeo amin’ny fo manontolo izany, ary ankatoavy foana izay tari-dalana azonao.

16. Inona no hanampy anao hatoky an’i Jehovah sy ny fandaminany foana?

16 Afaka ny hatoky an’i Jehovah sy ny fandaminany foana ianao, na dia rehefa sarotra aminao aza ny tsy hivadika. Mila misaina tsara foana ianao raha te hahavita an’izany, izany hoe tony sy mandinika tsara ary miezaka hitovy fomba fijery amin’i Jehovah. Ianaro izay tantaran’olona ao amin’ny Baiboly nahavita niatrika olana mitovy amin’ny anao, dia saintsaino ny modelin’izy ireo. Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Aza mitokantokana mihitsy koa fa miaraha foana amin’ny fiangonana. Tsy hahavita hampisaraka anao amin’i Jehovah na amin’ny fandaminany i Satana amin’izay, na inon-kidona na inon-kihatra.​—Jak. 4:7.

HIRA 126 Miambena, Mahereza

a Mety ho sarotra amintsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany, indrindra rehefa misy olana ao amin’ny fiangonana. Handinika telo amin’izany isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Horesahintsika koa hoe inona no azontsika atao mba tsy hiala amin’i Jehovah sy ny fandaminany mihitsy isika.

b Novana ny anarana sasany.

c Misy soso-kevitra hafa mahasoa ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Te Hahazo Tombontsoam-panompoana Indray ve Ianao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2009, p. 30.

d Resahin’ny Lalàna hoe tokony ho nentin’ny loham-pianakaviana tany amin’ny toerana masina ny biby fiompy iray, raha tiany hovonoina mba hohanina. Tsy voatery ho nanao an’izany kosa izy raha lavitra loatra ny toerana masina no nisy azy.​—Deot. 12:21.