Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

“Te Hiasa ho An’i Jehovah Aho”

“Te Hiasa ho An’i Jehovah Aho”

AVY nitsidika olona vitsivitsy teo akaikin’ny tanànan’i Granbori izahay. Lavitra be any anaty alan’i Suriname izy io. Nikopa-tanana nanao veloma an-dry zareo izahay, dia avy eo nandeha lakana nanaraka ny Reniranon’i Tapanahoni. Rehefa nandalo teo amina rano mahery izahay, dia nidona tamin’ny vato ny helisin’ny maoteran’ilay lakana. Tonga dia nilentika tao anaty rano ny lohan’ilay lakana, dia saron’ny rano izahay. Nidobodoboka be ny foko! Tsy nahay nilomano mantsy aho, na dia efa aman-taonany aza no nivezivezy teo amin’io renirano io rehefa nanao ny asan’ny faritra.

Ho hitantsika eo ihany ny tohin’iny, fa aleo aloha hotantaraiko anareo hoe ahoana no nahatonga ahy hanompo manontolo andro.

Teraka tany Curaçao aho tamin’ny 1942. Nosy tsara tarehy any Karaiba izy io. Avy eto Suriname i Dada, fa nifindra tao amin’io nosy io izy noho ny asany. Izy no anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany natao batisa tany Curaçao, roa taona talohan’ny nahaterahako. a Nampianariny Baiboly izahay dimy mianadahy isan-kerinandro, na dia kamo aza izahay indraindray. Nentiny nifindra teto Suriname izahay mianakavy tamin’izaho 14 taona, satria efa antitra ny mamany dia nila nokarakaraina.

SOA IHANY FA NANANA NAMANA TSARA

Ninamana tamin’ny tanora nazoto nanompo tao amin’ny fiangonana aho, teto Suriname. Zokiko kely fotsiny ry zareo, ary mpisava lalana maharitra. Miramirana erỳ ry zareo rehefa nitantara ny fanompoany! Niresadresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly izahay sy ny namako, rehefa vita ny fivoriana. Nisy fotoana izahay nanao an’izany sady nijery ny lanitra feno kintana. Ireny namako ireny no nanampy ahy hahita hoe inona no tena tiako hatao eo amin’ny fiainako. Te hiasa ho an’i Jehovah aho! Natao batisa àry aho tamin’izaho 16 taona, ary lasa mpisava lalana maharitra tamin’izaho 18 taona.

NIANATRA LESONA SAROBIDY

Tamin’izaho mpisava lalana tany Paramaribo

Niana-javatra be dia be aho tamin’izaho mpisava lalana, ary tena nanampy ahy ireny nandritra an’izay fotoana nanompoako manontolo andro izay. Anisan’ny nianarako voalohany hoe tena ilaina ny mampiofana ny hafa. Nampiofana ahy ilay misionera atao hoe Willem van Seijl, tamin’izaho nanomboka nanao mpisava lalana. b Nampianariny zavatra be dia be momba ny fikarakarana fiangonana aho. Tsy takatro mihitsy tamin’izany hoe tena nilaiko ilay fampiofanana. Voatendry ho mpisava lalana manokana mantsy aho herintaona taorian’izay, dia lasa nitarika antoko-mpitory mitokana tany anaty alan’i Suriname. Faly aho fa tonga ara-potoana ny fampiofanan’ireo rahalahy! Nanahaka an-dry zareo aho tatỳ aoriana, dia mba nampiofana koa.

Izao indray ny zavatra faharoa nianarako: Tena ilaina ny manana fiainana tsotra sy voalamina tsara. Isaky ny nanomboka ny volana, dia nodinihinay sy ilay mpisava lalana manokana namako hoe inona no nilainay nandritra ny herinandro vitsivitsy. Avy eo ny iray taminay nanao dia lavitra nankany an-drenivohitra, dia nividy an’izany. Nila hainay tsara ny nitantana ny vola fanampiana anay isam-bolana, sy nitsinjara ny vatsinay mba ho tody hatramin’ny faran’ny volana. Vitsy mantsy, raha hisy aza, ny olona afaka nanampy anay tany anaty ala tany, raha lany ny tahirinay. Mbola tanora aho dia efa nianatra hanana fiainana tsotra sy handamin-javatra. Mino aho fa izany no nanampy ahy hifantoka tamin’ny asan’i Jehovah hatramin’izao.

Misy vokany tsara rehefa ampianarina amin’ny tenin-drazany ny olona. Izay no lesona fahatelo nianarako. Lasa nahay teny holandey sy anglisy ary papiamento aho rehefa nihalehibe. Nahay teny sranan tongo (antsoina koa hoe sranan) koa aho. Io no teny tena fampiasa eto Suriname. Hitako anefa hoe nandray kokoa ny olona tany anaty ala, rehefa nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny tenin-drazany. Sarotra tamiko ny sasany tamin’ireny fiteny ireny, anisan’izany ny teny saramaccan, satria miaka-midina izy io. Tsy very maina anefa ny ezaka nataoko. Betsaka kokoa ny olona nampianariko ny fahamarinana nandritra ny taona maro, satria haiko ny fitenin-dry zareo.

Nisy ihany aloha ny zavatra nahamenatra e! Indray mandeha, ohatra, aho te hanontany mpianatra Baiboly miteny saramaccan hoe: ‘Efa tsy narary intsony ve ny kibonao?’ Nefa inona hoy ianareo no nanontaniako azy? Hoe: ‘Bevohoka ve ianao?’ Mazava ho azy fa sadaikatra izy! Niezaka be foana anefa aho niteny tamin’ny fitenin’ny olona teny amin’ny faritany, na teo aza ny disodiso kely hoatr’ireny.

NAHAZO ANDRAIKITRA FANAMPINY

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1970. Nampiseho sary diapositives tamin’ny antoko-mpitory nitokana be dia be tany anaty ala aho, tamin’io taona io. “Andao Hitsidika ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah” no lohateniny. Rahalahy maromaro izahay no nandeha tamin’ny lakana lava mahia namakivaky renirano, mandra-pahatonganay tany. Nataonay teo ambony lakana daholo ny gropy, lasantsy, jiro solitany, ary fitaovana fandefasana sary diapositives. Rehefa tonga teny an-tanety izahay, dia tsy maintsy notaomina indray izany rehetra izany mandra-pahatonganay tany amin’ilay toerana nandefasana an’ilay fampisehoana. Ny tena tadidiko tamin’ny dianay anefa, dia ny nahita hoe tena tian’ny olona ireny fandaharana ireny. Faly be aho fa afaka nanampy an-dry zareo hahafantatra momba an’i Jehovah sy ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. Na inona na inona sorona tsy maintsy nataoko tamin’ny nanao ny asan’i Jehovah, dia tsy nisy dikany izany rehefa ampitahaina amin’ny fifaliana tsapako nanampy olona hifandray akaiky aminy.

TADY RANDRAN-TELO

Nivady izahay sy Ethel tamin’ny Septambra 1971

Hitako hoe mora kokoa ny nanao ny fanompoana rehefa mpitovo. Tsapako ihany anefa hoe nila namana ho eo anilako mandrakizay aho. Noresahiko tamin’i Jehovah àry izany, dia nofaritako tsara hoe vady faly hiara-manompo manontolo andro amiko no tadiaviko, sady olona hahavita hiaritra ny mafy any anaty ala. Nanomboka niaraka izahay sy Ethel, herintaona teo ho eo taorian’izay. Mpisava lalana manokana izy sady nahafoy tena. Efa hatramin’ny mbola kely no nampiaiky an’i Ethel ny apostoly Paoly, dia te hanao izay fara heriny hoatr’azy izy teo amin’ny fanompoana. Nivady izahay tamin’ny Septambra 1971, dia niaraka nanao ny asan’ny faritra.

Efa zatra nihafy i Ethel, dia tsy sarotra taminy ny nanao ny asan’ny faritra tany anaty ala. Tsy nitondra entana firy, ohatra, izahay rehefa nitsidika fiangonana tany anaty ala mikitroka. Tany an-drenirano izahay no nandro sy nanasa lamba. Nohaninay koa izay rehetra naroson’ny olona, na karazana androngo izany, na trondro piranha, na inona na inona azon-dry zareo tany anaty ala na tany anaty rano. Nihinana tamin’ny ravin’akondro izahay rehefa tsy nisy vilia, ary nohaninay tamin’ny tanana ny sakafo rehefa tsy nisy sotro. Vao mainka nihamafy ilay tady randran-telo nampifamatotra anay roa, rehefa niaraka nanao sorona hanaovana ny asan’i Jehovah izahay. (Mpito. 4:12) Tsy ho natakalonay na inona na inona mihitsy izany!

Avy nitsidika toerana mitokana tany anaty ala izahay, indray mandeha, no nitranga ilay zavatra notantaraiko terỳ am-piandohana. Saron’ny rano ilay lakana rehefa tonga teo amin’ny rano mahery izahay, fa vetivety ihany. Soa ihany fa nanao salotr’aina izahay sady tsy latsaka tao anaty rano. Feno rano anefa ilay lakana. Narianay daholo àry ny sakafo tao anaty fitoeran-tsakafonay, dia ireny no nanovozanay ny rano avy tao anatin’ilay lakana.

Very daholo moa ny sakafonay, dia nanomboka nanjono nanaraka an’iny renirano iny izahay sady notohizinay ihany ny dianay. Tsy nahazo na inona na inona anefa izahay. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izahay mba homeny ny sakafo sahaza anay tamin’iny andro iny. Vao vita ilay vavaka, dia nanipy ny fintany ny rahalahy iray, ary nahazo trondro ngezabe! Ampy anay dimy ilay izy tamin’iny alina iny, sady voky tsara izahay.

VADY, RAY, SADY MPIANDRAIKITRA NY FARITRA

Nahazo fitahiana tsy nampoizina izahay sy Ethel, dimy taona taorian’ny nanaovanay ny asan’ny faritra. Hahazo zazakely izahay! Faly aloha aho naheno an’ilay vaovao, fa tsy haiko fotsiny hoe inona no ho vokatr’izany tamin’ny fiainanay. Mbola te hanompo manontolo andro izahay sy Ethel raha mbola azo atao. Teraka tamin’ny 1976 i Ethniël zanakay lahimatoa. Niteraka an’i Giovanni indray izahay, roa taona sy tapany tatỳ aoriana.

Manatrika batisa eo amin’ny Reniranon’i Tapanahoni, akaikin’i Godo Holo, any amin’ny faritra atsinanan’i Suriname, 1983

Mbola vitsy ny mpiandraikitra ny faritra teto Suriname tamin’izany, dia navelan’ny biraon’ny sampana hanohy ny asan’ny faritra ihany aho sady nitaiza. Fiangonana vitsivitsy ihany no nasaina notsidihiko tamin’ny mbola kely ny zanakay. Nitsidika fiangonana àry aho nandritra ny tapa-bolana isam-bolana, fa tamin’ny ambiny kosa aho nanao mpisava lalana tao amin’ilay fiangonana nanendrena anay. Niaraka tamiko izy telo mianaka rehefa akaikikaiky ny fiangonana notsidihiko. Nandeha irery kosa aho rehefa nitsidika fiangonana sy nanao fivoriambe tany anaty ala.

Nandeha lakana aho matetika rehefa nitsidika fiangonana, tamin’izaho nanao ny asan’ny faritra

Tsy maintsy nahay nandamin-javatra aho mba hahafahako hamita ny andraikitro rehetra. Nataoko azo antoka, ohatra, hoe nanao fianaram-pianakaviana izahay isan-kerinandro. Rehefa nitsidika fiangonana tany anaty ala aho, dia i Ethel no nitarika ny fianaram-pianakaviana niaraka tamin’izy roa lahy. Niara-nanao zavatra foana anefa izahay mianakavy, raha mbola azonay natao. Niala voly tsy tapaka niaraka tamin’izy roa lahy koa izahay sy Ethel. Nanao kilalao, ohatra, izahay na niara-nitsangantsangana. Matetika aho no niari-tory rehefa nanomana ny anjarako. I Ethel indray mitovy amin’ilay vady tsara resahin’ny Ohabolana 31:15. Nifoha maraina izy, amin’izay izahay afaka niara-nanao teny vakina sy niara-nisakafo maraina, talohan’ny nandehanan’izy roa lahy nianatra. Soa ihany aho fa manana vady mahafoy tena! Izy foana no nanampy ahy hamita ny andraikitro teo amin’ny fanompoana.

Niezaka mafy izahay mivady mba hanampy ny zanakay ho tia an’i Jehovah sy ho tia manompo. Tianay raha nifidy ny hanompo manontolo andro izy roa lahy. Tsy hoe satria izay no tianay hataony, fa satria izay no safidiny. Nantitranterinay foana hoe tena mahafaly ny manompo manontolo andro. Marina hoe tsy nodianay tsy hita ny zava-tsarotra, fa ny fomba nanampian’i Jehovah sy nitahiany anay mianakavy no tena nasongadinay. Niezaka koa izahay mba ho olona manao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah no naman-dry zareo.

Nanome an’izay rehetra nilainay i Jehovah tamin’izahay nitaiza ny zanakay. Mazava ho azy fa niezaka nanao an’izay vitako koa aho. Nanampy ahy hahay hitsinjo ny vodiandro ho merika ny zavatra niainako tany anaty ala, tamin’izaho mpisava lalana manokana sy mbola tsy nanambady. Na niezaka be hoatran’ny inona aza anefa izahay, dia indraindray tsy ampy ihany ny teo am-pelatanana. Mino aho hoe niditra an-tsehatra i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny mba hanampiana anay. Nisy korontana, ohatra, teto Suriname teo anelanelan’ny 1986 sy 1992. Tena sarotra ny nahazo ny zavatra nilaina andavanandro tamin’izany. Nanome an’izay nilainay foana anefa i Jehovah.​—Mat. 6:32.

JERY TODIKA NY LASA

Havia miankavanana: Miaraka amin’i Ethel vadiko

Ethniël zanakay lahimatoa sy Natalie vadiny

Giovanni zanakay lahy sy Christal vadiny

Nikarakara anay i Jehovah hatramin’izay, sady nanampy anay ho sambatra sy ho afa-po. Tena fitahiana ho anay izy roa lahy ary tombontsoa be ny nanampy an-dry zareo hanompo an’i Jehovah. Tsy omby tratra ny hafalianay satria nifidy ny hanompo manontolo andro koa ry zareo! Samy efa nahazo diplaoma tamin’ny sekoly ara-baiboly i Ethniël sy Giovanni, ary samy manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’i Suriname izao izy roa lahy sy ny vadiny avy.

Efa mandroso taona izao izahay sy Ethel, fa mbola be atao amin’ny asan’i Jehovah foana satria mpisava lalana manokana. Tena be atao izahay, ka mbola mitady fotoana hianarana milomano foana aho hatramin’izao! Tsy misy anenenako anefa. Rehefa mitodika ny lasa aho, dia miaiky hoe ny nifidy ny hanompo manontolo andro tamin’izaho mbola tanora, no anisan’ny fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko hatramin’izay.

b Nivoaka tao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1999 ilay tantaram-piainan’i Willem van Seijl hoe “Mihoatra Noho Izay Nantenaiko ny Zava-misy.”