NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Oktobra 2018

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 3 Desambra ka hatramin’ny 30 Desambra 2018.

1918: Zato Taona Lasa Izay

Nafotaka ny Ady Lehibe I tany Eoropa. Nisy fanantenana ihany anefa ho an’ny Mpianatra ny Baiboly sy ny olon-kafa, rehefa jerena ny fiandohan’ny taona 1918.

Miezaha Hilaza ny Marina

Nahoana ny olona no mandainga, ary inona no vokatr’izany? Inona no hanampy antsika hanao ny marina sy hilaza ny marina foana?

Ampianaro ny Marina ny Olona

Ny hampianatra ny fahamarinana no tena tokony hifantohantsika, amin’izao farany efa akaiky izao. Ho hitanao ato fa tena manampy antsika amin’izany ireo Fitaovana Fampianarana.

TANTARAM-PIAINANA

Nahay Nanao Safidy Aho dia Notahin’i Jehovah!

Te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa i Charles Molohan tamin’izy tanora, dia nangataka hanompo tany amin’ny Betela. Tena notahin’i Jehovah foana izy nandritra an’izay 50 taona mahery izay.

Matokia An’i Kristy fa Tena Mitarika Antsika Izy

Misy fanovana be ao amin’ny fandaminana amin’izao, satria mandroso haingana izy io. Mbola afaka matoky an’ilay Mpitarika antsika ihany àry ve isika?

Miezaha ho Tony Foana na dia Niova Aza ny Fiainanao

Mety hiady saina be isika rehefa miova tampoka ny fiainantsika. Nahoana “ny fiadanan’Andriamanitra” no manampy antsika rehefa misy hoatr’izany?

Fantatrao Ve?

I Stefana no Kristianina voalohany novonoina noho ny finoany. Tony foana anefa izy rehefa nenjehina. Ahoana no nataony?