Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia An’i Kristy fa Tena Mitarika Antsika Izy

Matokia An’i Kristy fa Tena Mitarika Antsika Izy

“Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.”—MAT. 23:10.

HIRA: 16, 14

1, 2. Inona no mety ho nampiady saina an’i Josoa rehefa maty i Mosesy?

HOY i Jehovah tamin’i Josoa: “Efa maty i Mosesy mpanompoko. Koa mandehana miampita an’irỳ Jordana irỳ ianao sy ity vahoaka manontolo ity, mba hiditra ao amin’ilay tany homeko ny zanak’Israely.” (Jos. 1:1, 2) Tsy afaka tao an-tsain’i Josoa ireo teny ireo. Efa ho 40 taona mantsy izy no nanampy an’i Mosesy, nefa niova tampoka ny andraikiny.

2 Izy indray izao no nasaina nitarika ny Israelita. I Mosesy foana no nanao an’izany hatramin’izay, ka mety ho lasa saina i Josoa hoe sao dia tsy hanaiky azy ny vahoaka. (Deot. 34:8, 10-12) Niresaka momba ny Josoa 1:1, 2 ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Hoy izy: “Anisan’ny fotoana mampidi-doza sy sarotra indrindra ho an’ny firenena ny hoe miova mpitondra. Hoatr’izany foana na taloha na amin’izao.”

3, 4. Inona no vokany rehefa natoky an’i Jehovah i Josoa? Inona no fanontaniana mety hoeritreretintsika?

3 Ara-dalàna raha natahotra i Josoa. Natoky an’i Jehovah anefa izy ka tonga dia nanao zavatra, andro vitsivitsy taorian’izay. (Jos. 1:9-11) Tsy diso mihitsy izy natoky an’i Jehovah. Nampiasa anjely mantsy i Jehovah mba hitarihana an’i Josoa sy ny vahoakany. Mety ho ny Teny, izany hoe ilay Zanaka lahimatoan’Andriamanitra, io anjely io.—Eks. 23:20-23; Jaona 1:1.

4 Nampian’i Jehovah ny Israelita, ka nahavita nankatò foana na dia niova aza ny mpitondra an-dry zareo. Misy fanovana be koa amin’izao ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, satria mandroso haingana izy io. Mety hieritreritra àry isika hoe: ‘Mbola afaka matoky an’i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, ihany ve isika?’ (Vakio ny Matio 23:10.) Mba hamaliana an’izany, dia andao hodinihintsika hoe ahoana no fomba nitarihan’i Jehovah ny vahoakany, rehefa nisy fiovana lehibe taloha.

TAMIN’NY ANDRON’I JOSOA

5. Inona no nitranga, tamin’i Josoa teny akaikin’i Jeriko? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Tafampita ny Reniranon’i Jordana ny Israelita. Nisy zava-nitranga tsy nampoizin’i Josoa tsy ela taorian’izay. Teny akaikin’i Jeriko izy tamin’izay, dia nihaona tamina lehilahy nitana sabatra. Tsy fantany ilay lehilahy, dia nanontaniany hoe: “Momba anay ianao sa momba ny fahavalonay?” Taitra be i Josoa rehefa namaly ilay lehilahy hoe “lehiben’ny tafik’i Jehovah” izy, ary vonona hiaro ny vahoakan’i Jehovah. (Vakio ny Josoa 5:13-15.) Hoatran’ny hoe niresaka mivantana tamin’i Josoa i Jehovah rehefa jerena ny andininy sasany. Azo antoka anefa hoe nampiasa anjely izy. Izany mantsy no fanaony taloha.—Eks. 3:2-4; Jos. 4:1, 15; 5:2, 9; Asa. 7:38; Gal. 3:19.

6-8. a) Inona avy no nasain’i Jehovah nataon’ny Israelita, ary nahoana ilay izy no hoatran’ny hoe hafahafa? b) Inona no porofo hoe tena nety ny toromarika nomena ny Israelita? Nahoana no nety tsara ny fotoana nanaovana an’ilay fahirano? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Efa natoron’ilay anjely an’i Josoa talohan’izay hoe inona no tokony hatao mba handresena an’i Jeriko. Nisy toromarika sasany anefa hoatran’ny hoe tsy nety mihitsy. Niteny tamin’i Josoa, ohatra, ilay anjely hoe tokony hoforana ny lehilahy rehetra. Tamin’izay ve anefa no fotoana tsara indrindra hanaovana an’izany? Tsy ho afaka hiady mantsy ry zareo raha forana, satria harary mandritra ny andro maromaro.—Gen. 34:24, 25; Jos. 5:2, 8.

7 Mety ho nieritreritra ny miaramila israelita hoe: ‘Dia ahoana raha misy fahavalo manafika? Izahay ve dia hahavita hiaro ny fianakavianay?’ Nisy zavatra tsy nampoizina anefa. Ny lehilahy tao Jeriko indray no natahotra an-dry zareo! Resahin’ny Josoa 6:1 hoe “nohidiana mafy ny tanànan’i Jeriko noho ny amin’ny zanak’Israely.” Azo antoka hoe rehefa naheno an’izany ny Israelita, dia vao mainka natoky hoe mety tsara ny toromarika omen’i Jehovah.

8 Tsy nasain’i Jehovah nanafika an’i Jeriko koa ry zareo, fa nasainy nihodidina an’ilay tanàna indray mandeha isan’andro nandritra ny enina andro. Nasainy nanao an’izany impito kosa ry zareo tamin’ny andro fahafito. Mety ho nieritreritra ny miaramila sasany hoe: ‘Lany andro eto fotsiny isika sady vizana!’ I Jehovah anefa no Mpitarika an-dry zareo, ary nahalala tsara an’izay nataony izy. Natanjaka be ny miaramila tao Jeriko nefa naharesy an-dry zareo ny Israelita rehefa nanaraka ny tenin’i Jehovah, sady amin’izay tsy nila niady akory. Tsy maintsy hoe nanatanjaka ny finoan’izy ireo izany.—Jos. 6:2-5; Heb. 11:30. *

9. Nahoana isika no tokony hankatò an’izay toromarika omen’ny fandaminana? Manomeza ohatra.

9 Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io? Rehefa misy zava-baovao ataon’ny fandaminana, dia tsy azontsika tsara indraindray ny anton’ilay izy. Mety ho nieritreritra, ohatra, isika taloha hoe sao dia tsy tena ilaina ny mampiasa fitaovana elektronika, rehefa mianatra samirery sy manompo ary mivory. Izao anefa ny ankamaroantsika miaiky hoe tena ilaina ilay izy. Rehefa hitantsika hoe misy vokany tsara ny fanovana hoatr’ireny, dia mihamatanjaka ny finoantsika sady lasa miray saina kokoa isika.

TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

10. Iza no nahatonga ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema handinika an’ilay adihevitra momba ny famorana?

10 Mbola nisy Jiosy nilaza ihany hoe tena ilaina ny famorana, 13 taona teo ho eo taorian’ny naha lasa Kristianina an’i Kornelio. (Asa. 15:1, 2) Niteraka adihevitra be tany Antiokia ilay izy, dia nirahina hankany Jerosalema i Paoly mba hanontany ny hevitry ny filan-kevi-pitantanana. Iza anefa no naniraka azy? Nilaza i Paoly hoe ‘noho ny zavatra naharihary taminy no niakarany tany.’ Azo inoana àry fa i Kristy no nahatonga ny filan-kevi-pitantanana handinika an’ilay adihevitra.—Gal. 2:1-3.

Tena nitarika ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany i Kristy (Fehintsoratra 10, 11)

11. a) Inona no mbola nataon’ny Jiosy sasany? b) Inona no porofo fa nanetry tena i Paoly? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

11 Nasain’i Kristy niteny tamin’ny fiangonana ny filan-kevi-pitantanana hoe tsy voatery hoforana ny Kristianina tsy jiosy. (Asa. 15:19, 20) Mbola noforan’ny ankamaroan’ny Kristianina jiosy ihany anefa ny zanany, taona maro taorian’izay. Tsy azon’izy ireo tsara mantsy ilay fanapahan-kevitra momba ny famorana. Nisy tsaho niely koa tamin’izany hoe tsy nankatò ny Lalàn’i Mosesy i Paoly, ka nisakana ny olona tsy hamora ny zanany. Henon’ny anti-panahy tany Jerosalema ilay izy, dia nasainy nankany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny lehilahy efatra i Paoly. Nisy zavatra nasain’izy ireo nataony tany, mba ho hitan’ny olona hoe “mitandrina ny Lalàna” izy. * (Asa. 21:20-26) Nieritreritra ve i Paoly hoe: ‘Fa maninona koa izao izaho no asaina manao an’izany? Ny Kristianina jiosy ange no olana e! Ry zareo no tsy mahazo an’ilay resaka famorana.’ Tsy nanao an’izany anefa izy fa nanetry tena dia nanaraka ny tenin’ny anti-panahy. Fantany mantsy hoe miezaka hampiray saina ny Kristianina rehetra ry zareo. Fa maninona anefa no navelan’i Jesosy hitohy ela be ilay adihevitra momba ny famorana, nefa efa tamin’izy maty no tsy nanan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy?—Kol. 2:13, 14.

12. Inona no mety ho nahatonga an’i Kristy hiandry elaela vao nandamina an’ilay adihevitra momba ny famorana?

12 Misy fanazavana vaovao avoakan’ny fandaminana indraindray, dia elaela ny olona sasany vao zatra an’ilay izy. Hoatr’izany ny ankamaroan’ny Kristianina jiosy. (Jaona 16:12) Tena sarotra tamin’izy ireo ny nanaiky hoe tsy voatery hoforana intsony ny olona iray, izay vao afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra. (Gen. 17:9-12) Nisy koa tsy te hiavaka tamin’ny Jiosy hafa sao henjehin’izy ireo. (Gal. 6:12) Nanome toromarika fanampiny àry i Kristy tatỳ aoriana, tao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly.—Rom. 2:28, 29; Gal. 3:23-25.

MBOLA MITARIKA NY FIANGONANA I KRISTY

13. Inona no hanampy antsika ho tia sy hanaiky ny fitarihan’i Kristy?

13 Raha tsy azonao tsara ny anton’ny fanovana sasany ataon’ny fandaminana, dia eritrereto hoe ahoana no fomba nitarihan’i Kristy ny vahoakan’i Jehovah taloha. Nanome toromarika nety tsara foana izy, na tamin’ny andron’i Josoa na tamin’ny taonjato voalohany. Niaro ny vahoakan’i Jehovah sy nanatanjaka ny finoan’izy ireo ireny toromarika ireny, ary nanampy azy ireo mba hiray saina foana.—Heb. 13:8.

14-16. Inona ny zavatra sasany asain’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ataontsika? Nahoana izy ireny no manaporofo hoe tian’i Kristy hanana finoana matanjaka isika?

14 Manoro antsika izay tokony hatao koa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” amin’izao. (Mat. 24:45) Tena ilaintsika ireny toromarika ireny sady tonga amin’ny fotoana mety. Porofon’ny fitiavan’i Jesosy antsika izany. Manan-janaka efatra ny rahalahy atao hoe Marc. Hoy izy: “Ny fianakaviana izao no tena asian’i Satana, amin’izay lasa tsy matanjaka intsony ny fiangonana. Izay no mahatonga antsika hasaina manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro. Dia mazava izany ny hafatra ho an’ny loham-pianakaviana hoe: ‘Arovy ny fianakavianao!’”

15 Rehefa fantatsika hoe mitarika antsika i Kristy, dia lasa matoky isika hoe te hanampy antsika hanana finoana matanjaka izy. Hoy ny anti-panahy atao hoe Patrick: “Nahakivy ny mpitory sasany tamin’ny voalohany ilay hoe manompo miaraka amin’ny andia-mpitory rehefa faran’ny herinandro, satria vitsivitsy ny mpitory.” Nilaza anefa izy hoe hita amin’io fanovana io fa tena miahy ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana i Jesosy. Misy rahalahy sy anabavy sasany izao saro-kenatra na tsy dia nazoto nitory taloha. Lasa nazoto kokoa anefa ry zareo rehefa nisy an’ilay fanovana, satria vao mainka izy mahatsapa hoe tiana sady tena ilaina.

16 Manampy antsika hifantoka foana amin’ny fitoriana koa i Kristy. Io mantsy no asa lehibe indrindra tokony hatao amin’izao. (Vakio ny Marka 13:10.) Hoy ny rahalahy iray atao hoe André, rehefa nahena ny isan’ny Betelita: “Hita amin’io fanovana io hoe tena efa akaiky ny farany, dia mila manao izay fara herintsika isika amin’ny fitoriana.” Vao haingana izy no lasa anti-panahy, ary miezaka foana mba haharaka an’izay toromarika vaovao omen’ny fandaminana.

EKEO FOANA NY FITARIHANY

17, 18. Nahoana isika no mila mieritreritra ny soa azo avy amin’ireo fanovana farany?

17 Tena mitarika antsika i Jesosy Kristy Mpanjaka. Hitantsika amin’ny toromarika omeny hoe manomana ny hoavy izy. Tokony ho faly àry isika, satria mahasoa antsika ny manaraka an’ireny fanovana farany ireny. Nisy fanovana, ohatra, tamin’ny fivoriana isan-kerinandro sy tamin’ny fanompoana. Maninona raha resahina mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hoe inona no soa noraisinareo tamin’izy ireny?

Ampianao haharaka ny fandaminan’i Jehovah ve ny fianakavianao sy ny olon-kafa? (Fehintsoratra 17, 18)

18 Raha mitadidy isika hoe mahasoa ny toromariky ny fandaminana, dia ho faly isika hanaraka azy ireny. Lasa afaka mitsitsy vola, ohatra, izao ny fandaminana satria nahena ny isan’ny zavatra atao pirinty. Afaka mampiely kokoa ny vaovao tsara maneran-tany koa isika, satria mampiasa an’ireo teknolojia vaovao. Maninona àry raha mampiasa bebe kokoa an’ireo video sy raki-peo ary boky sy gazety amin’ny endrika elektronika, raha azo atao? Manaiky ny fitarihan’i Kristy isika raha manao an’izany. Tiany mantsy raha hampiasaina tsara ny volan’ny fandaminana.

19. Nahoana isika no mila manaiky ny fitarihan’i Kristy?

19 Manampy ny hafa hanana finoana matanjaka isika rehefa mankatò an’i Kristy. Lasa miray saina koa ny fiangonana. Nilaza i André, ilay voaresaka teo aloha, hoe: “Tena tiako ny toe-tsain’ireo Betelita nahazo fanendrena vaovao. Miaiky an-dry zareo aho satria nankatò ry zareo dia nanaiky an’ilay izy. Faly foana ry zareo na inona na inona asaina ataony. Hita amin’izany hoe miezaka haharaka ny kalesin’i Jehovah foana ry zareo. Rehefa mieritreritra an’izany aho, dia lasa matoky hoe tena mety ny fitarihan’i Kristy.”

MATOKIA AN’ILAY MPITARIKA ANTSIKA

20, 21. a) Nahoana isika no afaka matoky an’ilay Mpitarika antsika? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Kely sisa dia “hamita ny fandreseny” i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika antsika. “Hanao zava-mampahatahotra” izy amin’izay. (Apok. 6:2; Sal. 45:4) Dieny izao anefa izy dia efa manomana antsika ho amin’ilay fiainana ao amin’ny tontolo vaovao sy ny asa be mbola hataontsika amin’izany. Hampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty sy hanova ny tany ho paradisa mantsy isika.

21 Hahavita hitarika antsika ho any amin’ny tontolo vaovao i Kristy. Mila matoky azy foana fotsiny isika, na inona na inona mitranga. (Vakio ny Salamo 46:1-3.) Mety ho mafy be amintsika anefa rehefa misy fanovana tampoka, indrindra raha ny fiainantsika no voakasika. Inona àry no hanampy antsika ho tony sy hatoky tanteraka an’i Jehovah foana? Izany no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 8 Nety tsara ny fotoana nanaovan’ny Israelita fahirano an’i Jeriko, satria fotoam-pijinjana tamin’izay. Afaka naka tamin’ireo vokatra be dia be teny an-tsaha mantsy ry zareo, na dia tsy nahazo naka na inona na inona tao Jeriko aza. Manamarina an’izany ny tahirina voamadinika be dia be hitan’ny mpikaroka tao amin’ny sisa tavela amin’ilay tanàna. Midika izany hoe vetivety ihany ilay fahirano, dia tsy lany ny tahirin-tsakafo tao.—Jos. 5:10-12.

^ feh. 11 Jereo ilay hoe “Nanetry Tena i Paoly Rehefa Notsapaina”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2003, pejy 24.