Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahalahy Rutherford nanao lahateny tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, any Ohio, tamin’ny 1919

1919: Zato Taona Lasa Izay

1919: Zato Taona Lasa Izay

NAHARITRA efa-taona mahery ny Ady Lehibe I, ary efa vita izy io tamin’ny fiandohan’ny taona 1919. Efa tsy niady intsony ireo firenena tamin’ny faramparan’ny 1918, ary nisy Fiaraha-midinika Momba ny Fandriampahalemana natao tany Paris nanomboka tamin’ny 18 Janoary 1919. Tamin’io no natao ny Fifaneken’i Versailles. Nosoniavina tamin’ny 28 Jona 1919 izy io, ary nampitsahatra ny ady natao tamin’i Alemaina.

Vokatr’io fifanekena io koa dia natsangana ny Fikambanam-pirenena. Inona no tanjon’io fikambanana io? “Ny hahatonga ny firenena rehetra hiara-miasa tsara sy hampisy fandriampahalemana sy filaminana eran-tany.” Betsaka tamin’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no nanohana an’ilay fikambanana. Nilaza ny Konsily Federalin’ny Fiangonan’i Kristy any Amerika fa “solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany mihitsy” izy io. Nanohana an’ilay fikambanana vaovao ilay konsily, ka nandefa solontena hanatrika an’ilay fiaraha-midinika tany Paris. Nilaza ny iray tamin’ny solontenan’izy ireo hoe “fiaingana vaovao eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao” iny fiaraha-midinika iny.

Nisy fiaingana vaovao tokoa ve? Izany mihitsy! Tsy avy amin’ireo olona nanao an’ilay fiaraha-midinika anefa ilay izy. Nahazo ainga vao mantsy ny asa fitoriana tamin’ny 1919, satria nomen’i Jehovah hery ny mpanompony ka nahavita nitory betsaka kokoa noho ny hatramin’izay. Nisy fiovana lehibe mbola tokony hitranga anefa aloha.

SAROTRA NY FANAPAHAN-KEVITRA

Joseph Rutherford

Natao ny asabotsy 4 Janoary 1919 ny fifidianana an’ireo hitantana ny fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society. Nigadra tsy ara-drariny tany Atlanta, any Etazonia, anefa i Joseph Rutherford tamin’izay. Izy no nitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy rahalahy fito koa niara-nigadra taminy. Efa tompon’andraikitra tao amin’ny fikambanana izy ireo, ka nipetraka ny fanontaniana hoe: Mbola hofidina indray ve ry zareo sa hosoloana?

Evander Coward

Nanahy momba ny hoavin’ny fandaminana ny Rahalahy Rutherford tany am-pigadrana. Fantany fa nisy rahalahy nieritreritra hoe aleo mifidy prezidà vaovao mihitsy. Nanoratra ho an’ireo hanatrika an’ilay fifidianana àry izy, dia nilaza fa manolotra an’i Evander Coward izy mba ho prezidà. Nilaza izy hoe “tony sy malina” i Coward ary “mahafoy tena ho an’ny Tompo.” Betsaka anefa ny rahalahy tao amin’ilay fivoriana no nieritreritra hoe aleo hahemotra enim-bolana ilay fifidianana. Nanaiky an’izany koa ny mpisolovava niaro an-dry Rutherford. Nihanafana ny adihevitra dia tezitra ny rahalahy sasany.

Richard Barber

Nitantara i Richard Barber fa ‘niezaka nandamina an’ilay olana’ ny rahalahy iray nanatrika teo. Hoy ilay rahalahy: “Tsy mpahay lalàna aho, nefa fantatro ny lalàna ho an’ny tsy mivadika, raha ity toe-javatra ity no resahina. Ny tsy fivadihana no takin’Andriamanitra. Tsy hitako izay fomba lehibe kokoa hanehoana ny fatokisantsika, afa-tsy ny hifidianana indray ny Rahalahy Rutherford ho prezidà.”—Sal. 18:25.

Alexander Macmillan

Anisan’ireo niara-nigadra tamin’i Rutherford i A. Macmillan. Nitantara izy hoe nandondòna teo amin’ny rindrin’ny efitra figadrany ny Rahalahy Rutherford ny ampitson’iny, dia niteny hoe: “Avoahy ny tananao.” Natolony an’i Macmillan avy eo ny telegrama nilaza ny valim-pifidianana nalefan’ireo rahalahy. Tonga dia azon’i Macmillan ny tian’ilay izy horesahina. Voalazan’ilay izy hoe voafidy daholo indray ireo efa tale taloha tao amin’ny fikambanana, ary mbola tompon’andraikitra ihany i Joseph Rutherford sy William Van Amburgh. Mbola ny Rahalahy Rutherford ihany àry no prezidà.

NAFAHANA IHANY!

Be herim-po ny Mpianatra ny Baiboly, ka nanomana taratasy halefa any amin’ny fanjakana. Nangataka ny hanafahana azy valo mirahalahy ilay izy, ary nasain’izy ireo nosoniavin’izay olona rehetra vonona hanao sonia. Olona 700 000 mahery no nanao sonia. Mbola tsy nalefa akory anefa ilay taratasy dia efa nafahana ny Rahalahy Rutherford sy ireo rahalahy hafa, tamin’ny alarobia 26 Martsa 1919.

Nanao lahateny ho an’ireo niarahaba azy tonga soa ny Rahalahy Rutherford, dia niteny hoe: “Tena mino aho hoe manomana antsika hiatrika olana lehibe kokoa iny zavatra nahazo antsika rehetra iny. ... Tsy ny hanafahana an’ireo rahalahinareo tany am-ponja fotsiny no anton’ilay ady nataonareo. ... Ny hahafantaran’ny olona ny Marina no tena tanjona tamin’izy iny, ary nahazo fitahiana be izay nandray anjara tamin’izany.”

Hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no nitarika ny zava-drehetra nifandray tamin’ny fitsarana azy valo mirahalahy. Izao no didy navoakan’ny fitsarana ambony tamin’ny 14 Mey 1919: “Feno fiangarana ny fitsarana an’ireo voampanga, koa foanana ny didy voalohany.” Tena tsara io fanapahan-kevitra io. Nahoana? Voampanga ho nanao heloka bevava ireo rahalahintsika ireo. Raha nahena fotsiny ny sazin’izy ireo na navela ny heloka nataony, dia mbola hisoratra amin’ny taratasy mombamomba azy ihany hoe nanao heloka bevava izy. Afaka madiodio anefa ry zareo satria nofoanana ilay didy sady tsy nisy heloka hafa niampangana an-dry zareo. Afaka nanohy ny asany àry i Rutherford Mpitsara, ka niaro ny mpanompon’i Jehovah teo anatrehan’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia. Nanao an’izany imbetsaka mihitsy izy rehefa avy nafahana.

TAPA-KEVITRA HITORY RY ZAREO

Hoy ny Rahalahy Macmillan: “Tsy nipetra-potsiny niandry ny Tompo haka anay ho any an-danitra izahay. Fantatray hoe nila nanao zavatra izahay mba hahalalana hoe inona marina no sitrapony.”

Tsy afaka tonga dia nanohy ny asa nataony hatramin’izay anefa ireo rahalahy tany amin’ny foibe. Fa maninona? Satria potika ny fitaovana sasany tamin’ilay fanaovana pirinty, tamin’izy valo mirahalahy nigadra. Tena nahakivy ilay izy! Nisy rahalahy sasany aza lasa saina raha tapitra hatreo ny fitoriana.

Mbola nisy olona liana tamin’ny hafatra notorin’ny Mpianatra ny Baiboly ve anefa? Mba hahalalana an’izany dia nanapa-kevitra ny Rahalahy Rutherford hoe hanao lahateny, ary ny olona rehetra no hasaina. Hoy ny Rahalahy Macmillan: “Raha tsy nisy olona tonga tamin’io, dia vita hatreo izany ny fitoriana!”

Filazana an-gazety mampirisika ny olona hanatrika an’ilay lahatenin’ny Rahalahy Rutherford hoe “Ilay Fanantenana ho An’ny Olombelona Kivy.” Natao tany Los Angeles, any Kalifornia, izy io tamin’ny 1919

Natao tamin’ny alahady 4 Mey 1919 àry ilay lahateny hoe “Ilay Fanantenana ho An’ny Olombelona Kivy.” Tany Los Angeles, any Kalifornia, ilay izy no natao. Nanao azy io ny Rahalahy Rutherford na dia narary mafy aza. Nisy 3 500 teo ho eo ny mpanatrika, ary an-jatony no nalefa nody satria tsy ampy ny toerana. Mbola nisy 1 500 indray tonga ny ampitson’iny. Nazava be ny valin’ilay fanontaniana: Tena mbola liana ny olona!

Nisy vokany tamin’ny asa fitoriantsika hatramin’izao ny zavatra nataon’ireo rahalahy ireo taorian’izay.

VONONA HIATRIKA NY HOAVY

Nisy filazana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1919 hoe hisy fivoriambe hatao any Cedar Point, any Ohio, amin’ny voalohandohan’ny Septambra. Hoy i Clarence Beaty, rahalahy tanora avy any Missouri: “Nieritreritra daholo ny olona hoe mila mankany.” Rahalahy sy anabavy 6 000 mahery no nanatrika an’ilay fivoriambe, ary nihoatra noho izay noeritreretina izany. Vao mainka faly ny rehetra, satria 200 mahery no natao batisa tao amin’ny Farihy Érié teo akaiky teo.

Fonon’ny Fotoam-pahasambarana nivoaka voalohany, tamin’ny 1 Oktobra 1919

Nanao an’ilay “Lahateny ho An’ny Mpiara-miasa” ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny 5 Septambra 1919. Io no andro fahadimin’ny fivoriambe. Nilaza izy hoe hamoaka gazety vaovao isika, ary Fotoam-pahasambarana no anaran’ilay izy. * Horesahina ao izay “vaovao tena lehibe sy ny antony lazain’ny Soratra Masina hoe nahatonga azy ireny hitranga.”

Nampirisihina hazoto hitory ny rehetra ka hampiasa an’io gazety vaovao io. Nisy taratasy nalefa tany amin’ny fiangonana, mba hanazavana hoe ahoana no handaminana an’ilay asa. Izao no voalaza tao: “Mila mitadidy izay rehetra nanokan-tena [na vita batisa], fa tombontsoa be ny manompo an’i Jehovah. Tokony hanararaotra hanompo azy isika izao, ka handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’io fitoriana atao eran-tany io.” Be dia be no nampihatra an’ilay torohevitra! Nazoto be ny mpitory ka mbola tsy tonga akory ny volana Desambra dia efa 50 000 ny olona nanafatra an’ilay gazety isaky ny misy vaovao.

Rahalahy tany Brooklyn, any New York, eo anoloan’ny kamiao feno gazety Fotoam-pahasambarana

Lasa feno hery sy voalamina tsara indray ny vahoakan’i Jehovah rehefa tapitra ny 1919. Tanteraka koa ny faminaniana lehibe maromaro mifandray amin’ny andro farany. Anisan’izany ilay ao amin’ny Malakia 3:1-4 momba ny fitsapana sy fanadiovana ny vahoakan’i Jehovah. Nafahana avy tao amin’i “Babylona Lehibe” koa ny vahoakan’i Jehovah, ary nanendry ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy. * (Apok. 18:2, 4; Mat. 24:45) Vonona hanao ny asa tian’i Jehovah hampanaovina azy ireo amin’izay àry ny Mpianatra ny Baiboly.

^ feh. 22 Novana hoe Fampiononana ny anaran’io gazety io tamin’ny 1937, ary lasa hoe Mifohaza! tamin’ny 1946.