Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila ampitandremana haingana ny olona, satria mihamanakaiky ilay “tafio-drivotra”!

Ampy Tsara Foana ve ny Fotoana Omen’Andriamanitra?

Ampy Tsara Foana ve ny Fotoana Omen’Andriamanitra?

MANDINIKA an’izay hitranga ny mpilaza toetrandro iray. Hitany amin’ny fitaovana ampiasainy hoe misy oram-baratra mampidi-doza manatona haingana ny tanàna iray be mponina. Matahotra izy sao maninomaninona ny olona ao, dia tsy mijanona mampitandrina azy ireo izy dieny mbola misy fotoana.

Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah. Mampitandrina ny olona izy satria hisy loza lehibe ho avy. Ratsy lavitra noho ny tafio-drivotra ampandrenesin’ny mpilaza toetrandro izy io. Ahoana no ampitandreman’i Jehovah ny olona? Inona no porofo fa ampy tsara foana ny fotoana omeny mba hahafahan’ny olona miova? Handinika ny fampitandremana nomeny taloha isika mba hamaliana an’ireo.

NAMPITANDRINA I JEHOVAH TALOHA

Efa nampitandrina i Jehovah taloha hoe horinganiny izay manao fanahy iniana mandika ny didiny. (Ohab. 10:25; Jer. 30:23) Nanao an’izany aloha be foana izy sady nanoro an’izay tokony hatao. (2 Mpanj. 17:12-15; Neh. 9:29, 30) Ny mpanompony tsy nivadika tetỳ an-tany matetika no nirahiny hampitandrina ny olona sy hampirisika azy ireo hanao zavatra haingana.—Amosa 3:7.

Anisan’ny nirahin’i Jehovah i Noa. Nahery setra sy ratsy fitondran-tena be ny mpiara-belona taminy. Tsy natahotra nampitandrina azy ireo anefa izy nandritra ny taona maro, hoe hisy safodrano ho avy. (Gen. 6:9-13, 17) Nolazainy koa izay tokony hataon’izy ireo mba ho voavonjy. Nazoto nanao an’izany izy, ka nantsoina hoe “mpitory ny fahamarinana” tatỳ aoriana.—2 Pet. 2:5.

Na niezaka be aza i Noa, dia tsy niraharaha an’ilay hafatra ny olona. Tsy nanam-pinoana mihitsy ry zareo. Maty daholo àry izy ireo rehefa tonga ny Safodrano ka “nifaoka azy rehetra.” (Mat. 24:39; Heb. 11:7) Tsy afaka nilaza mihitsy ry zareo hoe tsy nampitandrina Andriamanitra.

Indraindray efa taloha kelin’ilay fandringanana i Jehovah vao nampitandrina. Ampy tsara foana anefa ny fotoana nomeny mba hahafahan’ny olona manao zavatra. Eritrereto izay nitranga tany Ejipta. Tsy nandefa an’ireo Loza Folo i Jehovah raha tsy efa nampitandrina. Naniraka an’i Mosesy sy Arona, ohatra, izy mba hilaza amin’i Farao sy ny mpanompony hoe ho avy ny loza fahafito. Havandra mandravarava ilay izy. Nomen’i Jehovah fotoana ampy tsara tokoa ve ny olona tamin’izay, ka nahita fialofana dia tsy tratran’ny havandra? Ny ampitson’iny mantsy ilay loza no ho tonga. Hoy ny Baiboly: “Koa izay mpanompon’i Farao natahotra ny tenin’i Jehovah, dia nampandositra ny mpanompony sy ny biby fiompiny ho any an-trano. Fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’i Jehovah kosa, dia namela ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-tsaha ihany.” (Eks. 9:18-21) Ampy tsara àry ny fotoana nomen’i Jehovah, ka tsy nijaly be hoatran’ny olon-kafa izay nankatò haingana.

Nampitandremana koa i Farao sy ny mpanompony talohan’ny loza fahafolo. Tsy niraharaha anefa ry zareo. (Eks. 4:22, 23) Hadalana izany satria loza ny vokany. Maty mantsy ny lahimatoan’izy ireo. (Eks. 11:4-10; 12:29) Nanam-potoana hanaovana zavatra ve anefa izy ireo? Izany mihitsy! Nampitandrina haingana ny Israelita koa i Mosesy, sady nanoro azy ireo hoe ahoana no hamonjen’izy ireo ny fianakaviany mba tsy ho tratran’ny loza fahafolo. (Eks. 12:21-28) Afaka niala tany Ejipta ny olona rehefa nankatò an’i Jehovah. Tombanan’ny manam-pahaizana sasany hoe telo tapitrisa no nanao an’izany, anisan’izany ny Israelita sy ny “olona maro hafa firenena” toy ny Ejipsianina.—Eks. 12:38.

Hita amin’ireo ohatra ireo hoe nomen’i Jehovah fotoana ampy tsara foana ny olona taloha, mba hanarahana ny fampitandremany. (Deot. 32:4) Nahoana? “Satria tsy tiany hisy ho ringana.” Tiany “ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Pet. 3:9) Sarobidy amin’Andriamanitra àry ny olona! Tiany hibebaka sy hiova izy ireo dieny mbola tsy nandringana izy.—Isaia 48:17, 18; Rom. 2:4.

MBOLA MAMPITANDRINA IZY IZAO

Misy fampitandremana tena maika koa izao ampahafantarina eran-tany, ary mila mankatò azy io ny rehetra. Nampitandrina ny olona i Jesosy hoe horinganina amin’ny “fahoriana lehibe” ity tontolo ity. (Mat. 24:21) Nilaza faminaniana izy mba hahafantaran’ny mpanara-dia azy mazava tsara hoe inona no hitranga, ary inona no hahazo an-dry zareo rehefa manakaiky ilay fandringanana. Niresaka zavatra miavaka hiseho eran-tany koa izy, ary tanteraka amin’izao andro izao izany.—Mat. 24:3-12; Lioka 21:10-13.

Mampirisika ny olona rehetra àry i Jehovah izao mba hifidy ny hanompo sy hankatò azy. Amin’izay izy ireo hanana fiainana tsara kokoa dieny izao, ary hahazo fitahiana ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. (2 Pet. 3:13) Tiany hino ny fampanantenany ny olona ka omeny hafatra mamonjy aina. Ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” io hafatra io. Nilaza i Jesosy hoe “hotorina maneran-tany” izy io mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:14) Nandamina ny mpanompony i Jehovah mba hitory an’io hafatra io, ary manao an’izany any amin’ny tany 240 eo ho eo izy ireo izao. Olona betsaka araka izay azo atao no tian’i Jehovah hanaraka an’ilay fampitandremana, ka tsy ho faty rehefa tonga ilay “tafio-drivotra” na fandringanana.—Zef. 1:14, 15; 2:2, 3.

Ampy tsara foana àry ve ny fotoana omen’i Jehovah mba hankatoavana ny fampitandremany? Izany mihitsy, araka ny hitantsika teo. Tsy izany anefa no tokony hampieritreritra antsika, fa hoe: Hanaraka ny fampitandremany ve ny olona dieny mbola misy fotoana? I Jehovah no maniraka antsika ka andao hanampy olona faran’izay betsaka, mba ho tafavoaka velona izy ireo rehefa horinganina ity tontolo ity.