Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 41

Aza Mivadika Mihitsy Mandritra ny “Fahoriana Lehibe”!

Aza Mivadika Mihitsy Mandritra ny “Fahoriana Lehibe”!

“Aoka ho tia an’i Jehovah ianareo rehetra tsy mivadika aminy. Arovan’i Jehovah ny olona mendri-pitokisana [na tsy mivadika].”—SAL. 31:23.

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Inona no filazana hataon’ireo mpitondra atsy ho atsy? b) Inona avy ny fanontaniana tokony hodinihintsika?

EFA ela no niandrasantsika an’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Andao hatao hoe vao avy nanao an’io filazana io ny mpitondra. Mety hirehareha ry zareo hoe mbola tsy nilamina hoatr’izany mihitsy ny tany hatramin’izay. Tian-dry zareo hieritreritra isika hoe vitan’izy ireo ny mandamina ny olana rehetra maneran-tany. Tsy ho afaka hanakana an’izay hitranga aorian’izay anefa izy ireo. Fa maninona? Satria “hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka”, ary “tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.”—1 Tes. 5:3.

2 Tena ilaina àry ny mandinika an’ireto: Inona no hitranga mandritra ny “fahoriana lehibe”? Inona no tian’i Jehovah hataontsika mandritra an’izany fotoana izany? Ary inona no fiomanana azontsika atao raha tsy te hivadika mihitsy isika?—Mat. 24:21.

INONA NO HITRANGA MANDRITRA NY “FAHORIANA LEHIBE”?

3. Ahoana no handringanan’Andriamanitra an’i “Babylona Lehibe”, araka ny Apokalypsy 17:5, 15-18?

3 Vakio ny Apokalypsy 17:5, 15-18. Ho ringana i “Babylona Lehibe”! Araka ny efa hitantsika teo, dia tsy ho afaka hanakana an’izay hitranga ny mpitondra. Nahoana? Satria ‘hataon’Andriamanitra ao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.’ Inona izany heviny izany? Ny handringana ny fivavahan-diso rehetra eran-tany, anisan’izany ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. * Hataon’Andriamanitra ao am-pon’ireo ‘tandroka folon’ilay bibidia mena midorehitra’ ny heviny. Ny Firenena Mikambana “ilay bibidia”, ary ireo tandroka folo dia ny fitondram-panjakana rehetra manohana azy io. (Apok. 17:3, 11-13; 18:8) Rehefa manafika ny fivavahan-diso ireo fitondram-panjakana ireo, dia izay no ho famantarana hoe nanomboka ny fahoriana lehibe. Hitranga eran-tany io fahoriana io ary ho tonga tampoka sady hampahatahotra be.

4. a) Inona no mety holazain’ireo mpitondra fa antony mahatonga azy ireo hanafika an’i Babylona Lehibe? b) Inona no mety hataon’ireo mpivavaka any amin’ny fivavahan-diso?

4 Tsy fantatsika hoe inona no mety hahatonga an’ireo mpitondra hanafika an’i Babylona Lehibe. Mety hilaza ry zareo hoe ny fivavahana no mahatonga an’ity tontolo ity tsy hilamina. Na ry zareo mety hiteny hoe midikiditra lava amin’ny politika ny fivavahana, na nangoron-karena be loatra. (Apok. 18:3, 7) Toa tsy ny mpivavaka rehetra ao amin’ny fivavahan-diso no horinganin’ireo mpitondra rehefa hanafika izy ireo. Toa ny fivavahana ihany no hofoanan’izy ireo tanteraka. Rehefa tsy ho eo intsony ireo fivavahana ireo, dia ho tonga saina ny mpivavaka tao amin’izy ireo hoe tsy nahavita nanatanteraka an’izay nampanantenainy akory ny mpitondra fivavahana. Mety hiteny àry ireny olona ireny hoe tsy anisan’ilay fivavahana ry zareo.

5. Inona no nampanantenain’i Jehovah, ary nahoana?

5 Tsy lazain’ny Baiboly hoe hafiriana no handringanana an’i Babylona Lehibe. Fantatsika kosa anefa hoe tsy haharitra ela izany. (Apok. 18:10, 21) Nampanantena i Jehovah fa ‘hohafoheziny ny andro’ haharetan’ny fahoriana lehibe, mba ho tafavoaka velona “ny olom-boafidiny” ary tsy ho foana ny fivavahana marina. (Mar. 13:19, 20) Inona anefa no tian’i Jehovah hataontsika rehefa manomboka ny fahoriana lehibe ka hatramin’ny ady Hara-magedona?

AZA MIALA AMIN’NY FIVAVAHANA MARINA MIHITSY

6. Inona no tokony hataontsika ankoatra ny hoe misaraka tanteraka amin’ny fivavahan-diso?

6 Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia tian’i Jehovah ho tafasaraka amin’i Babylona Lehibe ny mpanompony. Tsy ampy anefa ny hoe tsy anisan’ny fivavahan-diso. Tsy maintsy tapa-kevitra koa isika hoe tsy hiala amin’ny fivavahana marina. Handinika fomba roa anaovana an’izany isika.

Enga anie isika tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, na dia rehefa tsy mora aza izany (Fehintsoratra 7) *

7. a) Ahoana no ampisehoantsika fa tapa-kevitra hanaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena isika? b) Araka ny Hebreo 10:24, 25, nahoana isika no mila mivory, indrindra fa amin’izao?

7 Voalohany, tsy maintsy tapa-kevitra isika hoe hanaraka foana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Tsy tokony hankasitraka ny fitondran-tena ratsy mihitsy isika. Tsy ankasitrahantsika, ohatra, ny karazana fijangajangana rehetra, anisan’izany ny fanambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, na ny fomba fiainan’izy ireny. (Mat. 19:4, 5; Rom. 1:26, 27) Faharoa, tsy maintsy manohy manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika isika. Mety ho any amin’ny Efitrano Fanjakana isika no hivory, na any an-tranon’ny mpiara-manompo, na any an-toeran-kafa. Mety hiafina mihitsy isika raha ilaina izany. Tsy hitsahatra hivory anefa isika na inona na inona mitranga. Dieny izao isika dia efa tokony hanao an’izany satria “manakaiky ny andro.”—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

8. Inona no hafatra mety hotorintsika amin’ny hoavy?

8 Mety hiova ny hafatra hotorintsika mandritra ny fahoriana lehibe. Amin’izao aloha isika mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy miezaka manao mpianatra. Mety ho hafatra tena henjana anefa no hotorintsika amin’izany fotoana izany, satria oharin’ny Baiboly amin’ny havandra ilay izy. (Apok. 16:21) Hotorintsika angamba hoe efa tena kely sisa dia ho ringana ny tontolon’i Satana. Ho hitantsika eo ihany anefa hoe inona marina no hotorintsika ary ahoana no hanaovana an’izany. Mbola ilay fomba fitory nampiasaintsika tao anatin’izay zato taona izay ihany ve no hampiasaintsika? Sa isika hampiasa fomba vaovao mihitsy? Mbola tsy haintsika izany. Na ahoana na ahoana, dia mety hanana tombontsoa hitory ny didim-pitsaran’i Jehovah isika.—Ezek. 2:3-5.

9. Inona no mety hataon’ireo mpitondra noho ilay hafatra hoentintsika? Inona anefa no toky ananantsika?

9 Toa hanao izay hampitsahatra tanteraka ny asa fitoriana ireo mpitondra, noho ilay hafatra hoentintsika. Mila miantehitra amin’i Jehovah isika amin’izay, hoatran’ny efa ataontsika amin’izao ihany. Afaka matoky isika hoe ‘hofenoiny hery’, ka hahavita hanao ny sitrapony.—Mika 3:8.

MIOMÀNA AMIN’ILAY FANAFIHANA NY VAHOAKAN’I JEHOVAH

10. Araka ny Lioka 21:25-28, hanao ahoana ny ankamaroan’ny olona mandritra ny fahoriana lehibe?

10 Vakio ny Lioka 21:25-28. Ho taitra be ny olona mandritra ny fahoriana lehibe, satria ho rava daholo izay rehetra nitokisany, anisan’izany ny politika sy ny varotra. ‘Hijaly’ ry zareo satria hatahotra sao ho faty mandritra an’ilay fotoana mangidy indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. (Zef. 1:14, 15) Azo antoka hoe hihasarotra ny fiainana na dia ho an’ny vahoakan’i Jehovah aza. Mety hiatrika ny mafy isika satria miezaka foana mba tsy ho anisan’ity tontolo ity. Mety tsy hanana ny zavatra sasany tena ilaintsika koa isika amin’izany.

11. a) Nahoana ny olona sy ny mpitondra no hifantoka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny fahoriana lehibe?

11 Mety ho tezitra be ny olona sasany, satria ny fivavahany rava nefa ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah mbola eo foana. Azo antoka hoe haneho ny hatezerany izy ireo, ka hampiasa ny Internet sy ny radio ary ny tele mba hanaovana an’izany. Hankahala antsika i Satana sy ireo firenena satria ny fivavahantsika no sisa hiangana. Tsy tratran’izy ireo ny tanjony hoe hamongotra ny fivavahana rehetra. Lasa isika àry no hifantohan’izy ireo. Ho lasa Goga avy any Magoga ireo firenena amin’izay fotoana izay. * Hivondrona izy ireo ka hanampatra ny heriny mba hanafihana ny vahoakan’i Jehovah. (Ezek. 38:2, 14-16) Manahy ihany angamba isika rehefa mieritreritra an’ireo zavatra mety hitranga ireo. Tsy fantatsika mantsy ny tsipiriany rehetra. Tsy misy tokony hatahorantsika ny fahoriana lehibe anefa. Hanome toromarika hamonjena antsika mantsy i Jehovah. (Sal. 34:19) Ho afaka ‘hijoro’ sy ‘hitraka’ àry isika, satria fantatsika fa ‘efa manakaiky ny fanafahana antsika.’ *

12. Ahoana no anampian’ny “mpanompo mendri-pitokisana” antsika mba ho vonona hiatrika ny hoavy?

12 Efa mampiomana antsika ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, amin’izay isika tsy mivadika mihitsy mandritra ny fahoriana lehibe. (Mat. 24:45) Misy fomba maro anaovany an’izany, anisan’izany ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra nataontsika tamin’ny 2016 ka hatramin’ny 2018. Tena ara-potoana mihitsy izy ireny! Nampirisika antsika ireny fandaharana ireny mba hanatsara an’ireo toetra tena ilaintsika, amin’izao andron’i Jehovah efa manakaiky izao. Andao isika hamerina handinika kely an’ireo toetra ireo.

AZA MIVADIKA MIHITSY, MIARETA FOANA, ARY MIEZAHA HO BE HERIM-PO KOKOA

Miomàna dieny izao mba ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” (Fehintsoratra 13-16) *

13. Inona no azontsika atao mba ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika? Nahoana isika no mila manao an’izany dieny izao?

13 Tsy mivadika: “Aza Mivadika Amin’i Jehovah Mihitsy!” no lohatenin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2016. Nampianarina antsika tamin’io fivoriambe io hoe hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah isika, raha mifandray tsara aminy. Nampahatsiahivina antsika hoe afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah isika, raha mivavaka amin’ny fo sy mianatra tsara ny Teniny. Hahazo hery isika raha manao an’ireo ka hahavita hiatrika an’izay olana mitranga, na dia ny mafy indrindra aza. Kely sisa dia ho rava ny tontolon’i Satana, ka azo antoka fa vao mainka tsy ho mora ny hampiseho hoe tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany isika. Azo inoana hoe mbola haneso antsika ny olona. (2 Pet. 3:3, 4) Tsy manohana ny tontolon’i Satana mihitsy mantsy isika, dia izay angamba no tena anton’izany. Dieny izao àry isika dia tokony ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika, amin’izay isika hahavita tsy hivadika mandritra ny fahoriana lehibe.

14. a) Inona no fiovana hitranga mandritra ny fahoriana lehibe? b) Nahoana isika no tokony hanohana an’ireo mitarika antsika amin’izay fotoana izay?

14 Hisy fotoana hiova ny rahalahy hitarika ny asa eto an-tany mandritra ny fahoriana lehibe. Hangonina ho any an-danitra mantsy ny voahosotra sisa tavela etỳ an-tany, dia handray anjara amin’ny ady Hara-magedona. (Mat. 24:31; Apok. 2:26, 27) Tsy hiaraka amintsika etỳ an-tany intsony àry ny Filan-kevi-pitantanana. Ho voalamina tsara foana anefa ny vahoaka be. Rahalahy mahay anisan’ny ondry hafa no hitarika ny asa amin’izany. Ahoana no hampisehoantsika hoe tsy mivadika isika? Tokony hanohana an’ireo rahalahy ireo isika, ary hanaraka ny toromarika omen’i Jehovah amin’ny alalan’izy ireo. Iankinan’ny aintsika izany!

15. Inona no azontsika atao mba hahavita hiaritra kokoa? Nahoana izany no tena ilaina dieny izao?

15 Miaritra: “Aza Kivy!” no lohatenin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2017. Nanampy antsika izy io mba hahavita hiaritra kokoa an’izay mahazo antsika. Nianarantsika hoe afaka miaritra foana isika, na mihatsara ny toe-javatra misy antsika na tsia. Tsy miankina amin’ny hasarotan’ny olana mahazo antsika mantsy ny hahavitantsika miaritra, fa miankina amin’ny hoe miantehitra amin’i Jehovah ve isika sa tsia. (Rom. 12:12) Tadidio foana ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mat. 24:13) Midika izany hoe tsy tokony hivadika isika na inona na inona mitranga. Raha miaritra ny fitsapana tsirairay mahazo antsika isika izao, dia vao mainka hatanjaka ny finoantsika dieny mbola tsy manomboka ny fahoriana lehibe.

16. Ahoana no hahatonga antsika ho be herim-po? Inona no azontsika atao raha te ho be herim-po kokoa isika dieny izao?

16 Herim-po: “Manàna Herim-po”! no lohatenin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2018. Nampahatsiahivina isika tamin’izy io hoe tsy miankina amin’ny fahaizana na ny toetra ny herim-po. Mila miantehitra amin’i Jehovah isika raha te hahavita hiaritra, dia hoatr’izay ihany raha te ho be herim-po. Inona no hanampy antsika hiantehitra aminy bebe kokoa? Mila mamaky ny Teniny isika isan’andro, ary misaintsaina hoe ahoana no namonjeny ny vahoakany taloha. (Sal. 68:20; 2 Pet. 2:9) Rehefa hanafika antsika ireo firenena mandritra ny fahoriana lehibe, dia tokony ho be herim-po sy hatoky an’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay isika. (Sal. 112:7, 8; Heb. 13:6) Raha dieny izao isika dia miantehitra aminy, dia ho be herim-po isika rehefa hanafika i Goga. *

MIANDRANDRA NY HO VOAVONJY ISIKA!

Tsy ho ela dia hanomboka ny ady Hara-magedona! Hiady amin’ny fahavalon’Andriamanitra i Jesosy sy ny tafiny any an-danitra, ka handringana azy ireo (Fehintsoratra 17)

17. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny Hara-magedona? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

17 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe niaina nandritra ny “andro farany” ny ankamaroantsika hatramin’izay. Manantena anefa isika hoe ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Ny ady Hara-magedona no hamarana tanteraka an’ity tontolo ity, nefa tsy misy tokony hatahorantsika. Nahoana? Satria an’Andriamanitra ilay ady. (Ohab. 1:33; Ezek. 38:18-20; Zak. 14:3) Hitarika ny tafiny hiady i Jesosy raha vao mahazo baiko avy amin’i Jehovah. Hiaraka aminy ireo voahosotra efa natsangana tamin’ny maty sy ny anjely be dia be. Hiady amin’i Satana sy ny demoniany ary ny tafiny izy ireo amin’izay.—Dan. 12:1; Apok. 6:2; 17:14.

18. a) Inona no toky omen’i Jehovah antsika? b) Nahoana ianao no tsy matahotra ny hoavy rehefa mandinika ny Apokalypsy 7:9, 13-17?

18 Nanome toky i Jehovah hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” (Isaia 54:17) Hisy “vahoaka be” tsy nivadika tamin’i Jehovah ho tafavoaka velona ‘amin’ny fahoriana lehibe.’ Mbola hanao fanompoana masina ho azy ry zareo aorian’izay. (Vakio ny Apokalypsy 7:9, 13-17.) Tsy hitanao hoe mampahery be ve izany toky omen’ny Baiboly izany? Fantatsika hoe “arovan’i Jehovah ny olona mendri-pitokisana”, na tsy mivadika. (Sal. 31:23) Ho faly be izay rehetra tia sy midera an’i Jehovah rehefa hahita azy hanamarina ny anarany masina.—Ezek. 38:23.

19. Ho hoatran’ny ahoana ny fiainantsika atsy ho atsy?

19 Mba eritrereto ange hoe ahoana no mety hilazana ny 2 Timoty 3:2-5 rehefa ao amin’ny tontolo vaovao e! Tsy ho afaka hitarika ny olona hanao ratsy intsony i Satana amin’izay. (Jereo ilay hoe “ Ho Hoatran’ny Ahoana ny Olona Amin’izany?”) Efa nieritreritra an’izany i George Gangas *, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Hoatr’izao no nilazany an’ilay izy: “Tsy hisy fiainana tsara noho izany! Hanompo an’i Jehovah daholo mantsy ny olona. Kely sisa ianao dia hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Ho hoatran’ny an’i Jehovah ny halavan’ny androm-piainanao. Mba eritrereto ange e! Hiaina mandrakizay isika!” Tsy hitanao hoe tena tsara ve izany fanantenantsika izany?

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

^ feh. 5 Fantatsika fa kely sisa dia hiatrika ny “fahoriana lehibe” ny olombelona rehetra. Inona no hanjo antsika rehefa tonga izany? Inona no tian’i Jehovah hataontsika amin’izay? Inona no toetra tokony hohatsaraintsika dieny izao raha tsy te hivadika mihitsy isika? Ho hitanao ato ny valin’ireo.

^ feh. 3 FANAZAVANA: Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no iantsoana an’izay fivavahana tsy manompo an’i Jehovah araka izay takiny nefa milaza ho mpanara-dia an’i Kristy.

^ feh. 11 FANAZAVANA: Ny hoe Goga avy any Magoga (izay hafohezina hoe Goga) dia firenena maromaro hiady amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny faramparan’ny fahoriana lehibe.

^ feh. 11 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba an’izay hitranga alohan’ny ady Hara-magedona ianao, dia jereo ny boky Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra! toko 21. Raha mila tsipiriany bebe kokoa momba ny fanafihan’i Goga sy ny fomba hiarovan’i Jehovah ny vahoakany mandritra ny Hara-magedona indray ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2015, pejy 14-19.

^ feh. 16 “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”! Io no lohatenin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2019. Manampy antsika izy io mba ho resy lahatra hoe tsy misy tokony hampanahy antsika mihitsy, satria tia sy miaro antsika i Jehovah.—1 Kor. 13:8.

^ feh. 19 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Asany Manaraka Azy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1994.

^ feh. 65 SARY: Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy be herim-po, mivory any anaty ala mandritra ny fahoriana lehibe.

^ feh. 67 SARY: Vahoaka be tsy nivadika ka tafavoaka velona tamin’ny fahoriana lehibe. Falifaly be ry zareo!