Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 42

Inona re no Hampiasan’i Jehovah Anao E?

Inona re no Hampiasan’i Jehovah Anao E?

‘Andriamanitra no miasa ao anatinareo. Amin’izay dia sady maniry ianareo no [mahazo hery hanaovana ny sitrapony].’—FIL. 2:13.

HIRA 104 Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina

HO HITANAO ATO *

1. Inona no azon’i Jehovah atao mba hanatanterahana ny sitrapony?

MAHAVITA miovaova araka izay ilaina i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. Indraindray izy, ohatra, lasa Mpampianatra, Mpampionona, na Mpilaza vaovao tsara. Vao santionany ireo fa mbola betsaka no azony atao. (Isaia 48:17; 2 Kor. 7:6; Gal. 3:8) Matetika anefa izy no mampiasa olombelona mba hanatanterahana an’izay kasainy. (Mat. 24:14; 28:19, 20; 2 Kor. 1:3, 4) Afaka manome fahendrena sy hery antsika koa i Jehovah, ary azony omena an’izany na iza na iza. Hahavita an’izay rehetra ilaina isika amin’izay mba hanatanterahana ny sitrapony. Efa anisan’ny dikan’ny anaran’i Jehovah mihitsy izany, araka ny lazain’ny manam-pahaizana maromaro.

2. a) Nahoana no misalasala isika indraindray raha tena mampiasa antsika i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Samy te hampiasain’i Jehovah daholo isika. Misy amintsika anefa misalasala raha tena mampiasa azy i Jehovah. Fa maninona? Satria mieritreritra ry zareo hoe voafetra ny azony atao noho ny zavatra iainany, na ny fahaizany, na ny taonany. Misy koa mety ho efa afa-po amin’izay vitany, dia mieritreritra hoe tsy mila mampitombo ny fanompoany intsony. Ho hitantsika ato anefa hoe na iza na iza dia azon’i Jehovah omena an’izay ilaina mba hahavitany ny sitrapony. Handinika tantaran’ny lehilahy sy vehivavy sasany ao amin’ny Baiboly isika avy eo. Nampian’i Jehovah ry zareo ka lasa te hanao ny sitrapony sady nomeny hery hahavitana an’izany. Hojerentsika koa hoe inona no tokony hataontsika raha tiantsika hampiasa antsika i Jehovah.

OMEN’I JEHOVAH AN’IZAY ILAINA ISIKA

3. Rehefa jerena ny Filipianina 2:13, ahoana no ataon’i Jehovah mba hahatonga antsika haniry hanao ny sitrapony?

3 Vakio ny Filipianina 2:13. * Vitan’i Jehovah ny manao izay hahatonga antsika haniry hanao ny sitrapony. Ahoana no mety hataony? Henonao angamba hoe misy asa tokony hatao ao amin’ny fiangonana, na misy mpiara-manompo mila fanampiana. Na mety hisy taratasy avy any amin’ny sampana hovakin’ny anti-panahy amin’ny fiangonana, dia milaza hoe misy faritra mila fanampiana amin’ny asa fitoriana na zavatra hafa. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Ahoana re no azoko anampiana e?’ Na mety hisy asa sarotra hasaina hataonao, dia manahy ianao hoe sao dia tsy ho vitanao tsara ilay izy. Rehefa mamaky andininy ao amin’ny Baiboly koa ianao, dia mety hieritreritra hoe: ‘Ahoana no azoko ampiasana an’ity mba hanampiana olona?’ Tsy hanery anao mihitsy i Jehovah, fa rehefa hitany hoe mandini-tena hoatr’izany ianao, dia ataony izay hahatonga anao haniry hanao zavatra sy hanatanteraka an’ilay izy.

4. Ahoana no mety hataon’i Jehovah mba hahazoantsika hery hanaovana ny sitrapony?

4 Vitan’i Jehovah koa ny manome antsika hery hanaovana ny sitrapony. (Isaia 40:29) Omeny fanahy masina isika dia lasa mitombo ny fahaizantsika. (Eks. 35:30-35) Mampiasa ny fandaminany koa i Jehovah mba hampianarana antsika hanao asa sasany. Raha tsy hainao tsara hoe ahoana no hanaovana an’ilay asa ampanaovina anao, dia mangataha fanampiana. Aza misalasala koa mangataka “hery fanampiny” amin’ilay Raintsika any an-danitra, fa malala-tanana izy. (2 Kor. 4:7; Lioka 11:13) Be dia be ny lehilahy sy vehivavy resahin’ny Baiboly hoe nampian’i Jehovah, ka lasa te hanao ny sitrapony sady nahazo hery hahavitana an’izany. Handinika ny sasany amin’izy ireny isika izao. Eritrereto hoe ahoana no azon’i Jehovah ampiasana anao, hoatran’ny nataony tamin-dry zareo.

LEHILAHY NAMPIAN’I JEHOVAH KA NAHAVITA ZAVATRA NIAVAKA

5. Inona no ianarantsika rehefa jerena ny fotoana sy ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy?

5 Nataon’i Jehovah lasa mpanafaka ny Israelita i Mosesy. Fa oviana i Jehovah no nampiasa azy? Tamin’i Mosesy avy “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” ve? (Asa. 7:22-25) Tsy izany mihitsy! Tsy nampiasa azy i Jehovah raha tsy efa avy namolavola azy, ka lasa nanetry tena sy nalemy fanahy izy. (Asa. 7:30, 34-36) Nampian’i Jehovah ho be herim-po i Mosesy, ka sahy niresaka tamin’ilay mpitondra nahery indrindra tany Ejipta. (Eks. 9:13-19) Inona no ianarantsika rehefa jerena ny fotoana sy ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy? Hoe izay olona miezaka manahaka ny toetrany sy miantehitra aminy mba hahazo hery ihany no ampiasainy.—Fil. 4:13.

6. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Barzilay?

6 Nampiasa an’i Barzilay koa i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana, mba hanampy an’i Davida Mpanjaka. Nitsoaka an’i Absaloma zanany ry Davida, dia ‘noana sy reraka ary nangetaheta.’ Efa antitra i Barzilay tamin’izay, nefa nanao vivery ny ainy izy sy ny olon-kafa mba hikarakarana an-dry Davida. Tsy nieritreritra i Barzilay hoe tsy azon’i Jehovah ampiasaina intsony izy satria efa antitra. Nalala-tanana kosa izy ka nampiasa an’izay nananany mba hanampiana ny mpanompon’Andriamanitra. (2 Sam. 17:27-29) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na firy taona isika na firy taona, dia afaka mampiasa antsika i Jehovah mba hanampy ny mpiara-manompo tsy manana an’izay tena ilainy, na eto amintsika ry zareo na any an-tany hafa. (Ohab. 3:27, 28; 19:17) Tsy afaka manampy azy ireny mivantana angamba isika, nefa mety ho afaka hanome vola ho an’ny asa maneran-tany. Azo anampiana ny mpiara-manompo any amin’izay toerana mila an’izany mantsy io vola io, na rahoviana na rahoviana.—2 Kor. 8:14, 15; 9:11.

7. Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Simeona? Nahoana izany no mampahery antsika?

7 Nampiasa an’i Simeona koa i Jehovah. Lehilahy efa be taona nipetraka tany Jerosalema izy, ary tsy nivadika. Nampanantena azy i Jehovah hoe tsy ho faty izy raha tsy efa mahita ny Mesia. Azo antoka hoe tena nampahery an’i Simeona izany, satria efa aman-taonany izy no niandry ny Mesia. Namaly soa azy i Jehovah satria nanam-pinoana izy sady niaritra. “Teo ambany herin’ny fanahy” izy indray andro, dia nankany amin’ny tempoly. Nahita an’i Jesosy zazakely izy tany, ary nampiasa azy i Jehovah mba hilaza faminaniana momba an’io zazakely ho lasa Kristy io. (Lioka 2:25-35) Toa mbola tsy nanomboka ny fanompoany i Jesosy dia efa maty i Simeona. Tena nankasitraka ny tombontsoa nananany anefa izy. Mbola hahazo tombontsoa tsara lavitra noho izany izy any amin’ny tontolo vaovao. Ho fantany mantsy hoe nitondra fitahiana ho an’ny firenena rehetra ny fitondran’i Jesosy. (Gen. 22:18) Tokony ho faly hoatran’i Simeona koa isika, na inona na inona fomba ampiasan’i Jehovah antsika.

8. Ahoana no mety hampiasan’i Jehovah antsika, hoatran’ny nataony tamin’i Barnabasy?

8 Vonona hampiasain’i Jehovah koa i Josefa, lehilahy nalala-tanana tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 4:36, 37) Tena nahay nampionona ny hafa izy, ka izay angamba no nahatonga ny apostoly hiantso azy hoe Barnabasy, izany hoe “Zanaky ny Fampiononana.” Be dia be, ohatra, ny mpiara-manompo natahotra ny hifandray tamin’i Saoly, rehefa lasa Kristianina izy. Nalaza be mantsy hoe nanenjika ny fiangonana izy. Nanampy sy nampionona an’i Saoly anefa i Barnabasy, ary azo antoka fa tena nankasitraka an’izany i Saoly. (Asa. 9:21, 26-28) Hitan’ny anti-panahy tany Jerosalema tatỳ aoriana hoe nila nampaherezina ny mpiara-manompo tany Antiokia, any Syria. Dia iza no nirahin’izy ireo nankany? I Barnabasy, ary nety tsara izany. Resahin’ny Baiboly hoe “nampahery ny rehetra izy mba hifikitra foana amin’ny Tompo amin’ny fony manontolo.” (Asa. 11:22-24) Mety hampian’i Jehovah ho lasa “zanaky ny fampiononana” koa isika, ka ho afaka hampahery ny Kristianina hafa. Mety hampiasainy, ohatra, isika mba hampionona an’ireo maty havana. Mety handrisika antsika koa izy mba hitsidika na hitelefaonina olona marary na kivy, ka hilaza teny vitsivitsy mampahery aminy. Havelanao hampiasa anao ve i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’i Barnabasy?—1 Tes. 5:14.

9. Inona no ianarantsika avy amin’i Vasily?

9 Nampian’i Jehovah ny rahalahy atao hoe Vasily, ka lasa anti-panahy mahavita tsara ny andraikiny. Voatendry ho anti-panahy izy tamin’izy 26 taona. Natahotra izy tamin’izany hoe tsy ho hainy ny hikarakara ny fiangonana, indrindra fa ireo rahalahy sy anabavy manana olana. Nahazo fampiofanana tena tsara anefa izy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Nanampy be azy koa ireo anti-panahy efa za-draharaha. Izy mihitsy anefa no niezaka mafy hahay ny andraikiny. Nanao tanjona kelikely, ohatra, izy dia nataony lisitra izy ireny. Isaky ny nahatratra tanjona iray izy, dia lasa tsy dia natahotra intsony. Hoy izy: “Mahatonga an’ahy ho faly be izao ilay zavatra nampahatahotra an’ahy taloha! Tena afa-po aho rehefa ampian’i Jehovah ka mahita andinin-teny mety tsara mba hampaherezana mpiara-manompo.” Rahalahy ve ianao? Raha vonona hampiasain’i Jehovah hoatran’i Vasily ianao, dia hampiany hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa ao amin’ny fiangonana.

VEHIVAVY NAMPIAN’I JEHOVAH KA NAHAVITA ZAVATRA NIAVAKA

10. Inona no nataon’i Abigaila, ary inona no ianarantsika avy aminy?

10 Nenjehin’i Saoly Mpanjaka i Davida sy ny namany dia nila fanampiana. Nankany amin’i Nabala ry zareo, ary nangataka sakafo kely taminy. Israelita nanankarena be io lehilahy io. Sahy nangataka taminy ry zareo satria efa mba niaro ny andian’ondriny tany an-tany efitra. Tia tena anefa i Nabala ka tsy nety nanome na inona na inona. Tezitra be àry i Davida ary nikasa hamono azy sy izay lehilahy tao amin’ny ankohonany. (1 Sam. 25:3-13, 22) Nanao zavatra anefa i Abigaila, vadin’i Nabala. Tsy hoe tsara bika fotsiny izy fa tena malina koa. Be herim-po izy, ka niankohoka teo anoloan’i Davida ary nilaza taminy mba tsy hamaly faty sao dia hivesatra trosan-dra. Tsara fanahy izy rehefa nampirisika an’i Davida mba hamela an’i Jehovah handamina an’ilay olana. Hita tamin’izay nolazainy sy nataony hoe nanetry tena sy nahay nanavaka izy, ary nanohina ny fon’i Davida izany. Fantatr’i Davida àry hoe nirahin’i Jehovah i Abigaila. (1 Sam. 25:23-28, 32-34) Niezaka hanana toetra tsara i Abigaila ka azon’i Jehovah nampiasaina. Hoatr’izany koa ny anabavy amin’izao. Raha mahay manavaka sy mitandrina tsara amin’izay ataony sy lazainy izy ireo, dia ho azon’i Jehovah ampiasaina mba hampaherezana ny fianakaviany sy ny fiangonana.—Ohab. 24:3; Tit. 2:3-5.

11. Inona no nataon’ny zanakavavin’i Saloma, ary iza no manahaka azy ireo amin’izao andro izao?

11 Anisan’ny nampiasain’i Jehovah mba hanamboatra ny mandan’i Jerosalema ny zanakavavin’i Saloma, taonjato maro tatỳ aoriana. (Neh. 2:20; 3:12) Zanak’andriana ry zareo nefa vonona hanao asa sarotra sy nampidi-doza. (Neh. 4:15-18) Tsy nanao hoatran’ny Tekoita sasany ry zareo. Tsy nanetry tena mantsy ny olona ambony teo amin’ireo Tekoita, ka “tsy mba nanaiky hanompo” sy handray anjara tamin’ilay asa. (Neh. 3:5) Vita tao anatin’ny 52 andro monja ilay manda, ary azo antoka fa faly be ny zanakavavin’i Saloma tamin’izay. (Neh. 6:15) Be dia be koa ny anabavy vonona hiasa ho an’i Jehovah amin’izao. Mandray anjara amin’ny karazana fanompoana manokana izy ireny, ohatra hoe manorina na mikojakoja trano ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tena mila an’ireny anabavy mahay sy mazoto ary mendri-pitokisana ireny isika mba ho vita tsara ny asa.

12. Ahoana no mety hampiasan’i Jehovah antsika, hoatran’ny nataony tamin’i Tabita?

12 Nandrisika an’i Tabita i Jehovah ka lasa nanao “asa soa” be dia be sy ‘niantra ny mahantra’ izy, indrindra fa ny maty vady. (Asa. 9:36) Tena nalala-tanana sy tsara fanahy be izy, ka be dia be no nalahelo tamin’izy maty. Faly be indray anefa ry zareo rehefa natsangan’ny apostoly Petera i Tabita. (Asa. 9:39-41) Inona no ianarantsika avy aminy? Afaka manao zavatra hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy daholo isika, na tanora isika na be taona ary na lehilahy na vehivavy.—Heb. 13:16.

13. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny anabavy iray saro-kenatra, ary inona no nolazainy?

13 Te ho lasa misionera i Ruth. Nazoto be izy tamin’ny mbola kely, dia nihazakazaka nitety trano mba hizara taratasy mivalona. Hoy izy: “Tena nahafinaritra an’ahy izany!” Saro-kenatra anefa izy dia sarotra taminy ny niresaka tamin’ny olona sy nitory taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Na izany aza, dia lasa mpisava lalana maharitra i Ruth tamin’izy 18 taona. Nanao ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada izy tamin’ny 1946, dia avy eo nanompo tany Hawaii sy Japon. Nampiasain’i Jehovah izy ka nahavita nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona be dia be tany amin’ireo tany ireo. Izao no nolazainy rehefa avy nanompo nandritra ny 80 taona latsaka kely: “Nanome hery an’ahy foana i Jehovah. Nanampy ahy izy mba tsy ho saro-kenatra intsony. Tena mino aho hoe azon’i Jehovah ampiasaina foana izay matoky azy, na iza na iza.”

AVELAO I JEHOVAH HAMPIASA ANAO

14. Araka ny Kolosianina 1:29, inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hampiasain’i Jehovah?

14 Be dia be ny fomba nampiasan’i Jehovah ny mpanompony hatramin’izay. Ary ianao? Inona re no hampiasan’i Jehovah anao e? Miankina aminao ihany izany! Hampiasa anao izy raha vonona hiezaka mafy ianao. (Vakio ny Kolosianina 1:29.) Raha vonona fotsiny ianao, dia hataon’i Jehovah izay hahatonga anao ho azony ampiasaina amin’izay ilany anao. Vitany, ohatra, ny manampy anao ho lasa mpitory mazoto, mpampianatra mahay, mpiasa kinga, na namana azo ianteherana. Vitany koa ny manampy anao mba hahay hampahery ny hafa.

15. Inona no tokony hiangavian’ny rahalahy tanora amin’i Jehovah, araka ny 1 Timoty 4:12, 15?

15 Rahalahy tanora efa vita batisa ve ianao? Tena mila lehilahy mavitrika sy vonona hanao andraikitra fanampiny izao ny fandaminana, mba ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana. Ny anti-panahy no betsaka noho ny mpanampy amin’ny fanompoana any amin’ny fiangonana maro. Sao dia afaka miezaka ianao mba haniry hahazo andraikitra bebe kokoa ao amin’ny fiangonana? Misy rahalahy sasany miteny hoe: “Efa faly aho na dia mpitory fotsiny aza.” Hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia mitalahoa amin’i Jehovah mba hanampy anao haniry hahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana. Iangavio koa izy mba hanome hery anao, amin’izay ianao hanao izay farany vitanao mba hanompoana azy. (Mpito. 12:1) Tena mila ny fanampianao izahay!—Vakio ny 1 Timoty 4:12, 15.

16. Inona no tokony hangatahintsika amin’i Jehovah, ary nahoana?

16 Afaka mampiasa anao amin’izay ilany azy i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Angataho àry izy mba hanampy anao haniry hanao ny asany sy hanome ny hery ilainao. Na tanora ianao na be taona, dia izao ianao no tokony hampiasa ny fotoana, hery, fananana, ary fahaizana anananao mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah. (Mpito. 9:10) Tsy misy hoatran’ny hoe manao izay fara hery mba hanompoana azy! Hararaoty àry raha vao afaka manao an’izany ianao. Mety hatahotra ianao na hieritreritra hoe tsy mahay, nefa aza avela hanakana anao izany. Tombontsoa be mantsy ny hoe manome voninahitra an’ilay Raintsika be fitiavana, ary afaka manao an’izany daholo isika na dia kely ihany aza no mba vitantsika.

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

^ feh. 5 Mahatsapa ve ianao hoe tsy ampy ny vitanao ho an’i Jehovah? Manontany tena ve ianao raha mbola ilainy ihany? Sa ianao mieritreritra hoe efa ampy ny ataonao ka tsy mila manolo-tena intsony mba hampiasainy bebe kokoa? Hain’i Jehovah ny manampy antsika, amin’izay isika lasa te hanao ny sitrapony. Vitany koa ny manome hery antsika, amin’izay isika mahavita an’izay rehetra ilaina mba hanatanterahana an’izany. Ahoana no ataony? Handinika an’izany isika ato.

^ feh. 3 Marina fa ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nanoratan’i Paoly ny taratasiny. Mahakasika ny mpanompon’i Jehovah rehetra anefa ny zavatra nosoratany.