Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 43

I Jehovah Irery Ihany Tompoina!

I Jehovah Irery Ihany Tompoina!

“I Jehovah dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.”—NAH. 1:2.

HIRA 51 Nanokan-tena ho An’i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana no i Jehovah irery no mendrika hotompointsika?

I JEHOVAH irery no mendrika hotompointsika satria izy no namorona sy nanome aina antsika. (Apok. 4:11) Tsy mora anefa izany. Na dia tia sy manaja an’i Jehovah aza mantsy isika, dia mety hisy zavatra hafa ho lasa zava-dehibe kokoa amintsika, ka lasa tsy izy irery intsony no tompointsika. Mila fantarintsika hoe ahoana no mety hitrangan’izany. Hodinihintsika anefa aloha hoe inona no atao hoe manompo an’i Jehovah irery ihany.

2. Rehefa jerena ny Eksodosy 20:5, inona no hataontsika raha i Jehovah irery no tompointsika?

2 Ny hoe manompo an’Andriamanitra irery ihany, ao amin’ny Baiboly, dia mifandray akaiky amin’ny hoe tena tia azy. Tsy havelantsika ho lasan’olon-kafa na zavatra hafa mihitsy ny toeran’i Jehovah ao am-pontsika.—Vakio ny Eksodosy 20:5.

3. Nahoana no tsy an-jambany fotsiny ny fitiavantsika an’i Jehovah?

3 Tsy an-jambany fotsiny ny fitiavantsika an’i Jehovah. Fa maninona? Satria nianatra momba azy isika, ary izany no nahatonga antsika ho tia azy. Lasa hitantsika hoe tsara toetra izy, ka tiantsika ireny toetrany ireny. Fantatsika hoe inona no tiany sy tsy tiany, dia mitovy fihetseham-po aminy isika. Azontsika koa hoe tian’i Jehovah hanompo azy sy ho sambatra mandrakizay isika, dia izany no mahatonga antsika hanaraka ny fitsipiny. Voninahitra lehibe ho antsika ny hoe ekeny ho namany. (Sal. 25:14) Mahatonga antsika ho akaiky kokoa ny Mpamorona izay rehetra ianarantsika momba azy.—Jak. 4:8.

4. a) Inona no ataon’i Satana mba hahatonga ny fitiavantsika an’i Jehovah hihena? b) Inona no hodinihintsika ato?

4 Manararaotra ny faniriana ara-dalàna ao amintsika i Satana. Ataony sarotra amintsika koa ny miady amin’ny fanirian-dratsy. Ity tontolo ity no ampiasainy mba hanaovana an’ireo, satria izy no mifehy azy io. (Efes. 2:1-3; 1 Jaona 5:19) Tiany ho tia zavatra hafa isika, amin’izay tsy i Jehovah irery intsony no tompointsika. Handinika fomba roa anaovany an’izany isika. Voalohany, ataon’i Satana izay hahatonga antsika ho tia vola. Ary faharoa, ampirisihiny hifidy fialam-boly ratsy isika.

TANDREMO SAO LASA TIA VOLA

5. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy ho lasa tia vola?

5 Ara-dalàna raha te ho ampy sakafo isika, ary te hanana akanjo tsara sy trano mahafinaritra. Tsy maintsy mitandrina anefa isika mba tsy ho lasa tia vola. Betsaka ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana no “tia vola” sy harena. (2 Tim. 3:2) Fantatr’i Jesosy hoe mety ho lasa hoatr’izany ny mpanara-dia azy. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Mat. 6:24) Hoatran’ny hoe manandrana manompo tompo roa ny olona iray, raha sady manompo an’i Jehovah no mandany fotoana sy hery be dia be mba hahazoana harena. Tsy i Jehovah irery ihany no tompoiny amin’izay.

Hoatr’izao no fiheveran’ny olona tany Laodikia ny tenany. Hoatr’izao anefa no fahitan’i Jehovah sy Jesosy azy (Fehintsoratra 6)

6. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Jesosy tamin’ny fiangonan’i Laodikia?

6 Nirehareha ny olona tao amin’ny fiangonan’i Laodikia hoe: “Manankarena aho ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.” Ahoana anefa no fahitan’i Jehovah sy Jesosy azy ireo? “Ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka.” Nananatra azy ireo àry i Jesosy. Tsy noho ry zareo nanankarena anefa no nanaovany an’izany, fa satria tia vola loatra ry zareo dia lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony. (Apok. 3:14-17) Tsy maintsy manitsy haingana ny fomba fisainantsika isika, raha mahatsapa hoe manomboka tia vola sy harena. (1 Tim. 6:7, 8) Raha tsy izany, dia ho voazarazara ny fitiavantsika ka tsy heken’i Jehovah ny fanompoantsika azy. “Mitaky ny hanompoana azy irery ihany” mantsy izy. (Deot. 4:24) Ahoana anefa no mety hahatonga antsika ho tia vola loatra?

7-9. Inona no ianaranao avy amin’i David?

7 Eritrereto ny nahazo an’i David, anti-panahy any Etazonia. Nilaza izy hoe tena nazoto niasa. Nomena toerana ambony kokoa izy tao am-piasana sady nampiakarina ny karamany. Anisan’ny nahay indrindra an’ilay asa mihitsy aza izy tao amin’ny fireneny. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe tena notahin’i Jehovah matoa nahazo an’ireny.” Fa izay tokoa ve?

8 Tonga saina tsikelikely i David hoe nanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah ny asany. Hoy izy: “Lasa nieritreritra olana tany am-piasana aho rehefa tany am-pivoriana, ary na dia rehefa nanompo aza. Nahazo vola be aho nefa vao mainka niady saina. Lasa nanana olana koa izahay mivady.”

9 Hitan’i David fa nila nandinika an’izay nataony loha laharana izy. Hoy izy: “Tena tapa-kevitra aho hoe hanova ny fiainako.” Tiany hovana ny fotoana iasany, dia niresaka tamin’ny mpampiasa azy izy. Tsy nanaiky anefa ilay mpampiasa, fa vao mainka aza izy noroahiny! Hoy i David: “Ny ampitson’iny ihany aho dia nameno fangatahana hanao mpisava lalana mpanampy mitohy.” Dia inona no asan’izy mivady? Lasa mpanadio trano ry zareo. Nanao mpisava lalana maharitra i David tatỳ aoriana, dia nanao koa ny vadiny rehefa nandeha ny fotoana. Nisafidy hanao asa noheverin’ny olona ho ambany izy mivady. Tsy mampaninona an-dry zareo anefa izay karazana asa ataony. Na dia lasa ampahafolon’ny karama noraisiny teo aloha aza no raisiny amin’izao, dia ampy tsara foana ny vola eo am-pelatanany. I Jehovah no ataon-dry zareo loha laharana, dia hitan-dry zareo hoe tena karakarainy izay mikatsaka voalohany an’ilay Fanjakana.—Mat. 6:31-33.

10. Ahoana no hiarovantsika ny fontsika?

10 Mila miaro ny fontsika foana isika, na mahantra na manankarena. Ahoana no anaovana an’izany? Mitandrema mba tsy ho lasa tia vola sy harena. Aza avela ho lasa zava-dehibe kokoa noho ny fanompoanao an’i Jehovah ny asanao. Ahoana no ahalalanao raha efa izany no mitranga aminao? Eritrereto izao: ‘Lasa any amin’ny asa ve ny saiko matetika rehefa any am-pivoriana na eny amin’ny fanompoana? Manahy foana ve aho sao tsy ho ampy ny volako any aoriana any? Mahatonga anay mivady tsy hifanaraka ve ny resaka vola sy fananana? Vonona hanao asa heverin’ny olona ho ambany ve aho, raha izay no hahafahako manompo an’i Jehovah bebe kokoa?’ (1 Tim. 6:9-12) Rehefa mieritreritra an’ireo ianao, dia tadidio hoe tia anao i Jehovah. Mampanantena an’izay olona tia azy koa izy hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanoratra hoe: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola.”—Heb. 13:5, 6.

FIDIO TSARA NY FIALAM-BOLINAO

11. Inona no mety ho vokatry ny fialam-boly?

11 Tian’i Jehovah hankafy fiainana isika, ary manampy antsika amin’izany ny fialam-boly. Milaza mihitsy aza ny Teniny hoe: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.” (Mpito. 2:24) Mety hisy vokany ratsy amintsika anefa ny ankamaroan’ny fialam-boly eto amin’ity tontolo ity. Noho ireny fialam-boly ireny, dia olona maro no lasa milefitra amin’ny fanao lazain’ny Baiboly fa ratsy, na lasa tia an’ilay izy mihitsy.

Iza no mikarakara ny fialam-bolinao? (Fehintsoratra 11-14) *

12. Araka ny 1 Korintianina 10:21, 22, nahoana isika no tokony hifidy tsara ny fialam-bolintsika?

12 I Jehovah irery ihany no tiantsika hotompoina, ka tsy afaka ny hihinana eo amin’ny “latabatr’i Jehovah” isika no sady hihinana eo amin’ny “latabatry ny demonia.” (Vakio ny 1 Korintianina 10:21, 22.) Olona mpinamana matetika no miara-misakafo. Ahoana àry raha mifidy fialam-boly misy herisetra, herin’ny maizina, fitondran-tena maloto, na fanao sy toe-tsaina ratsy hafa isika? Tsy hoatran’ny hoe miara-misakafo amin’ny fahavalon’Andriamanitra ve isika amin’izay, dia mihinana ny sakafo nomanin’izy ireo? Hanimba antsika izany sady hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.

13-14. a) Inona avy no mampitovy ny fialam-boly amin’ny sakafo? b) Raha jerena ny Jakoba 1:14, 15, nahoana no mety hanimba antsika ny fialam-boly ratsy?

13 Inona avy no mampitovy ny fialam-boly amin’ny sakafo? Afaka mifidy an’izay hampidirintsika ao am-bavantsika isika rehefa misakafo. Raha vao voatelina anefa ilay izy, dia tsy afaka manakana an’izay hitranga isika. Lasa anisan’ny vatantsika ilay izy avy eo. Ho salama isika raha mihinana sakafo mahasalama, fa harary kosa raha mifanohitra amin’izany no ataontsika. Mety tsy ho tonga dia hita ny vokatry ny sakafo hanintsika, fa tsy maintsy hiharihary ihany izany rehefa mandeha ny fotoana.

14 Hoatr’izany koa eo amin’ny resaka fialam-boly. Misafidy an’izay hampidirintsika ao an-tsaina isika rehefa mifidy fialam-boly. Tsy manan-tsafidy intsony isika avy eo, fa tsy maintsy misy vokany eo amin’ny fontsika sy ny saintsika izay fialam-boly ataontsika. Raha tsara ilay izy dia hamelombelona antsika, fa raha ratsy kosa dia hanimba antsika. (Vakio ny Jakoba 1:14, 15.) Mety tsy ho tonga dia hita ny vokatry ny fialam-boly ratsy, fa tsy maintsy hiharihary izany rehefa mandeha ny fotoana. Izay no mahatonga ny Baiboly hampitandrina hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony.” (Gal. 6:7, 8) Tena tsy tokony hanao fialam-boly misy zavatra halan’i Jehovah mihitsy àry isika!—Sal. 97:10.

15. Inona no fanomezana nataon’i Jehovah ho antsika?

15 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah tia mijery ny Tele JW, ilay telentsika ao amin’ny Internet. Hoy ny anabavy atao hoe Marilyn: “Nanova tanteraka ny fiainako mihitsy ny Tele JW! Nanampy an’ahy ho falifaly kokoa izy io, sady tsy voatery mifantina an’izay hojereko aho ao. Rehefa manirery aho na kivikivy, dia mahita fotoam-pivavahana maraina na lahateny mampahery foana. Manampy an’ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy ny fandaminany izany.” Fanomezana avy amin’i Jehovah tokoa ny Tele JW! Mazoto mijery azy io ve ianao? Ankoatra ny fandaharana mivoaka isam-bolana ao, dia misy koa ny video sy raki-peo ary hira mampahery. Azo henoina na jerena izy ireny isaky ny te hanao an’izany ianao.

16-17. Nahoana no ilaina ny mandanjalanja amin’ny fotoana ialana voly? Ary ahoana no anaovana an’izany?

16 Tsy ny karazana fialam-boly ihany anefa no tsy maintsy tandremana, fa ny habetsahan’ny fotoana ialana voly koa. Raha tsy izany, dia ny fotoana ialana voly indray no mety ho betsaka noho ny fotoana anompoana an’i Jehovah. Sarotra amin’ny olona maro ny mandanjalanja ny fotoana ialany voly. Izao, ohatra, no nolazain’i Abigail, anabavy 18 taona: “Rehefa be atao be aho mandritra ny andro, dia mijery tele aho amin’ny hariva satria mba te haka aina. Raha tsy mitandrina anefa aho, dia adiny zato eo ihany!” Tia mijery video fohifohy ao amin’ny Internet ny rahalahy tanora atao hoe Samuel. Hoy izy: “Iray fotsiny no jereko amin’ny voalohany, nefa tsy hitahita akory dia be dia be no voajeriko. Lany teo ny adiny telo na adiny efatra!”

17 Inona no hanampy anao hahay handanjalanja? Voalohany, jereo hoe hoatran’ny ahoana ny fotoana laninao ialana voly. Maninona raha soratana hoe adiny firy isan-kerinandro ianao no miala voly? Soraty amin’ny kalandrie na karine kely, ohatra, hoe adiny firy ianao no mijery tele, sy mikarokaroka ao amin’ny Internet, ary manao kilalao ao amin’ny telefaonina. Raha hitanao hoe be loatra ilay izy, dia manaova fandaharam-potoana. Izay zava-dehibe kokoa aloha anokanana fotoana, izay vao ny fialam-boly. Mivavaha amin’i Jehovah avy eo mba hanampy anao hahavita hanaraka an’ilay fandaharam-potoana. Hanana fotoana sy hery ianao amin’izay mba hianarana samirery, hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, handehanana mivory, ary hitoriana sy hampianarana Baiboly. Tsy henjehin’ny eritreritrao koa ianao rehefa miala voly, satria ny an’i Jehovah no nataonao voalohany.

AZA MIOVA MIHITSY FA MANOMPOA AN’I JEHOVAH IRERY IHANY!

18-19. Ahoana no ampisehoantsika fa i Jehovah irery ihany no tompointsika?

18 Nanoratra momba ny faran’ny tontolon’i Satana sy momba ny tontolo vaovao ny apostoly Petera. Izao no nolazainy avy eo: “Koa satria miandry izany zavatra izany ianareo, ry malala, dia ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho hitany ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo, amin’ny farany.” (2 Pet. 3:14) Raha mankatò an’izany isika ka miezaka mafy foana mba hadio fitondran-tena sy hanompo an’i Jehovah araka izay takiny, dia ho hita hoe i Jehovah irery ihany no tompointsika.

19 Hanao izay hamitahana antsika foana i Satana sy ity tontolo ity, amin’izay zavatra hafa no hataontsika loha laharana fa tsy i Jehovah. (Lioka 4:13) Na inona na inona anefa mahazo antsika, dia tsy hamela olon-kafa na zavatra hafa haka ny toeran’i Jehovah ao am-pontsika isika. Tapa-kevitra isika hoe tsy hanompo afa-tsy i Jehovah, satria izy irery no mendrika an’izany.

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

^ feh. 5 Tiantsika ny manompo an’i Jehovah. Tena izy irery ve anefa no tompointsika? Ny fanapahan-kevitra raisintsika no ahitana ny valin’izany. Hita amin’ny safidy ataontsika amin’ny resaka vola sy fialam-boly, ohatra, raha tena i Jehovah irery ihany no tompointsika. Ireo no hodinihintsika ato.

^ feh. 53 SARY: Hoatran’ny sakafo maloto nokarakaraina tao anaty lakozia voretra ny fialam-boly misy herisetra, na herin’ny maizina, na olona maloto fitondran-tena. Tsy hihinana sakafo maloto hoatr’izany isika, dia maninona moa isika no hanao fialam-boly maloto?