Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 43

Mitarika ny Fandaminany i Jehovah

Mitarika ny Fandaminany i Jehovah

“‘Tsy amin’ny alalan’ny tafika, na ny hery, fa amin’ny alalan’ny fanahiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”​—ZAK. 4:6.

HIRA 40 An’iza moa Isika?

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tsy maintsy ataon’ny Kristianina na dia efa vita batisa aza izy?

VITA batisa ve ianao? Raha izany, dia efa nasehonao tamin’ny olona rehetra hoe mino an’i Jehovah ianao ary vonona hanompo azy miaraka amin’ny fandaminany. * Tsy maintsy miezaka foana anefa ianao mba hatoky kokoa an’i Jehovah. Mila miezaka foana koa ianao mba hatoky hoe mampiasa ny fandaminany izy amin’izao.

2-3. Inona no hita rehefa jerena ny fomba itarihan’i Jehovah ny fandaminany? Manomeza ohatra.

2 Hita amin’ny fomba itondran’i Jehovah ny fandaminana hoe hoatran’ny ahoana ny toetrany, inona no fikasany, ary inona no fitsipiny. Andao isika handinika toetrany telo hita avy amin’ny fomba itarihany ny fandaminany.

3 Voalohany, tsy manavakavaka i Jehovah. (Asa. 10:34) Be fitiavana izy ka nanome ny Zanany ho “vidim-panavotana ... mba hamonjena ny olona rehetra.” (1 Tim. 2:6; Jaona 3:16) Mampiasa ny vahoakany koa izy mba hitory ny vaovao tsara amin’izay rehetra mihaino. Manampy olona betsaka araka izay azo atao izy amin’izany mba handray soa avy amin’ny vidim-panavotana. Faharoa, tia fihavanana sy tia filaminana i Jehovah. (1 Kor. 14:33, 40; Jak. 3:17) Tsy mahagaga àry raha milamina sy mihavana tsara ny mpanompony. Fahatelo, tia mampianatra i Jehovah. (Isaia 30:20, 21) Izany no mahatonga ny fandaminana hiezaka be mba hampianatra ny Teniny. Tsy ny olona ao amin’ny fiangonana ihany anefa no ampianariny, fa ny eny amin’ny faritany koa. Ahoana no nanahafan’ny Kristianina voalohany an’ireo toetran’i Jehovah ireo? Inona no porofo hoe manana an’ireo toetra ireo koa ny vahoakan’i Jehovah amin’izao? Ary ahoana no anampian’ny fanahy masina anao mba hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fandaminany?

TSY MANAVAKAVAKA ANDRIAMANITRA

4. Inona no nasain’i Jesosy hataon’ny mpanara-dia azy, araka ny Asan’ny Apostoly 1:8? Inona no fanampiana ho azon-dry zareo?

4 Tamin’ny taonjato voalohany. Nahatonga ny olona rehetra hanana fanantenana ny hafatra notorin’i Jesosy. (Lioka 4:43) Nandidy ny mpanara-dia azy izy mba hanohy an’ilay asa efa natombony, ka hitory hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8.) Mazava ho azy fa tsy ho vitan-dry zareo irery io asa io. Nila ny fanahy masina ry zareo. Io ilay “mpanampy” nampanantenain’i Jesosy.​—Jaona 14:26; Zak. 4:6.

5-6. Ahoana no nanampian’ny fanahy masina ny mpanara-dia an’i Jesosy?

5 Nahazo fanahy masina ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33. Tonga dia nanomboka nitory ry zareo tamin’izay, ka vetivety kely dia an’arivony no nandray ny vaovao tsara. (Asa. 2:41; 4:4) Nenjehina ny Kristianina taorian’izay nefa tsy natahotra. Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra kosa ry zareo, dia nivavaka hoe: “Ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana be.” Feno fanahy masina àry ry zareo, dia nahavita “nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana” foana.​—Asa. 4:18-20, 29, 31.

6 Nanana olana hafa koa ny mpianatr’i Jesosy. Vitsy, ohatra, no nanana ny Soratra Masina tamin’izany. Tsy nanana boky fianarana Baiboly hoatr’antsika amin’izao koa ry zareo. Tsy izay ihany fa nila nitory tamin’ny fiteny isan-karazany ry zareo. Na teo aza izany rehetra izany, dia nahavita nitory ‘tamin’ny zavaboary rehetra teny ambanin’ny lanitra’ ireo mpitory mazoto ireo tao anatin’ny 30 taona teo ho eo fotsiny. (Kol. 1:6, 23) Tena tsy mampino izany!

7. Ahoana no nahafantaran’ny mpanompon’i Jehovah ny sitrapony, 100 taona mahery lasa izay? Ahoana no nataon-dry zareo avy eo?

7 Amin’izao andro izao. Mbola mitarika sy manome hery ny vahoakany i Jehovah amin’izao. Ny Teniny no tena ampiasainy mba hitarihana ny vahoakany. Nampiasa ny fanahiny masina izy mba hanampiana ny olona hanoratra azy io. Resahina ao ny fanompoan’i Jesosy, sy ilay didiny hoe tokony hanohy ny asa natombony ny mpanara-dia azy. (Mat. 28:19, 20) Izao no voalazan’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 1881 (anglisy): “Tsy hoe nifidy antsika i Jehovah mba hahatonga antsika halaza na ho lasa mpanankarena, fa mba hampiasantsika an’izay rehetra ananantsika hitoriana ny vaovao tsara.” Izao koa no voalazan’ilay bokikely hoe Iza no Nanankinana An’ilay Asa? (anglisy), navoaka tamin’ny 1919: “Tena betsaka ny asa tokony hatao. Asan’ny tompo anefa io, dia izy no hanome antsika hery hahavitana an’ilay izy.” Nanahaka ny Kristianina voalohany ireo rahalahintsika ireo. Be herim-po sy nazoto niasa ry zareo, sady natoky hoe hanampy azy hitory amin’ny olona isan-karazany ny fanahy masina. Mbola matoky koa isika hatramin’izao hoe hanampy antsika ny fanahy masina.

Mampiasa ny fitaovana tsara indrindra ny fandaminan’i Jehovah mba hampielezana ny vaovao tsara (Fehintsoratra 8-9)

8-9. Inona no nataon’ny fandaminan’i Jehovah mba hampielezana kokoa ny vaovao tsara?

8 Nampiasa ny fitaovana tsara indrindra ny fandaminana hatramin’izay ka hatramin’izao, mba hampielezana ny vaovao tsara. Anisan’izany ny zavatra vita pirinty, ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy), ny grafofaonina, ny fiara misy fanamafisam-peo, ary ny fandaharana amin’ny radio. Lasa nampiasa fitaovana elektronika sy Internet koa ny fandaminana tatỳ aoriana. Mandika teny amin’ny fiteny be dia be koa isika, ary tsy misy mahavita hoatr’izany. Amin’izay mantsy maheno ny vaovao tsara amin’ny fitenin-drazany ny karazan’olona rehetra. Efa nilaza i Jehovah hoe hotorina amin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” ny vaovao tsara. (Apok. 14:6, 7) Tiany haheno ny hafatra momba an’ilay fanjakana daholo ny olona. Tsy manavakavaka mantsy izy.

9 Tsy mora anefa ny mitory amin’ny olona sasany, satria angamba voaro be ny tranony. Nandamina fitoriana amin’ny toerana be olona àry ny fandaminan’i Jehovah, mba ho betsaka kokoa amin’ireny olona ireny no haheno ny vaovao tsara. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana, ohatra, tamin’ny 2001 hoe afaka mampiasa fampirantiana misy kodiarana sy karazana fampirantiana hafa ny mpitory any Frantsa. Nanomboka nanao an’izany koa ny mpiara-manompo tany an-tany hafa tatỳ aoriana, ary nisy vokany tsara ilay izy. Nisy fomba fitory vaovao koa natomboka tany Etazonia tamin’ny 2011. Tao amin’ny faritra be olona indrindra tao New York izy io no natao. Boky 102 129 sy gazety 68 911 no napetraka, tamin’io taona voalohany io. Nisy olona 4701 koa nangataka hianatra Baiboly. Hita amin’izany fa tena manampy ny fanahy masina. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry hoe afaka mampiasa fampirantiana ny mpitory rehetra eran-tany.

10. Inona no azontsika atao mba hahay hitory sy hampianatra kokoa?

10 Inona no azonao atao? Mampiofana antsika hitory i Jehovah any am-pivoriana, ka ampiharo tsara izay ianaranao any. Miezaha foana hitory miaraka amin’ny andia-mpitory misy anao. Afaka manampy anao hahay hitory sy hampianatra kokoa mantsy ry zareo, ary hampahery anao ny modely omeny. Tohizo foana koa ny fanompoanao na dia misy olana aza. Mampahatsiahy antsika ilay andinin-teny iorenan’ity lahatsoratra ity hoe tsy ny herintsika no hahavitantsika ny sitrapon’i Jehovah, fa ny fanahy masina. (Zak. 4:6) Asan’i Jehovah rahateo no ataontsika.

TIA FIHAVANANA SY FILAMINANA I JEHOVAH

11. Inona no porofo hoe niara-niasa ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany mba hahatonga ny vahoakan’i Jehovah hilamina?

11 Tamin’ny taonjato voalohany. Niara-niasa sy niray saina ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema, mba hahatonga ny vahoakan’i Jehovah hilamina sy hihavana. (Asa. 2:42) Ahoana, ohatra, no nataon’izy ireo rehefa nisy adihevitra momba ny famorana tamin’ny taona 49 ka lasa tsy nitovy hevitra ny fiangonana? Nandinika an’ilay izy ry zareo, ary nanampy azy ireo ny fanahy masina. Raha tsy nalamina ilay izy, dia mety ho nisy vokany ratsy tamin’ny asa fitoriana. Marina fa Jiosy ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema. Tsy nanaraka ny lovantsofina jiosy anefa ry zareo, na hoe nanaraka ny olon-kafa nanizingizina an’izany. Nandinika ny Tenin’Andriamanitra kosa izy ireo, ary nangataka ny tari-dalan’ny fanahy masina. (Asa. 15:1, 2, 5-20, 28) Notahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitr’izy ireo vokatr’izany. Lasa niray saina sy nihavana tsara koa ny fiangonana ary nitohy ny asa fitoriana.​—Asa. 15:30, 31; 16:4, 5.

12. Inona no porofo fa milamina sy mihavana tsara ny vahoakan’i Jehovah amin’izao?

12 Amin’izao andro izao. Manampy ny vahoakan’i Jehovah hilamina sy hihavana koa ny fandaminana amin’izao. Nisy lahatsoratra momba an’izany, ohatra, tao amin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy) 15 Novambra 1895. Niorina tamin’ny 1 Korintianina 14:40 ilay izy, ary izao no lohateniny: “Amim-pahamendrehana sy Amim-pilaminana.” Izao no voalaza tao: “Nilaza zavatra betsaka momba ny filaminana ny apostoly rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana ... Tokony hanaraka tsara an’ireny zavatra voasoratra taloha ireny isika, satria nosoratana ho fianarantsika izy ireny.” (Rom. 15:4) Miezaka mafy koa ny fandaminana amin’izao mba hanampiana ny fiangonana hilamina sy hihavana tsara, hoatran’ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Ahoana, ohatra, raha manatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana any amin’ny fiangonana hafa ianao, na any an-tany hafa mihitsy? Tonga dia mahazo aina tsara ianao! Efa fantatrao mantsy hoe ahoana no ho fizotran’ilay fianarana, ary inona no lahatsoratra hianarana. Ny fanahin’i Jehovah ihany no mahavita mampiray saina ny vahoakany hoatr’izany!​—Zef. 3:9.

13. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehefa mamaky ny Jakoba 3:17 isika?

13 Inona no azonao atao? Tian’i Jehovah raha ‘mitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana’ ny mpanompony. “Fatorana mampiray” mantsy izany. (Efes. 4:1-3) Eritrereto àry hoe: ‘Manampy ny fiangonana mba hilamina sy hihavana tsara ve aho? Mankatò an’ireo mitarika ve aho? Azo ianteherana ve aho, indrindra raha manana andraikitra aho eo anivon’ny fiangonana? Manaja fotoana ve aho sady mazoto manampy ny hafa?’ (Vakio ny Jakoba 3:17.) Raha hitanao hoe mbola mila miezaka ianao, dia mangataha fanahy masina amin’i Jehovah. Avelao hisy heriny eo amin’ny toetranao sy ny ataonao izy io. Arakaraka ny hanaovanao an’izany no vao mainka hahatonga ny mpiara-manompo ho tia anao sy hankasitraka an’izay ataonao ho an’ny fiangonana.

MAMPIANATRA ANTSIKA SY MANOME IZAY ILAINTSIKA I JEHOVAH

14. Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny Kolosianina 1:9, 10 tamin’ny taonjato voalohany?

14 Tamin’ny taonjato voalohany. Tena tia mampianatra ny vahoakany i Jehovah. (Sal. 32:8) Tiany hahafantatra azy sy ho tia azy ary hiaina mandrakizay izy ireo. Tsy ho tanteraka mihitsy anefa izany raha tsy mampianatra antsika izy. (Jaona 17:3) Nampiasa ny fiangonana izy tamin’ny taonjato voalohany mba hampianarana ny vahoakany. (Vakio ny Kolosianina 1:9, 10.) Nandray anjara betsaka tamin’izany ilay “mpanampy” nampanantenain’i Jesosy, izany hoe ny fanahy masina. (Jaona 14:16) Nanampy ny mpianatr’i Jesosy mba hahazo kokoa ny Tenin’Andriamanitra izy io, sady nampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nolazain’i Jesosy sy nataony. Nosoratana tao amin’ny Filazantsara izy ireny tatỳ aoriana. Nihanatanjaka àry ny finoan’ny Kristianina, sady lasa tia kokoa an’Andriamanitra sy ny Zanany ry zareo. Tsy vitan’izany fa vao mainka ry zareo nifankatia.

15. Ahoana no ahitanao hoe nanatanteraka ny fampanantenany ao amin’ny Isaia 2:2, 3 i Jehovah?

15 Amin’izao andro izao. Milaza ny Baiboly hoe “any am-parany”, dia hisy olona be dia be avy any amin’ny firenena rehetra “hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah.” Hampianariny ny fitsipiny ireo olona ireo. (Vakio ny Isaia 2:2, 3.) Tanteraka amin’izao io faminaniana io. Miharihary mantsy hoe tsara lavitra noho ny fivavahan-diso ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy vitan’izany fa omen’i Jehovah hanim-pito loha ny mpanompony. (Isaia 25:6) Mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy mba hanomezana antsika sakafo ara-panahy be dia be sy isan-karazany. (Mat. 24:45) Anisan’izany ny lahatsoratra sy lahateny ary video samihafa. Niaiky i Eliho, naman’i Joba, hoe tsy misy mpampianatra hoatran’i Jehovah. Hoatr’izany koa no tsapantsika.​—Joba 36:22.

Tokony hanohina ny fonao sy hampiharinao ny zavatra ianaranao (Fehintsoratra 16) *

16. Inona no azonao atao mba handray soa avy amin’ny fampianaran’i Jehovah?

16 Inona no azonao atao? Afaka manampy anao hampihatra an’izay vakinao sy ianaranao ao amin’ny Baiboly ny fanahy masina. Mivavaha hoatran’ilay mpanao salamo hoe: “Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô! Handeha amin’ny fahamarinanao aho. Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” (Sal. 86:11) Mazotoa foana àry mandray ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Tsy ny hahazo fahalalana fotsiny anefa no tanjonao. Tokony hanohina ny fonao sy hampiharinao koa ny zavatra ianaranao. Hanampy anao hahavita an’izany ny fanahin’i Jehovah. Mila mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy koa ianao, satria fianakavianao ry zareo. (Heb. 10:24, 25) Ahoana no hanaovanao an’izany? Manomeza valin-teny vokatry ny fo rehefa any am-pivoriana, dia manaova izay tsara indrindra vitanao rehefa mahazo anjara. Mangataha fanahy masina amin’i Jehovah mba hahavitana an’ireo. Ho hitan’i Jehovah sy ny Zanany amin’izay hoe tena tianao ny ondriny. Sarobidy amin-dry zareo mantsy izy ireny.​—Jaona 21:15-17.

17. Inona avy no azonao atao mba hampisehoana hoe manohana ny fandaminan’i Jehovah ianao?

17 Kely sisa dia tsy hisy afa-tsy ilay fandaminana tarihin’ny fanahin’Andriamanitra eto an-tany. Mazotoa àry miara-miasa amin’io fandaminana io. Manaova hoatran’i Jehovah, ka aza manavakavaka fa torio amin’ny olona rehetra ny vaovao tsara. Miezaha ho tia filaminana sy fihavanana hoatr’azy, ka ataovy izay hampiray saina ny fiangonana. Aza avela hisy handalo fotsiny koa ny hanim-pito loha karakarain’i Jehovah ho anao. Tsy hatahotra mihitsy ianao amin’izay rehefa horavana ny tontolon’i Satana. Ho be herim-po kosa ianao, ka ho anisan’ireo tsy mivadika fa manohana ny fandaminan’i Jehovah foana.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

^ feh. 5 Resy lahatra ve ianao hoe mitarika ny fandaminany i Jehovah amin’izao? Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no nataon’i Jehovah mba hitarihana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no itarihany ny vahoakany amin’izao.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Misy ampahany any an-danitra sy ampahany eto an-tany ny fandaminan’i Jehovah. Ilay ampahany eto an-tany no tiana horesahina amin’ilay hoe “fandaminana” ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 52 SARY: Anabavy mpisava lalana mijery video momba ny mpiara-manompo manitatra any an-tany hafa. Lasa te hanao hoatran-dry zareo koa izy. Tratrany ny tanjony tatỳ aoriana, satria lasa nanitatra izy.