Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1921: Zato Taona Lasa Izay

1921: Zato Taona Lasa Izay

IZAO no nanontaniana ny Mpianatra ny Baiboly tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1921: “Inona no asa miandry antsika amin’ity taona ity?” Nampahatsiahivina azy ireo fa manana andraikitra hitory ry zareo, araka ny Isaia 61:1, 2 hoe: ‘Nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra i Jehovah, [ary] hanambara ny taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana sy ny andro famalian’Andriamanitsika.’

TSY NATAHOTRA NITORY RY ZAREO

Tena nila herim-po ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy nirahina hilaza “vaovao tsara” amin’ny mpandefitra fotsiny mantsy ry zareo, fa nirahina hampitandrina ny ratsy fanahy koa hoe ho avy “ny andro famalian’Andriamanitsika.”

Sahy nitory ny rahalahy iray tany Kanada, na dia nisy nanohitra aza. J. Hoskin no anarany. Nihaona tamina mpitondra fivavahana metodista izy tamin’ny taona 1921. Hoatr’izao no nanombohany ny resaka: “Tokony hahafinaritra ny fiarahantsika midinika ny Soratra Masina, ary na misy tsy ifanarahana aza dia afaka samy mitazona ny heviny fa mpinamana foana ihany.” Hoy ihany anefa ny Rahalahy Hoskin: “Vao minitra vitsivitsy fotsiny izahay no niresaka, dia tezitra be izy sady nakaratony ny varavarana! Noheveriko fa hilatsaka mihitsy ilay fitaratra be tamin’ilay izy.”

Nivazavaza be ilay mpitondra fivavahana hoe: “Mandehana any amin’ireny tsy mpivavaka ireny!” Nifehy tena ny Rahalahy Hoskin dia tsy namaly. Sady niala anefa izy no nieritreritra hoe: ‘Ianao aza hoatran’ny tsy mpivavaka mihitsy!’

Mbola nanaratsy azy ihany ilay mpitondra fivavahana ny ampitson’iny rehefa nanao toriteny. Hoy i Hoskin: “Nampitandrina ny mpivavaka tao aminy izy hoe mbola tsy nisy mpamitaka hoatr’ahy mihitsy, hono, tao amin’ilay tanàna dia tokony hovonoina ho faty aho.” Tsy nampihontsina ny Rahalahy Hoskin anefa izany. Nitory foana izy sady nahita vokatra tsara. Hoy izy: “Mbola tsy nahafinaritra ahy hoatr’izany mihitsy ny nitory tao. Misy olona sasany aza nilaza hoe: ‘Fantatro fa olon’Andriamanitra ianao!’ Niteny koa ry zareo hoe sao dia misy azony anampiana ahy, amin’izay izaho mba tsy ory na inona na inona.”

FIANARANA SAMIRERY SY FIANARAM-PIANAKAVIANA

Nisy lahatsoratra fianarana Baiboly navoaka tao amin’ny gazety Fotoam-pahasambarana * mba hanampiana ny olona liana handroso. Anisan’izany ilay hoe Fianarana Baiboly ho An’ny Tanora. Natao hodinihin’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany izy io. Nampirisihina ry zareo mba hamaky ny fanontaniana amin’ny zanany, ary hanampy azy ireo hahita ny valiny ao amin’ny Baiboly. Natao hanampiana ny tanora hahafantatra zavatra tsotsotra ny fanontaniana sasany, ohatra hoe: “Firy ny boky ao amin’ny Baiboly?” Misy indray natao hanampiana azy ireo ho sahy hitory, ohatra hoe: “Ny tena Kristianina rehetra ve no tokony hanampo hoe henjehina?”

Misy lahatsoratra hafa natao ho an’izay efa nahay Baiboly kokoa. Nandrisika ny mpamaky hisaintsaina ny fanontaniana tao amin’izy ireny, ary tao amin’ny boky voalohany tamin’ilay hoe Fianarana ny Soratra Masina (anglisy) ny valiny. An’arivony no nandray soa tamin’ireny lahatsoratra ireny. Nilaza anefa ny gazety Fotoam-pahasambarana 21 Desambra 1921 hoe tsy hisy intsony ireo lahatsoratra roa ireo. Inona no nahatonga an’izany fiovana tampoka izany?

NISY BOKY VAOVAO NAVOAKA

Ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra

Fanamarihana pejy misy ny vakiteny tokony hatao

Karta kely misy fanontaniana

Hitan’ireo nitarika ny fandaminana hoe tokony hirindra kokoa ny fomba fianarana ny fahamarinana fototra. Navoaka tamin’ny Novambra 1921 àry ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra (frantsay). Nandefasana fomba fianarana Baiboly samirery izay olona liana nandray azy io. Nanampy azy ireo izany mba hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra hoe hanampy ny olona hiaina mandrakizay.

Nomena karta kely iray ny olona nandray an’ilay boky. Voasoratra tao amin’ilay izy hoe pejy fahafiry no tokony hovakiny. Nomena karta kely hafa izy ny herinandro manaraka, dia fanontaniana momba an’izay novakiny no nisoratra tao. Voasoratra tamin’ny faran’iny karta iny hoe pejy fahafiry indray no tokony hovakiny aorian’izay.

Nahazo karta vaovao foana ilay olona isan-kerinandro, nandritra ny telo volana. Ny fiangonana teo akaiky teo no nandefa an’ilay izy tamin’ny paositra. Ny mpitory be taona na tsy afaka nivoaka ny trano matetika no nikarakara an’ireny karta ireny. Nandray soa tamin’izany i Thayle, rahavavin’i Anna Gardner, anabavy avy any Millvale, any Etazonia. Tsy dia afaka nandeha an-tongotra firy mantsy i Thayle. Nitantara i Anna hoe: “Lasa afaka nanompo bebe kokoa ny rahavaviko rehefa nivoaka ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra. Nikarakara an’ireny karta kely nisy fanontaniana ireny mantsy izy.” Rehefa vita hatramin’ny farany ilay fianarana, dia nisy mpitory nitsidika an’ilay olona mba hanampy azy hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly.

Thayle Gardner, eo ambonin’ny seza misy kodiarana

MBOLA BETSAKA NY ASA NIANDRY

Nanoratra ho an’ny fiangonana rehetra ny Rahalahy J. Rutherford rehefa nifarana ny taona. Izao no nosoratany: “Tena betsaka ny fitoriana vitantsika sy ny vokatra tsara azontsika tamin’ity taona ity, ary mihoatra noho ny hatramin’izay izany.” Hoy koa anefa izy: “Mbola betsaka ny asa miandry antsika! Ampirisiho ny hafa mba hanampy antsika amin’io asa mahafinaritra be io.” Hita hoe nanaraka ny teniny ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy natahotra nitory momba an’ilay Fanjakana ry zareo, ka tena niavaka ny zava-bitany tamin’ny 1922.

^ feh. 9 Novana hoe Fampiononana (frantsay) ny anaran’io gazety io tamin’ny 1937, ary lasa hoe Mifohaza! tamin’ny 1946.