Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 40

Inona no Atao hoe Tena Mibebaka?

Inona no Atao hoe Tena Mibebaka?

‘Tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka aho.’​—LIOKA 5:32.

HIRA 36 Arovy ny Fonao

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no tsy mampitovy an’i Ahaba sy Manase? Inona ny fanontaniana hodinihintsika ato?

HANDINIKA ny tantaran’ny mpanjaka roa niaina efa ela be isika ato. Ny iray nitondra tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, dia ny iray nanjaka tao amin’ny fanjakan’ny foko roan’ny Joda. Betsaka ny zavatra nitovizan-dry zareo, na dia samy hafa aza ny fotoana niainany. Samy nikomy tamin’i Jehovah, ohatra, ry zareo ary samy nitaona ny vahoakany hanota. Samy nanompo sampy sy namono olona koa ry zareo. Misy tsy mampitovy an’ireo lehilahy roa ireo ihany anefa. Ny iray tsy niova mihitsy fa nanao ratsy foana mandra-pahafatiny. Ny iray indray nibebaka, ka nahazo famelan-keloka na dia faran’izay ratsy aza ny nataony. Fantatrao ve ny anaran’ireo mpanjaka ireo?

2 I Ahaba mpanjakan’ny Israely ny iray, dia i Manase mpanjakan’ny Joda ny iray. Hianatra betsaka momba ny fibebahana isika rehefa mandinika ny fahasamihafan’ireo lehilahy ireo. (Asa. 17:30; Rom. 3:23) Fa inona moa no atao hoe mibebaka? Ary ahoana no ampisehoan’ny olona iray hoe mibebaka izy? Tena mila mahafantatra ny valin’ireo isika, satria tiantsika raha mamela ny fahotantsika i Jehovah. Hodinihintsika ato àry hoe inona no azo ianarana avy amin’i Ahaba sy Manase, ary inona no nampianarin’i Jesosy momba ny fibebahana.

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’I AHABA?

3. Mpanjaka hoatran’ny ahoana i Ahaba?

3 Mpanjaka fahafito tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely i Ahaba. Nanambady an’i Jezebela, zanaky ny mpanjakan’i Sidona, izy. Tanàna tany avaratra io Sidona io ary nanankarena be. Lasa nanankarena be koa angamba ny firenen’Israely noho i Ahaba nanambady an’i Jezebela. Vao mainka nanota tamin’i Jehovah anefa ilay firenena, vokatr’io fanambadiana io. Mpanompon’i Bala mantsy i Jezebela, dia nampirisika an’i Ahaba mba hanaraka an’io fivavahana maharikoriko io. Nivaro-tena tao amin’ny toeram-pivavahan-dry zareo ny mpanompon’i Bala, ary nanao sorona ankizy mihitsy aza. Natahorana ny ain’ny mpaminanin’i Jehovah rehetra, tamin’i Jezebela nanana fahefana. Betsaka tamin’izy ireny no nasainy novonoina ho faty. (1 Mpanj. 18:13) Na i Ahaba koa aza “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany.” (1 Mpanj. 16:30) Tsy jamba anefa i Jehovah ka hoe tsy nahita ny nataon’i Ahaba sy Jezebela. Fantany tsara ny nataon’izy mivady. Na izany aza dia namindra fo izy ka naniraka an’i Elia mpaminany, mba hampitandrina an-dry zareo sy ny vahoaka hoe mila miova ry zareo dieny mbola tsy tara loatra. Tsy nety nihaino anefa i Ahaba sy Jezebela.

4. Inona ny sazy nolazain’i Jehovah fa hampihariny amin’i Ahaba? Inona no vokatr’izany?

4 Nisy fetrany anefa ny faharetan’i Jehovah. Naniraka an’i Elia izy tamin’ny farany mba hilaza tamin’i Ahaba sy Jezebela hoe hosaziny ry zareo. Nasainy niteny tamin-dry zareo i Elia hoe hataony tsy misy miangana ny fianakavian’i Ahaba. Kivy be i Ahaba tamin’izay! Mahagaga fa “nanetry tena” io lehilahy nanambony tena io.​—1 Mpanj. 21:19-29.

Hita hoe tsy tena nibebaka i Ahaba Mpanjaka satria nalefany tany am-ponja ny mpaminanin’Andriamanitra (Fehintsoratra 5-6) *

5-6. Ahoana no ahitantsika fa tsy tena nibebaka i Ahaba?

5 Marina fa nanetry tena i Ahaba tamin’iny fotoana iny. Hita tamin’ny zavatra nataony taorian’izay anefa fa tsy tena nibebaka izy. Tsy niezaka nanakana ny vahoakany mba tsy hanompo an’i Bala, ohatra, izy sady tsy nampirisika an-dry zareo hanompo an’i Jehovah. Nisy porofo hafa koa anefa nahitana hoe tsy nibebaka izy.

6 Handeha hiady amin’ny Syrianina i Ahaba tatỳ aoriana, dia niantso an’i Josafata mpanjakan’ny Joda mba hiaraka hiady aminy. Mpanjaka tsara i Josafata ary natoky an’i Jehovah. Niteny tamin’i Ahaba izy hoe aleo aloha manontany ny mpaminanin’i Jehovah, izay vao mandeha miady. Tsy nanaiky i Ahaba tamin’ny voalohany. Izao no noteneniny: “Mbola misy lehilahy iray any azo asaina manontany an’i Jehovah. Tena halako anefa izy satria tsy mba maminany zava-tsoa momba ahy, fa zava-dratsy.” I Mikaia io mpaminany io, ary naka hevitra taminy ihany ry zareo. Marina ny tenin’i Ahaba satria naminany zavatra ratsy momba azy i Mikaia. Dia ahoana no nataon’i Ahaba? Ilay mpaminany indray no nogadrainy, fa tsy nibebaka izy na nangataka famelana tamin’i Jehovah! (1 Mpanj. 22:7-9, 23, 27) Na izany aza, dia tsy vitan’i Ahaba ny nisakana an’ilay faminaniana tsy ho tanteraka. Maty tany an’ady mantsy izy!​—1 Mpanj. 22:34-38.

7. Inona no nolazain’i Jehovah momba an’i Ahaba taorian’ny nahafatesany?

7 Nampahafantarin’i Jehovah hoe ahoana no fiheverany an’i Ahaba, taorian’ny nahafatesany. Rehefa tafody soa aman-tsara i Josafata Mpanjaka, dia naniraka an’i Jeho mpaminany i Jehovah mba hiteny aminy hoe tsy tokony ho nanampy an’i Ahaba izy. Izao no nolazain’i Jeho taminy: “Ny ratsy fanahy indray ve no tokony hampiana, ary izay mankahala an’i Jehovah ve no tokony ho tianao?” (2 Tan. 19:1, 2) Mariho fa nilaza ilay mpaminany hoe ratsy fanahy i Ahaba sady nankahala an’i Jehovah. Tsy ho nilaza an’izany mihitsy izy raha tena nibebaka i Ahaba. Hita amin’izany fa tsy tena nibebaka i Ahaba na dia nanenina ihany aza.

8. Inona no ianarantsika momba ny hoe mibebaka, rehefa dinihina ny nataon’i Ahaba?

8 Inona no ianarantsika avy amin’i Ahaba? Nanetry tena izy tamin’ny voalohany, rehefa naheno an’ilay hafatra nampitain’i Elia hoe hisy loza hanjo ny fianakaviany. Efa tsara izany! Tsy tena nibebaka anefa izy, rehefa jerena ny zavatra nataony tatỳ aoriana. Ny mibebaka àry dia tsy midika fotsiny hoe malahelo amin’izay ratsy natao. Fa inona no atao hoe tena mibebaka? Handinika ny tantaran’i Manase indray izao isika mba hamaliana an’izany.

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’I MANASE?

9. Mpanjaka hoatran’ny ahoana i Manase?

9 Lasa mpanjakan’ny Joda i Manase, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Ratsy noho ny fahotana vitan’i Ahaba angamba no vitany! Izao no lazain’ny Baiboly: “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.” (2 Tan. 33:1-9) Nanorina alitara ho an’ny andriamani-diso izy, ary nasiany tsato-kazo masina natao sokitra mihitsy aza tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Sarin’ny andriamanibavin’ny fahavokarana angamba izy io. Nampiasa herin’ny maizina sy nanao sikidy ary nilalao ody koa izy, ary ‘be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsany.’ Na ny zanany aza nodorany tao anaty afo mba hatao sorona ho an’ny andriamani-diso.​—2 Mpanj. 21:6, 7, 10, 11, 16.

10. Ahoana no nanasazian’i Jehovah an’i Manase? Ary inona no vokatr’izany taminy?

10 Nanao hoatran’i Ahaba i Manase. Tsy nety nihaino ny mpaminany nirahin’i Jehovah hampitandrina azy izy. “Nentin’i Jehovah hanafika [ny Joda] ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asyria” tamin’ny farany. “Nosamborin’izy ireo tany an-tsefatsefaky ny harambato i Manase, ka nasiany gadra varahina roa ny tongony, ary nentiny tany Babylona izy.” Azo inoana hoe nieritreritra be momba ny fahotana vitany i Manase, tamin’izy nigadra tany Babylona. ‘Tena nanetry tena teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razany’ izy avy eo. “Niezaka nampitony an’i Jehovah Andriamaniny” koa izy, ary ‘tsy nitsahatra nivavaka taminy.’ Hita hoe niova io lehilahy ratsy fanahy io. Nanomboka nihevitra an’i Jehovah ho “Andriamaniny” izy, ary nivavaka taminy foana.​—2 Tan. 33:10-13.

Hita hoe tena nibebaka i Manase Mpanjaka satria nampirisika ny olona mba tsy hanompo andriamani-diso intsony (Fehintsoratra 11) *

11. Araka ny 2 Tantara 33:15, 16, ahoana no nampisehoan’i Manase fa tena nibebaka izy?

11 Namaly ny vavaka nataon’i Manase i Jehovah tatỳ aoriana. Hitany tamin’ny vavaka nataony hoe efa niova ny fony. Nampihetsi-po an’i Jehovah ny fitalahoany famelan-keloka, dia navelany ho lasa mpanjaka indray izy. Nanao izay rehetra azo natao i Manase mba hanaporofoana hoe tena nibebaka. Tsy nanao hoatran’i Ahaba izy fa niova. Niezaka nanarina ny ratsy vitany izy rehefa antitra. Nampirisika ny olona izy mba tsy hanompo andriamani-diso intsony fa hanompo an’i Jehovah. (Vakio ny 2 Tantara 33:15, 16.) Tsy maintsy be herim-po sy nanam-pinoana i Manase vao nahavita an’izany. Efa an-taonany maro mantsy izy no nampirisika ny olona hanao ratsy, anisan’izany ny fianakaviany sy ny olona ambony ary ny vahoaka. Azo inoana fa modely ho an’i Josia zafikeliny izy rehefa niova, ka lasa mpanjaka tena tsara i Josia.​—2 Mpanj. 22:1, 2.

12. Hoatran’ny ahoana ny atao hoe tena mibebaka, raha ny tantaran’i Manase no jerena?

12 Inona no ianarantsika avy amin’i Manase? Nanetry tena izy. Tsy izay ihany anefa no nataony. Nivavaka koa izy ary niangavy an’i Jehovah mba hamindra fo taminy. Ankoatra izany, dia nanova ny fanaony izy. Niezaka mafy izy mba hanarina ny ratsy vitany sy hanompo an’i Jehovah ary hanampy ny hafa hanao an’izany koa. Manome fanantenana ho an’izay nahavita fahotana faran’izay ratsy ny tantaran’i Manase. Voaporofo mazava tsara amin’izy io mantsy hoe “tsara toetra sy vonona hamela heloka” i Jehovah Andriamanitra. (Sal. 86:5) Mbola afaka mahazo famelan-keloka àry izay tena mibebaka.

13. Hazavao amin’ny ohatra ny atao hoe mibebaka.

13 Tsy hoe nalahelo noho ny fahotana vitany fotsiny i Manase. Mampianatra antsika lesona lehibe momba ny fibebahana izany. Andao hatao hoe te hividy gatô ianao, dia mankany amin’ny mpivarotra. Rehefa tonga any anefa ianao, dia atody no omeny anao. Ho ampy anao ve izany? Mazava ho azy fa tsia! Ahoana anefa raha hazavain’ilay mpivarotra aminao hoe tena ilaina ny atody mba hanamboarana gatô? Ho afa-po amin’izay ve ianao? Tsia! Hoatr’izany koa i Jehovah. Fibebahana no angatahany amin’ny olona nanota. Efa tsara raha malahelo noho ny fahotana vitany ilay olona. Tafiditra amin’ny hoe mibebaka mantsy izany, ary tena ilaina. Tsy ampy anefa izany. Fa inona koa no ilaina? Manampy antsika hahafantatra an’izany ny fanoharana iray mampihetsi-po nolazain’i Jesosy.

AHOANA NO HAHAFANTARANA RAHA TENA MIBEBAKA NY OLONA IRAY?

Nanao dia lavitra mba hiverenana tany an-tranony ilay zanaka adala rehefa tonga saina (Fehintsoratra 14-15) *

14. Ahoana no nampisehoan’ilay zanaka adala hoe efa nanomboka nibebaka izy?

14 Nilaza fanoharana mampihetsi-po momba an’ilay zanaka adala i Jesosy, ao amin’ny Lioka 15:11-32. Resahina ao hoe nikomy tamin’ny rainy ny tovolahy iray, dia niala tao an-trano ary nankany “an-tany lavitra.” Naditra be izy tany sady naloto fitondran-tena. Nijaly anefa izy avy eo, dia lasa nandinika tsara ny fiainany. Nilaza i Jesosy fa “tonga saina” ilay tovolahy. Hitany hoe tsara lavitra ny fiainany tamin’izy tany amin’ny dadany. Nanapa-kevitra hody sy hifona aminy àry izy. Tena tsara rehefa tonga saina izy hoe ratsy be ny nataony. Ampy ve anefa izany? Tsia. Nila nanao zavatra izy.

15. Ahoana no nampisehoan’ilay zanaka adala fa nibebaka izy?

15 Nasehon’ilay zanaka adala hoe tena nibebaka izy. Nanao dia lavitra izy mba hiverenana any an-tranony. Nanatona ny dadany izy rehefa tonga ary nilaza taminy hoe: “Efa nanota tamin’ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho.” (Lioka 15:21) Tena vokatry ny fony ireo teny ireo, ary hita amin’izany hoe te hifandray amin’i Jehovah indray izy. Niaiky koa izy hoe nandratra ny fon’ny dadany ny ditrany. Vonona hiezaka mafy izy mba hankasitrahan’ny dadany indray. Tsy nampaninona azy na dia hataony hoatran’ny olona karamainy aza. (Lioka 15:19) Tsy tantara mampihetsi-po fotsiny io nolazain’i Jesosy io. Tokony hahaliana ny anti-panahy ny toro lalana ao. Afaka manampy an-dry zareo mantsy izany mba hamantatra raha tena nibebaka ny rahalahy na anabavy iray nanao fahotana lehibe.

16. Nahoana no mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny hamantatra raha tena mibebaka ny olona iray na tsia?

16 Tsy mora amin’ny anti-panahy ny mamantatra raha tena nibebaka ny olona iray nanao fahotana lehibe. Fa maninona? Satria ry zareo tsy mahita ny any am-po. Tsy maintsy mitady porofo àry ry zareo hoe efa lasa mankahala tanteraka ny fahotana vitany ilay rahalahy na anabavy nanota. Mety tsy ho resy lahatra ny anti-panahy mandamina an’ilay raharaha hoe tena nibebaka izy, raha faran’izay ratsy ilay fahotana vitany sady tsy menatra akory izy nanao an’ilay izy.

17. a) Manomeza ohatra mampiseho hoe mety ho tsy tena mibebaka ny olona iray, na dia milaza aza izy fa malahelo noho ny ratsy nataony. b) Araka ny Matio 3:8, inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray raha te hampiseho izy hoe tena mibebaka?

17 Eritrereto, ohatra, hoe nanitsakitsa-bady ny rahalahy iray nandritra ny taona maro. Tsy nangataka fanampiana izy fa nafeniny tamin’ny vadiny sy ny namany ary ny anti-panahy ny nataony. Tratra ihany izy tamin’ny farany. Niaiky ny zavatra ratsy nataony izy, ary hoatran’ny hoe manenina be rehefa nilaza taminy ny anti-panahy hoe manana porofo ry zareo. Midika ve izany fa tena mibebaka izy? Tsy fihetseham-po fotsiny no tokony hodinihin’ny anti-panahy rehefa mandamina raharaha hoatr’izany. Tsy hoe sendra tsy nahay nanapa-kevitra ilay rahalahy dia nanota indray mandeha. Nanao fahotana lehibe nandritra ny taona maro kosa izy. Ankoatra izany, dia tsy nibaboka ny ratsy nataony izy fa olon-kafa no nitatitra tany amin’ny anti-panahy. Tokony hitady porofo àry ny anti-panahy hoe tena niova ny fomba fisainan’ilay olona sy ny fihetseham-pony ary ny fitondran-tenany. (Vakio ny Matio 3:8.) Mety ho elaela ilay lehilahy vao hahavita hiova. Azo inoana àry hoe horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana izy, ary tsy ho voaray indray raha tsy manaporofo hoe tena mibebaka.​—1 Kor. 5:11-13; 6:9, 10.

18. Ahoana no azon’ny olona voaroaka ampisehoana hoe tena mibebaka izy, ary inona no ho vokatr’izany?

18 Inona no tokony hataon’ny olona voaroaka mba hampisehoana hoe tena mibebaka izy? Mila mivory foana izy, ary manaraka ny torohevitry ny anti-panahy ka mivavaka sy mianatra Baiboly tsy tapaka. Tokony hiezaka mafy koa izy mba hanalavitra an’izay rehetra nahatonga azy hanota. Inona no ho vokany raha manao izay rehetra azo atao izy mba hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah? Afaka matoky izy hoe hamela azy tanteraka i Jehovah, ary handray azy ho anisan’ny fiangonana indray ny anti-panahy. Tsy mitovy anefa ny toe-javatra misy ny olona tsirairay. Noho izany, dia handinika tsara ny ezaka ataon’ilay olona ny anti-panahy mba hahitana raha tena mibebaka izy. Hiezaka koa izy ireo mba hahay handanjalanja amin’izay zavatra andrasany amin’ilay olona.

19. Inona no atao hoe tena mibebaka? (Ezekiela 33:14-16)

19 Hitantsika àry fa ny hoe tena mibebaka dia tsy midika fotsiny hoe milaza fa malahelo noho ny fahotana vita. Tsy maintsy manova ny fomba fisainany sy ny any am-pony koa ny olona iray raha tena mibebaka, ka ho hita amin’izay ataony hoe tena niova izy. Tsy mamerina an’ilay fahotana intsony, ohatra, izy ary mankatò ny fitsipik’i Jehovah indray. (Vakio ny Ezekiela 33:14-16.) Ny hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy.

AMPIO HIBEBAKA NY MPANOTA

20-21. Ahoana no azontsika anampiana olona nanao fahotana lehibe?

20 Te hanampy ny mpanota hibebaka i Jesosy. Anisan’ny fanompoany izany sady zava-dehibe taminy. Izao no noteneniny: ‘Tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka aho.’ (Lioka 5:32) Izany koa no tokony ho faniriantsika. Ahoana àry raha fantatrao hoe misy namanao nanao fahotana lehibe? Inona no tokony hataonao?

21 Raha manarontsarona ny fahotany ianao, dia vao mainka izany hanimba azy. Tsy hahavita hanafina an’izany rahateo ianao, satria hitan’i Jehovah ny zava-drehetra. (Ohab. 5:21, 22; 28:13) Hanampy azy kosa ianao raha mampahatsiahy azy hoe te hanampy azy ny anti-panahy. Raha tsy manaiky hiresaka ny fahotany amin’ny anti-panahy anefa izy, dia ianao no tokony hampahafantatra an’izany amin-dry zareo. Hasehonao amin’izany hoe tena te hanampy azy ianao. Atahorana tsy hinamana amin’i Jehovah intsony mantsy izy raha tsy mahazo fanampiana!

22. Inona no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Ahoana anefa raha noroahina ny olona iray satria nanao fahotana tena ratsy be sady nandritra ny taona maro? Midika ve izany hoe tsy namindra fo taminy ny anti-panahy? Handinika an’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Horesahintsika koa hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa mamindra fo izy rehefa manitsy ny mpanota, ary ahoana no azontsika anahafana azy.

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

^ feh. 5 Raha tena mibebaka ny olona iray, dia tsy hilaza fotsiny hoe malahelo noho ny fahotana vitany. Handinika ny tantaran’i Ahaba Mpanjaka sy Manase Mpanjaka ary ilay zanaka adala ao amin’ny fanoharan’i Jesosy isika, mba hahafantarantsika ny dikan’ny hoe tena mibebaka. Horesahintsika koa hoe inona no tsy maintsy dinihin’ny anti-panahy, mba hahafantarana raha tena mibebaka ny rahalahy na anabavy iray nanao fahotana lehibe.

^ feh. 60 SARY: Tezitra be i Ahaba Mpanjaka dia nibaiko ny mpiambina mba handefa an’i Mikaia mpaminany any am-ponja.

^ feh. 62 SARY: Manase Mpanjaka mandidy ny mpiasany mba hanapotika an’ireo sampy napetrany tao amin’ny tempoly.

^ feh. 64 SARY: Ilay zanaka adala. Vizana be izy satria avy nanao dia lavitra. Maivamaivana anefa izy rehefa mahatazana ny tranony.