Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 42

Mifikira Amin’ny Fahamarinana!

Mifikira Amin’ny Fahamarinana!

“Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.”​—1 TES. 5:21.

HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana no be dia be ny olona tsy mahafantatra intsony hoe iza no fivavahana marina?

BETSAKA ny fivavahana milaza azy ho Kristianina sy mieritreritra hoe eken’Andriamanitra ny fomba anompoan’izy ireo azy. Lasa tsy hitan’ny olona intsony àry izay tena marina. Betsaka no manontany hoe: “Iray ihany ve ny fivavahana marina, sa mampifaly an’Andriamanitra ny fivavahana rehetra?” Ary isika? Resy lahatra tanteraka ve isika hoe mampianatra ny marina isika Vavolombelon’i Jehovah, ary eken’i Jehovah ny fomba anompoantsika azy? Afaka ny ho resy lahatra tanteraka momba an’izany ve isika? Handinika porofo maromaro isika ato.

2. Nahoana ny apostoly Paoly no resy lahatra hoe nahita ny fahamarinana? (1 Tesalonianina 1:5)

2 Resy lahatra tanteraka ny apostoly Paoly hoe nahita ny fahamarinana. (Vakio ny 1 Tesalonianina 1:5.) Tsy fihetseham-po fotsiny no nahatonga an’izany. Nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra kosa izy. Nino izy hoe “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Tim. 3:16) Rehefa nianatra azy io izy, dia nahita porofo tsy azo lavina hoe i Jesosy ilay Mesia nampanantenaina, na dia tsy nety nino an’izany aza ny mpitondra fivavahana jiosy. Nilaza ho nisolo tena an’Andriamanitra ireny mpitondra fivavahana ireny, nefa nihatsaravelatsihy satria nanao zavatra halany. (Tit. 1:16) Tsy nanao hoatran-dry zareo i Paoly. Tsy nifidifidy an’izay tiany hinoana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. Vonona hampianatra sy hampihatra “ny sitrapon’Andriamanitra rehetra” kosa izy.​—Asa. 20:27.

3. Tsy maintsy voavaly daholo ve ny fanontaniantsika, izay isika vao afaka ny ho resy lahatra tanteraka hoe nahita ny marina? (Jereo koa ilay hoe “ ‘Maro Loatra ka Tsy ho Voatanisa’ ny Asan’i Jehovah sy ny Fikasany.”)

3 Mieritreritra ny olona sasany hoe tokony hahavita hamaly ny fanontaniana rehetra ny fivavahana marina, na dia fanontaniana tsy voavaly ao amin’ny Baiboly aza. Mitombina ve izany? Mamaly an’izany ny ohatra navelan’i Paoly. Nampirisika ny mpiara-manompo taminy izy mba ‘hamantatra tsara ny zava-drehetra’, nefa na izy aza niaiky hoe be dia be ny zavatra tsy azony. (1 Tes. 5:21) Izao no nosoratany: “Ampahany ihany ny fahalalantsika. ... Mahita manjavozavo eo amin’ny fitaratra metaly isika.” (1 Kor. 13:9, 12) Tsy ny zava-drehetra àry no nazava tamin’i Paoly, hoatr’antsika ihany. Nahafantatra ny fahamarinana fototra momba ny fikasan’i Jehovah anefa izy. Ampy azy izany mba ho resy lahatra hoe nahita ny marina izy.

4. Inona no azontsika atao mba ho resy lahatra kokoa hoe nahita ny fahamarinana? Inona no horesahintsika ato?

4 Inona no hanampy antsika mba ho resy lahatra kokoa hoe nahita ny marina? Azo atao ny mampitaha ny fomba fanompoana an’i Jehovah natoron’i Jesosy sy izay ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao. Andao àry isika hiresaka an’ireto zavatra efatra mampiavaka ny tena Kristianina ireto: 1) Tsy manompo sampy, 2) manaja ny anaran’i Jehovah, 3) tia ny fahamarinana, ary 4) mifankatia be.

TSY MANOMPO SAMPY ISIKA

5. Raha jerena ny nataon’i Jesosy, dia ahoana no tokony hanompoantsika an’Andriamanitra? Ahoana no azontsika ampiharana an’izay nampianariny?

5 Tena tia an’i Jehovah Andriamanitra i Jesosy ka izy irery ihany no notompoiny, na tamin’izy tany an-danitra na tamin’izy tetỳ an-tany. (Lioka 4:8) Nampianariny hanao an’izany koa ny mpianany. Tsy nampiasa sary mihitsy na i Jesosy na ny mpianany tsy nivadika, rehefa nanompo an’Andriamanitra. Fanahy mantsy Andriamanitra, ka tsy hisy hahavita hanao sary mitovitovy aminy akory! (Isaia 46:5) Misy koa lazaina hoe olo-masina, dia mivavaka amin’ny sarin’izy ireny ny olona. Mety ve izany? Izao no nolazain’i Jehovah ao amin’ny didy faharoa amin’ny Didy Folo: “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany ... Aza miankohoka eo anatrehan’ireny.” (Eks. 20:4, 5) Rehefa mamaky an’ireo teny ireo ny olona te hampifaly an’Andriamanitra, dia azony tsara hoe tsy tian’Andriamanitra hampiasa sary isika rehefa mivavaka aminy.

6. Ny modelin’iza no arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

6 Miaiky ny mpahay tantara hoe nanompo an’Andriamanitra irery ihany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Milaza, ohatra, ny boky Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy) hoe “naharikoriko” ny Kristianina voalohany na dia ny nieritreritra fotsiny aza hoe hasiana sary any amin’ny toeram-pivavahan-dry zareo. Manaraka ny modely navelan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mivavaka amin’ny olona lazaina hoe “masina” isika, sady tsy mivavaka amin’ny anjely. Na i Jesosy aza tsy ivavahantsika. Tsy manangan-tsaina koa isika, na manao zavatra mahatonga antsika ho hoatran’ny hoe manompo ny tanindrazana na ny fitondrana. Na inona na inona mitranga, dia tapa-kevitra isika fa hankatò ny tenin’i Jesosy hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao.”​—Mat. 4:10.

7. Inona no tena mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana hafa?

7 Tena be mpitia ireny mpitondra fivavahana malaza ireny. Feno hipoka ny fiangonana tarihin’izy ireny. Betsaka koa no mividy ny boky avoakany sy manome vola be mba hanohanana azy sy ny fikambanany. Ankoatra izany, dia mino an’izay rehetra teneniny ny olona sasany. Misy koa manindrahindra be azy ireny ka lasa hoatran’ny hoe manompo azy mihitsy. Raha i Jesosy aza no teo, dia angamba tsy hanindrahindra be azy hoatr’izany ry zareo! Tsy manaraka olona kosa ny tena mpanompon’i Jehovah. Marina fa manaja an’ireo mitarika antsika isika, nefa manaraka ny fampianarana mazava nolazain’i Jesosy hoe: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Mat. 23:8-10) Tsy manindrahindra olona isika, na mpitondra fivavahana izany na mpanao politika. Tsy manohana ny tanjon-dry zareo koa isika. Misaraka amin’ity tontolo ity isika ka tsy miditra amin’ny politika mihitsy. Asehontsika amin’izany hoe tena miavaka amin’ireo fivavahana maro milaza azy ho Kristianina isika.​—Jaona 18:36.

MANAJA NY ANARAN’I JEHOVAH ISIKA

Mirehareha ny tena Kristianina hoe mampahafantatra an’i Jehovah amin’ny olona (Fehintsoratra 8-10) *

8. Inona no porofo fa tian’i Jehovah homena voninahitra ny anarany sady tiany ho fantatry ny olona rehetra?

8 Nivavaka hoatr’izao i Jesosy indray mandeha: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Namaly tamin’ny feo mafy be hoatran’ny kotroka i Jehovah, dia nampanantena hoe hanome voninahitra ny anarany. (Jaona 12:28) Nanome voninahitra ny anaran’ny Rainy koa i Jesosy nandritra ny fanompoany. (Jaona 17:26) Tokony hirehareha àry ny tena Kristianina hoe mampiasa ny anaran’Andriamanitra sy mampahafantatra azy io amin’ny olona.

9. Ahoana no nanaporofoan’ny Kristianina voalohany hoe nanaja ny anaran’Andriamanitra ry zareo?

9 Nanomboka “nihevitra ny hafa firenena” i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, “mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.” (Asa. 15:14) Niforona vao haingana ny fiangonana kristianina tamin’izany. Nirehareha ireo Kristianina ireo hoe nampiasa ny anaran’Andriamanitra sy nampahafantatra an’izany tamin’ny olona. Nampiasa matetika an’io anarana io ry zareo teny amin’ny fanompoana sy tao amin’ny zavatra nosoratany. * Hita amin’izany hoe tena vahoaka mitondra ny anaran’Andriamanitra ry zareo, satria nampahafantatra ny anarany.​—Asa. 2:14, 21.

10. Inona no porofo hoe mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah?

10 Mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra koa ve ny Vavolombelon’i Jehovah? Diniho ireto porofo ireto. Be dia be ny mpitondra fivavahana nanao izay rehetra azony natao mba hanafenana ny anaran’Andriamanitra. Nesorin-dry zareo tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboliny, ohatra, io anarana io. Misy aza mandrara ny hampiasana azy io amin’ny fotoam-pivavahany. * Ary ny Vavolombelon’i Jehovah? Misy afaka mandà ve hoe ry zareo irery no manome ny haja sy ny voninahitra mendrika an’io anarana io? Tsy misy fivavahana mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra mihoatra noho isika. Hita amin’izany fa miezaka mafy isika mba hifanaraka amin’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny ataontsika. (Isaia 43:10-12) Naverintsika tamin’ny toerana tokony hisy azy koa ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Maherin’ny 240 tapitrisa no efa navoakantsika tamin’io Baiboly io. Mamoaka boky sy gazety ahitana ny anarana hoe Jehovah koa isika, ary misy amin’ny fiteny 1000 mahery izy ireny.

TIA NY FAHAMARINANA ISIKA

11. Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina voalohany hoe tia ny fahamarinana ry zareo?

11 Tia ny fahamarinana i Jesosy, izany hoe ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Nampifanarahany tamin’izany koa ny fiainany, sady nampahafantatra ny fahamarinana tamin’ny olona izy. (Jaona 18:37) Nanahaka an’i Jesosy ny tena mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany. (Jaona 4:23, 24) Tena tia ny fahamarinana ry zareo ka nanda an’izay rehetra nifanipaka tamin’izany, na hevitra naelin’ny fivavahana izany, na hevitr’olona, na fombafomba. (Kol. 2:8) Niainan-dry zareo mihitsy ny fahamarinana. Nantsoin’ny apostoly Petera hoe “lalan’ny fahamarinana” ny fivavahana kristianina. (2 Pet. 2:2) Miezaka ‘mandeha ao amin’ny fahamarinana foana’ koa ny Kristianina amin’izao. (3 Jaona 3, 4) Izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ihany àry no inoany, ary ataony mifanaraka amin’izay voalaza ao ny fomba fiainany.

12. Inona no ataon’ireo mitarika antsika rehefa hitany hoe misy tokony hahitsy? Nahoana ry zareo no manao an’izany?

12 Tsy milaza isika Vavolombelon’i Jehovah hoe azontsika tsara foana izay rehetra resahin’ny Baiboly. Efa nisy diso, ohatra, ny fomba nanazavantsika ny fampianarana tao amin’ny Baiboly. Tsy nety koa ny lamina sasany napetraka teo anivon’ny fiangonana. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Voalaza mazava ao amin’ny Baiboly mantsy fa hihamazava ny fahamarinana rehefa mandeha ny fotoana. (Kol. 1:9, 10) Mampahafantatra tsikelikely ny fahamarinana i Jehovah, ary tsy maintsy vonona hiandry isika mandra-pahazava kokoa an’izany. (Ohab. 4:18) Inona, ohatra, no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana rehefa hitany hoe tokony hahitsy ny fahazoantsika ny zavatra sasany? Tsy misalasala manao fanovana ry zareo. Betsaka amin’ny fivavahana milaza azy ho Kristianina no manao fanovana, mba hampifaliana ny mpivavaka ao aminy na mba heken’ity tontolo ity. Ny fandaminana kosa manao fanovana satria te hanampy antsika mba ho akaiky kokoa an’Andriamanitra, sady te hanaraka akaiky kokoa ny fomba anompoana an’i Jehovah natoron’i Jesosy. (Jak. 4:4) Manao fanovana àry isika satria mahazo kokoa an’izay lazain’ny Soratra Masina, fa tsy hoe te hanaraka an’izay eken’ny besinimaro na angatahany. Tena tiantsika ny fahamarinana!​—1 Tes. 2:3, 4.

MIFANKATIA BE ISIKA

13. Inona no toetra mampiavaka ny tena Kristianina? Inona no porofo fa manana azy io ny Vavolombelon’i Jehovah?

13 Be dia be ny toetra nampiavaka ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fa ny fitiavana no tena nisongadina. Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:34, 35) Mifankatia sy miray saina koa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Miavaka amin’ny fivavahana hafa isika, satria mifankatia hoatran’ny fianakaviana iray na dia avy amin’ny firenena sy kolontsaina samy hafa aza. Mahita porofon’izany isika any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe. Rehefa mieritreritra an’izany isika, dia vao mainka resy lahatra hoe ankasitrahan’i Jehovah ny fomba anompoantsika azy.

14. Ahoana no fomba lehibe iray ampisehoantsika hoe tena tiantsika ny mpiara-manompo, araka ny Kolosianina 3:12-14?

14 Mampirisika antsika ‘hifankatia fatratra’ ny Soratra Masina. (1 Pet. 4:8) Ahoana no fomba iray ampisehoantsika an’izany? Mifamela heloka isika ary miezaka mizaka ny fahalemen’ny hafa. Miezaka ny halala-tanana sy ho tia mandray vahiny koa isika, ary manao an’izany amin’ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana, na dia amin’izay nanao zavatra nampalahelo na nampahatezitra antsika aza. (Vakio ny Kolosianina 3:12-14.) Io fifankatiavana io no porofo lehibe indrindra hoe tena Kristianina isika.

“IRAY NY FINOANA”

15. Inona koa no porofo fa manaraka ny fomba nanompoan’ny Kristianina voalohany an’Andriamanitra isika?

15 Misy zavatra hafa koa manaporofo fa manaraka ny fomba nanompoan’ny Kristianina voalohany an’Andriamanitra isika. Manaraka ny lamina napetraky ny apostoly tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, isika. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany sy anti-panahy ary mpanampy amin’ny fanompoana tamin’izany, ary hoatr’izany koa amin’izao. (Fil. 1:1; Tit. 1:5) Ankoatra izany dia manaja ny lalàn’i Jehovah isika, hoatran’ny nataon-dry zareo ihany. Manaraka ny lalàny momba ny firaisana sy ny fanambadiana, ohatra, isika. Mankatò izay lazainy momba ny fampiasana ny ra koa isika, ary miaro ny fiangonana amin’ny mpanao ratsy tsy mety mibebaka.​—Asa. 15:28, 29; 1 Kor. 5:11-13; 6:9, 10; Heb. 13:4.

16. Inona no ianarantsika avy amin’ny Efesianina 4:4-6?

16 Noresahin’i Jesosy fa betsaka no hilaza ho mpianany, nefa tsy izy rehetra no tena Kristianina. (Mat. 7:21-23) Efa voasoratra ao amin’ny Baiboly koa fa be dia be no hiseho ho “mpivavaka be” amin’ny andro farany. (2 Tim. 3:1, 5) Milaza mazava anefa ny Baiboly fa “iray ny finoana”, na fivavahana, ankasitrahan’Andriamanitra.​—Vakio ny Efesianina 4:4-6.

17. Iza no tena manara-dia an’i Jesosy sy manaraka ny fivavahana marina amin’izao?

17 Iza àry no manaraka ny fivavahana marina amin’izao? Rehefa jerena ny porofo, dia tsy misy afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah! Manaraka ny modely nampianarin’i Jesosy sy narahin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany mantsy ry zareo. Tena sambatra isika fa anisan’ny vahoakan’i Jehovah sy mahafantatra ny marina momba azy sy ny fikasany! Enga anie isika ho resy lahatra hoe nahita ny fahamarinana ka hifikitra amin’izany foana.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

^ feh. 5 Natoron’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe ahoana no fomba anompoana an’i Jehovah, ary nanaraka an’izany ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany. Izany no horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity. Hodinihintsika koa hoe inona no porofo fa manaraka an’io modely nampianarin’i Jesosy io ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Jereo ilay hoe “Nampiasa ny Anaran’Andriamanitra ve ny Kristianina Voalohany?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2010, pejy 6.

^ feh. 10 Namoaka didy, ohatra, ny Papa Benoît Faha-16 tamin’ny 2008 hoe “tsy azo ampiasaina na tononina” ny anaran’Andriamanitra, mandritra ny fotoam-pivavahana sy ny hira ary ny vavaka ataon’ny Katolika.

^ feh. 63 SARY: Namoaka ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny 200 mahery ny fandaminan’i Jehovah, amin’izay ny olona afaka mamaky Baiboly misy ny anaran’Andriamanitra sady amin’ny fiteniny.