LAHATSORATRA FIANARANA 41
Afaka ny Tena ho Sambatra Ianao
“Sambatra izay matahotra an’i Jehovah sy mandeha amin’ny lalany.”—SAL. 128:1.
HIRA 110 “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah”
HO HITANAO ATO a
1. Nahoana isika no “mila an’Andriamanitra” vao ho sambatra?
TSY fifaliana mandalo fotsiny ny tena fahasambarana. Mety haharitra mandritra ny androm-piainana izy io. Fa maninona? Izao no nohazavain’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Mat. 5:3) Fantatr’i Jesosy hoe noforonin’i Jehovah Andriamanitra hanana faniriana mafy hahafantatra sy hanompo ny Mpamorona azy ny olombelona. “Andriamanitra sambatra” mantsy i Jehovah, ka afaka ny ho sambatra koa izay manompo azy.—1 Tim. 1:11, f.a.p.
2-3. a) Iza koa no afaka ny ho sambatra araka ny nolazain’i Jesosy? b) Inona no hodinihintsika ato, ary nahoana izany no ilaina?
2 Tsy maintsy hoe milamina be ve ny fiainantsika vao afaka ny ho sambatra isika? Tsy izany mihitsy! Mahagaga ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay toriteniny. Nilaza izy fa afaka ny ho sambatra “izay malahelo.” Malahelo angamba ny olona iray satria kivy be noho ny fahotana vitany, na miatrika olana mampijaly be izy eo amin’ny fiainany. Nilaza koa i Jesosy fa afaka ny ho sambatra “izay enjehina noho ny fahamarinana”, na izay mijaly satria “haratsin’ny olona” noho izy mpanara-dia an’i Kristy. (Mat. 5:4, 10, 11) Fa maninona no hoe afaka ny tena ho sambatra ny olona hoatr’izany?
3 Nampianarin’i Jesosy fa tsy hoe rehefa milamina be ny fiainantsika vao ho sambatra isika, fa rehefa mahatsapa isika hoe mila an’Andriamanitra ka manatona azy. (Jak. 4:8) Ahoana no anaovana an’izany? Handinika dingana telo hahatonga antsika ho tena sambatra isika ato.
MIHINÀNA SAKAFO ARA-PANAHY
4. Inona no dingana voalohany tsy maintsy ataontsika mba ho tena sambatra isika? (Salamo 1:1-3)
4 DINGANA 1: Tsy maintsy mihinana sakafo ara-panahy isika mba ho tena sambatra. Mila misakafo ny olona sy ny biby raha te ho velona. Ny olona ihany anefa no afaka mihinana sakafo ara-panahy, ary tena mila an’izany isika. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain’i Jehovah koa.” (Mat. 4:4) Tsy tokony hisy andro iray avelantsika handalo àry, ka hoe tsy mihinana sakafo ara-panahy avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Izao no nolazain’ny mpanao salamo: ‘Sambatra ny olona [rehefa] ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, ary ny lalàny no vakiny andro aman’alina.’—Vakio ny Salamo 1:1-3.
5-6. a) Inona no azontsika ianarana avy ao amin’ny Baiboly? b) Nahoana no mahasoa ny mamaky Baiboly?
5 Tena tia antsika i Jehovah ka natorony antsika ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no atao raha te ho sambatra. Ianarantsika ao ny antony namoronany antsika. Hitantsika ao koa izay azontsika atao mba hifandraisana aminy sy mba ho voavela ny helotsika. Tsy izay ihany, fa ao no misy ny hoavy tsara be ampanantenainy antsika. (Jer. 29:11) Lasa faly be isika rehefa mianatra an’ireny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireny!
6 Fantatsika hoe feno torohevitra tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro koa ny Baiboly. Sambatra isika rehefa manaraka an’ireny. Isaky ny kivy amin’ny olana mahazo anao àry ianao, dia manokàna fotoana betsaka kokoa mba hamakiana ny Tenin’i Jehovah sy hisaintsainana an’izany. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!”—Lioka 11:28.
7. Inona no azonao atao mba handray soa faran’izay betsaka ianao rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra?
7 Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia makà fotoana mba hankafizana an’izay vakinao. Andao isika haka ohatra. Efa nitranga taminao ve izao? Nisy olona nahandro ny sakafo tianao indrindra. Maika loatra anefa ianao tamin’izay na nisy nampiady saina be anao, dia nataonao telimoka fotsiny ilay izy. Rehefa lany ilay izy vao tonga saina ianao hoe tahaka izay tsy nambosibosika be fa nihinana milamina tsara, dia nankafy ny tsiron’izay sakafo tsakoinao. Efa maimaika be hoatr’izany koa ve ianao rehefa namaky Baiboly, dia tsy nahavita nankafy an’izay novakinao? Ataovy izay hahitanao tsirony rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra ianao. Makà fotoana hieritreretana an’ilay tantara, dia alaivo sary an-tsaina ny feo ao amin’ilay izy, ary saintsaino izay vakinao. Vao mainka ianao ho sambatra rehefa manao an’izany.
8. Ahoana no ataon’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hamitana ny andraikiny? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
8 Nanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jesosy mba hanome antsika sakafo ara-panahy ampy tsara sady amin’ny fotoana mety. b (Mat. 24:45) Ny Soratra Masina no tena fototry ny sakafo ara-panahy omena antsika. (1 Tes. 2:13) Manampy antsika ireny mba hahafantarantsika ny fomba fisainan’i Jehovah resahina ao amin’ny Baiboly. Izany no mahatonga antsika hamaky ny gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ny lahatsoratra ao amin’ny jw.org. Manomana ny fivoriana andavanandro sy faran’ny herinandro ataon’ny fiangonana koa isika. Tsy izay ihany fa mijery ny fandaharana Tele JW isam-bolana isika. Rehefa mihinana sakafo ara-panahy ampy tsara isika, dia ho afaka hanao an’ilay dingana faharoa hanampy antsika ho tena sambatra.
ANKATOAVY NY FITSIPIK’I JEHOVAH
9. Inona no dingana faharoa hanampy antsika ho tena sambatra?
9 DINGANA 2: Mila mankatò ny fitsipik’i Jehovah isika mba ho tena sambatra. Izao no nosoratan’ny mpanao salamo: “Sambatra izay matahotra an’i Jehovah sy mandeha amin’ny lalany.” (Sal. 128:1) Ny hoe matahotra an’i Jehovah dia midika hoe manaja lalina azy, ka tsy manao zavatra mampalahelo azy. (Ohab. 16:6) Miezaka foana àry isika mba hanaraka ny fitsipiny momba an’izay tsara sy ratsy ao amin’ny Baiboly. (2 Kor. 7:1) Ho sambatra isika raha manao an’izay tian’i Jehovah sy tsy manao an’izay halany.—Sal. 37:27; 97:10; Rom. 12:9.
10. Inona no andraikitsika araka ny Romanina 12:2?
10 Vakio ny Romanina 12:2. Mety ho fantatry ny olona iray hoe manana fahefana hamaritra an’izay tsara sy ratsy i Jehovah. Tsy ampy anefa izany, fa tsy maintsy mankatò ny fitsipik’Andriamanitra koa izy. Andao isika haka ohatra. Mety ho fantatry ny olona iray hoe manan-jo hamaritra ny hafainganam-pandehan’ny aotomobilina eny amin’ny arabe ny fanjakana. Tsy voatery hoe vonona hankatò an’ireny anefa izy. Inona ny vokatr’izany? Lasa mandeha mafy mihoatra noho ny tokony ho izy izy. Asehontsika amin’izay ataontsika hoe resy lahatra isika fa ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah no tsara indrindra. (Ohab. 12:28) Hoatr’izany no tsapan’i Davida. Izao no nolazainy momba an’i Jehovah: “Ampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana. Mahafaly be ny eo anatrehanao; mahasambatra mandrakizay ny eo ankavananao.”—Sal. 16:11.
11-12. a) Inona no tsy maintsy tandremantsika rehefa manahy isika na kivy? b) Nahoana ny Filipianina 4:8 no manampy antsika hifidy fialam-boly?
11 Rehefa manahy isika na kivy, dia te hanary dia mba hanadinoana ny olana mahazo antsika. Ara-dalàna izany! Tsy maintsy mitandrina anefa isika sao lasa te hanao zavatra halan’i Jehovah.—Efes. 5:10-12, 15-17.
12 Nampirisika ny Kristianina tany Filipy ny apostoly Paoly mba hisaintsaina foana an’izay “mety, ... madio, ... mahatehotia”, ary “mendrika.” (Vakio ny Filipianina 4:8.) Marina hoe tsy momba ny fialam-boly no tian’i Paoly horesahina tamin’io. Na izany aza, dia tokony hisaintsaina an’io isika rehefa mifidy fialam-boly. Eritrereto izao: ‘Madio ve ny hira henoiko? Mahatehotia ve ny filma jereko na ny tantara vakiko? Mendrika ve ny lalao video ataoko?’ Hanampy anao izany hamantatra hoe iza no mety amin’i Jehovah sy tsy mety aminy. Tiantsika hifanaraka amin’ny fitsipiny mantsy ny fiainantsika. (Sal. 119:1-3) Milamina tsara amin’izay ny feon’ny fieritreretantsika, ka afaka manao an’ilay dingana manaraka indray isika.—Asa. 23:1.
NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH ATAO VOALOHANY
13. Inona no dingana fahatelo hanampy antsika ho tena sambatra? (Jaona 4:23, 24)
13 DINGANA 3: Ataovy azo antoka hoe ny fanompoana an’i Jehovah no voalohany indrindra eo amin’ny fiainanao. I Jehovah no Mpamorona antsika, ka tena mendrika ny hotompointsika izy. (Apok. 4:11; 14:6, 7) Ny fanompoana azy àry no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Ary tokony ho araka ny itiavany azy no anaovantsika an’izany, izany hoe “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Vakio ny Jaona 4:23, 24.) Tiantsika hotarihin’ny fanahy masina ny fanompoantsika azy, amin’izay mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Teniny izany. Ny fanompoana an’Andriamanitra no tsy maintsy voalohany indrindra eo amin’ny fiainantsika, na dia mipetraka any amin’ny tany anakantsakanana na andrarana ny asantsika aza isika. Maherin’ny 100 izao ny rahalahy sy anabavintsika gadraina satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah. c Na izany aza, dia faly ry zareo manao izay azony atao mba hivavahana sy hianarana ary hiresahana amin’ny olona momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Na haratsina sy enjehina aza isika, dia afaka ny ho sambatra rehefa mahafantatra hoe manampy antsika i Jehovah ary hamaly soa antsika.—Jak. 1:12; 1 Pet. 4:14.
MODELY HO ANTSIKA
14. Inona no nanjo ny rahalahy tanora iray tany Tadjikistan, ary nahoana?
14 Tena mahasambatra ve ireo dingana telo ireo, na inona na inona zavatra iainantsika? Ie, ary betsaka ny tantara manamarina an’izany. Eritrereto ny nanjo an’i Jovidon Bobojonov, rahalahy 19 taona any Tadjikistan. Tsy nanaiky hanao raharaha miaramila izy. Nalaina an-keriny tao an-tranony izy ny 4 Oktobra 2019. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny volana maromaro izy, sady natao hoatran’ireny mpanao heloka bevava ireny. Noresahin’ny vaovao tany amin’ny firenena maro ny tsy rariny nahazo azy. Nolazaina tamin’izany hoe nodarodarohana izy, mba hanerena azy hanao fianianana miaramila sy hanao akanjona miaramila. Nomelohina izy taorian’izay, dia nalefa tany am-ponja. Nahazo famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenen’i Tadjikistan anefa izy tatỳ aoriana, dia nafahana. Nahavita tsy nivadika sy sambatra foana i Jovidon nandritra an’izany fotoana izany. Ahoana no nataony? Tsy nohadinoiny mihitsy hoe mila an’Andriamanitra izy.
15. Ahoana no nataon’i Jovidon mba hihinanana sakafo ara-panahy tamin’izy tany am-ponja?
15 Nihinana sakafo ara-panahy i Jovidon tamin’izy tany am-ponja, na dia tsy nanana Baiboly sy boky ary gazety aza. Fa ahoana no nahafahany nanao an’izany? Rehefa nanatitra sakafo ho azy ny rahalahy sy anabavy, dia nosoratan-dry zareo teo amin’ilay harona ny andinin-teny ho an’ny andro. Afaka namaky Baiboly sy nisaintsaina an’izany àry izy isan’andro. Rehefa nafahana izy, dia izao ny torohevitra nomeny ho an’izay mbola tsy niatrika fitsapana mafy: “Tena ilainareo ny manararaotra tsara mianatra momba an’i Jehovah, dia mamaky ny Teniny sy ny boky ary ny zavatra hafa avoakan’ny fandaminana.”
16. Inona no nifantohan’i Jovidon?
16 Nankatò ny fitsipik’i Jehovah io rahalahintsika io. Tsy nifantoka tamin’ny fanirian-dratsy na hoe lasa ratsy fitondran-tena izy, fa naleony nifantoka tamin’i Jehovah sy izay sarobidy tamin’ny Andriamaniny. Nahavariana azy koa ny hakanton’ny zavaboary. Isaky ny nifoha maraina izy, dia naheno siotsiokam-borona. Nandinika ny volana sy ny kintana kosa izy rehefa alina. Izao no nolazainy: “Mahafaly sy mampahery ahy ireny fanomezana avy amin’i Jehovah ireny.” Rehefa mankasitraka ny fampianaran’i Jehovah sy izay rehetra omeny isika, dia lasa faly ny fontsika. Izany fifaliana izany no vao mainka mahatonga antsika hahavita hiaritra.
17. Inona no ho vokany raha miaritra isika rehefa miatrika fitsapana mitovitovy amin’ny an’i Jovidon? (1 Petera 1:6, 7)
17 Ny fanompoana an’i Jehovah koa no nataon’i Jovidon voalohany teo amin’ny fiainany. Fantany fa zava-dehibe ny hoe tsy mivadika amin’ilay tena Andriamanitra. Izao no nolazain’i Jesosy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.” (Lioka 4:8) Tian’ny lehiben’ny tafika sy ny miaramila hiala tamin’ny fivavahany i Jovidon. Nivavaka mafy andro aman’alina anefa izy, dia nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy azy tsy hilavo lefona sy tsy hampandefitra ny finoany. Tsy nivadika hatramin’ny farany i Jovidon, na dia nampijalijalina tsy ara-drariny aza. Vokatr’izany, dia faly be izy izao satria manana zavatra tsy nananany talohan’izy nalaina an-keriny sy nodarodarohana ary nogadraina. Inona izany? Finoana vita sedra!—Vakio ny 1 Petera 1:6, 7.
18. Inona no azontsika atao mba ho sambatra foana isika?
18 Fantatr’i Jehovah hoe inona no ilaintsika mba ho tena sambatra isika. Raha manaraka ny dingana telo noresahina tato ianao, dia ho sambatra foana na dia miatrika ny mafy aza. Hahavita hiteny koa ianao amin’izay hoe: “Sambatra izay vahoaka manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”—Sal. 144:15.
HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa
a Sarotra amin’ny olona maro ny mahita ny tena fahasambarana, satria heveriny hoe any amin’ny fahafinaretana, harena, laza, na fahefana no ahitana an’izany. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany anefa, dia natorony hoe ahoana no tokony hatao. Handinika dingana telo hanampy antsika ho tena sambatra isika ato.
b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mandray Sakafo ‘Amin’ny Fotoana Mety’ ve ianao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2014.
c Misy tsipiriany momba an’izany ao amin’ilay hoe “Gadraina Noho ny Finoany” ao amin’ny jw.org/mg.
d SARY: Sary tsy tena izy, mampiseho mpiara-manompo manohana rahalahy iray voasambotra dia entina any amin’ny fitsarana.