Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 44

Aza Avela ho Lefy Mihitsy ny Fanantenanao!

Aza Avela ho Lefy Mihitsy ny Fanantenanao!

“Aoka ianao hanantena an’i Jehovah.”​—SAL. 27:14.

HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!

HO HITANAO ATO a

1. Inona ny fanantenana nomen’i Jehovah antsika?

 NOMEN’I Jehovah fanantenana tsara be isika, satria afaka manantena ny hiaina mandrakizay. Ny sasany amintsika manantena ny ho lasa zavaboary ara-panahy tsy mety maty, dia hiaina mandrakizay any an-danitra. (1 Kor. 15:50, 53) Manantena ny ho salama sy hiadana mandrakizay eto an-tany kosa ny ankamaroantsika. (Apok. 21:3, 4) Na manantena ny hiaina mandrakizay any an-danitra isika na eto an-tany, dia sarobidy amintsika foana ny fanantenantsika.

2. Manao ahoana ny fanantenantsika, ary maninona isika no afaka milaza an’izany?

2 Ny hoe “manantena” ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe “miandrandra zavatra tsara.” Azo antoka ny fanantenantsika satria avy amin’i Jehovah. (Rom. 15:13) Fantatsika ny ampanantenainy, dia fantatsika koa hoe mitana ny teniny foana izy. (Nom. 23:19) Resy lahatra isika fa te hanatanteraka an’izay rehetra lazainy izy, ary manana hery hanaovana an’izany. Tsy nofinofy na faniriana fotsiny àry ny fanantenantsika, fa marim-pototra tsara.

3. Inona no hodinihintsika ato? (Salamo 27:14)

3 Tena tia antsika ilay Raintsika any an-danitra, ary tiany hatoky azy isika. (Vakio ny Salamo 27:14.) Rehefa manantena mafy an’i Jehovah isika, dia hahavita hiaritra fitsapana ary ho be herim-po sy ho faly rehefa miatrika ny hoavy. Andao hodinihintsika hoe nahoana ny fanantenana no miaro antsika. Hojerentsika àry aloha hoe nahoana izy io no azo ampitovina amin’ny vatofantsika sy amin’ny fiarovan-doha, ary inona no azontsika atao mba hatoky kokoa an’izay antenaintsika isika.

TOY NY VATOFANTSIKA NY FANANTENANTSIKA

4. Nahoana no azo oharina amin’ny vatofantsika ny fanantenana? (Hebreo 6:19)

4 Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny vatofantsika ny fanantenantsika, tamin’izy nanoratra ho an’ny Hebreo. (Vakio ny Hebreo 6:19.) Matetika izy no nanao dia an-dranomasina, dia fantany tsara hoe ny vatofantsika no mihazona ny sambo tsy hoentin’ny rano na ny rivotra. Nisy tafio-drivotra be indray mandeha, dia nahita ny tantsambo nandatsaka vatofantsika izy mba tsy hidona amin’ny vato ilay sambo. (Asa. 27:29, 39-41) Misakana ny sambo tsy hihetsiketsika ny vatofantsika. Hoatr’izany koa ny fanantenantsika satria misakana antsika tsy hiala amin’i Jehovah izy io, fa hifikitra aminy foana na mafy aza ny onjam-piainana. Manampy antsika ho tony ny fanantenana rehefa misy olana, satria isika matoky hoe mbola hamiratra ny hoavy. Tadidio fa efa nilaza i Jesosy hoe henjehina isika. (Jaona 15:20) Raha misaintsaina ny valisoa ampanantenain’i Jehovah àry isika, dia hahavita hanompo azy foana.

5. Nahoana ny fanantenana no nanampy an’i Jesosy rehefa ho faty izy?

5 Nanampy an’i Jesosy tsy hivadika ny fanantenana, na dia hijalijaly sy ho faty aza izy. Nilaza faminaniana avy ao amin’ny Salamo ny apostoly Petera tamin’ny Pentekosta taona 33. Mahalaza tsara ny fahatoniana sy toky nananan’i Jesosy izy io. Hoy izy: “Hanana fanantenana foana aho, satria tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana aho, sady tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika. ... Hataonao faly be eo anatrehanao aho.” (Asa. 2:25-28; Sal. 16:8-11) Na fantatr’i Jesosy aza hoe ho faty izy, dia nanantena mafy izy hoe mbola hanangana azy Andriamanitra, ary ho faly izy rehefa tafaraka amin’ilay Rainy any an-danitra indray.​—Heb. 12:2, 3.

6. Inona no nolazain’i Leonard momba ny fanantenana?

6 Betsaka ny rahalahy sy anabavintsika nahavita niaritra satria nanana fanantenana. Eritrereto i Leonard Chinn, rahalahy tsy nivadika nipetraka tany Angletera. Nogadraina izy nandritra ny Ady Lehibe I satria tsy nety nanao miaramila. Natoka-monina nandritra ny roa volana izy, dia avy eo nasaina nanao asa an-terivozona. Izao no nosoratany tatỳ aoriana: “Iny zavatra niainako iny no nahatsapako hoe tena sarobidy ny fanantenana raha te hahavita hiaritra. Modely ho antsika i Jesosy sy ny apostoly ary ny mpaminany. Misy zavatra tsara be antenaintsika koa ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika hanana fanantenana miavaka izany rehetra izany, ary manome antsika hery hiaretana.” Hoatran’ny vatofantsika ny fanantenana tamin’i Leonard, ary afaka ny ho hoatr’izany koa izy io ho antsika.

7. Nahoana isika no vao mainka hatoky ny fampanantenan’i Jehovah rehefa avy miatrika fitsapana? (Romanina 5:3-5; Jakoba 1:12)

7 Vao mainka isika matoky ny fampanantenan’i Jehovah, rehefa avy miatrika fitsapana sady mahatsapa hoe ampiany sy ankasitrahany. (Vakio ny Romanina 5:3-5; Jakoba 1:12.) Mafy orina kokoa noho ny tamintsika vao nanaiky ny vaovao tsara àry ny fanantenantsika. Tian’i Satana hilavo lefona isika rehefa tototry ny fitsapana, nefa hahavita hiatrika ny tsirairay amin’ireny isika rehefa ampian’i Jehovah.

TOY NY FIAROVAN-DOHA NY FANANTENANTSIKA

8. Nahoana ny fanantenana no azo oharina amin’ny fiarovan-doha? (1 Tesalonianina 5:8)

8 Oharin’ny Baiboly amin’ny fiarovan-doha koa ny fanantenantsika. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:8.) Manao fiarovan-doha ny miaramila, satria tsy tiany horatrain’ny fahavalo ny lohany. Mila miaro ny saintsika amin’ny fanafihan’i Satana koa isika amin’ny ady ara-panahy ataontsika. Ataony tototry ny fakam-panahy sy hevitra manimba ny toe-tsaintsika mantsy isika. Hoatran’ny fiarovan-doha miaro ny lohan’ny miaramila, dia miaro ny saintsika ny fanantenantsika amin’izay isika mahavita tsy mivadika amin’i Jehovah.

9. Inona no vokany rehefa very fanantenana ny olona?

9 Hanampy antsika ho hendry sy hahay hanapa-kevitra ny fanantenantsika fiainana mandrakizay. Raha mihalefy kosa ny fanantenantsika ka tsy mieritreritra afa-tsy ny faniriantsika isika, dia mety hohadinointsika ilay tanjontsika hiaina mandrakizay. Eritrereto ny nanjo ny Kristianina sasany tany Korinto. Lasa tsy nino ny fampanantenana lehibe nomen’Andriamanitra ry zareo, izany hoe tsy nanantena ny fitsanganana amin’ny maty intsony. (1 Kor. 15:12) Nilaza i Paoly fa rehefa very fanantenana ny olona iray, dia tsy mahalala afa-tsy ny androany ihany. (1 Kor. 15:32) Hoatr’izany mihitsy ny olona maro amin’izao. Tsy mino ny fampanantenan’Andriamanitra ry zareo, ka tsy mieritreritra ny ampitso fa hararaotiny daholo izay fahafinaretana misy eo. Isika kosa matoky ny hoavy ampanantenain’Andriamanitra. Hoatran’ny fiarovan-doha ny fanantenantsika, ka miaro ny saintsika sady manampy antsika tsy hanao izay tiantsika fotsiny. Tsy simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah amin’izay.​—1 Kor. 15:33, 34.

10. Nahoana ny fanantenana no miaro antsika mba tsy hanana hevi-diso?

10 Ny fanantenana koa no miaro antsika mba tsy hieritreritra hoe tsy misy dikany ny ezaka ataontsika hampifaliana an’i Jehovah. Mety hisy hieritreritra, ohatra, hoe: ‘Tsy ho anisan’izany hiaina mandrakizay izany mihitsy aho! Tsy mendrika an’izany aho. Tsy ho vitako ny hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra.’ Tadidinao ve fa hoatr’izany koa no nolazain’i Elifaza, ilay mody nampahery an’i Joba? Hoy izy: “Inona moa izay olombelona mety maty no hadio?” Izao koa no nolazainy momba an’Andriamanitra: “Jereo fa na ny anjeliny aza tsy atokisany, ary na ny lanitra aza tsy madio eo imasony.” (Joba 15:14, 15) Lainga be anefa izany! Tadidio hoe i Satana no ao ambadiky ny hevitra hoatr’izany. Fantany hoe raha mieritreritra zavatra hoatr’izany foana ianao, dia hihalefy ny fanantenanao. Aza mino ny laingany àry, fa mifantoha amin’ny fampanantenan’i Jehovah. Aza misalasala mihitsy hoe tiany hiaina mandrakizay ianao, ary hanampy anao hahatratra an’izany tanjona izany izy.​—1 Tim. 2:3, 4.

AZA AVELA HO LEFY MIHITSY NY FANANTENANAO

11. Maninona isika no tokony hanam-paharetana eo am-piandrasana ny hanatanterahan’i Jehovah ny fanantenantsika?

11 Tsy mora foana ny miaro ny fanantenantsika mba tsy ho lefy. Mety tsy hanam-paharetana mantsy isika rehefa miandry an’Andriamanitra. Efa nisy hatramin’izay anefa i Jehovah, dia hoatran’ny hoe vetivety aminy izay heverintsika hoe ela be. (2 Pet. 3:8, 9) Hataony izay hanatanterahana ny fikasany amin’ny fomba mety indrindra, nefa tsy voatery ho amin’ny fotoana eritreretintsika izany. Inona àry no hanampy antsika mba tsy ho lefy mihitsy ny fanantenantsika mandra-pahatongan’izay?​—Jak. 5:7, 8.

12. Inona no ifandraisan’ny fanantenana sy ny finoana, araka ny Hebreo 11:1, 6?

12 Tsy ho lefy mihitsy ny fanantenantsika, raha mifandray tsara amin’i Jehovah foana isika. Izy mantsy no manome toky fa ho tanteraka izany. Resahin’ny Baiboly fa mifandray akaiky ny fanantenana sy ny finoana hoe misy i Jehovah sady “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Vakio ny Hebreo 11:1, 6.) Vao mainka isika hatoky hoe hanatanteraka an’izay rehetra ampanantenainy i Jehovah, arakaraka ny inoantsika hoe tena misy izy. Andao isika handinika fomba sasany hanampy antsika hifandray kokoa aminy, amin’izay tsy lefy mihitsy ny fanantenantsika.

Tsy ho lefy mihitsy ny fanantenantsika raha mivavaka sy misaintsaina isika (Fehintsoratra 13-15) b

13. Inona no hanampy antsika hifandray amin’Andriamanitra?

13 Mivavaha amin’i Jehovah ary vakio ny Teniny. Na dia tsy afaka mahita an’i Jehovah aza isika, dia afaka mifandray aminy. Afaka miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika, sady matoky hoe hihaino antsika izy. (Jer. 29:11, 12) Mihaino an’Andriamanitra kosa isika rehefa mamaky ny Teniny sy misaintsaina an’izany. Vao mainka isika hatoky an’izay ampanantenain’i Jehovah, rehefa vakintsika ao hoe ahoana no nikarakarany ny olona tsy nivadika taminy. “Nosoratana mba hampianarana antsika” mantsy izay rehetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. “Amin’izay isika dia hanana fanantenana, satria manampy antsika hiaritra sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.”​—Rom. 15:4.

14. Maninona isika no tokony hisaintsaina an’izay nataon’i Jehovah ho an’ny olon-kafa?

14 Saintsaino hoe ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny teniny. Eritrereto ny nataony ho an’i Abrahama sy Saraha. Efa antitra be izy mivady, ka tsy afaka nanan-janaka intsony. Nampanantena an-dry zareo anefa Andriamanitra fa hiteraka i Saraha. (Gen. 18:10) Dia inona ny vokatr’izany tamin’i Abrahama? Hoy ny Baiboly: ‘Nino izy hoe ho lasa rain’ny firenena maro.’ (Rom. 4:18) Na dia hoatran’ny tsy nisy azo nantenaina intsony aza, dia natoky i Abrahama hoe hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Tsy diso fanantenana io lehilahy nanam-pinoana io. (Rom. 4:19-21) Ianarantsika avy amin’ny tantara hoatr’ireny hoe afaka matoky isika fa hanatanteraka ny teniny foana i Jehovah, na dia sarotra inoana hoatran’ny inona aza ilay izy!

15. Nahoana ianao no tokony hisaintsaina an’izay nataon’Andriamanitra ho anao?

15 Saintsaino izay nataon’i Jehovah ho anao. Eritrereto ny soa efa noraisinao, noho izy nanatanteraka ny fampanantenany ao amin’ny Teniny. Nampanantena, ohatra, i Jesosy hoe hanome an’izay ilainao eo amin’ny fiainana ny Rainy. (Mat. 6:32, 33) Nanome toky koa izy fa hanome ny fanahy masina i Jehovah rehefa mangataka an’izany ianao. (Lioka 11:13) Nitana an’ireo teniny ireo i Jehovah. Misy fampanantenana hafa koa ve notanterahin’i Jehovah ho anao? Nampanantena, ohatra, izy hoe hamela ny helokao sy hampionona anao, ary hanome an’izay ilainao mba hifandraisana akaiky aminy foana. (Mat. 6:14; 24:45; 2 Kor. 1:3) Rehefa misaintsaina an’izay efa nataony ho anao ianao, dia vao mainka hatoky hoe mbola hotanterahiny izay nampanantenainy ho anao amin’ny hoavy.

MIFALIA AMIN’NY FANANTENANA

16. Maninona no fanomezana sarobidy ny fanantenana?

16 Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny fanantenantsika hiaina mandrakizay. Tsy andrintsika ilay hoavy tsara be ampanantenainy, ary matoky isika hoe tena hitranga izany. Hoatran’ny vatofantsika ny fanantenantsika ka manampy antsika hifikitra amin’i Jehovah foana, amin’izay isika mahavita miaritra fitsapana sy fanenjehana, ary na fahafatesana aza. Hoatran’ny fiarovan-doha koa izy io ka miaro ny saintsika, amin’izay isika tsy manaiky hanao ratsy fa manao ny tsara foana. Mahatonga antsika hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny fanantenantsika avy ao amin’ny Baiboly, ary hita amin’izany ny haben’ny fitiavany antsika. Tena mandray soa isika raha tsy avelantsika ho lefy mihitsy ny fanantenantsika!

17. Nahoana ny fanantenana no mahatonga antsika ho faly?

17 Izao no nampirisihin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina: “Mifalia amin’ny fanantenana.” (Rom. 12:12) Afaka nifaly izy satria natoky izy hoe hiaina mandrakizay any an-danitra raha tsy mivadika. Afaka mifaly amin’ny fanantenana koa isika satria azontsika antoka fa hitana ny teniny i Jehovah. Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Sambatra izay ... manantena an’i Jehovah Andriamaniny, ... Ilay tsy mivadika mihitsy.”​—Sal. 146:5, 6.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

a Nomen’i Jehovah fanantenana tsara be isika. Mahatonga ny fiainantsika hahafinaritra izany sady manampy antsika tsy hifantoka amin’ny olana atrehintsika. Manome hery antsika koa izany mba hahavitantsika tsy hivadika, na inona na inona mianjady amintsika. Mbola io fanantenana io ihany no miaro antsika tsy hanana eritreri-dratsy mety hanimba ny toe-tsaintsika. Ho hitantsika ato hoe antony tsara daholo ireo mba hahatonga antsika hiezaka mafy tsy hamela ny fanantenantsika ho lefy.

b SARY: Miaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha, ary mihazona ny sambo tsy hihetsiketsika ny vatofantsika. Miaro ny saintsika koa ny fanantenana sady manampy antsika hifikitra amin’i Jehovah rehefa ao anatin’ny fitsapana isika. Anabavy feno toky mivavaka amin’i Jehovah. Rahalahy misaintsaina ny fomba nanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany tamin’i Abrahama. Rahalahy hafa misaintsaina ny fitahiana efa azony.