Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tsy Tokony Hiady na dia Niady aza ny Israelita?

Nahoana Isika no Tsy Tokony Hiady na dia Niady aza ny Israelita?

“RAHA misy iray aminareo tsy mety miady amin’i Frantsa na Angletera, dia ianareo rehetra no hovonoina!” Izany no novazavazain’ny manam-boninahitra nazia tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nisy nanaiky anefa ny rahalahintsika, na teo akaiky teo aza ny miaramila SS nirongo fitaovam-piadiana. Be herim-po ry zareo! Hita amin’izany ny fihevitry ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ady. Tsy mandeha miady isika sady tsy manaiky hiandany amin’ny adin’ireo firenena, na dia rahonana hovonoina aza.

Tsy izay rehetra milaza azy ho Kristianina anefa no mitovy hevitra amin’izany. Maro no mieritreritra fa afaka miaro ny tanindrazany ny Kristianina, ary tokony hanao an’izany. Mety hilaza ry zareo hoe: ‘Ny Israelita taloha ange vahoakan’Andriamanitra dia niady e! Koa maninona isika Kristianina amin’izao no tsy tokony hiady?’ Ahoana no havalinao? Azonao hazavaina hoe tsy mitovy amin’izay niainan’ny Israelita taloha mihitsy ny iainan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao. Andao isika handinika dimy amin’izany.

1. TAO AMIN’NY FIRENENA IRAY IHANY NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA REHETRA

Taloha: Nifidy firenena iray ho vahoakany i Jehovah, dia ny firenen’Israely. Nantsoiny hoe ‘fananany manokana nofidiny avy tamin’ny firenena rehetra’ ny Israelita. (Eks. 19:5) Nataony mazava tsara koa hoe aiza ny faritra tokony hipetrahan-dry zareo. Rehefa nandidy ny Israelita hiady amin’ny firenen-kafa àry Andriamanitra, dia tsy niady tamin’ny mpiara-mivavaka taminy ry zareo, sady tsy namono azy. a

Amin’izao: ‘Avy amin’ny firenena sy foko sy firazanana ary fiteny rehetra’ ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra. (Apok. 7:9) Raha mandeha miady àry ry zareo, dia mety hiady amin’ny mpiara-mivavaka aminy ka mety hamono azy ireny mihitsy.

2. NANDIDY NY ISRAELITA HANDEHA HIADY I JEHOVAH

Taloha: I Jehovah no nanapa-kevitra hoe rahoviana ny Israelita no nila niady ary nahoana. Nilaza tamin’ny Israely, ohatra, izy mba hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny Kananita. Nalaza ho nivavaka tamin’ny demonia mantsy ry zareo, ratsy fitondran-tena be, sady nanao sorona ankizy. Nasain’Andriamanitra nesorina tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Kananita, sao hitaona ny Israelita hanao ratsy. (Lev. 18:24, 25) Rehefa nipetraka tao amin’ilay Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia navelan’Andriamanitra hiady ry zareo indraindray, mba hiarovana an’ilay firenena tamin’ny fahavalony. (2 Sam. 5:17-25) Tsy nisy fotoana mihitsy anefa hoe ry zareo ihany no navelan’i Jehovah hanapa-kevitra handeha hiady. Loza matetika ny vokany rehefa nanao an’izany ny Israelita!​—Nom. 14:41-45; 2 Tan. 35:20-24.

Amin’izao: Tsy manome alalana ny olona handeha hiady i Jehovah. Miady ho an’ny tombontsoan’ny olombelona ireo firenena fa tsy ho an’ny tombontsoan’Andriamanitra. Mety hiady ry zareo satria te hanitatra ny faritaniny na hampitombo ny toe-karenany, na hampiely ny firehan-keviny, na noho ny antony ara-politika. Ahoana anefa ny amin’ireo milaza hoe miady amin’ny anaran’Andriamanitra mba hiarovana ny fivavahany, na mba hamonoana ny fahavalon’Andriamanitra? I Jehovah ihany no hiaro ny tena mpivavaka aminy sy handringana ny fahavalony amin’ny hoavy, amin’ny Aramagedona. (Apok. 16:14, 16) Tsy handray anjara amin’io ady io ny mpanompony eto an-tany, fa ny tafik’Andriamanitra any an-danitra ihany no hanao an’izany.​—Apok. 19:11-15.

3. TSY NOVONOIN’NY ISRAELITA IZAY NANAM-PINOANA

Mitsimbina ny ain’ireo manam-pinoana ve ny ady amin’izao, hoatran’ny natao tamin-dry Rahaba mianakavy tamin’ilay adin’i Jehovah tao Jeriko?

Taloha: Matetika ny tafika israelita no namindra fo tamin’ireo naneho finoana an’Andriamanitra. Izay nolazain’i Jehovah hoe mendrika ny haringana ihany no novonoina. Ireto misy ohatra: Na dia nandidy ny handravana an’i Jeriko aza i Jehovah, dia tsy novonoin’ny Israelita i Rahaba sy ny fianakaviany satria nanam-pinoana io vehivavy io. (Jos. 2:9-16; 6:16, 17) Tsy noravana koa i Gibeona tatỳ aoriana, satria nasehon’ireo Gibeonita hoe natahotra an’Andriamanitra ry zareo.​—Jos. 9:3-9, 17-19.

Amin’izao: Tsy mitsimbina ny ain’ireo manam-pinoana ny firenena rehefa miady. Maty hatramin’ny sivily tsy manan-tsiny aza indraindray.

4. TSY MAINTSY NANARAKA NY FITSIPIK’I JEHOVAH MOMBA NY ADY NY ISRAELITA

Taloha: Tsy maintsy nanaraka ny toromarik’i Jehovah ny miaramila israelita rehefa niady. Alohan’ny hiadiana amin’ny tanàna iray, ohatra, dia tsy maintsy lazain-dry zareo amin’ny mponina ao izay tokony hataony mba tsy hisian’ny ady. (Deot. 20:10) Nandidy ny miaramila israelita koa i Jehovah hoe tsy maintsy madio izy sy ny tobiny, ary tokony hadio fitondran-tena ry zareo. (Deot. 23:9-14) Matetika ny tafiky ny firenena manodidina no nanolana ny vehivavy tao amin’ny tanàna resiny. Tsy navelan’i Jehovah hanao an’izany anefa ny Israelita. Tsy nahazo nanambady an’izay vehivavy azony babo aza ry zareo, raha tsy iray volana taorian’ny nahazoany an’ilay tanàna.​—Deot. 21:10-13.

Amin’izao: Nanao sonia fifanarahana iraisam-pirenena ny ankamaroan’ireo firenena mba hisian’ny lalàna mifehy ny ady. Mampalahelo fa matetika no voadika izy ireny, na dia natao hiarovana ny sivily aza.

5. NIADY HO AN’NY FIRENENY ANDRIAMANITRA

Miady ho an’ny firenena iray ve Andriamanitra amin’izao, hoatran’ny nataony rehefa niady tamin’i Jeriko ny Israelita?

Taloha: Niady ho an’ny Israelita i Jehovah ary matetika izy no nanao fahagagana mba handresen-dry zareo. Ahoana, ohatra, no nanampian’i Jehovah an’ilay firenena mba handreseny an’i Jeriko? Nasainy “nanao hiakan’ady” ny Israelita, dia “nirodana ny manda” ka mora tamin-dry zareo ny nahazo an’ilay tanàna. (Jos. 6:20) Ary ahoana no nandresen’ny Israelita ny Amorita? “Nandatsahan’i Jehovah havandra vaventy avy tany an-danitra ... izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin’ny havandra raha oharina amin’ny matin’ny Israelita tamin’ny sabatra.”​—Jos. 10:6-11.

Amin’izao: Tsy miady ho an’ny firenena eto an-tany i Jehovah, na iza izany na iza. “Tsy anisan’izao tontolo izao” mantsy ny Fanjakany, ary i Jesosy no Mpanjakan’izy io. (Jaona 18:36) I Satana kosa no manana fahefana amin’ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra. Taratry ny toe-tsaina ratsy ananany ny ady mahatsiravina ifanaovan-dry zareo.​—Lioka 4:5, 6; 1 Jaona 5:19.

MPAMPIHAVANA NY TENA KRISTIANINA

Hitantsika teo fa tsy mitovy amin’izay niainan’ny Israelita taloha mihitsy ny iainantsika amin’izao. Tsy izay ihany anefa no mahatonga antsika tsy handeha hiady. Nilaza koa, ohatra, Andriamanitra fa amin’ny andro farany dia “tsy hianatra ady intsony” ireo ampianariny, mainka moa fa hoe hiady. (Isaia 2:2-4) Niteny koa i Jesosy fa “tsy anisan’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 15:19) Tsy miandany amin’ny adin’ireo firenena àry ry zareo.

Nampirisika ny mpanara-dia azy koa i Kristy mba hanao mihoatra noho izany. Ny toe-tsaina mahatonga lolompo sy hatezerana ary ady mihitsy no nolazainy hoe tsy tokony hananan-dry zareo. (Mat. 5:21, 22) Ankoatra izay, dia nampirisika ny mpianany izy mba ho “mpampihavana” sy ho tia ny fahavalony.​—Mat. 5:9, 44.

Ary isika tsirairay? Azo inoana fa tsy te hiady isika. Sao dia misy fankahalana anefa ao am-pontsika na dia kely aza, ka mety hampiady na hampisaratsaraka ny fiangonana? Andao àry isika hiezaka foana mba hanala an’izany fihetseham-po izany.​—Jak. 4:1, 11.

Tsy mandray anjara amin’ny adin’ireo firenena isika, fa miezaka mafy hampisy fihavanana sy hifankatia. (Jaona 13:34, 35) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny tsy handeha hiady mihitsy, mandra-pahatongan’ilay andro hanafoanan’i Jehovah ny ady rehetra.​—Sal. 46:9.

a Niady tamin’izy samy izy ny fokon’ny Israely indraindray, na dia tsy nampifaly an’i Jehovah aza izany. (1 Mpanj. 12:24) Nisy fotoana anefa nekeny ihany ireny ady an-trano ireny, satria nivadika taminy ny foko sasany na nanao fahotana lehibe hafa.​—Mpits. 20:3-35; 2 Tan. 13:3-18; 25:14-22; 28:1-8.