Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1923​—Zato Taona Lasa Izay

1923​—Zato Taona Lasa Izay

HOY Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1923: “Manantena isika hoe hampahery be ity taona 1923 ity.” Voalaza tao koa hoe ‘tombontsoa be ho antsika àry ny mitory amin’ny olona mijaly, sy mampiseho aminy hoe mbola hamiratra ny hoavy.’ Tena nampahery ny Mpianatra ny Baiboly iny taona iny. Nanomboka niharihary mantsy hoe niray saina ry zareo rehefa nivory sy nitory, ary izany firaisan-tsaina izany no mampiavaka ny fivavahana marina amin’izao.

NAMPIRAY SAINA NY FIVORIANA

Kalandrie misy andinin-teny sy laharan-kira

Nanao fiovana sasany ny fandaminana tamin’io taona io, mba hanampiana ny Mpianatra ny Baiboly hiray saina rehefa mivory. Nanomboka navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny fanazavana ny andinin-teny hodinihina mandritra ny Fivoriam-bavaka sy Fiderana ary Fijoroana ho Vavolombelona isan-kerinandro. Tsy izay ihany, fa namoaka kalandrie nisy an’ireny andininy isan-kerinandro ireny koa ny Mpianatra ny Baiboly, niaraka tamin’ny hira azo nohiraina rehefa nianatra samirery sy nanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.

Nijoro ho vavolombelona ny Mpianatra ny Baiboly rehefa nivory. Nitantara ny teny amin’ny fanompoana, ohatra, ry zareo, na nisaotra an’i Jehovah, na nihira, na nanao vavaka mihitsy aza. Niresaka momba an’izany i Eva Barney. Tamin’ny 1923 izy no natao batisa, tamin’izy 15 taona. Hoy izy: “Rehefa te hijoro ho vavolombelona ianao, dia mitsangana dia miteny, ohatra, hoe: ‘Maniry hisaotra ny Tompo aho noho ny fahasoavana rehetra nomeny ahy.’” Tena tia nijoro ho vavolombelona ny rahalahy sasany. Hoy ihany ny Ranabavy Barney: “Be dia be no tian’i Dadatoa Godwin hisaorana ny Tompo. Rehefa hitan’ny vadiny anefa hoe nanomboka tsy nahazo aina ilay ranadahy nitarika, dia nosintoniny tamin’ny rambon’ny palitaony Ranadahy Godwin, dia nipetraka.”

Nisy Fivoriam-bavaka sy Fiderana ary Fijoroana ho Vavolombelona manokana isaky ny kilasy (fiangonana), isam-bolana. Nanazava momba an’izany Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1923. Izao no voalaza tao: ‘Tokony hatokana ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ny antsasaky ny fivoriana, ka hitantarana zava-nitranga teny amin’ny fanompoana sy hampaherezana ny mpiasa. Mino izahay hoe hampifandray kokoa an’ireo rahalahy ireny fivoriana mampahery ireny.’

Nandray soa be tamin’ireny fivoriana ireny i Charles Martin, 19 taona. Mpiasan’ny kilasy (mpitorin’ny fiangonana) avy any Vancouver, any Kanada izy. Hoy izy: “Tamin’ireny fivoriana ireny aho no nianatra voalohany hoe inona no holazaina rehefa eny am-baravarana. Matetika mantsy no nisy olona nitantara ny zavatra hitany rehefa nitory isan-trano. Lasa nahita hevitra holazaina sy fomba hamaliana fanoherana isan-karazany aho.”

NAMPIRAY SAINA NY FITORIANA

Gazety (anglisy) tamin’ny 1 Mey 1923

Nampiray saina koa ny “andro fanompoana.” Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1923: “Mba hisian’ny firaisan-tsaina ..., dia natokana ho andro fanompoana ny talata 1 Mey 1923. Hoatr’izay koa isaky ny talata voalohany amin’ny volana ... Tokony handray anjara daholo ny mpikambana tsirairay isaky ny kilasy.”

Na ny tanora aza nandray anjara tamin’ilay asa. Ny Ranabavy Hazel Burford, ohatra, vao 16 taona tamin’izany. Hoy izy: “Nisy fomba fitory (mitovitovy amin’ny Hevitra Azo Resahina) azonay natao tsianjery tao amin’ny Gazety. a Nafana fo niaraka nandeha nitory tamin’i Dadabe aho.” Nisy fanoherana tsy nampoizina anefa. Hoy ihany Ranabavy Burford: “Nisy ranadahy be taona izay nanizingizina hoe tsy tokony handeha hitory aho. Tsy tena nahazo tsara ny sasany hoe tokony hidera an’ilay Mpamorona Be Voninahitra daholo ny Mpianatra ny Baiboly, anisan’izany ny ‘tovolahy sy tovovavy.’” (Sal. 148:12, 13) Nisisika ihany anefa Ranabavy Burford. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faharoa izy, ary lasa misionera tany Panama. Tsy nanao hoatr’izany intsony ireny rahalahy ireny, tatỳ aoriana, rehefa nisy tanora nandeha nanompo.

NAMPIRAY SAINA NY FIVORIAMBE

Nampiray saina koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy ny fivoriambe teo an-toerana. Betsaka tamin’izy ireny no nisy andro fanompoana, ohatra hoe ilay tany Winnipeg, any Kanada. Nisy fandaharana, ohatra, tamin’io fivoriambe io ny 31 Martsa hoe “Hataontsika Rakotra Antsika i Winnipeg.” Nasaina nandray anjara tamin’izy io daholo ny mpanatrika. Nisy vokany be tamin’ny fitomboana tatỳ aoriana ireny andro fanompoana ireny. Notombanana ho 7 000 no nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray natao tany Winnipeg ny 5 Aogositra. Io no tampon’isan’ny mpanatrika fivoriambe tany Kanada tamin’izany.

Tany Los Angeles, any Kalifornia, ny fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah lehibe indrindra, tamin’iny 1923 iny. Natao ny 18-26 Aogositra ilay izy. Nampahafantarina tany amin’ny gazety io fotoan-dehibe io, herinandro vitsivitsy talohan’ilay fotoana. Nizara fanasana mihoatra ny 500 000 ny Mpianatra ny Baiboly. Nasiana afisy koa teny amin’ny fitateram-bahoaka sy ny fiaran’olon-tsotra.

Fivoriamben’ny vondrom-paritra nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, Los Angeles, 1923

Nanao an’ilay lahateny hoe “Ondry sy Osy” ny Rahalahy Rutherford ny asabotsy 25 Aogositra. Nohazavainy tsara hoe ny olona manana toe-po tsara no “ondry”, ary hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany ry zareo. Niresaka momba an’ilay fanapahan-kevitra holanina hoe “Fampitandremana” koa izy. Nanameloka ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina io fanapahan-kevitra io, sady nampirisika ny olona tso-po hiala amin’i “Babylona Lehibe.” (Apok. 18:2, 4) Natao an-tsoratra ilay izy, dia nazoto erỳ ny Mpianatra ny Baiboly eran-tany nizara an-tapitrisany tamin’izy io.

“Hampifandray kokoa ny rahalahy ireny fivoriana mampahery ireny”

Nanao lahateny ho an’ny besinimaro ny Rahalahy Rutherford ny andro farany tamin’ilay fivoriambe, ary 30 000 mahery ny mpanatrika. Izao no lohatenin’ilay izy: “Mandroso ho any Amin’ny Hara-magedona ny Firenena Rehetra, fa Olona An-tapitrisa Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Efa tsinjotsinjon’ny Mpianatra ny Baiboly hoe maro no ho tonga, dia nanofa an’ilay kianja lehibe vao naorina tao Los Angeles ry zareo. Nampiasa ny fanamafisam-peon’ilay kianja ireo rahalahy mba ho azo antoka hoe naheno tsara ny rehetra. Fitaovana raitra be ireny tamin’izany. Betsaka kokoa aza no naheno an’ilay fandaharana tamin’ny radio.

FITOMBOANA ERAN-TANY

Niely be ny asa fitoriana tany Afrika, Eoropa, Inde, ary Amerika Atsimo tamin’ny 1923. Nipetraka tany Inde, ohatra, i A. Joseph. Nikarakara ny vadiny sy ny zanany enina izy, nefa mbola nanampy tamin’ny famokarana boky sy gazety tamin’ny teny hindi, tamoul, télougou ary ourdou.

William Brown sy ny vady aman-janany

I Alfred Joseph sy Leonard Blackman kosa Mpianatra ny Baiboly tany Sierra Leone. Nanoratra tany amin’ny foibe tany Brooklyn, any New York, ry zareo mba hangataka fanampiana. Nivaly izany tamin’ny 14 Aprily 1923. Izao no nolazain’i Alfred: “Nahazo antso an-tariby tampotampoka aho, indray asabotsy alina.” Lehilahy be feo be no henony. Izao no nolazainy: “Ianao ve ilay nangataka mpitory tany amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana?” Namaly i Alfred hoe: “Ie!” Dia hoy ilay olona: “Izaho no nalefany.” I William Brown io niantso io. Vao tonga izy sy Antonia vadiny, ary Louise sy Lucy zanany vavy. Avy tany Karaiba ry zareo. Tsy nila niandry ela ireo rahalahy dia nahita an-dry zareo.

Hoy ihany i Alfred: “Teo am-pianarana Baiboly izahay sy Leonard ny ampitso maraina, no nisy olona lava ranjanana tonga teo am-baravarana. Ny Rahalahy Brown ilay izy. Tena nafana fo tamin’ny fahamarinana izy, ka ny ampitson’io ihany dia efa te hanao lahateny ho an’ny besinimaro.” Tsy ampy iray volana akory dia efa voapetraky ny Rahalahy Brown daholo ny boky sy gazety nentiny. Tsy ela izy dia nahazo boky 5 000 fanampiny ary mbola betsaka aza no nilainy, taoriana kelin’izay. Tsy mpivarotra boky anefa no nahalalana ny Rahalahy Brown. Nafana fo nanompo an’i Jehovah foana izy nandritra ny androm-piainany. Nampiasa ny Soratra Masina foana izy rehefa nanao lahateny, dia nantsoin’ny olona hoe Brown Baiboly.

Betelan’i Magdebourg tamin’ny 1923 tany ho any

Hafa kosa ny zava-nitranga tany Alemaina. Feno hipoka ny biraon’ny sampana tao Barmen, ary efa kely sisa dia hotafihin’i Frantsa, firenena teo akaiky teo, ilay tanàna. Nahita trano tany Magdebourg ny Mpianatra ny Baiboly ary nety be ilay toerana mba hanaovana pirinty. Nahavita nitatitra entana sy fitaovana fanaovana pirinty ireo rahalahy tamin’ny 19 Jona, dia nifindra tao amin’ilay Betela vaovao tany Magdebourg. Nilazana ny tany amin’ny foibe rehefa tafafindra ry zareo, ary ny ampitson’iny ihany dia nivoaka gazety hoe azon’i Frantsa ny tanànan’i Barmen. Hitan’ireo rahalahy hoe tena nitahy sy niaro an-dry zareo i Jehovah.

George Young sy Sarah Ferguson (ankavanana) ary ny rahavaviny

I George Young indray nitety tany mba hampielezana ny vaovao tsara. Nanokatra biraon’ny sampana vaovao izy tany Brezila, dia nanomboka namoaka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny portogey. Tao anatin’ny volana vitsivitsy fotsiny, dia efa nahapetraka gazety sy bokikely 7 000 mahery izy. Faly erỳ i Sarah Ferguson rehefa tonga tany Brezila i George Young. Efa hatramin’ny 1899 izy no namaky Ny Tilikambo Fiambenana, nefa mbola tsy afaka natao batisa mba hampisehoana hoe efa nanokan-tena. Afaka nanao an’io dingana lehibe io ihany ny Ranabavy Ferguson sy ny zanany efatra, volana vitsivitsy tatỳ aoriana.

“FALIFALY REHEFA MANAO AN’IZANY”

Rehefa hifarana ny taona, dia noresahina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1923 ny vokatr’ilay ezaka natao mba hampiray saina ny Mpianatra ny Baiboly. Izao no voalaza tao: ‘Hita mihitsy hoe manana finoana matanjaka ny kilasy. Andao àry hanaovantsika ny fitaovam-piadiantsika ka hiezaka hafana fo sy ho tapa-kevitra hoatr’izao foana isika amin’ny taona ho avy, ary ho falifaly rehefa manao an’izany.’

Niavaka ny taona nanaraka ho an’ny Mpianatra ny Baiboly. Efa amam-bolana mantsy ireo rahalahy tao amin’ny Betela no niasa teo amin’ny tany iray vao azo tany Staten Island. Tsy lavitra ny foibe tany Brooklyn izy io. Voaorina teo am-piandohan’ny 1924 ireo trano teo amin’izy io, ary nanampy ny rahalahy sy anabavy hiray saina izy ireny, sady nampiely ny vaovao tsara mihoatra noho ny hatramin’izay.

Mpanao fanorenana tao Staten Island

a Antsoina amin’izao hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana.