Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Hanana Finoana ny Zanakao

Ampio Hanana Finoana ny Zanakao

‘Aoka samy hidera ny anaran’i Jehovah ianareo tovolahy sy ianareo tovovavy.’—SAL. 148:12, 13.

HIRA: 88, 115

1, 2. a) Inona no sarotra amin’ny ray aman-dreny, ary inona no afaka manampy azy? b) Inona avy ireo zavatra efatra hodinihintsika ato?

HOY ny mpivady iray any Frantsa: “Na mino an’i Jehovah aza izahay, dia tsy voatery hino azy ny zanakay. Tsy tonga dia manam-pinoana mantsy ny ankizy raha vao teraka, fa mandeha tsikelikely ilay izy.” Hoy indray ny rahalahy iray any Aostralia: “Ny manampy ny ankizy hanam-pinoana angamba no sarotra indrindra. Tsy maintsy mampiasa an’izay fomba rehetra azo ampiasaina ianao mba hanampiana azy. Mieritreritra ianao indraindray hoe efa voavalinao ny fanontanian’ny zanakao ary afa-po izy, nefa anontaniany indray ilay izy atỳ aoriana. Tena te hahalala zavatra ny ankizy. Ny fanazavana mahafa-po azy androany mety tsy hahafa-po azy intsony rahampitso, dia mila hazavainao bebe kokoa indray ilay izy.”

2 Manan-janaka ve ianao? Mahatsapa ve ianao indraindray hoe sarotra be ny mampianatra sy manampy azy hanana finoana? Tsy misy mahavita an’izany samirery, raha ny marina. (Jer. 10:23) Mila ny tari-dalan’Andriamanitra isika mba hahavitana an’izany. Ireto misy zavatra efatra azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanana finoana: 1) Fantaro tsara izy. 2) Ataovy ao am-ponao aloha ny Tenin’i Jehovah. 3) Mampiasà fanoharana mety tsara rehefa mampianatra azy. 4) Manàna faharetana ary mivavaha.

FANTARO TSARA NY ZANAKAO

3. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Jesosy?

3 Tsy nisalasala i Jesosy nanontany an’ireo mpianany hoe inona no inoan’izy ireo. (Mat. 16:13-15) Tahafo izy. Ampirisiho hilaza ny ao am-pony ny zanakao, amin’ilay fotoana mampahazo aina tsara azy iny. Raha misy zavatra mampisalasala azy na tsy tena inoany, dia avelao izy hiresaka an’izany. Hoy ny rahalahy iray 15 taona any Aostralia: “Miresaka matetika momba ny zavatra inoako izahay sy Dada. Anontaniany aho hoe: ‘Inona no lazain’ny Baiboly?’ ‘Tena mino an’izany ve ialahy?’ ‘Fa maninona?’ Tiany hilaza ny hevitro mihitsy aho, fa tsy hamerina fotsiny an’izay nolazain’izy sy Neny. Nasainy nanazava bebe kokoa aho rehefa nihalehibe.”

4. Nahoana ny ray aman-dreny no tsy tokony hieritreritra hoe tsy misy dikany ny fanontanian’ny zanany? Manomeza ohatra.

4 Aza tonga dia entim-po na miaro tena be, raha milaza ny zanakao hoe misy zavatra tsy tena inoany. Ampio izy hisaintsaina ary manàna faharetana. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Aza heverina ho tsy misy dikany ny fanontanian’ny zanakao. Aza odiana fanina ilay izy, satria fotsiny hoe tsy mampahazo aina anao ny miresaka an’ilay izy.” Aleo aza ny ankizy manontany, satria midika izany fa tiany ho azo tsara ilay izy. Vao 12 taona i Jesosy dia efa nametraka fanontaniana lehibe. (Vakio ny Lioka 2:46.) Hoy ny ankizilahy iray 15 taona any Danemark: “Nanontany an’i Dada sy Neny aho, indray mandeha, raha tena marina ny fivavahanay. Natahotra angamba ry zareo hoe fa maninona aho no manontany an’izany. Tsy tezitra anefa ry zareo fa novaliany tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako.”

5. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, na dia hoatran’ny hoe manana finoana aza ny zanany?

5 Fantaro tsara àry ny zanakao. Fantaro hoe inona no ao an-tsainy sy ao am-pony ary ny mampanahy azy. Aza mieritreritra hoe manam-pinoana izy satria fotsiny hoe mivory sy mitory miaraka aminao. Ataovy mifandray amin’ny Baiboly ny zavatra sasany resahinareo andavanandro. Mivavaha miaraka aminy ary mivavaha ho azy. Fantaro izay olana mahazo azy ary ampio izy hiatrika an’izany.

ATAOVY AO AM-PONAO ALOHA NY TENIN’I JEHOVAH

6. Nahoana ny Tenin’i Jehovah no tokony ho ao am-pon’ny ray aman-dreny, raha te hampianatra tsara ny zanany izy ireo?

6 Nanohina ny fo i Jesosy rehefa nampianatra, satria tia an’i Jehovah sy ny Teniny ary tia olona. (Lioka 24:32; Jaona 7:46) Hanohina ny fon’ny zanany koa ny ray aman-dreny raha manahaka azy. (Vakio ny Deoteronomia 6:5-8; Lioka 6:45.) Ry ray aman-dreny, ianaro tsara àry ny Baiboly sy ireo bokintsika. Miezaha ho liana amin’ny zavaboary sy ireo lahatsoratra miresaka an’izany ao amin’ny bokintsika. (Mat. 6:26, 28) Hitombo ny zavatra fantatrao amin’izay, ho tia kokoa an’i Jehovah ianao, ary ho hainao kokoa ny hampianatra ny zanakao.—Lioka 6:40.

7, 8. Inona no ho vokany raha ataon’ny ray aman-dreny ao am-pony ny fahamarinana? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Rehefa ao am-ponao ny fahamarinana, dia azo antoka fa te hampita an’izany amin’ny zanakao ianao. Afaka manao an’izany ianao na rahoviana na rahoviana, fa tsy rehefa manomana fivoriana na manao fotoam-pivavahana ihany. Isan’andro mihitsy aza no tsara. Aza terena be anefa ilay resaka, fa avelao handeha ho azy. Miresaka momba an’i Jehovah amin’ny zanany ny mpivady iray any Etazonia, rehefa mahita zavaboary mahafinaritra na mihinana sakafo matsiro. Hoy izy mivady: “Ampahatsiahivinay ny zanakay hoe tena tia antsika i Jehovah matoa nomaniny tsara ny zava-drehetra nataony ho antsika.” Rehefa manao zaridaina miaraka amin’ny zanany roa vavy indray ny mpivady iray atsy Afrika Atsimo, dia asehony azy ireo, ohatra, fa mahavariana ny fomba fitsimoky ny zavamaniry sy ny fitombony. Hoy izy mivady: “Ampianay ny zanakay mba hanaja ny zavaboary sy hahita hoe be pitsiny sy mahatalanjona izy ireny.”

8 Tian’ny lehilahy iray any Aostralia raha tena inoan’ny zanany lahy folo taona eo ho eo hoe misy Andriamanitra ary izy no Mpamorona. Nentiny tany amin’ny toerana iray fampisehoana biby efa nisy taloha ela be àry ilay zaza. Nahita fampirantiana karazana orana sy sifotra efa lany tamingana izy ireo tany. Hoy ilay lehilahy: “Gaga be izahay hoe tsara tarehy sy be pitsiny ireny biby ireny, hoatran’ny biby misy amin’izao ihany! Nahoana àry ireny zavamananaina taloha be ireny no efa be pitsiny hoatr’izany, raha zavamananaina tsotra kely no nivoatra miandalana dia lasa zavamananaina hafa be pitsiny? Tena gaga aho, dia noresahiko tamin’ilay zanako izany.”

MAMPIASÀ FANOHARANA

9. Nahoana no mandaitra ny fanoharana, ary inona no fanoharana nampiasain’ny vehivavy iray?

9 Nilaza fanoharana i Jesosy matetika. Nanampy ny olona hisaintsaina izany, nanohina ny fony, ary nahatonga azy hitadidy ny zavatra nampianariny. (Mat. 13:34, 35) Mazotoa àry mampiasa fanoharana rehefa miresaka amin’ny zanakao. Mora maka sary an-tsaina mantsy ny ankizy. Nampiasa fanoharana ny vehivavy iray tany Japon rehefa nampianatra an’ireo zanany roa lahy hoe tia antsika i Jehovah matoa nataony mety tsara ny rivotra iainantsika. Nomeny ronono sy siramamy ary vovo-kafe izy roa lahy, ary nasainy nanao kafe. Hoy ilay vehivavy: “Nataon’izy ireo tsara ilay kafe, dia nanontany aho hoe maninona ry zareo no nitandrina be. Dia namaly ry zareo hoe: ‘Mba ho amin’ilay tena tian’i Mama ilay izy.’ Nohazavaiko hoe nitandrina be hoatr’izany koa Andriamanitra rehefa nanambatra ny gazy ao amin’ny rivotra iainantsika. Nataony mety tsara amintsika ilay izy.” Valo taona sy folo taona izy roa lahy, ka nifanentana tamin’izy ireo ilay fanoharana. Nahafinaritra an-dry zareo ilay izy satria tsy hoe nihaino fotsiny izy ireo. Tadidiny foana ilay izy avy eo.

Afaka mampiasa zavatra mahazatra ianao mba hanampiana ny zanakao hino hoe misy Andriamanitra ary izy no namorona an’izao rehetra izao (Fehintsoratra 10)

10, 11. a) Inona no fanoharana azonao ampiasaina mba hanampiana ny zanakao hino kokoa an’Andriamanitra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona koa no fanoharana hitanao hoe nandaitra?

10 Azonao atao koa ny mampiasa boky momba ny fanaovana mofomamy, dia manamboatra mofomamy miaraka amin’ny zanakao. Hazavao fa ilaina ny manaraka tsara ny toromarika ao. Omeo paoma na voankazo hafa izy avy eo, ary anontanio hoe: “Fantatrao ve fa nisy toromarika narahina koa vao nisy ity paoma ity?” Zarao roa ilay paoma avy eo, ary omeo voany izy. Lazao izy fa ao anatin’iny voany iny no misy an’ilay toromarika, saingy sarotra kokoa noho ny an’ilay mofomamy ilay izy. Anontanio izy hoe: “Tsy maintsy ho nisy nanoratra ny toromarika nanaovana an’ilay mofomamy. Ary mba iza no nanoratra ny toromarika nanaovana an’ilay paoma?” Raha efa lehibebe indray ny zanakao, dia resaho hoe ao anaty ADN no misy ny toromarika nanaovana an’ilay paoma, ary tsy ilay paoma ihany fa ilay hazo naniriany mihitsy. Azonareo jerena koa ny sary sasany ao amin’ny pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-20 amin’ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina.

11 Maro ny ray aman-dreny miara-midinika amin’ny zanany an’ilay lahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?”, ao amin’ny Mifohaza! Misy koa manazava an’ilay izy amin’ny fomba tsotsotra amin’ny zanany kely. Nisy mpivady iray tany Danemark, ohatra, nampitaha ny raoplanina tamin’ny vorona. Hoy izy ireo: “Hoatran’ny vorona mihitsy ny raoplanina. Fa manatody sy mikotrika ve ny raoplanina? Ary ny vorona ve mila arabe manokana hoatran’ny raoplanina vao afaka manidina na mipetraka amin’ny tany? Mba hoatran’ny ahoana ny feon’ny raoplanina raha oharina amin’ny siokan’ny vorona? Dia iza izany no mahay kokoa: Ilay nanamboatra ny raoplanina sa ilay nanao ny vorona?” Hahay hisaina tsara ny zanakao ka hino kokoa an’Andriamanitra, raha mahay mametraka fanontaniana hoatr’izany ianao.—Ohab. 2:10-12.

12. Inona no fanoharana azo ampiasaina mba hahatonga ny ankizy hino fa marina izay lazain’ny Baiboly?

12 Raha mahay mifidy fanoharana koa ianao, dia ho afaka hanampy ny zanakao hino kokoa hoe marina ny Baiboly. Diniho, ohatra, ny Joba 26:7. (Vakio.) Ahoana no hanaporofoanao fa Andriamanitra no nampanoratra an’ireo teny ireo? Aza milaza ny zava-misy fotsiny, fa ampio hisaintsaina ny zanakao. Lazao azy fa taloha ela be i Joba no velona, tamin’ny mbola tsy nisy fitaovana azo nalefa teny amin’ny lanitra mba hijerena ny tetỳ an-tany. Sarotra be ny hino hoe afaka mihantona ny zavatra iray nefa tsy misy manohana azy, indrindra moa hoe zavatra ngezabe hoatran’ny tany. Asaivo porofoin’ny zanakao izany, ka angamba izy hampiasa baolina na vato mba hanaporofoana an’izany. Ho resy lahatra izy amin’izay fa marina foana izay voalazan’ny Baiboly, na dia atỳ aoriana aza ilay izy vao voaporofon’ny olombelona. I Jehovah mantsy no nampanoratra azy io.—Neh. 9:6.

AMPIO IZY HATOKY FA MAHASOA NY TORO LALAN’NY BAIBOLY

13, 14. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hinoan’ny zanany fa mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly?

13 Tena ilaina koa ny manampy ny ankizy hatoky fa mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly. (Vakio ny Salamo 1:1-3.) Maro ny fomba azo anaovana an’izany. Azonao resahina, ohatra, ny zanakao hoe: “Ahoana raha handeha hipetraka any amin’ny nosy iray ianao, dia asaina mifidy olona vitsivitsy hiara-mipetraka aminao any? Inona avy ny toetra tsy maintsy hanananareo rehetra raha tsy te hiadiady ianareo fa hihavana tsara foana?” Azonao resahina aminy koa ny Galatianina 5:19-23.

14 Misy zavatra roa azon’ny ankizy ianarana amin’izany. Voalohany, manampy ny olona hifandray tsara ny fitsipik’i Jehovah. Faharoa, manomana antsika hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ny zavatra ampianarin’i Jehovah antsika. (Isaia 54:13; Jaona 17:3) Vao mainka ho azon’ny zanakao izany raha iresahanao tantaran’olona ao amin’ny bokintsika izy. Ampiasao, ohatra ilay hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Mety hisy olona nanao fiovana be mba hampifaliana an’i Jehovah koa, ao amin’ny fiangonanareo. Azonao asaina izy ary angatahina hitantara ny zavatra niainany. Ho hitan’ny zanakao amin’izay fa tena mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly.—Heb. 4:12.

15. Inona no tokony hotadidinao rehefa mampianatra ny zanakao?

15 Inona àry no tokony hotadidinao? Mitadiava hevitra, amin’izay mba miovaova ny fampianaranao. Ampio koa ny zanakao hisaintsaina, nefa ampifanaraho amin’ny taonany izany. Ataovy mahafinaritra azy sy manatanjaka ny finoany ny mianatra. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Mitadiava foana fomba vaovao hanazavana hevitra efa noresahinareo taloha.”

MANÀNA FAHARETANA ARY MIVAVAHA

16. Nahoana no ilaina ny manam-paharetana rehefa mampianatra ny ankizy? Hazavao amin’ny ohatra.

16 Ny fanahin’i Jehovah no manampy antsika hanana finoana matanjaka. (Gal. 5:22, 23) Mila fotoana anefa izany. Mila manam-paharetana sy fikirizana àry ianao, rehefa mampianatra ny zanakao. Hoy ny lehilahy iray manan-janaka roa any Japon: “Nanokana fotoana be dia be ho an’ny zanakay izahay mivady. Mbola kely izy ireo dia efa nampianariko nandritra ny fahefak’adiny isan’andro, afa-tsy rehefa nisy fivoriana. Nety tsara taminay izany sady nety tsara tamin-dry zareo.” Nisy mpiandraikitra ny faritra iray nilaza fa nisy zavatra be dia be nampisalasala azy tamin’izy mbola tanora, nefa tsy izy rehetra no noresahiny. Hoy izy: “Maro tamin’ilay izy no voaresaka tany am-pivoriana na tamin’ny fianaram-pianakaviana, na hitako tamin’ny fianarako samirery. Midika izany hoe mila mampianatra ny zanany foana ny ray aman-dreny.”

Tokony ho ao am-ponao ny Tenin’Andriamanitra, izay ianao vao ho afaka hampianatra tsara ny zanakao (Fehintsoratra 17)

17. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hanam-pinoana, ary inona no ataon’ny mpivady iray?

17 Tokony ho hitan’ny zanakao koa fa tena manam-pinoana ianao. Handinika ny ataonao izy, ary hisy vokany tsara aminy izany. Miezaha foana àry hanatanjaka ny finoanao. Ataovy hitan’ny zanakao fa tena mino ianao hoe misy i Jehovah. Rehefa misy zavatra mampanahy ny mpivady iray any Bermudes, dia miara-mivavaka amin’ny zanany izy ireo ka mangataka ny tari-dalan’i Jehovah. Ampirisihiny koa ny zanany mba hivavaka samirery. Hoy izy mivady: “Ilazanay koa ilay zanakay vavy efa lehibebe hoe: ‘Matokia tanteraka an’i Jehovah, mazotoa manompo, ary aza manahy be loatra.’ Rehefa hitany ny vokatr’ilay izy, dia fantany hoe manampy anay i Jehovah ka lasa matoky tsara an’azy sy tena mino izay lazain’ny Baiboly izy.”

18. Inona no tokony hotadidin’ny ray aman-dreny?

18 Tadidio anefa fa tsy afaka manery ny zanakao hanana finoana ianao. Afaka mamboly sy manondraka ianao, fa i Jehovah no mampitombo. (1 Kor. 3:6) Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary miezaha mafy mampianatra ny zanaka malalanao. Azo antoka fa hotahin’i Jehovah ny ezaka mafy ataonao.—Efes. 6:4.