Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aza Miraviravy Tanana”

“Aza Miraviravy Tanana”

“Aza miraviravy tanana.”—ZEF. 3:16.

HIRA: 81, 32

1, 2. a) Inona no olana atrehin’ny olona maro ankehitriny, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no ampanantenain’ny Isaia 41:10, 13?

HOY ny anabavy iray mpisava lalana maharitra sady manambady anti-panahy: “Nanahy be foana aho nandritra ny taona maro, na dia nataoko foana aza izay tokony hatao mba hahatonga ahy hatanjaka ara-panahy. Lasa tsy nahita tory aho vokatr’izany, tsy salama, ary tsy nifandray tsara tamin’ny hafa. Kivy be koa aho, dia tsy te hahita na iza na iza.”

2 Azonao ve ny manjo an’io anabavy io? Mampalahelo fa be dia be ny olana mety hatrehintsika eto amin’ity tontolon’i Satana ity, ka mety hahatonga antsika ho kivy be. Toy ny vatofantsika mihazona ny sambo tsy handroso ny hakiviana. (Ohab. 12:25) Inona no mety hahakivy anao? Angamba nisy mpianakavinao nodimandry, na marary mafy ianao, na misy manohitra. Miezaka mafy mamelona ny ankohonanao koa angamba ianao amin’izao fiainana sarotra izao. Mety hampiady saina be anao izany ka ho trotraka ianao amin’ny farany. Mety tsy ho faly intsony mihitsy koa ianao. Matokia anefa fa vonona hanolotra ny tanany Andriamanitra mba hanampiana anao.—Vakio ny Isaia 41:10, 13.

3, 4. a) Ahoana matetika no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “tanana”? b) Inona no mety hahatonga antsika hiraviravy tanana?

3 Matetika ny Baiboly no mampitaha ny toetran’ny olona na ny zavatra ataony amin’ny rantsambatana. Miverina ao imbetsaka, ohatra, ny hoe tanana. Rehefa milaza izy io hoe nisy nampahery ny tanan’ny olona iray, dia midika izany hoe nahazo hery izy, nihanatanjaka, ary lasa vonona hanao zavatra. (1 Sam. 23:16; Ezra 1:6, f.a.p.) Midika koa izy io hoe mifantoka amin’ny zavatra tsara ary manantena fa ho tsara ny hoavy.

4 Olona kivy na tsy manana fanantenana kosa no tiana holazaina amin’ilay hoe miraviravy tanana. (2 Tan. 15:7; Heb. 12:12) Matetika no lasa tsy te hanao na inona na inona intsony ny olona hoatr’izany. Ahoana àry raha miady saina ianao, na vizana be, na misy zavatra mampalahelo be anao na tsapanao hoe manimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Inona no hampahery anao? Inona no hanampy anao hazoto indray sy hahavita hiaritra ary ho faly?

‘TSY HOE FOHY LOATRA NY TANAN’I JEHOVAH KA TSY MAHAVONJY’

5. a) Inona no mety hitranga rehefa manana olana isika, nefa inona no tokony hotadidintsika? b) Inona no hodinihintsika ato?

5 Vakio ny Zefania 3:16, 17. Tsy tokony hiraviravy tanana isika, izany hoe tsy tokony hanaiky ho resin’ny tahotra sy ny hakiviana. Tian’i Jehovah raha ‘apetratsika aminy izay rehetra mampanahy antsika.’ (1 Pet. 5:7) Tadidio ilay fampanantenany tamin’ny Israelita hoe: “Tsy hoe nanjary fohy loatra ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavonjy.” (Isaia 59:1) Ampiany foana ny mpanompony tsy mivadika. Mampahery ny vahoakany i Jehovah, amin’izay izy ireo manao ny sitrapony na dia manana olana lehibe aza. Vitany sady tena tiany ny manao an’izany. Handinika ohatra telo ahitana an’izany isika izao. Azo antoka fa hampahery anao izany.

6, 7. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’ny nandresen’ny Israelita ny Amalekita?

6 Nisy fahagagana nitranga ka afaka tany Ejipta ny Israelita. Nanafika azy ireo anefa ny Amalekita, tsy ela taorian’izay. Tena be herim-po i Josoa ka nanaraka ny tenin’i Mosesy ary nitarika azy ireo hiady. I Mosesy kosa nankeny an-tampon-kavoana niaraka tamin’i Arona sy Hora, ary nitazana an’ilay ady avy teny. Natahotra ve izy ireo dia nandositra? Tsia!

7 Nisy zavatra nataon’i Mosesy ka nahatonga an-dry zareo handresy. Noraisiny ny tehin’Andriamanitra, dia ningainy ny tanany. Rehefa najanony teo ny tanany, dia nataon’i Jehovah nahery ny tanan’ny Israelita, ka resin’izy ireo ny Amalekita. Rehefa vizana anefa izy ka nidina ny tanany, dia ny Amalekita no nandresy. Nanampy haingana an’i Mosesy àry i Arona sy Hora, ka naka vato hipetrahany. “Nanohana ny tanany roa izy roa lahy, ka i Arona teo an-daniny ary i Hora teo an-kilany, mba tsy hihetsehan’ny tanan’i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro.” Nanampy an’ireo Israelita ny tana-maherin’Andriamanitra, ka nandresy izy ireo.—Eks. 17:8-13.

8. a) Inona no nataon’i Asa rehefa nandrahona ny Joda ny Etiopianina? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Asa?

8 Hita tamin’ny andron’i Asa Mpanjaka koa hoe tsy fohy ny tanan’i Jehovah. Betsaka ny ady tantarain’ny Baiboly, fa i Zera Etiopianina no nanana tafika lehibe indrindra tamin’ireny ady ireny. Nanana miaramila 1 000 000 izy, ary efa zatra ady izy ireo. Efa ho avo roa heny noho ny tafik’i Asa izany. Nanahy sy natahotra ve anefa i Asa ka niraviravy tanana? Tsia. Tonga izy dia nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Toa tsy ho resy mihitsy ny Etiopianina, raha amin’ny fomba fijerin’olombelona. “Hain’Andriamanitra” anefa “ny zava-drehetra.” (Mat. 19:26) Nampiasa ny heriny lehibe izy, ka ‘resy teo anoloan’i Asa ny Etiopianina.’ “Nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah” mantsy “ny fon’i Asa.”—2 Tan. 14:8-13; 1 Mpanj. 15:14.

9. a) Inona no tsy nahasakana an’i Nehemia tsy hanamboatra ny mandan’i Jerosalema? b) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Nehemia?

9 Eritrereto izay tsapan’i Nehemia tamin’izy nankany Jerosalema. Tsy nisy mpiaro ilay tanàna. Kivy be koa ny Jiosy namany. Tsy nanamboatra ny mandan’i Jerosalema izy ireo, satria nandrahona azy ny fahavalony. Nahatonga an’i Nehemia hiraviravy tanana toa azy ireo ve izany? Tsia! Efa zatra niantehitra tamin’i Jehovah sy nivavaka taminy izy, hoatran’i Mosesy sy Asa ary ny mpanompon’i Jehovah hafa tsy nivadika. Nivavaka àry izy tamin’izay. Nety ho nihevitra ny Jiosy fa tsy ho voavaha mihitsy ilay olana. Namaly ny fitalahoan’i Nehemia anefa i Jehovah, ka nampiasa ny ‘heriny lehibe sy ny tanany mahery’ mba hanampiana an’ireo Jiosy niraviravy tanana. (Vakio ny Nehemia 1:10; 2:17-20; 6:9.) Matoky koa ve ianao hoe mampiasa ny ‘heriny lehibe sy ny tanany mahery’ i Jehovah ankehitriny mba hanampiana ny mpanompony?

HAMPAHERY NY TANANAO I JEHOVAH

10, 11. a) Inona no ataon’i Satana mba hampiraviravy tanana antsika? b) Ahoana no anomezan’i Jehovah hery antsika? d) Inona no soa noraisinao tamin’ny fampianaran’i Jehovah sy ny fampiofanany?

10 Hanao izay ho afany foana ny Devoly mba hahatonga antsika tsy hanompo tsara an’i Jehovah intsony. Manararaotra manao an’izany izy, rehefa misy fanjakana sy mpitondra fivavahana ary mpivadi-pinoana manely lainga sy mandrahona antsika. Tiany hiraviravy tanana mantsy isika ka tsy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana intsony. Afaka manome hery antsika amin’ny alalan’ny fanahy masina anefa i Jehovah, sady tena te hanao an’izany. (1 Tan. 29:12) Tena mila mangataka fanahy masina àry isika, raha te hahavita hiatrika an’izay fitsapana alefan’i Satana sy ny tontolony. (Sal. 18:39; 1 Kor. 10:13) Faly isika fa manana ny Tenin’Andriamanitra, izay avy amin’ny herin’ny fanahy masina. Betsaka koa ny sakafo ara-panahy azontsika isam-bolana. Mampahery antsika koa ny Zakaria 8:9, 13. (Vakio.) Tenin’i Jehovah tamin’ny Jiosy nanorina ny tempolin’i Jerosalema no voalaza ao.

11 Mahazo hery koa isika satria ampiofanin’i Jehovah any amin’ny fivoriana sy fivoriambe ary sekoly ara-baiboly. Manampy antsika izy ireny mba hanana antony tsara hanompoana azy sy hahavita ny andraikitra ampanaoviny antsika ary hanatratra tanjona. (Sal. 119:33) Miezaka mafy àry ve ianao mba hahazo hery avy amin’izany fampiofanan’i Jehovah izany?

12. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hatanjaka ara-panahy foana isika?

12 Nampian’i Jehovah ny Israelita, ka nandresy an’ireo Amalekita sy Etiopianina. Nomeny hery koa i Nehemia sy ny namany, ka nahavita nanamboatra ny mandan’i Jerosalema. Homen’i Jehovah hery koa isika ka hahavita hitory foana, na dia misy mampitebiteby antsika aza ary na manohitra sy tsy miraika aza ny olona. (1 Pet. 5:10) Tsy tokony hanantena an’i Jehovah hanao fahagagana anefa isika. Ilaintsika kosa ny mamaky Baiboly isan’andro, manomana sy manatrika fivoriana isan-kerinandro, ary miantehitra foana amin’i Jehovah amin’ny vavaka. Mila mianatra samirery sy manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana koa isika, mba hatanjaka ny saintsika sy ny fontsika. Aza avela hisy zavatra hanakana anao tsy hanao an’ireo àry, amin’izay ianao hahazo hery avy amin’i Jehovah. Raha somary miraviravy tanana ianao, ka tsy vitanao tsara ny iray amin’ireo, dia mangataha fanampiana aminy. Ho hitanao fa ‘hiasa’ aminao ny fanahiny, ka sady ‘haniry’ hanao izay tokony hatao ianao no hazoto ‘hanatanteraka’ an’ilay izy. (Fil. 2:13) Ary inona no azonao atao mba hampaherezana ny hafa?

HATANJAHO NY TANANA MIRAVIRAVY

13, 14. a) Ahoana no nahazoan’ny rahalahy iray hery rehefa namoy ny vadiny izy? b) Inona no azontsika atao mba hampaherezana ny hafa?

13 Omen’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy maneran-tany koa isika, ary miahy antsika sy afaka mampahery antsika izy ireny. Hoy ny apostoly Paoly: “Hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy, ary ataovy mahitsy foana ny lalana halehan’ny tongotrareo.” (Heb. 12:12, 13) Maro no nahazo an’izany fanampiana izany tamin’ny taonjato voalohany. Hoatr’izany koa ankehitriny. Nisy rahalahy iray, ohatra, maty vady ary avy eo niatrika fitsapana mafy hafa. Hoy izy: ‘Lasa takatro fa tsy afaka mifidy izay fitsapana hahazo antsika isika, na mifidy ny fotoana hitrangany sy ny hoe impiry isika no hiatrika fitsapana. Tsy namoy fo aho satria nivavaka sy nianatra samirery. Tena nanohana sy nampahery an’ahy koa ireo rahalahy sy anabavy. Lasa tsapako hoe tena ilaina ny mifandray tsara amin’i Jehovah dieny mbola tsy misy zava-manahirana.’

Afaka mampahery ny hafa isika rehetra eo anivon’ny fiangonana (Fehintsoratra 14)

14 Nanohana ny tanan’i Mosesy i Arona sy Hora nandritra an’ilay ady tamin’ny Amalekita. Azontsika atao koa ny mitady fomba hanohanana sy hanampiana ny hafa. Iza no azontsika ampiana? Ireo mijaly satria mihantitra, ireo tsy salama, ireo toherin’ny fianakaviany, ireo manirery, na ireo namoy havana. Azontsika atao koa ny mampahery ny tanora. Taomin’ny olona haditra mantsy izy ireny. Misy koa mampirisika azy ireny hifantoka be amin’ny fianarana sy ny asa na ny fitadiavam-bola, satria mihevitra ny olona fa izany no hahatafita azy. (1 Tes. 3:1-3; 5:11, 14) Mitadiava àry fomba ampisehoana hoe tena miahy ny hafa ianao, ohatra hoe rehefa any am-pivoriana, na eny am-pitoriana, na rehefa miara-misakafo aminy, na mitelefaonina azy.

15. Inona no ho vokany raha milaza teny mampahery isika?

15 Nampahery an’i Asa sy ny vahoakany i Azaria mpaminany, rehefa avy nandresy an’ireo Etiopianina i Asa. Hoy izy: “Koa mahereza ianareo, ary aza miraviravy tanana, fa handray valisoa ianareo amin’izay ataonareo.” (2 Tan. 15:7) Nanao fanovana maro i Asa vokatr’izany, ka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Mety hisy vokany be amin’ny hafa koa ny teny mampahery lazaintsika. Handrisika azy hanompo bebe kokoa an’i Jehovah izany. (Ohab. 15:23) Tadidio koa fa tena misy vokany amin’ny hafa ny mahita anao manangan-tanana sy manome valin-teny mampahery, rehefa any am-pivoriana.

16. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanahafana an’i Nehemia? Inona no efa nataon’ny mpiara-manompo mba hanampiana anao?

16 Nampian’i Jehovah i Nehemia sy ireo niaraka taminy, ka nifampahery sady lasa nazoto hanamboatra ny mandan’i Jerosalema. Vitan’izy ireo tao anatin’ny 52 andro monja ilay izy avy eo. (Neh. 2:18; 6:15, 16) Nandray anjara tamin’ilay asa mihitsy i Nehemia, fa tsy hoe nanara-maso an’ilay izy fotsiny. (Neh. 5:16) Maro ny anti-panahy manahaka azy. Mandray anjara amin’ny fanorenana ataon’ny fandaminana izy ireny, na manadio sy mikojakoja Efitrano Fanjakana. Miara-manompo amin’ny mpitory koa ireny anti-panahy be fitiavana ireny sady mitsidika ny ondry, ka manatanjaka an’ireo miraviravy tanana sy mitebiteby.—Vakio ny Isaia 35:3, 4.

“AZA MIRAVIRAVY TANANA”

17, 18. Inona no azontsika antoka rehefa manana olana isika na mitebiteby?

17 Lasa miray saina kokoa isika, rehefa miara-manompo amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Lasa mpinamana be koa isika sady lasa samy matoky kokoa fa tena hisy ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa mampahery ny hafa isika, dia tsy ho resin’ny hakiviana izy, fa hifantoka amin’ny zavatra tsara sy hanana fanantenana. Isika koa hahazo hery satria vao mainka ho resy lahatra fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah.

18 Vao mainka isika hanam-pinoana sy hatoky an’i Jehovah, rehefa mieritreritra ny fomba nanampiany sy niarovany ny mpanompony tsy mivadika fahiny. “Aza miraviravy tanana” àry rehefa manana olana ianao na mitebiteby. Mivavaha amin’i Jehovah ary avelao hanampy anao ny tanany mahery, dia hahazo an’ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana ianao.—Sal. 73:23, 24.