Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ny Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah

Mahasoa ny Manaraka ny Tari-dalan’i Jehovah

NAHAY NISAFIDY IZY (POLONINA)

“NATAO batisa aho tamin’izaho 15 taona. Nanomboka nanao mpisava lalana mpanampy aho enim-bolana taorian’izay, ary nanao mpisava lalana maharitra herintaona tatỳ aoriana. Nangataka hanitatra any amin’izay toerana mila mpitory bebe kokoa aho, rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Tsy te hijanona teto an-tanànanay aho sady tsy te hipetraka tao amin’ny bebenay intsony. Tsy Vavolombelon’i Jehovah izy. Nilaza anefa ny mpiandraikitra ny faritra hoe ny tanànanay ihany no ho faritaniko. Nalahelo be aho, saingy nafeniko an’azy izany. Niondrika aho niala teo, dia nisaintsaina ny teniny. Niteny tamin’ilay mpitory namako aho hoe: ‘Hoatran’i Jona mihitsy akia izaho a! Fa i Jona nandeha tany Ninive ihany. Dia izaho koa izany handeha any amin’izay hanirahana an’ahy.’

“Efa efa-taona aho izao no mpisava lalana teto aminay. Hitako hoe ny toe-tsaiko taloha mihitsy no tsy tsara. Soa ihany aho fa nanaraka toromarika! Tena faly aho izao. Nahazo mpianatra 24 aho tao anatin’ny iray volana. Nampian’i Jehovah koa aho, dia nanaiky nampianariko Baiboly bebenay nefa nanohitra taloha.”

SOA IHANY IZY FA TSY NANDEHA (FIDJI)

Tsy maintsy nifidy ny mpianatra Baiboly iray tany Fidji hoe hamonjy fivoriambe sa hiaraka amin’ny vadiny hankalaza ny aniverseran’ny havany. Navelan’ilay rangahy hamonjy fivoriambe izy, nefa niteny hoe mety ho any amin’ilay fety ihany rehefa mirava. Rehefa nody anefa izy, dia nieritreritra hoe aleo mihitsy tsy manao zavatra mety hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah. Tsy nandeha tany amin’ilay fety indray àry izy.

Niteny tamin’ny havany ilay rangahy hoe ho tonga eo ny vadiny rehefa avy mamonjy fivoriambe. Hoy anefa izy ireo: “Tsy ho tonga eo izany iny! Ny Vavolombelon’i Jehovah ange tsy manao aniversera e!” *

Faly be ilay rangahy satria tsy nivadika tamin’ny zavatra ninoany ilay vadiny sady tsy nanao zavatra mety hanenjika ny eritreriny. Lasa afaka nitory taminy sy tamin’ny olon-kafa àry ilay vehivavy. Nanaiky hianatra Baiboly mihitsy ilay rangahy ary nanomboka nivory niaraka taminy.

^ feh. 7 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’​ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2001.