Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miady Mafy Foana ve Ianao mba Hotahin’i Jehovah?

Miady Mafy Foana ve Ianao mba Hotahin’i Jehovah?

“Efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’olona ianao, ka nandresy.”—GEN. 32:28.

HIRA: 60, 38

1, 2. Inona avy ny ady mafy ataon’ny mpanompon’i Jehovah?

NIADY mafy mba hiaro ny finoany foana ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, nanomboka tamin’i Abela ka hatramin’izao. Nilaza ny apostoly Paoly fa niaritra “ady mafy tao anatin’ny fijaliana” ireo Kristianina hebreo, mba hankasitrahan’i Jehovah sy hotahiny. (Heb. 10:32-34) Nampitahainy tamin’ny mpanao fanatanjahan-tena tany Gresy fahiny ny Kristianina. (Heb. 12:1, 4) Niezaka mafy izy ireny rehefa nifaninana tamin’ny hazakazaka, na nanao tolona, na ady totohondry. Toy ny hoe mihazakazaka koa isika, ka ny fiainana mandrakizay no tanjontsika. Ataon’ny fahavalontsika anefa izay hahatonga antsika ho variana na hianjera, amin’izay isika tsy ho faly intsony sady tsy hahazo valisoa.

2 Mila miady mafy na “mitolona” amin’i Satana sy ny tontolony isika. (Efes. 6:12) Mila manohitra an’ireo “zavatra efa mafy orina” eto amin’ity tontolo ity isika. Anisan’izany ny zavatra inoany sy ny hevitra aeliny. Tsy manao ny fanaony koa isika: Tsy ratsy fitondran-tena isika, tsy mifoka sigara, tsy miboboka toaka, ary tsy midoroka zava-mahadomelina. Tsy maintsy miady foana koa isika mba tsy ho resin’ny fahalementsika sy ny hakiviana.—2 Kor. 10:3-6; Kol. 3:5-9.

3. Ahoana no ampiofanan’i Jehovah antsika mba hahaizantsika miady amin’ny fahavalontsika?

3 Ho vitantsika tokoa ve ny handresy an’ireo fahavalo mahery be ireo? Eny. Mila miady mafy anefa isika. Nampitaha ny tenany tamin’ny mpanao ady totohondry i Paoly, ka hoy izy: “Tsy toy ny mamely rivotra aho rehefa mamely totohondry.” (1 Kor. 9:26) Ataon’ny mpanao ady totohondry izay handresena ny fahavalony, ary hoatr’izany koa no tsy maintsy ataontsika. Mampiofana sy manampy antsika mba handresy i Jehovah ka nanome ny Teniny. Misy toromarika miaro ny aintsika ao. Eo koa ny boky sy gazety sy ny fivoriana ary ny fivoriambe. Mampihatra an’izay ianaranao amin’izy ireny ve ianao? Tsy tena miady amin’ny fahavalonao ianao raha tsy manao an’izany, fa toy ny “mamely rivotra.”

4. Inona no azontsika atao mba tsy ho resin’ny ratsy isika?

4 Mila mailo foana isika satria amin’ny fotoana tsy ampoizintsika ny fahavalo no mety hamely antsika, na rehefa tena malemy iny isika. Hoy ny Romanina 12:21: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” Matoa isika ampirisihina hoe “aza manaiky ho resin’ny ratsy”, dia midika izany hoe azo resena ny ratsy. Hahavita an’izany isika raha miady mafy foana. Raha tsy mitandrina kosa isika ka tsy miady intsony, dia mety ho resin’i Satana sy ny tontolony ary mety hanatanteraka ny fanirian-dratsy ao anatintsika. Aza manaiky hampitahorin’i Satana mihitsy àry, ka hiraviravy tanana dia ho resy.—1 Pet. 5:9.

5. a) Inona no hanampy antsika hiady foana mba hotahin’i Jehovah? b) Ny tantaran’iza no hodinihintsika ato?

5 Te hahazo sitraka amin’i Jehovah sy hotahiny isika matoa miady. Mila mitadidy an’izany isika raha te handresy. Saintsaino foana ny Hebreo 11:6 hoe: ‘Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.’ Ilay teny grika nadika hoe “mitady mafy”, dia azo adika hoe manao ezaka mafy sy mitohy. (Asa. 15:17) Tena niezaka be mba hotahin’i Jehovah ny lehilahy sy vehivavy sasany resahin’ny Baiboly. Niatrika olana namizana be sady nahakivy, ohatra, i Jakoba, Rahely, Josefa, ary Paoly. Hita amin’ny tantaran’izy ireo anefa fa tena tahin’i Jehovah izay miady mafy foana. Hodinihintsika hoe ahoana no azo anahafana azy ireo.

TAHIN’I JEHOVAH IZAY MIADY MAFY FOANA

6. Inona no nanampy an’i Jakoba hiady foana, ary inona no valisoa azony? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Niady mafy foana i Jakoba satria tia an’i Jehovah izy sady sarobidy taminy ny fifandraisan’izy ireo. Tena natoky koa izy fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah hoe hotahiny ny taranany. (Gen. 28:3, 4) Izany no nahatonga azy hanao izay fara heriny mba hotahin’i Jehovah. Nitolona tamin’ny anjely mihitsy aza izy, tamin’izy efa ho 100 taona. (Vakio ny Genesisy 32:24-28.) Azo antoka fa tsy ho nahavita nitolona tamin’io anjely mahery io izy raha tamin’ny heriny fotsiny. Tapa-kevitra ny hiady hatramin’ny farany izy, na dia tsy mora aza ilay izy. Nahazo valisoa izy satria be fikirizana. Novana hoe Israely ny anarany, ary tena mendrika an’izany izy. (Ilay hoe Israely dia midika hoe “Mpitolona [Mpaneho Fikirizana] Amin’Andriamanitra”, na “Mitolona Andriamanitra.”) Nahazo an’ilay valisoa irintsika rehetra i Jakoba, izany hoe nankasitrahan’i Jehovah sy notahiny.

7. a) Inona no zavatra nahakivy nanjo an’i Rahely? b) Inona no nanampy azy hiady foana, ary inona no fitahiana azony?

7 Ary i Rahely, vady malalan’i Jakoba? Tena tsy andriny koa ny hanatanterahan’i Jehovah an’ilay fampanantenany tamin’ny vadiny. Hoatran’ny tsy ho tanteraka anefa ilay izy satria tsy niteraka i Rahely. Nampalahelo be tamin’izany ny olona tsy nanan-janaka. Tsy afa-nanoatra i Rahely ary tena mafy ny nanjo azy. Nahoana anefa izy no tsy kivy fa nahavita niady foana? Nanantena foana izy ary nivavaka mafimafy kokoa. Nihaino ny fitalahoany i Jehovah ary nitahy azy, ka nanan-janaka ihany izy. Tsy mahagaga raha nilaza i Rahely fa ‘nitolona mafy izy ka nandresy.’—Gen. 30:8, 20-24.

8. Inona no olana niaretan’i Josefa, ary nahoana izy no modely ho antsika?

8 Tsy nivadika i Jakoba sy Rahely. Azo antoka fa nisy vokany be tamin’i Josefa zanany izany, ka nanampy azy rehefa nanana olana izy. Niova tanteraka ny fiainany tamin’izy 17 taona. Nialona azy ny rahalahiny ka nivarotra azy ho andevo. Nigadra nandritra ny taona maro tany Ejipta koa izy tatỳ aoriana, nefa tsy nanao ratsy. (Gen. 37:23-28; 39:7-9, 20, 21) Tsy nanaiky ho resin’ny hakiviana anefa i Josefa. Tsy nitana lolompo na nitady hamaly faty koa izy. Ny hifandray tsara tamin’i Jehovah foana no noeritreretiny, satria izay no tena sarobidy taminy. (Lev. 19:18; Rom. 12:17-21) Modely ho antsika i Josefa. Mety ho nijaly isika tamin’ny mbola kely, na manana olana isika izao nefa tsy afa-manoatra. Matokia anefa fa raha miady mafy foana isika, dia hotahin’i Jehovah.—Vakio ny Genesisy 39:21-23.

9. Inona no hataontsika raha manahaka an’i Jakoba sy Rahely ary Josefa isika?

9 Eritrereto ny olana mahazo anao ka mety ho mafy be aminao. Iharan’ny tsy rariny ve ianao na misy mitsaratsara na misy maneso? Sa misy olona mialona anao ka nanendrikendrika anao? Aza kivy. Saintsaino hoe nahoana i Jakoba sy Rahely ary Josefa no faly foana nanompo an’i Jehovah. Nampahery sy nitahy azy ireo i Jehovah, satria sarobidy tamin’izy ireo ny fifandraisana taminy. Niady mafy foana izy ireo sady nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony. Efa tena kely sisa dia hifarana ity tontolo ratsy ity, ka vao mainka isika mila matoky hoe ho tanteraka ny fanantenantsika. Vonona hiezaka mafy na hitolona mihitsy àry ve ianao mba hankasitrahan’i Jehovah?

VONONA HITOLONA VE IANAO MBA HAHAZO FITAHIANA?

10, 11. a) Inona avy no mety hahatonga antsika hiady mafy mba hotahin’i Jehovah? b) Inona no hanampy antsika hanao safidy tsara?

10 Inona avy no mety hahatonga antsika hiady mafy mba hotahin’Andriamanitra? Maro no miady mafy mba handresy fanirian-dratsy. Misy koa mila miezaka mafy mba ho tia manompo foana, na angamba mila miaritra satria marary na manirery. Mafy be amin’ny olona sasany koa ny mamela ny olona nampahatezitra azy na nanao fahadisoana taminy. Na vao haingana àry isika no nanompo an’i Jehovah na efa ela, dia tsy maintsy miady mafy daholo mba handresy an’izay mety hanelingelina ny fanompoantsika azy. Hamaly soa antsika izy raha tsy mivadika isika.

Miady mafy ve ianao mba hotahin’Andriamanitra? (Fehintsoratra 10, 11)

11 Mety ho sarotra tokoa ny manara-dia an’i Kristy foana sy manao safidy tsara. Vao mainka sarotra ilay izy rehefa mitaona antsika hanao zavatra mifanohitra amin’izany ny fontsika. Mamitaka mantsy ny fo. (Jer. 17:9) Mivavaha mafy àry mba hahazo fanahy masina, raha tsapanao hoe mila miady mafy ianao. Hahazo hery hanaovana ny tsara ianao rehefa mivavaka sy mahazo fanahy masina, ka hotahin’i Jehovah. Manaova koa zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao. Miezaha hamaky Baiboly isan’andro, ary manokàna fotoana hianarana samirery sy hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka.—Vakio ny Salamo 119:32.

12, 13. Inona no nanampy ny Kristianina roa hifehy ny fanirian-dratsiny?

12 Maro ny porofo manamarina fa manampy antsika handresy ny fanirian-dratsy ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny ary ny boky avoakan’ny fandaminana. Nisy tovolahy iray, ohatra, namaky an’ilay hoe “Ahoana no Anoheranao ny Fanirian-dratsy?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Desambra 2003. Nahasoa azy ve izany? Hoy izy: ‘Miady mafy aho mba tsy hieritreri-dratsy. Hitako tao amin’ilay lahatsoratra hoe olona maro no miady mafy mba tsy hanana fanirian-dratsy. Lasa tsapako hoe tsy miady irery aho, fa maro ny rahalahy sy anabavy hoatran’ahy.’ Nahasoa azy koa ilay hoe “Eken’Andriamanitra ve ny Filana Tsy Araka ny Natiora?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2003. Hitany tao hoe mila miady mafy foana ny olona sasany, ka toy ny manana “tsilo ao amin’ny nofo.” (2 Kor. 12:7) Afaka manantena hoavy sambatra anefa izy ireny, na dia mbola miady mafy aza mba ho tsara fitondran-tena. Hoy ihany ilay tovolahy: “Lasa matoky kokoa aho isan’andro hoe ho vitako ny tsy hivadika. Misaotra an’i Jehovah aho satria manampy antsika ny fandaminany, ka mahavita miaritra an’ity tontolo ity isika isan’andro.”

13 Nanoratra toy izao koa ny anabavy iray any Etazonia: “Misaotra anareo manome anay sakafo ara-panahy tena mety aminay sady amin’ny fotoana tena ilanay azy mihitsy. Matetika aho no mahatsapa hoe natao ho an’ahy mihitsy ireny lahatsoratra ireny. Misy zavatra anankiray halan’i Jehovah nefa tena tiako, ary efa an-taonany maro aho no miady mafy amin’ilay izy. Kivy aho indraindray dia tsy te hiady intsony. Fantatro fa mamindra fo sy mamela heloka i Jehovah. Mahatsiaro ho tsy mendrika ny hampiany anefa aho, satria manana an’io fanirian-dratsy io sady tsy mankahala an’ilay izy. Misy vokany be amin’ny fiainako mihitsy ilay izy! ... Tsapako anefa hoe tena te hanampy ahy i Jehovah, rehefa novakiko ilay lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2013 hoe ‘Manana “Fo Mahalala” An’i Jehovah ve Ianao?’”

14. a) Inona no tsapan’i Paoly? b) Mila manao inona isika raha te handresy ny fahalementsika?

14 Vakio ny Romanina 7:21-25. Fantatr’i Paoly tsara fa tena sarotra ny miady amin’ny fanirian-dratsy sy ny fahalemena noho isika tsy lavorary. Natoky tanteraka anefa izy hoe handresy, raha miantehitra amin’i Jehovah sy mivavaka ary mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ary isika? Afaka mandresy koa isika rehefa miady amin’ny fahalementsika. Ahoana no hahavitana an’izany? Ilaina ny manahaka an’i Paoly, ka miantehitra tanteraka amin’i Jehovah fa tsy amin’ny herintsika. Ilaina koa ny mino ny vidim-panavotana.

15. Nahoana ny vavaka no manampy antsika tsy hivadika sy hahavita hiaritra?

15 Tian’i Jehovah hasehontsika indraindray hoe tena zava-dehibe amintsika tokoa ve ny zavatra iray. Ahoana, ohatra, raha iharan’ny tsy rariny na marary mafy isika na ny mpianakavintsika? Tokony hoporofointsika hoe matoky tanteraka an’i Jehovah isika. Mila mitalaho aminy isika mba hanomezany hery antsika, amin’izay isika tsy hivadika sy ho faly ary hifandray tsara aminy foana. (Fil. 4:13) Hitantsika amin’ny fiainan’i Paoly sy ny olona maro hafa fa mahazo hery isika rehefa mivavaka, sady lasa matoky kokoa hoe hahavita hiaritra.

MIADIA FOANA MBA HOTAHIN’I JEHOVAH

16, 17. Tapa-kevitra hanao inona ianao?

16 Tena tian’i Satana raha kivy ianao dia miraviravy tanana ary resy. Mila tapa-kevitra àry ianao hoe ‘hifikitra amin’izay tsara.’ (1 Tes. 5:21) Matokia fa ho vitanao ny handresy an’i Satana sy ny tontolony ary ny fanirian-dratsy ao aminao. Ho vitanao izany raha matoky tanteraka ianao fa hanampy anao Andriamanitra.—2 Kor. 4:7-9; Gal. 6:9.

17 Aza milavo lefona mihitsy àry! Manàna fikirizana, ary tohizo foana ny ady mafy ataonao. Matokia fa ‘handrotsaka fitahiana be dia be ho anao i Jehovah, mihoatra noho izay ilainao aza.’—Mal. 3:10.