Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Hatanjaho ny Finoanareo

Ry Tanora, Hatanjaho ny Finoanareo

“Ny finoana dia ... fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.”—HEB. 11:1.

HIRA: 41, 69

1, 2. Inona no mety ho tsapan’ny tanora, ary inona no azony atao?

HOY ny ankizy iray mpiara-mianatra tamin’ny anabavy Vavolombelona iray any Grande-Bretagne: “Koa raha tsy vendrana akia indrỳ ka hino an’Andriamanitra ko!” Nilaza koa ny rahalahy iray any Alemaina hoe: “Mihevitra ny mpampianatra anay hoe angano fotsiny ny tantara momba ny famoronana ao amin’ny Baiboly. Heveriny hoe mino ny evolisiona daholo ny mpianatra.” Hoy indray ny anabavy tanora iray any Frantsa: “Gaga ny mpampianatra anay hoe mbola misy mpianatra mino ny Baiboly.”

2 Mety ho tanora manompo an’i Jehovah ianao na vao mianatra momba azy. Mahatsiaro ve ianao hoe voatery manaiky ny zavatra inoan’ny olona, ohatra hoe ny evolisiona (na fiovana miandalana), fa tsy hino hoe misy ny Mpamorona? Misy zavatra azonao atao mba hampahatanjaka foana ny finoanao. Mila mampiasa ny sainao ianao satria “hiambina anao” izany. Hiaro anao tsy hanaraka hevi-diso izany, ka tsy hihena ny finoanao.—Vakio ny Ohabolana 2:10-12.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Mila mahalala tsara an’Andriamanitra ianao raha te hanana finoana matanjaka. (1 Tim. 2:4) Aza maika ny hahavita fotsiny àry rehefa mianatra ny Baiboly sy ny bokintsika. Saintsaino tsara izay vakinao mba ho ‘azonao ny heviny.’ (Mat. 13:23) Ho hitantsika ato fa raha manao an’izany ianao, dia vao mainka hino hoe Andriamanitra no Mpamorona ary avy aminy ny Baiboly. Betsaka mantsy ny “porofo mazava” momba an’ireo.—Heb. 11:1.

INONA NO HANAMPY ANAO HANANA FINOANA MATANJAKA?

4. Inona no itovizan’ny olona mino an’Andriamanitra sy ny olona mino ny evolisiona, ary inona no tokony hataontsika?

4 Maro no mino ny evolisiona satria milaza, hono, ny mpahay siansa fa marina ny evolisiona. Mihevitra izy ireo fa minomino fahatany ny olona mino an’Andriamanitra. Samy manam-pinoana anefa na ny olona mino an’Andriamanitra na ny olona mino ny evolisiona. Samy tsy nisy nahita ny zavatra inoany mantsy izy ireo. Samy tsy nisy nahita an’Andriamanitra isika, sady samy tsy nahita azy namorona zavatra iray. (Jaona 1:18) Mbola tsy nisy tamintsika koa nahita zavamananaina iray niova ho zavamananaina hafa, ohatra hoe gidro lasa olombelona. Na ny mpahay siansa aza mbola tsy nahita an’izany. (Joba 38:1, 4) Mila mikaroka porofo àry isika ary misaintsaina an’izany, dia manapa-kevitra hoe inona no inoantsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny toetrany [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo.”—Rom. 1:20.

Ampiasao tsara ny fitaovana misy amin’ny fiteninao, mba hanampiana ny hafa (Fehintsoratra 5)

5. Inona no fitaovana manampy antsika hahatakatra fa misy ny Mpamorona?

5 Ilay hoe ‘mahita mazava’, dia azo adika koa hoe ‘mahatakatra.’ (Heb. 11:3) Zavatra tsy tonga dia miharihary no takarin’ny saina. Tsy ny maso sy ny sofina fotsiny àry no tokony hampiasaina, fa ny saina koa. Nanao fikarohana lalina ny fandaminan’i Jehovah, ary namoaka an’izany ho antsika. Anisan’izany ilay video hoe Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary, ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, ary ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay). Ao amin’ny Mifohaza! indray misy fanadinadinana mpahay siansa sy olon-kafa manazava hoe nahoana izy no lasa mino an’Andriamanitra. Hita ao koa ilay lahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?” Miresaka tsipiriany miavaka momba ny biby na zavatra hafa eo amin’ny natiora izy io. Matetika no manandrana maka tahaka azy ireny ny mpahay siansa. Raha mampiasa tsara an’ireny fitaovana ireny isika, dia hanana finoana matanjaka ka ho toy ny “mahita” ny Mpamorona.—Heb. 11:27.

6. Inona no manaporofo fa mahasoa ny fitaovana omen’ny fandaminana, ary inona no soa noraisinao?

6 Nilaza ny rahalahy iray 19 taona any Etazonia hoe tena nanampy azy ireo bokikely roa voaresaka teo aloha. Hoy izy: “Nianarako imbetsaka izy ireo.” Hoy koa ny anabavy iray any Frantsa: “Mahavariana an’ahy ilay lahatsoratra hoe ‘Nisy Namorona Ve?’ Hita amin’izy ireny hoe tsy hahavita haka tahaka amin’ny an-tsipiriany ny zavaboary na dia ny manam-pahaizana mahay indrindra aza.” Hoy indray ny ray aman-drenin’ny ankizivavy iray 15 taona atsy Afrika Atsimo: “Vao mahazo Mifohaza! ny zanakay, dia matetika ilay hoe ‘Fanadinadinana’ no tonga dia vakiny.” Ary ianao? Mamaky tsara an’ireny lahatsoratra ireny ve ianao? Raha manao an’izany ianao, dia hatanjaka tsara toy ny hazo lalim-paka ny finoanao, fa tsy hihozongozona na dia eo aza ny fampianaran-diso.—Jer. 17:5-8.

RESY LAHATRA VE IANAO FA MARINA NY BAIBOLY?

7. Nahoana ianao no tian’Andriamanitra hampiasa ny sainao?

7 Diso ve ianao raha manontany hoe marina tokoa ve ny Baiboly? Tsia. Tian’i Jehovah ‘hampiasa ny sainao’ ianao, amin’izay ianao ihany no hahita porofo fa marina ny Teniny. Tsy tiany raha mino azy io ianao satria fotsiny hoe mino azy io ny olon-kafa. Ampiasao àry ny sainao mba hahalalanao ny marina, dia ho mafy orina ny finoanao. (Vakio ny Romanina 12:1, 2; 1 Timoty 2:4.) Azonao atao, ohatra, ny mifidy foto-kevitra iray hianarana, amin’izay ianao hahafantatra tsara ny Baiboly.

8, 9. a) Inona avy no zavatra mety ho azo ianarana? b) Inona no soa noraisin’ny olona sasany rehefa nisaintsaina an’izay nianarany izy?

8 Misy, ohatra, mianatra momba ny faminaniana. Misy koa mampitaha an’izay lazain’ny Baiboly amin’izay lazain’ny mpahay tantara, na ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, na ny mpahay siansa. Tena mahaliana, ohatra, ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Miresaka momba ny foto-kevitry ny Baiboly izy io, dia ny hoe hohamarinina ny zon’Andriamanitra hitondra ary hanamasina ny anarany ilay Fanjakana. Hita amin’ny fanoharana ao amin’io andininy io ny zavatra hataon’i Jehovah mba hanafoanana ny fijaliana rehetra. Ahoana no azo atao rehefa mianatra azy io? Ataovy lisitra ny andininy rehetra miresaka bebe kokoa ny fomba hahatanterahan’izy io. Fantaro hoe oviana izy ireny no nosoratana ary avy eo alaharo. Ho hitanao fa velona tamin’ny fotoana samy hafa ireo mpanoratra Baiboly, nefa samy niresaka tsipiriany manazava kokoa an’ilay faminaniana. Ho resy lahatra ianao amin’izay fa ‘notarihin’ny fanahy masina’ tokoa izy ireny.—2 Pet. 1:21.

9 Nilaza ny rahalahy iray any Alemaina fa samy miresaka tsipiriany momba an’ilay Fanjakana ireo boky ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Mahagaga izany satria lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra azy io, ary maro tamin’izy ireo no niaina tamin’ny fotoana samy hafa sady tsy nifankahalala.” Tena tian’ny anabavy iray any Aostralia koa ilay lahatsoratra momba ny Paska tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2013. Mifandray amin’ny Genesisy 3:15 sy ny fahatongavan’ny Mesia io fankalazana io. Hoy ilay anabavy: “Tsapako tamin’iny fianarana iny hoe tena miavaka i Jehovah. Gaga be aho hoe zavatra natao ho an’ny Israelita ny Paska nefa tanteraka tamin’i Jesosy koa.” Niato kely mihitsy izy dia nisaintsaina hoe hay misy dikany be ilay Paska nataon’ny Israelita. Nahoana izy no nahatsapa toy izany? Satria nisaintsaina lalina an’izay novakiny izy ka ‘azony ny heviny.’ Lasa nihanatanjaka ny finoany ary nifandray kokoa tamin’i Jehovah izy.—Mat. 13:23.

10. Nahoana isika no vao mainka mino ny Baiboly rehefa mahalala hoe nilaza ny marina ny mpanoratra azy io?

10 Manatanjaka ny finoana koa ny mieritreritra hoe be herim-po sy nilaza ny marina ireo mpanoratra Baiboly. Tia nandokadoka ny mpitondra sy nanindrahindra ny fanjakany ny ankamaroan’ny mpanoratra tamin’izany. Nilaza ny marina foana anefa ny mpaminanin’i Jehovah. Sahy nitsotra ny fahadisoan’ny vahoakany sy ny mpanjakany izy ireo. (2 Tan. 16:9, 10; 24:18-22) Nolazainy koa aza ny fahadisoana nataony sy nataon’ny mpanompon’i Jehovah hafa. (2 Sam. 12:1-14; Mar. 14:50) Hoy ny rahalahy tanora iray any Grande-Bretagne: “Vitsy ny olona milaza ny marina toy izany. Vao mainka izany mahatonga antsika hatoky hoe avy amin’i Jehovah ny Baiboly.”

11. Inona no hanampy ny tanora ho resy lahatra kokoa hoe mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly?

11 Misy toro lalana tena tsara koa ao amin’ny Baiboly, ka maro no resy lahatra hoe avy amin’Andriamanitra izy io. (Vakio ny Salamo 19:7-11.) Hoy ny anabavy tanora iray any Japon: “Tena sambatra izahay mianakavy rehefa nampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Nifandray tsara sy niray saina izahay sady nifankatia.” Miaro antsika mba tsy hanaraka fivavahan-diso sy tsy hinohino foana toy ny olona maro ny toro lalan’ny Baiboly. (Sal. 115:3-8) Maro, ohatra, no mino hoe tsy misy Andriamanitra, anisan’izany ireo mino ny evolisiona. Lasa hoatran’ny andriamanitra ny natiora amin’izy ireo. Milaza izy ireo fa isika ihany no afaka manatsara ny hoavintsika. Tsy afaka manome toky anefa izy ireo fa ho tsara tokoa ny hoavy.—Sal. 146:3, 4.

AHOANA NO HANAZAVANA AN’ILAY IZY?

12, 13. Inona no azo atao rehefa miresaka momba ny Mpamorona na ny Baiboly?

12 Te hahita vokatra tsara ve ianao rehefa miresaka momba ny Mpamorona sy ny Baiboly? Aza tonga dia mihevitra hoe fantatrao ny zavatra inoan’ny olona. Misy mantsy milaza fa mino ny evolisiona izy, saingy ekeny koa fa misy Andriamanitra. Mihevitra izy ireny fa nampiasa ny evolisiona Andriamanitra rehefa namorona ny karazana zavamananaina. Misy koa mino ny evolisiona satria mihevitra fa tsy ho nampianarina tany an-tsekoly izany raha tsy marina. Ny sasany indray diso fanantenana tamin’ny fivavahana, dia lasa tsy mino an’Andriamanitra. Aleo àry aloha manontany ny hevitr’ilay olona sy miezaka mamantatra an’izay inoany. Mety hazoto hihaino anao izy, raha mahay mandanjalanja ianao sady vonona hihaino ny heviny.—Tit. 3:2.

13 Ahoana raha misy manakiana anao noho ianao mino fa misy ny Mpamorona? Miezaha hanaja azy, ary anontanio izy hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao raha tsy nisy ny Mpamorona. Raha marina mantsy ny evolisiona, dia tsy maintsy nisy zavamananaina niaingana, ohatra hoe sela, ary iny sela iny no nanome sela hafa mitovy aminy. Nilaza ny manam-pahaizana iray momba ny simia hoe mila an’ireto ny zavamananaina iray vao mahavita an’izany: 1) Karazana hoditra miaro azy, 2) fomba hahazoany hery ary fahaizana mampiasa an’izany, 3) fototarazo mamolavola ny bikany sy ny fitombony, ary 4) fahaizana manamboatra fototarazo mitovy amin’ny an’azy. Hoy ihany izy: “Mahagaga fa be filirony na dia ny zavamananaina faran’izay tsotra aza.”

14. Inona no azonao atao raha mbola tsy tena mahay miresaka momba ny evolisiona sy ny Mpamorona ianao?

14 Ahoana raha mbola tsy tena mahay miresaka momba ny evolisiona sy ny Mpamorona ianao? Tahafo ny nataon’i Paoly. Hoy izy: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Heb. 3:4) Tsotra izany nefa mitombina sady mandresy lahatra. Matoa be pitsiny ny zavatra iray, dia midika izany hoe nisy olona nisaina tsara nanao azy. Azonao ampiasaina koa ireo bokintsika. Nampiasa an’ireo bokikely roa voalaza tany aloha ny anabavy iray rehefa niresaka tamin’ny tovolahy iray mino ny evolisiona fa tsy mino an’Andriamanitra. Hoy ilay tovolahy herinandro teo ho eo taorian’izay: “Mino an’Andriamanitra aho izao.” Lasa nianatra Baiboly izy ary lasa rahalahintsika.

15, 16. Ahoana no azo atao rehefa miresaka momba ny Baiboly, ary inona no tanjontsika amin’izany?

15 Afaka manao hoatr’izany koa ianao rehefa miresaka amin’ny olona misalasala raha marina ny Baiboly. Fantaro ny zavatra inoany sy izay mahaliana azy. (Ohab. 18:13) Ahoana raha ny siansa no mahaliana azy? Mety hihaino anao izy raha asehonao azy fa miresaka zavatra mifandray amin’ny siansa ny Baiboly, ary marina foana ilay izy. Ny hafa indray mety ho liana, raha omenao porofo hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly ary marina izay voalaza ao rehefa jerena ny tantara. Azonao atao koa ny miresaka hoe mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly, ohatra hoe ireo ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

16 Tadidio fa ny hanohina ny fon’ny olona no tanjontsika, fa tsy ny handresy amin’ny adihevitra. Henoy tsara àry izy rehefa milaza ny heviny. Mametraha fanontaniana nefa miezaha ho tsara fanahy sy hanaja, indrindra rehefa miresaka amin’ny olon-dehibe. Mety ho vonona hanaja ny hevitrao izy raha manao an’izany ianao. Ho hitany koa hoe efa nosaintsaininao tsara ny zavatra inoanao. Maro mantsy ny tanora tsy mba manao hoatr’izany. Tsy voatery hamaly anefa ianao, raha te hiady hevitra fotsiny ilay olona na te haneso.—Ohab. 26:4.

ATAOVY IZAY HAHARESY LAHATRA ANAO

17, 18. a) Inona no azonao atao mba ho tena resy lahatra ianao? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Tsy ampy ny mahalala an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly raha te hanana finoana matanjaka. Mila mandalina ny Baiboly àry ianao, toy ny mikaroka harena miafina. (Ohab. 2:3-6) Ampiasao tsara ny fitaovana efa misy amin’ny fiteninao, ohatra hoe ny Watchtower Library amin’ny DVD, ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet, ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ataovy tanjona koa ny hamaky ny Baiboly manontolo, ohatra hoe ao anatin’ny herintaona. Tena manatanjaka finoana mantsy izany. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra iray fa namaky ny Baiboly manontolo izy tamin’izy mbola kely, ary anisan’ny nanampy azy ho resy lahatra izany hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Hoy koa izy: “Lasa azoko ireo tantara ao amin’ny Baiboly nianarako tamin’izaho mbola zaza, ka lasa nifandray akaiky tamin’i Jehovah aho nanomboka teo.”

18 Ianareo ray aman-dreny no tena afaka manampy ny zanakareo hifandray amin’i Jehovah. Ahoana no azonareo anampiana azy hanana finoana matanjaka? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.