Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona ilay “tenin’Andriamanitra” resahin’ny Hebreo 4:12 hoe “velona sy mahery”?

Hita amin’ny teny manodidina fa ny tian’ny apostoly Paoly holazaina dia ny hafatr’Andriamanitra na izay nolazainy fa hataony. Voasoratra ao amin’ny Baiboly ny sasany amin’izany.

Matetika ny Hebreo 4:12 no anaporofoan’ny bokintsika hoe afaka manova olona ny Baiboly, ary mety tsara izany. Ilaina anefa ny mijery ny teny manodidina. Nampirisika ny Kristianina hebreo i Paoly tamin’izay mba hanao zavatra mifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra hatao. Hita ao amin’ny Soratra Masina ny maro amin’izany. Nilaza, ohatra, i Paoly fa afaka nanantena hiditra tao amin’ny tany “tondra-dronono sy tantely” ny Israelita nafahana avy tany Ejipta. Hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra izy ireo amin’izay, ka tena hiadana.—Eks. 3:8; Deot. 12:9, 10.

Izany no nolazain’Andriamanitra fa hataony. Tsy tafiditra tamin’ny fitsaharany anefa ny ankamaroan’ny Israelita, satria nanamafy ny fony sy tsy naneho finoana. (Nom. 14:30; Jos. 14:6-10) Na izany aza, dia nilaza i Paoly fa nampanantena Andriamanitra hoe mbola azo atao ny miditra amin’ny fitsaharany. (Heb. 3:16-19; 4:1) Anisan’ny zavatra nolazainy fa hataony izany. Afaka mahafantatra an’izay tian’Andriamanitra hatao sy manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, toa an’ireo Kristianina hebreo. Niresaka an’izay voalazan’ny Genesisy 2:2 sy ny Salamo 95:11 i Paoly, mba hanamafisana fa avy ao amin’ny Soratra Masina io fampanantenana io.

Tena tokony ho faly isika satria mbola afaka miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra. Matoky an’izany isika, ka efa manao zavatra mba hidirana amin’izy io. Tsy hoe mitandrina ny Lalàn’i Mosesy isika na manao zavatra tsara hafa, dia tafiditra amin’izy io. Maneho finoana kosa isika, ka manao zavatra mifanaraka amin’izay tian’Andriamanitra hatao foana. Maro koa eran-tany no mianatra Baiboly sy miezaka hahalala ny sitrapon’Andriamanitra. Maro amin’izy ireny no miova sy lasa maneho finoana ary atao batisa. Hita eo amin’ny fiainany fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” Hitantsika tao amin’ny Baiboly hoe inona no tian’Andriamanitra hatao. Nisy vokany be tamintsika izany ary mbola hisy heriny amintsika foana.