NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Septambra 2017

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 23 Oktobra ka hatramin’ny 26 Novambra 2017.

Miezaha Hifehy Tena

Inona avy ny ohatra ao amin’ny Baiboly afaka manampy antsika hahay hifehy tena? Nahoana ny Kristianina no mila miezaka mifehy tena?

Miezaha Hahay Hangoraka toa An’i Jehovah

Noresahin’i Jehovah tamin’i Mosesy ny toetrany. Anisan’ny noresahiny voalohany ny hoe mangoraka izy. Inona no atao hoe mangoraka, ary nahoana isika no mila mianatra momba an’izany?

TANTARAM-PIAINANA

Sambatra Aho Niara-niasa Tamin’ny Olona Tena Tia An’i Jehovah

Tantarain’i David Sinclair ao fa tena faly izy niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy tsy nivadika nandritra ny 61 taona, tao amin’ny Betelan’i Brooklyn.

Haharitra Mandrakizay ny Tenin’Andriamanitsika

Mbola be mpitia foana ny Baiboly, taona maro atỳ aorian’ny nanoratana azy, na dia niova aza ny fiteny, nisy fiovana ara-politika, ary nosakanana ny fandikana azy io.

“Mahery ny Tenin’​Andriamanitra”

Maro no lasa niova be rehefa nianatra ny Tenin’​Andriamanitra. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hisy heriny eo amintsika izy io?

“Mahereza ... ka Ataovy Ilay Asa”

Nahoana isika no mila herim-po, ary inona no hanampy antsika ho be herim-po?