Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahereza ... ka Ataovy Ilay Asa”

“Mahereza ... ka Ataovy Ilay Asa”

“Mahereza sy matanjaha, ka ataovy ilay asa. Aza matahotra na mihorohoro, fa momba anao i Jehovah.”—1 TAN. 28:20.

HIRA: 38, 34

1, 2. a) Inona no asa lehibe nasaina nataon’i Solomona? b) Inona no nampanahy an’i Davida?

NOTENDREN’I Jehovah hanao asa tena lehibe i Solomona. Nasainy hiandraikitra ny fanorenana ny tempoly tany Jerosalema izy. Mbola tsy nisy fanorenana hoatran’io hatramin’izay. Hatao “faran’izay kanto” ilay tempoly, “mba tsy hisy trano tsara noho izy io any amin’ny tany rehetra.” Ho “tranon’i Jehovah Andriamanitra” koa ilay izy.—1 Tan. 22:1, 5, 9-11.

2 Natoky i Davida Mpanjaka hoe hanampy an’i Solomona i Jehovah. “Mbola kely sy tanora fanahy” anefa i Solomona. Hanana herim-po àry ve izy ka hanaiky hanorina an’ilay tempoly? Ho vitany ve ilay izy na dia tanora kely sy tsy ampy traikefa aza izy? Nila nanana herim-po izy sady nila niasa, raha te hahavita an’ilay tempoly.

3. Inona no modely nomen’i Davida an’i Solomona?

3 Azo antoka fa nanampy an’i Solomona ho be herim-po ny modely nomen’i Davida rainy. Mbola tanora kely i Davida, dia efa niady tamin’ny bibidia nanafika ny ondrin’ny dadany. (1 Sam. 17:34, 35) Sahy niady tamin’i Goliata koa izy, na dia goavam-be sy efa zatra niady aza io miaramila io. Nampian’i Jehovah izy ka vato iray monja no nandreseny an’i Goliata.—1 Sam. 17:45, 49, 50.

4. Nahoana i Solomona no tsy maintsy be herim-po?

4 Nety tsara àry raha i Davida no nampirisika an’i Solomona ho be herim-po ka hanorina an’ilay tempoly. (Vakio ny 1 Tantara 28:20.) Raha tsy be herim-po i Solomona, dia ho resin’ny tahotra ka tsy hahavita na inona na inona. Ratsy kokoa anefa ny hoe tsy nanao na inona na inona mihitsy noho ny hoe tsy nahavita tsara an’ilay asa.

5. Nahoana isika no tsy maintsy be herim-po?

5 Toa an’i Solomona isika. Mila ny fanampian’i Jehovah isika mba ho be herim-po sy hahavita ny asa ampanaoviny antsika. Handinika tantaran’olona tena be herim-po àry isika. Hojerentsika hoe ahoana no ampisehoantsika fa be herim-po isika, ary inona no hanampy antsika hahavita ny asa ampanaovina antsika.

MODELY AZO TAHAFINA

6. Inona no tena mampiaiky anao amin’ny tantaran’i Josefa?

6 Eritrereto izay nataon’i Josefa rehefa nitaona azy hijangajanga ny vadin’i Potifara. Azo antoka fa fantany hoe hotandindomin-doza ny ainy raha mandà izy. Tsy nanaiky lembenana anefa izy, fa sahy nanda avy hatrany.—Gen. 39:10, 12.

7. Inona no porofo fa be herim-po i Rahaba? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Be herim-po koa i Rahaba rehefa nisy mpitsikilo israelita tonga tao an-tranony, tany Jeriko. Tsy ho nandray azy ireo mihitsy izy raha saro-tahotra. Natoky an’i Jehovah anefa izy, ka sahy nanafina azy roa lahy ary nanampy azy ireo handositra. (Jos. 2:4, 5, 9, 12-16) Niaiky izy hoe i Jehovah no tena Andriamanitra. Natoky koa izy fa tsy maintsy homen’i Jehovah ny Israelita ilay tany. Tsy natahotra na iza na iza izy, na dia ny mpanjakan’i Jeriko sy ny miaramilany aza. Sahy nanao izay tokony hataony kosa izy, ka voavonjy izy sy ny fianakaviany.—Jos. 6:22, 23.

8. Inona no vokany rehefa hitan’ireo apostoly hoe be herim-po i Jesosy?

8 Be herim-po koa ireo apostoly tsy nivadika. Nahita ny ohatra tsara navelan’i Jesosy izy ireo dia nanahaka azy. (Mat. 8:28-32; Jaona 2:13-17; 18:3-5) Mbola nampianatra momba an’i Jesosy foana, ohatra, izy ireo na dia efa noraran’ny Sadoseo tsy hanao an’izany aza.—Asa. 5:17, 18, 27-29.

9. Iza no tena afaka manampy antsika ho be herim-po, ary inona no voalazan’ny 2 Timoty 1:7 momba izany?

9 Be herim-po i Josefa, Rahaba, Jesosy, ary ny apostoly ka nahavita zavatra tsara. Tsy natoky tena be loatra izy ireo, fa niantehitra tamin’i Jehovah. Mila herim-po koa isika indraindray. Tsy tokony hiantehitra amin’ny fahaizantsika isika amin’ireny fotoana ireny, fa hiantehitra amin’i Jehovah. (Vakio ny 2 Timoty 1:7.) Hodinihintsika izao hoe nahoana no mila herim-po ny tanora sy ny ray aman-dreny ary isika eo anivon’ny fiangonana.

RAHOVIANA ISIKA NO MILA HERIM-PO?

10. Nahoana ny tanora manompo an’i Jehovah no mila herim-po?

10 Betsaka ny zavatra ilan’ny tanora herim-po rehefa manompo an’i Jehovah. Afaka mandinika ny ohatra nomen’i Solomona sy manahaka azy izy ireo. Tena be herim-po mantsy izy ka nanapa-kevitra hoe hamita an’ilay tempoly. Marina fa afaka manome tari-dalana ho an’ny tanora ny ray aman-dreniny, ary tena tokony hanao an’izany izy ireo. Ny tanora mihitsy anefa no mila manapa-kevitra amin’ny zavatra tena lehibe sasany. (Ohab. 27:11) Anisan’izany ny hoe iza no hataony namana, inona no fialam-boly hataony, inona no hanampy azy ho tsara fitondran-tena foana, ary rahoviana izy no hatao batisa. Mila herim-po izy raha te hanapa-kevitra tsara momba an’ireo. Mila manohitra an’i Satana, ilay manaratsy an’i Jehovah, mantsy izy ireo.

11, 12. a) Inona no mampiseho fa tena be herim-po i Mosesy? b) Inona no azon’ny tanora atao mba hanahafana an’i Mosesy?

11 Fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisin’ny tanora koa ny hoe inona no tanjony. Ampirisihina be mba hanao fianarana ambony sy hitady asa be karama ny tanora any amin’ny tany sasany. Any an-tany hafa kosa sarotra ny fiainana, dia mieritreritra ny tanora hoe tsy maintsy manampy ny ray aman-dreniny amin’ny fitadiavana. Eritrereto ny tantaran’i Mosesy raha izany no manjo anao. Notezain’ny zanakavavin’i Farao izy, ary azony natao tanjona ny ho lasa malaza na ho mpanankarena. Azo antoka fa nampirisika be azy hanao an’izany ireo Ejipsianina havany sy mpampianatra azy ary mpanolo-tsaina azy. Be herim-po anefa i Mosesy ka nanda an’izany ary nifidy ny hanompo an’i Jehovah. Nafoiny ny harena tany Ejipta, ary niantehitra tamin’i Jehovah izy. (Heb. 11:24-26) Notahin’i Jehovah àry izy, ary mbola hahazo fitahiana bebe kokoa amin’ny hoavy.

12 Tanora maro koa no be herim-po, ka miezaka hanatratra tanjona ara-panahy sy manao loha laharana an’ilay Fanjakana. Hotahin’i Jehovah izy ireny, ary hampiany mba ho afaka hikarakara izay ilain’ny fianakaviany. Matokia fa hahavita hanatratra tanjona ara-panahy ianao, toa an’i Timoty tamin’izy mbola tanora. *Vakio ny Filipianina 2:19-22.

Ho be herim-po foana ve ianao? (Fehintsoratra 13-17)

13. Inona no vitan’ny anabavy tanora iray noho izy nanana herim-po?

13 Ny ho lasa mpisava lalana maharitra no tanjon’ny anabavy tanora iray any Alabama, any Etazonia. Tena nila herim-po izy mba hanatratrarana an’izany. Hoy izy: “Saro-kenatra be aho tamin’ny mbola kely. Sarotra be tamiko ny niresaka tamin’ny olona tany amin’ny Efitrano Fanjakana, mainka moa fa ny handondòna tany an-tranon’olona tsy fantatro.” Nanampy azy anefa ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa tao amin’ny fiangonany, ka lasa mpisava lalana ihany izy. Hoy izy: “Ny hanao fianarana ambony, ny ho lasa olo-malaza, ny hanam-bola be, ary ny hanangona zavatra be dia be no lazain’ity tontolo ity hoe tsara hatao tanjona. Matetika anefa no sarotra tratrarina izany sady mampiady saina sy mandiso fanantenana fotsiny. Izaho kosa tena sambatra sy afa-po satria manompo an’i Jehovah.”

14. Rahoviana ny ray aman-dreny manompo an’i Jehovah no mila herim-po?

14 Mila herim-po koa ny ray aman-dreny manompo an’i Jehovah. Mety hiteny aminao foana, ohatra, ny mpampiasa anao mba hiasa aorian’ny ora fiasana, ohatra hoe amin’ny hariva sy amin’ny faran’ny herinandro. Fotoana tokony hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana anefa ilay izy, na fotoana tokony hanompoana na handehanana mivory. Mila herim-po àry ianao, raha te hahavita handa an’izany ka ho modely ho an’ny zanakao. Ahoana koa raha misy zavatra tsy tianao hataon’ny zanakao, nefa mamela ny zanany hanao an’ilay izy ny ray aman-dreny sasany ao amin’ny fiangonanao? Mety hanontany mihitsy aza izy ireo hoe fa maninona ny zanakao no tsy havelanao hanao an’ilay izy. Ho be herim-po ve ianao, ka hanazava ny antony amim-panajana?

15. Nahoana no mahasoa ny ray aman-dreny ny misaintsaina ny Salamo 37:25 sy ny Hebreo 13:5?

15 Mila herim-po ny ray aman-dreny raha te hanampy ny zanany hanana tanjona ara-panahy sy hanatratra an’ilay izy. Misy ray aman-dreny anefa tsy sahy mampirisika ny zanany hanao mpisava lalana, na hanitatra faritany, na hiasa ao amin’ny Betela, na hanampy amin’ny fanorenana trano fivoriana. Matahotra angamba izy ireny hoe rehefa antitra izy dia tsy ho afaka hikarakara azy ilay zanany. Hendry anefa ny ray aman-dreny, raha be herim-po ka matoky fa tsy maintsy hanatanteraka an’izay nampanantenainy i Jehovah. (Vakio ny Salamo 37:25; Hebreo 13:5.) Ho be herim-po sy hiantehitra amin’i Jehovah koa ny ankizy, raha manome ohatra tsara toy izany ny ray aman-dreniny.—1 Sam. 1:27, 28; 2 Tim. 3:14, 15.

16. Inona no nataon’ny ray aman-dreny sasany mba hanampiana ny zanany hanana tanjona ara-panahy?

16 Nanampy ny zanany hanatratra tanjona ara-panahy ny mpivady iray any Etazonia. Hoy ilay rahalahy: “Mbola tsy nahay nandeha sy niteny ny zanakay dia efa noresahinay foana hoe mahafinaritra ny manao mpisava lalana sy ny manampy ny fiangonana. Izany izao no tanjon-dry zareo. Lasa tsy voataonan’ny tontolon’i Satana ry zareo rehefa manana tanjona sy miezaka manatratra an’ilay izy. Lasa mifantoka amin’izay tena zava-dehibe koa ry zareo, dia ny fanompoana an’i Jehovah.” Hoy koa ny rahalahy iray manan-janaka mianadahy: “Ray aman-dreny maro no miezaka mafy sy mandany vola be hanampiana ny zanany hanatratra tanjona mifandray amin’ny spaoro, ohatra, na fianarana na mozika na zava-kanto. Tsara kokoa anefa raha ampiana hanana tanjona hanampy azy hifandray tsara foana amin’i Jehovah ny ankizy, ary izay no handaniana ny hery sy ny vola. Tena faly izahay mahita hoe nahatratra ny tanjony ny zanakay. Faly be koa izahay nanampy an-dry zareo nanatratra an’ilay izy.” Matokia àry fa hotahin’i Jehovah ianao, raha manampy ny zanakao hanana tanjona ara-panahy sy hanatratra an’izany.

EO ANIVON’NY FIANGONANA

17. Rahoviana isika no mila herim-po?

17 Mila herim-po koa isika eo anivon’ny fiangonana. Mila an’izany, ohatra, ny anti-panahy rehefa manampy olona nanao fahotana lehibe na mila fitsaboana maika iankinan’ny ainy. Mila herim-po koa izy ireo rehefa mankany amin’ny fonja mba hampianatra Baiboly an’ireo gadra liana amin’ny fahamarinana, na mba hitarika fivoriana. Mila herim-po koa ireo anabavy tsy manambady, raha te hampitombo ny fanompoany. Betsaka ny azon’izy ireo atao. Afaka manao mpisava lalana, ohatra, izy ireo na manitatra faritany. Afaka miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana koa izy ireo, na mangataka hanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Misy aza afaka manao Sekolin’i Gileada.

18. Ahoana no ampisehoan’ireo anabavy efa zokinjokiny hoe be herim-po izy?

18 Tena tiantsika ireo anabavy efa zokinjokiny ao amin’ny fiangonana. Sambatra isika manana azy ireny. Tsy mahavita be amin’ny fanompoana intsony angamba ny sasany amin’izy ireny. Mbola afaka manao zavatra tsara anefa izy ireny raha be herim-po. (Vakio ny Titosy 2:3-5.) Mety hasaina hanoro hevitra anabavy iray tanora kokoa, ohatra, izy hoe ilaina ny manao akanjo maotina. Ilana herim-po izany. Tsy tokony hibedibedy an’ilay anabavy izy, fa hampirisika azy hisaintsaina hoe misy vokany amin’ny hafa ny fomba fiakanjony. (1 Tim. 2:9, 10) Handray soa ny fiangonana raha be fitiavana hoatr’izany ny anabavy efa zokinjokiny.

19. a) Inona no hataon’ny rahalahy vita batisa raha be herim-po izy ireo? b) Nahoana ny rahalahy no mila misaintsaina ny Filipianina 2:13 sy 4:13 raha te ho be herim-po?

19 Tokony ho be herim-po sy handray andraikitra koa ny rahalahy vita batisa. Handray soa be dia be ny fiangonana, raha be herim-po izy ireo ka miezaka ny ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. (1 Tim. 3:1) Tsy sahy manao an’izany anefa ny sasany. Nanao fahadisoana angamba izy taloha, dia mieritreritra hoe tsy mendrika ny ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. Misy indray mieritreritra hoe tsy mahay ka tsy hahavita an’ilay andraikitra. Raha izany no tsapanao, dia matokia fa afaka manampy anao ho be herim-po i Jehovah. (Vakio ny Filipianina 2:13; 4:13.) Tadidio i Mosesy. Nieritreritra izy tamin’ny voalohany hoe tsy ho hainy ny asa nampanaovina azy. (Eks. 3:11) Nanampy azy hanana herim-po anefa i Jehovah, ka vitany izay tokony hataony. Hanana herim-po hoatr’izany koa ny rahalahy raha mitalaho ny fanampian’i Jehovah ary mamaky Baiboly isan’andro. Saintsaino ny tantaran’ny olona resahin’ny Baiboly hoe be herim-po. Miezaha hanetry tena ka asaivo mampiofana anao ny anti-panahy, ary ilazao izy ireo fa vonona hanao izay asaina ataonao ianao. Mampirisika ny rahalahy rehetra vita batisa izahay mba ho be herim-po ka hazoto hiasa mafy ho an’ny fiangonana.

“MOMBA ANAO I JEHOVAH”

20, 21. a) Ahoana no nampaherezan’i Davida an’i Solomona? b) Inona no azontsika atokisana?

20 Nampahatsiahivin’i Davida Mpanjaka an’i Solomona fa homba azy i Jehovah mandra-pahavitan’ilay tempoly. (1 Tan. 28:20) Azo antoka fa nanohina ny fon’i Solomona sy notadidiny tsara izany tenin’ny rainy izany. Nanao an’ilay asa àry izy, na dia mbola tanora sy tsy ampy traikefa aza. Nanana herim-po izy sady nampian’i Jehovah, ka vitany tao anatin’ny fito taona sy tapany ilay tempoly tsara tarehy.

21 Afaka manampy antsika ho be herim-po toa an’i Solomona koa i Jehovah ka ho vitantsika izay tokony hataontsika, na eo anivon’ny fianakaviana izany na eo anivon’ny fiangonana. (Isaia 41:10, 13) Hotahin’i Jehovah isika dieny izao sy amin’ny hoavy, raha be herim-po rehefa manompo azy. “Mahereza” àry “ka ataovy ilay asa.”

^ feh. 12 Misy soso-kevitra hanampy anao hanana tanjona ara-panahy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2004, ao amin’ilay hoe “Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona.”