Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hahay Hangoraka toa An’i Jehovah

Miezaha Hahay Hangoraka toa An’i Jehovah

“Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy [na mangoraka].”—EKS. 34:6.

HIRA: 57, 147

1. Inona no nasongadin’i Jehovah tamin’izy nampahafantatra ny toetrany tamin’i Mosesy, ary nahoana izany no tena mampahery?

REHEFA nilaza ny anarany sy ny toetrany tamin’i Mosesy Andriamanitra, dia nilaza hoe mamindra fo izy sady tsara fanahy (na mangoraka). (Vakio ny Eksodosy 34:5-7.) Ireo no noresahiny voalohany fa tsy hoe mahery izy na manam-pahendrena. Nahoana? Te hahafantatra i Mosesy tamin’izay hoe hanampy azy tokoa ve i Jehovah. (Eks. 33:13) Ny hoe mamindra fo sy tsara fanahy (na mangoraka) àry no noresahin’i Jehovah voalohany, satria ireo toetra ireo no ahitana hoe vonona hanampy ny mpanompony izy. Tsy mampahery ve izany? Hiresaka momba ny fangorahana ity lahatsoratra ity. Ny hoe mangoraka, dia hoe mahatsapa ny fijaliana na ny fahorian’ny hafa ka te hitondra fanamaivanana ho azy.

2, 3. a) Inona no mampiseho fa noforonin’i Jehovah ho tia mangoraka isika? b) Nahoana isika no tokony handinika an’izay lazain’ny Baiboly momba ny fangorahana?

2 Natao tahaka ny endrik’Andriamanitra isika olombelona, ka lasa toetrantsika koa ilay hoe mitady izay hahasoa ny hafa na mangoraka. (Gen. 1:27) Na ny olona tsy mahalala an’i Jehovah aza mangoraka matetika. Misy tantaran’olona maro nangoraka ao amin’ny Baiboly. Nisy mpivaro-tena anankiroa, ohatra, niady zaza dia nasain’i Solomona nozaraina roa ilay zaza mba hahitana hoe iza no tena reniny. Nalahelo be ilay tena reny, ka tsy navelany hovonoina ilay zaza. Vonona hanome an’ilay zaza ho an’ilay iray mihitsy aza izy. (1 Mpanj. 3:23-27) Nangoraka hoatr’izany koa ny zanakavavin’i Farao. Tsy maintsy nafenina i Mosesy tamin’izy mbola kely, satria nasain’i Farao novonoina ny zazalahy kely hebreo. Rehefa nahita an’i Mosesy anefa ny zanakavavin’i Farao, dia “nangoraka azy” na dia fantany aza hoe zanaka Hebreo izy. Nanapa-kevitra izy hoe hatsangany ho zanany i Mosesy.—Eks. 2:5, 6.

3 Nahoana isika no tokony hianatra momba ny atao hoe mangoraka? Satria mampirisika antsika hanahaka an’i Jehovah ny Baiboly. (Efes. 5:1) Marina fa noforonin’i Jehovah mba ho tia mangoraka isika. Tsy lavorary anefa isika noho isika taranak’i Adama, ka mora tia tena. Mety ho sarotra amintsika indraindray ny manapa-kevitra hoe hanampy olona sa tsy hiraharaha afa-tsy ny tenantsika. Inona àry no hanampy antsika hitady izay hahasoa ny hafa foana? Voalohany, eritrereto ny modely nomen’i Jehovah sy ny olon-kafa. Faharoa, saintsaino hoe ahoana no azonao anahafana an’i Jehovah ary inona no soa horaisinao amin’izany.

MODELY TONGA LAFATRA I JEHOVAH

4. a) Nahoana i Jehovah no naniraka anjely tany Sodoma? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran-dry Lota?

4 Misy tantara maro ao amin’ny Baiboly ahitana hoe tena mangoraka i Jehovah. Eritrereto, ohatra, ny nataony tamin’i Lota. “Ory dia ory” i Lota rehefa nahita ny fitondran-tena ratsin’ny mponin’i Sodoma sy Gomora. Nanapa-kevitra ny handringana azy ireo i Jehovah satria tsy nanaja azy izy ireo. (2 Pet. 2:7, 8) Naniraka anjely izy mba hanavotra an’i Lota. Nasain’ireo anjely nandositra niala tao amin’ireo tanàna ireo i Lota sy ny fianakaviany. “Raha mbola nitaredretra” anefa i Lota, dia notantanan’ireo anjely “izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, noho ny fangoraham-pon’i Jehovah taminy. Ary nentiny nivoaka izy ka nateriny teo ivelan’ny tanàna.” (Gen. 19:16) Hita amin’izany fa fantatr’i Jehovah tsara ny zava-tsarotra mahazo ny mpanompony tsy mivadika.—Isaia 63:7-9; Jak. 5:11; 2 Pet. 2:9.

5. Inona no lazain’ny Baiboly fa tokony hataontsika raha mangoraka isika?

5 Tsy hoe mangoraka fotsiny i Jehovah, fa mampianatra ny vahoakany koa hoe tena ilaina ny mangoraka. Mampiseho an’izany ny lalàna iray nomeny ny Israelita. (Vakio ny Eksodosy 22:26, 27.) Raha nisy olona nindrana vola, dia azon’ilay nampisambotra nalaina hatao antoka ny lambany. Raha tsy nangoraka anefa izy, dia mety tsy hamerina an’ilay lamba ka tsy hisy hirakofana ilay olona amin’ny alina. Nampianatra ny vahoakany hahay hangoraka àry i Jehovah, rehefa nandidy azy ireo hoe tokony haverina ilay lamba rehefa milentika ny masoandro. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy mety raha tsy miraharaha ny fahorian’ny mpiara-manompo amintsika isika. Raha misy azontsika atao mba hanamaivanana ny fijaliany, dia tokony hanao an’izany isika.—Kol. 3:12; Jak. 2:15, 16; vakio ny 1 Jaona 3:17.

6. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita?

6 Nangoraka an’ireo Israelita i Jehovah, na dia nanota aza izy ireo. “Namerimberina nandefa iraka nitondra fampitandremana ho azy ireo” izy, “satria nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany.” (2 Tan. 36:15) Tokony hanahaka an’i Jehovah isika ka hangoraka an’ireo olona mbola tsy mahafantatra azy. Mety hibebaka mantsy izy ireny ka hahazo sitraka aminy. Izy rahateo tsy te handringana na iza na iza rehefa hampihatra ny didim-pitsarany. (2 Pet. 3:9) Hiezaka foana àry isika hampitandrina ny olona, mandra-pahatongan’ny fotoana handringanany ny ratsy fanahy.

7, 8. Nahoana ny fianakaviana iray no nino hoe nangoraka azy ireo i Jehovah?

7 Maro koa ankehitriny no mahatsapa hoe mangoraka i Jehovah. Anisan’izany ny ankizilahy atao hoe Milan sy ny fianakaviany. Nisy adim-poko tany amin-dry zareo, taoriana kelin’ny 1990. Vao 12 taona i Milan tamin’izay. Nandeha bisy niainga avy any Bosnia izy sy ny zandriny lahy, ny dada sy mamany, ary ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro. Hamonjy fivoriambe any Serbia izy ireo, ary hatao batisa any ny dada sy maman’i Milan. Rehefa tonga teo amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Bosnia sy Serbia anefa ry zareo, dia nasain’ny miaramila niala tao amin’ilay bisy ry Milan mianakavy. Avy amin’ny foko hafa mantsy, hono, izy ireo. Navelany hanohy ny diany kosa ireo Vavolombelona hafa. Notazonin’ireo miaramila nandritra ny roa andro ry Milan, izay vao niantso ny lehibeny ny iray tamin’izy ireo hoe hatao ahoana izy mianakavy. Teo akaikin-dry zareo mihitsy izy no niantso, dia henon’izy ireo tsara ny tenin’ilay lehibeny hoe: “Ento miala eo fotsiny ry zareo, dia tifiro e!”

8 Raha mbola teo am-piresahana tamin’ilay lehibeny ilay miaramila, dia nisy lehilahy roa nanatona an-dry Milan. Niteny moramora izy roa lahy hoe Vavolombelon’i Jehovah koa ry zareo. Notantarain’ireo Vavolombelona tao amin’ilay bisy tamin-dry zareo, hono, izay nanjo an-dry Milan. Nasain’izy roa lahy nankao anaty fiarany avy eo i Milan sy ny zandriny lahy, mba hahafahan’izy ireo hiampita an’ilay sisin-tany. Tsy savaina mantsy, hono, ny pasipaoron’ny ankizy. Ny ray aman-dreniny kosa nasain’izy roa lahy nankany ambadik’ilay toerana fisavana, dia eny ampita ry zareo no mihaona. Natahotra be i Milan rehefa naheno an’izany soso-kevitra izany, ka tsy hainy intsony hoe tokony ho faly izy sa tokony hitomany. Ny dada sy mamany indray nilaza hoe: “Ry zareo koa ve dia hamela anay handeha amin’izao fotsiny?” Hoatran’ny hoe tsy hitan’ireo miaramila akory anefa ry zareo, rehefa nandeha. Tafahaona teny ampita izy mianakavy avy eo, ary nandeha tany amin’ilay fivoriambe. Resy lahatra izy ireo hoe namaly ny fitalahoan’izy ireo i Jehovah. Tsy voatery miaro ny mpanompony hoatr’izany foana i Jehovah, rehefa jerena ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly. (Asa. 7:58-60) Hoy anefa i Milan: “Hoatran’ny hoe nataon’ny anjely tsy nahita ny mason’ireo miaramila, dia novonjen’i Jehovah izahay.”—Sal. 97:10.

9. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nahita an’ireo vahoaka nanaraka azy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Nanome modely ho antsika koa i Jesosy. Nahita vahoaka “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry” izy, indray mandeha. Nangoraka azy ireo izy ka “nanomboka nampianatra azy zavatra maro.” (Mat. 9:36; vakio ny Marka 6:34.) Tsy hoatr’izany ny Fariseo. Tsy te hanampy olona mihitsy ry zareo. (Mat. 12:9-14; 23:4; Jaona 7:49) Ary ianao? Tsy mba te hanao hoatran’i Jesosy ve ianao, ka hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah?

10, 11. Mety foana ve ny hoe mangoraka? Hazavao.

10 Tsy midika akory izany hoe mety foana ny mangoraka. Rariny raha nangoraka i Jehovah tamin’ireo toe-javatra vao noresahintsika teo. Tsy mety anefa ny mangoraka indraindray. Tsy novonoin’i Saoly Mpanjaka, ohatra, i Agaga, fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. Tsy novonoiny koa izay tsara indrindra tamin’ny biby fiompiny. Nety ho nieritreritra i Saoly hoe nangoraka azy ireo izy. Tsy nankatò an’i Jehovah anefa izy tamin’izany. Tsy neken’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely intsony àry izy. (1 Sam. 15:3, 9, 15) Mahafantatra ny ao am-pon’ny olona i Jehovah, ka hainy tsara hoe rahoviana no tsy mety ny mangoraka. Mpitsara manao ny rariny izy. (Fitom. 2:17; Ezek. 5:11) Kely sisa izy dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’izay rehetra tsy mety mankatò azy. (2 Tes. 1:6-10) Tsy hangoraka an’ireo ratsy fanahy izy amin’izay, fa handringana azy ireo. Hasehony amin’izany fa mangoraka an’izay manao ny marina izy, ary izy ireo no hovonjeny.

11 Tsy anjarantsika àry ny mitsara hoe iza no tokony horinganina ary iza no tokony hovonjena. Mila manao an’izay rehetra azontsika atao kosa isika mba hanampiana olona. Ahoana anefa no ampisehoantsika hoe mangoraka isika? Handinika soso-kevitra vitsivitsy isika.

AOKA IANAO HAHAY HANGORAKA

12. Ahoana no azonao ampisehoana hoe mangoraka ianao?

12 Miezaha ho tia manampy olona eo amin’ny fiainana andavanandro. Raha te hanahaka an’i Jesosy isika, dia tsy maintsy mangoraka ny mpiara-manompo amintsika sy ny olon-kafa. (Jaona 13:34, 35; 1 Pet. 3:8) Midika hoe “miara-mijaly” koa ny hoe mangoraka. Mitady fomba hanamaivanana ny fijalian’ny hafa ny olona mangoraka, ohatra hoe manampy azy hamaha olana. Eritrereto àry hoe inona no azonao atao. Sao dia afaka manampy azy hanao raharaha ianao, ohatra hoe miantsena ho azy?—Mat. 7:12.

Asehoy hoe mangoraka ianao ka ampio izay mila fanampiana (Fehintsoratra 12)

13. Inona no ataon’ny vahoakan’i Jehovah rehefa misy tra-boina?

13 Miezaha hanampy ny tra-boina. Olona maro no mangoraka an’ireo tra-boina rehefa mahita ny fijaliany. Anisan’izany ny vahoakan’i Jehovah. Malaza ho tia manampy tra-boina izy ireo. (1 Pet. 2:17) Ravan’ny horohoron-tany sy ny tsunami, ohatra, ny faritra nisy ny anabavy japoney iray, tamin’ny 2011. Nisy mpiasa an-tsitrapo be dia be avy any amin’ny faritra maro any Japon sy avy any an-tany hafa tonga nanamboatra ny trano sy Efitrano Fanjakana simba. Nilaza ilay anabavy fa “tena nampahery sy nampionona” azy izany. Hoy koa izy: “Hitako tamin’iny hoe tena tia antsika i Jehovah ary tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatro koa hoe ranadahy sy rahavavy maro eran-tany no mivavaka ho anay.”

14. Inona no azonao atao mba hanampiana ny marary sy ny be taona?

14 Ampio ny marary sy ny be taona. Malahelo isika rehefa mahita olona mijaly satria marary na mihantitra. Tena tiantsika raha tsy mihantitra intsony ny olona ary tsy misy intsony ny aretina. Mivavaka àry isika mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra ka hanafoana an’ireo. Eo am-piandrasana an’izany anefa, dia manao izay azontsika atao isika mba hanampiana ny marary sy ny zokiolona. Nilaza ny mpanoratra iray fa nisy nanampy hoatr’izany ny mamany tamin’izy efa antitra sady voan’ny Alzheimer. Nandoto ny akanjony izy, indray mandeha, ary tamin’ilay izy sahirana nanadio azy iny mihitsy no nisy nandondòna. Anabavy roa efa mpitsidika an’io mamany io no tonga tao. Nanontany ry zareo raha afaka manampy azy. Nanaiky izy na dia menatra be aza. Nampian’izy roa vavy àry izy, dia avy eo ry zareo nanao dite ho azy dia niresadresaka taminy. Faly be ilay zanany lahy. Hoy izy: “Miaiky an’ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny aho. Tena mampihatra ny zavatra ampianariny ry zareo.” Mangoraka ny marary sy ny be taona koa ve ianao, ka manao izay azonao atao mba hanamaivanana ny fijaliany?—Fil. 2:3, 4.

15. Nahoana isika no mila mitory?

15 Ampio hahalala an’i Jehovah ny olona. Malahelo isika rehefa mahita ny olona manana zava-manahirana sy miady saina. Mila ampianarintsika momba an’i Jehovah sy ny zavatra hataon’ny Fanjakany àry izy ireny. Izay no fanampiana tsara indrindra azontsika omena azy. Azontsika ampiana koa izy ireo mba hahita fa mahasoa ny mankatò ny fitsipik’i Jehovah. (Isaia 48:17, 18) Nahoana àry raha miezaka hanompo bebe kokoa? Tena mangoraka ianao raha manao an’izany sady manome voninahitra an’i Jehovah.—1 Tim. 2:3, 4.

MAHASOA ANAO NY MANGORAKA

16. Inona no soa ho azontsika raha mangoraka isika?

16 Milaza ny mpitsabo aretin-tsaina fa salama kokoa sy mahay mifandray aman’olona kokoa ny olona mora mangoraka. Rehefa manao izay hanamaivanana ny fahorian’ny hafa ianao, dia lasa sambatra kokoa, tsy dia mora kivy na manirery, ary tsy dia mieritreritra zavatra ratsy. Tena handray soa ianao raha mangoraka. (Efes. 4:31, 32) Lasa manana feon’ny fieritreretana madio koa isika, rehefa maneho fitiavana ka manampy olona. Fantatsika mantsy fa manao izay asain’i Jehovah atao isika. Lasa ray na reny na vady na namana tsara kokoa isika raha mahay mangoraka. Matetika koa no misy manampy ny olona mora mangoraka, rehefa izy indray no mila fanampiana.—Vakio ny Matio 5:7; Lioka 6:38.

17. Nahoana ianao no te hahay hangoraka?

17 Marina fa handray soa isika raha mangoraka. Tsy izany anefa no tena mahatonga antsika hiezaka hanana an’io toetra io. Mangoraka kosa isika satria te hanahaka sy hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana sy mangoraka. (Ohab. 14:31) Nanome modely tonga lafatra izy. Aoka àry isika rehetra samy hiezaka hanahaka an’i Jehovah ka hangoraka. Hifankatia tsara daholo isika amin’izay, ary hifandray tsara amin’ny olon-kafa koa.—Gal. 6:10; 1 Jaona 4:16.