Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hifehy Tena

Miezaha Hifehy Tena

‘Ny vokatry ny fanahy dia fifehezan-tena.’—GAL. 5:22, 23.

HIRA: 121, 36

1, 2. a) Inona no mety ho vokany raha tsy mahay mifehy tena ny olona? b) Nahoana isika no mila mianatra ny atao hoe fifehezan-tena?

AFAKA manampy antsika hifehy tena Andriamanitra. (Gal. 5:22, 23) Mahavita mifehy tena foana izy amin’ny zava-drehetra. Isika kosa tsy lavorary, ka sarotra amintsika ny mifehy tena indraindray. Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny olana mahazo ny olona. Tsy mifehy tena ny olona sasany, ka lasa mangataka andro lava rehefa hanao izay tokony hataony. Mety ho lasa tsy mianatra tsara, na tsy miasa tsara koa izy. Tsy mahay mifehy tena koa ny olona ka lasa mahay vava, mamo, mahery setra, misara-panambadiana, mitrosa tsy amin’antony, andevozin’ny sigara na zavatra hafa, migadra, tratran’ny ratram-po, voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ary bevohoka tsy manambady.—Sal. 34:11-14.

2 Mahita olana àry ny olona tsy mifehy tena sady mahatonga ny olon-kafa hanana olana. Vao mainka tsy mahay mifehy tena ny olona, raha ampitahaina ny fikarohana natao tamin’ny 1940 tany ho any sy ny fikarohana natao vao haingana. Tsy mahagaga izany satria efa nilaza ny Baiboly hoe anisan’ny famantarana ny “andro farany” ny hoe “tsy hahafehy tena” ny olona.—2 Tim. 3:1-3.

3. Nahoana ny Kristianina no tokony hifehy tena?

3 Nahoana isika no mila mifehy tena? Misy antony roa lehibe ireto: Voalohany, tsy dia manana olana lehibe ny olona mahavita mifehy ny fihetseham-pony sy ny faniriany. Tony kokoa sy mahay mifandray kokoa amin’ny olona izy, ary tsy dia mora tezitra na miasa saina be na kivy be. Faharoa, tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra isika, raha tsy mahavita manohitra fakam-panahy sy mifehy ny fanirian-dratsy. Izany no nanjo an’i Adama sy Eva. (Gen. 3:6) Olona maro koa no mijaly satria tsy mahay mifehy tena.

4. Inona no mampahery antsika raha sarotra amintsika ny mifehy tena?

4 Sarotra amintsika ny mifehy tena foana, satria tsy lavorary isika. Fantatr’i Jehovah izany, ary vonona hanampy antsika hifehy ny fanirian-dratsy izy. (1 Mpanj. 8:46-50) Namana be fitiavana izy, ka mampahery antsika rehefa hitany hoe sarotra amintsika indraindray ny mifehy tena nefa isika te hanao ny sitrapony. Handinika ny modely omen’i Jehovah isika ato, ary hiresaka ohatra tsara sy ohatra ratsy resahin’ny Baiboly. Hojerentsika koa hoe inona no hanampy antsika hahay hifehy tena kokoa.

MODELY HO ANTSIKA I JEHOVAH

5, 6. Manomeza ohatra mampiseho hoe mahay mifehy tena i Jehovah.

5 Mahavita mifehy tena foana i Jehovah satria lavorary. (Deot. 32:4) Isika kosa tsy lavorary. Na izany aza, dia mila mandinika ny ohatra omen’i Jehovah isika raha te hanahaka azy kokoa. Ho haintsika amin’izay izay tokony hatao rehefa misy zavatra mampahatezitra antsika. Oviana, ohatra, i Jehovah no tena hita hoe nifehy tena?

6 Eritrereto izay nataon’i Jehovah rehefa nikomy i Satana. Tsy azony navela tamin’izao fotsiny ilay izy. Azo inoana hoe na ny anjely tsy mivadika aza tezitra be tamin’i Satana, ary lasa tsy tia maizina azy. Izany koa angamba no tsapanao rehefa hitanao hoe mijaly ny olona noho ny ataon’i Satana. Tsy maimaika nanao zavatra anefa i Jehovah, fa nandinika tsara aloha ary nahita vahaolana tena tsara. Tsy tonga dia tezitra be tamin’i Satana izy sady nanao ny rariny. (Eks. 34:6; Joba 2:2-6) Navelany handeha aloha ny fotoana. Tsy tiany hisy ho ringana mantsy ny olona, fa tiany hibebaka daholo.—2 Pet. 3:9.

7. Inona no ianarantsika avy amin’ny modely omen’i Jehovah?

7 Hitantsika avy amin’ny modely omen’i Jehovah fa tsy tokony ho maimaika hanao zavatra isika, ary tokony hieritreritra tsara aloha vao miteny. Mila mandinika tsara an’izay tokony hatao koa isika, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Mivavaha mba hahazo fahendrena, ka hahalala izay tokony holazaina sy izay tokony hatao. (Sal. 141:3) Mora manaonao foana na miteniteny foana mantsy isika rehefa sosotra na tezitra. Maro tamintsika no efa tratran’izany, dia nanenina avy eo.—Ohab. 14:29; 15:28; 19:2.

OHATRA TSARA SY OHATRA RATSY

8. a) Aiza no ahitantsika tantaran’olona nahavita nifehy tena? b) Nahoana i Josefa no nahatohitra ny vadin’i Potifara? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Misy tantara maromaro ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe tena ilaina ny mifehy tena. Anisan’izany ny tantaran’i Josefa, zanak’i Jakoba. Niasa tao an-tranon’i Potifara, lehiben’ny mpiambina an’i Farao, izy. “Tsara bika sy tsara tarehy” izy, ka taratara taminy ny vadin’i Potifara ary nitaona azy hanao firaisana taminy. Imbetsaka ilay vehivavy no nanao an’izany, fa tsy nanaiky mihitsy izy. Inona no nanampy azy? Azo antoka fa noeritreretiny tsara izay ho vokany raha manaiky izy. Hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Nandositra mihitsy aza izy rehefa nisambotra azy tamin’ny akanjony ilay vehivavy.—Gen. 39:6, 9; vakio ny Ohabolana 1:10.

9. Inona no azonao atao mba tsy ho resin’ny fakam-panahy ianao?

9 Inona no ianarantsika avy amin’i Josefa? Mila manohitra ny fakam-panahy handika ny lalàn’i Jehovah isika. Nisy tamintsika taloha nihinan-kanina tafahoatra, nisotro toaka be, nifoka sigara, nandevozin’ny zava-mahadomelina, nijangajanga, na nanao zava-dratsy hafa. Mety ho mbola te hiverina amin’izany isika indraindray, na dia efa vita batisa aza. Ahoana àry raha alaim-panahy handika ny lalàn’i Jehovah ianao? Saintsaino hoe hanao ahoana ny fifandraisanao amin’i Jehovah, raha tsy mifehy ny fanirianao ianao. Fantaro mialoha ny toe-javatra mety hahatonga anao ho azon’ny fakam-panahy, ary eritrereto izay hataonao mba tsy ho resin’ilay izy ianao. (Sal. 26:4, 5; Ohab. 22:3) Rehefa tena mitranga ilay izy, dia mivavaha. Mangataha fahendrena amin’i Jehovah ary iangavio izy hanampy anao hifehy tena.

10, 11. a) Inona no olana manjo ny tanora sasany any am-pianarana? b) Inona no afaka manampy ny tanora hahatohitra fakam-panahy?

10 Tanora kristianina maro no miatrika olana mitovy amin’ny nahazo an’i Josefa. Anisan’izany i Kim. Zatra nanao firaisana ny ankamaroan’ny ankizy iray kilasy taminy. Faly erỳ izy ireo matetika nitantara hoe nanao firaisana izy tamin’ny faran’ny herinandro. Tsy nanao an’izany i Kim ka tsy nandray anjara tamin’ilay resaka. Nilaza izy hoe “nahatsiaro ho nanirery sy nailikilika” izy indraindray. Nolazain’ny ankizy fa vendrana izy satria tsy mampiaraka. Mety anefa ny nataony. Fantany mantsy fa mahery ny fakam-panahy hanao firaisana rehefa tanora ianao. (2 Tim. 2:22) Nanontany azy matetika ny mpiara-mianatra taminy raha mbola virjiny izy. Afaka nanazava àry izy hoe fa maninona izy no tsy manao firaisana. Tena reharehantsika ny tanora kristianina tapa-kevitra ny hanohitra fakam-panahy. Mirehareha amin’izy ireo koa i Jehovah.

11 Miresaka olona tsy nahavita nifehy ny faniriany hanao firaisana koa ny Baiboly. Anisan’izany ilay tovolahy tsy misaina resahin’ny Ohabolana toko faha-7 sy Amnona. Nisy vokany tena ratsy ny nataon’izy ireo. (2 Sam. 13:1, 2, 10-15, 28-32) Raha hoatran’ny nanjo an’i Kim àry ny manjo anao, dia eritrereto ireo ohatra ireo. Azon’ny ray aman-dreny ampiasaina tsara ireo, mba hanampiana ny zanany hanana fahendrena sy hahay hifehy tena eo amin’ny resaka fitiavana. Azo atao, ohatra, ny mandinika an’ireo mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.

12. a) Inona no nataon’i Josefa rehefa nihetsi-po be izy? b) Rahoviana isika no mila mifehy ny fihetseham-pontsika?

12 Mbola nifehy tena koa i Josefa rehefa tonga tany Ejipta ny rahalahiny mba hividy sakafo. Tiany ho fantatra izay tena tao am-pon’izy ireo, ka tsy noteneniny tamin’izy ireo hoe iza izy. Nihetsi-po be izy avy eo, ka nandeha nitokana mba tsy hisy hahita hoe mitomany. (Gen. 43:30, 31; 45:1) Miezaha àry hifehy tena hoatran’i Josefa, raha misy mpiara-manompo na mpianakavinao manao zavatra mampahatezitra anao. Tsy hiteniteny foana na hanao zavatra hanenenanao ianao amin’izay. (Ohab. 16:32; 17:27) Ahoana indray raha misy voaroaka ny havanao? Mila mifehy tena ianao mba tsy hifandray aminy noho ny antony tsy dia manao ahoana. Marina fa sarotra izany. Raha ataonao ao an-tsaina foana anefa hoe mankatò an’i Jehovah ianao rehefa manao an’izany sady manahaka azy, dia ho mora kokoa aminao ilay izy.

13. Inona no ianarantsika avy amin’i Davida Mpanjaka?

13 Ohatra tsara koa i Davida Mpanjaka. Nanana fahefana lehibe izy, nefa tsy nanararaotra an’izany rehefa nampahatezitra azy i Saoly sy Simey. (1 Sam. 26:9-11; 2 Sam. 16:5-10) Tsy hoe nahafehy tena foana anefa i Davida. Tadidinao angamba hoe nijangajanga izy sy Batseba, ary nisafoaka be tamin’i Nabala izy rehefa tsy nety nanampy azy i Nabala. (1 Sam. 25:10-13; 2 Sam. 11:2-4) Tena mandray lesona avy amin’izay nataon’i Davida anefa isika. Voalohany, mila mifehy tena ny rahalahy manana andraikitra mba tsy hanampatra fahefana. Faharoa, tsy tokony hatoky tena be loatra isika, ka hieritreritra hoe tsy ho tratran’ny fakam-panahy mihitsy.—1 Kor. 10:12.

INONA NO AZONAO ATAO?

14. Inona no nanjo ny rahalahy iray, ary nahoana no ilaina ny mifehy tena amin’ny toe-javatra hoatr’izany?

14 Inona no azonao atao mba hahaizanao mifehy tena? Eritrereto ity zava-nitranga ity: Nandona ny fiaran’i Luigi avy tao aoriana ny fiaran’ny lehilahy iray. Izy no diso, nefa izy indray no avo vava sy nila ady. Nivavaka i Luigi ary nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy azy ho tony. Niezaka nampitony an’ilay lehilahy koa izy, fa tsy nety nangina ilay lehilahy. Nosoratan’i Luigi àry izay fanazavana nilain’ny trano fiantohana, dia lasa izy. Ilay lehilahy amin’io mbola nivazavaza ihany. Nanao fiverenana mitsidika i Luigi, herinandro taorian’izay. Hay vadin’ilay vehivavy notsidihiny ilay nandona ny fiarany. Menatra izy, dia niala tsiny noho izy nitabataba be tamin’i Luigi. Nilaza koa izy fa hiantso ny trano fiantohana, amin’izay voamboatra haingana ny fiaran’i Luigi. Nandray anjara tamin’ilay resadresaka ara-baiboly izy, ary nahafinaritra azy ilay izy. Tonga saina i Luigi hoe soa ihany fa tony foana izy taorian’ilay aksidà, raha tsy izany dia nety ho ratsy be ny vokany.—Vakio ny 2 Korintianina 6:3, 4.

Misy vokany amin’ny fanompoantsika ny fahaizantsika mifehy tena na tsia (Fehintsoratra 14)

15, 16. Inona no tokony hataontsika rehefa mianatra ny Baiboly, raha te hahavita hifehy tena isika?

15 Hahavita hifehy tena isika raha mianatra tsara ny Baiboly sady manao an’izany tsy tapaka. Tadidio ny tenin’i Jehovah tamin’i Josoa hoe: “Aoka tsy ho afaka am-bavanao ity boky misy ny lalàna ity. Ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.” (Jos. 1:8) Inona no tokony hataontsika rehefa mianatra ny Baiboly, raha te hahavita hifehy tena isika?

16 Hitantsika amin’ireo ohatra resahin’ny Baiboly ireo fa mahasoa ny mifehy tena, fa mampisy olana kosa ny tsy fahaizana mifehy tena. Misy antony matoa nasain’i Jehovah nosoratana ao izy ireny. (Rom. 15:4) Vakio tsara àry izy ireny, ary saintsaino sy ianaro. Ezaho fantarina hoe inona no lesona azonao sy ny fianakavianao raisina. Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao hampihatra ny Teniny. Raha tsapanao hoe tsy mahafehy tena ianao amin’ny zavatra sasany, dia ekeo hoe mbola mila miezaka ianao. Resaho amin’i Jehovah ilay izy, ary miezaha mafy hahita hoe inona no azonao atao. (Jak. 1:5) Manaova koa fikarohana ao amin’ny bokintsika, dia hahita soso-kevitra mety tsara aminao ianao.

17. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hahay hifehy tena?

17 Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hahay hifehy tena? Tsy hoe vao teraka ny olona dia manana an’io toetra io. Tokony ho modely àry ny ray aman-dreny, toy ny ataony amin’ny toetra hafa. (Efes. 6:4) Raha tsikaritrao hoe sarotra amin’ny zanakao ny mifehy tena, dia eritrereto hoe manome modely ve ianao. Ho modely ho an’ny zanakao ianao raha manompo sy mivory tsy tapaka, ary manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana foana. Aza matahotra mandà raha hitanao hoe tokony holavina ny zavatra angatahin’ny zanakao. Nomen’i Jehovah fitsipika i Adama sy Eva, ary tokony ho nanampy azy ireo hanaja ny fahefany izany. Hoatr’izany koa no tokony hataon’ny ray aman-dreny. Tokony hanome fitsipika ho an’ny zanakao ianao, ary hananatra azy sy hiezaka ho modely. Hanampy azy ireo hahay hifehy tena izany. Anisan’ny zavatra tsara indrindra azonao ampianarina ny zanakao ny hoe manaja ny fahefan’Andriamanitra sy ny fitsipiny.—Vakio ny Ohabolana 1:5, 7, 8.

18. Nahoana no ilaina ny mahay mifidy namana?

18 Ilaina koa ny mifidy tsara ny namana. Tokony hanao an’izany isika rehetra, na manan-janaka na tsia. Olona mampirisika anao hanana tanjona tsara sy hisoroka olana atao namana. (Ohab. 13:20) Raha tia an’i Jehovah sy mahay mifehy tena ny olona ataonao namana, dia azo inoana fa hanahaka azy ianao. Hampahery azy koa ny mahita anao manao ny tsara. Hahazo sitraka amin’i Jehovah ianao isan’andro, raha mahay mifehy tena. Hahafinaritra koa ny fiarahanao amin’ny fianakavianao sy ny namanao.