Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Sambatra Aho Niara-niasa Tamin’ny Olona Tena Tia An’i Jehovah

Sambatra Aho Niara-niasa Tamin’ny Olona Tena Tia An’i Jehovah

NIFINDRA tany Bronx, any New York, i Dada sy Neny tamin’ny 1935 tany ho any. James Sinclair no anaran’i Dada ary Jessie no anaran’i Neny. Nifankahalala tamin’i Willie Sneddon ry zareo. Avy any Ekosy koa izy. Tonga dia samy niresaka momba ny fianakaviany avy ry zareo raha vao nihaona vetivety fotsiny. Taona vitsivitsy taorian’izay aho no teraka.

Notantarain’i Neny an’i Willie hoe maty an-drano ny dadany sy ny zokiny lahy, taloha kelin’ny Ady Lehibe I. Nidona tamin’ny vanja mantsy ny sambo nentin-dry zareo nanjono tany amin’ny Ranomasina Avaratra. Dia hoy i Willie tamin’i Neny: “Lasa any amin’ny afobe izany ny dadanao!” Taitra be i Neny. Tamin’izay izy no nanomboka nahafantatra ny fahamarinana. Vavolombelon’i Jehovah mantsy i Willie.

Willie sy Liz Sneddon

Sosotra tamin’ny tenin’i Willie i Neny satria fantany fa tsara fanahy ny dadany. Nilaza anefa i Willie hoe: “Fa i Jesosy koa ange nankany amin’ny afobe e!” Tadidin’i Neny ilay fanekem-pinoana fanaon’ny Eglizy hoe lasa tany amin’ny afobe i Jesosy ary natsangana tamin’ny andro fahatelo. Lasa saina àry izy hoe: ‘Raha toerana misy afo midedadeda natao hampijaliana ny ratsy fanahy ny afobe, dia maninona i Jesosy no lasa tany?’ Lasa te hahalala ny marina izy tamin’izay. Niara-nivory tamin’ny Fiangonana Bronx izy, ary natao batisa tamin’ny 1940.

Izaho sy Neny, ary izaho sy Dada

Tsy nampirisihina be hoatran’ny amin’izao ny ray aman-dreny tamin’izany hoe mila mampianatra Baiboly ny zanany. I Dada no nitaiza ahy tamin’izaho mbola kely, rehefa nivory sy nanompo i Neny tamin’ny faran’ny herinandro. Nanomboka nivory koa izaho sy Dada, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Tena nazoto nitory i Neny ary nanana mpianatra Baiboly maromaro. Nisy fotoana niara-nampianariny ny olona sasany satria nifanakaiky ny tranon-dry zareo. Niara-nanompo taminy aho rehefa vakansy, dia lasa nihanahay Baiboly sady lasa nahay nampianatra an’izay voalaza ao.

Menatra aho satria tsy dia nankasitraka ny fahamarinana, tamin’izaho mbola kely. Lasa mpitory anefa aho tamin’izaho 12 taona ary nanompo tsy tapaka nanomboka tamin’izay. Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho tamin’izaho 16 taona, ary natao batisa tamin’ny 24 Jolay 1954 tamin’ny fivoriambe tany Toronto, any Kanada.

TATO AMIN’NY BETELA

Betelita na efa niasa tao amin’ny Betela ny rahalahy sasany tao amin’ny fiangonanay, ary nisy vokany be tamiko ny fiarahana tamin’izy ireo. Variana aho tamin’ny fahaizan’izy ireo nampianatra sy nandaha-teny ary nanazava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Lasa te hanompo tato amin’ny Betela aho, na dia nampirisika ahy hianatra teny amin’ny oniversite aza ny mpampianatra anay. Nandefa fangatahana hanompo tato aho tamin’ilay fivoriambe tany Toronto. Mbola nandefa fangatahana indray aho tamin’ny 1955, tamin’ny fivoriambe tany Yankee Stadium, any New York. Nekena ny fangatahako, tsy ela taorian’izay. Nanomboka niasa tao amin’ny Betelan’i Brooklyn aho tamin’ny 19 Septambra 1955, tamin’izaho 17 taona. Tao amin’ny fanakambanam-boky tany 117 Adams Street aho no nanomboka niasa, ny ampitson’ny nahatongavako. Nampiasa masinina mpanambatra boky aho, tsy ela taorian’izay. Pejy 32 isaky ny mandeha no natambany, dia masinina hafa indray avy eo no nanjaitra azy rehetra ho lasa boky.

Nanomboka niasa tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’izaho 17 taona

Iray volana teo ho eo aho no niasa tao amin’ny fanakambanam-boky. Nalefa tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Gazety aho avy eo, satria nahay nampiasa milina fanoratana. Nosoratana tamin’ny takelaka vy kely tamin’izany ny adiresin’ny olona te hamandrika Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Milina fanoratana no nanoratana an’ilay adiresy. Izay no lasa asako. Fa volana vitsivitsy ihany aho no tao, dia voatendry hiasa tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana indray. I Klaus Jensen no mpiandraikitra ny asanay. Natao tao anaty baoritra ny boky sy gazety, dia avy eo naterin’ny kamiao tany amin’ny seranan-tsambo mba halefa tany amin’ny tany samihafa. Niangavy ahy ny Rahalahy Jensen mba hiaraka tamin’ny saoferan’ilay kamiao. Nisy gony nisy gazety koa nila naterina tany amin’ny paositra mba halefa tany amin’ireo fiangonana nanerana an’i Etazonia. Nilaza ny Rahalahy Jensen hoe mety amiko tsara ny manao asa vatana. Izaho amin’io 57 kilao monja, dia nahia kely hoatran’ny tahon-kifafa! Fa tena nanatanjaka ahy aloha ny nivezivezy tany amin’ny seranan-tsambo sy tany amin’ny paositra e! Hain’ny Rahalahy Jensen mihitsy hoe tena nety be tamiko ilay izy!

Ny Sampan-draharahan’ny Gazety koa no nandefa ny gazety nohafaran’ny fiangonana tany amin’ny firenena samihafa, dia lasa fantatro hoe tamin’ny fiteny inona avy no nanaovana pirinty ny gazetintsika. Betsaka ny fiteny mbola tsy henoko mihitsy. Faly anefa aho fa gazety an’aliny no nalefa tany amin’ny faritra lavitra be. Tsy nieritreritra mihitsy aho tamin’izany hoe hitsidika ny ankamaroan’ireny toerana ireny aho atỳ aoriana.

Niaraka tamin’i Robert Wallen sy Charles Molohan ary Don Adams

Voatendry hiasa tao amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola aho, tamin’ny 1961, ary i Grant Suiter no mpiandraikitra tao. Niasa tao nandritra ny taona vitsivitsy aho, dia avy eo voatendry hanampy an’i Nathan Knorr. Izy no niandraikitra ny asa maneran-tany tamin’izany. Nanazava izy hoe hiofana iray volana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ny iray tamin’ireo rahalahy niara-niasa taminy, ary avy eo hiasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Voatendry hisolo azy aho, dia hiara-hiasa amin’i Don Adams. Ny Rahalahy Don no nandray an’ilay fangatahako hanompo tato amin’ny Betela, tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1955. Niara-niasa taminy tao koa ny Rahalahy Robert Wallen sy Charles Molohan. Niara-niasa nandritra ny 50 taona mahery izahay efa-dahy. Tena tia an’i Jehovah ry zareo dia nahafinaritra be ny fiarahanay.—Sal. 133:1.

Tamin’izaho nitety sampana voalohany tamin’ny 1970, tany Venezoelà

Voatendry ho mpiandraikitra mpitety sampana aho tamin’ny 1970. Nampahery ny fianakavian’ny Betela sy ny misionera aho rehefa nitsidika, ary nijery ny antontan-taratasin’ilay sampana. Naharitra herinandro vitsivitsy ilay fitsidihana, ary natao indray mandeha isan-taona na isaky ny roa taona. Faly be aho fa nihaona tamin’ny rahalahy sy anabavy anisan’ny kilasy voalohandohany tamin’ny Sekolin’i Gileada. Mbola manompo tsara any amin’izay nanendrena azy ry zareo! Tena nahazo tombontsoa be aho satria tany 90 mahery no efa notsidihiko.

Nahafinaritra be ny nitsidika ny mpiara-manompo tany amin’ny firenena 90 mahery

NAHAZO NAMANA AHO

Voatendry ho any amin’ny fiangonana tany amin’ny faritr’i New York daholo ny Betelita tao Brooklyn tamin’izany. Tany amin’ny fiangonana iray tao Bronx no nandefasana ahy. Fiangonana Bronx Ambony no lasa niantsoana azy io rehefa avy nozaraina roa.

Nisy fianakaviana avy any Letonia nifindra tao amin’ny faritanin’ny fiangonanay, tamin’ny 1965 tany ho any. Tany amin’ny faritra atsimon’i Bronx ry zareo no nahalala ny fahamarinana. I Livija no vavimatoan-dry zareo. Nanao mpisava lalana maharitra izy raha vao vita ny fianarany teny amin’ny lise, ary nanitatra tany Massachusetts volana vitsivitsy taorian’izay. Nanomboka nifanoratra izahay. Izaho nanoratra taminy ny vaovao momba ny fiangonanay, ary izy nitantara ny vokatra tsara azony tamin’ny fanompoana tany Boston, any Massachusetts.

Izaho sy Livija

Voatendry ho mpisava lalana manokana i Livija, taona vitsivitsy taorian’izay. Mbola te hanao be amin’ny fanompoana anefa izy, dia nangataka hiasa tato amin’ny Betela. Voantso hiasa tato izy tamin’ny 1971. Hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no nampihaona anay! Nivady izahay tamin’ny 27 Oktobra 1973, ary ny Rahalahy Knorr no nanao ny lahatenim-panambadianay. Tsapako hoe marina ny voalazan’ny Ohabolana 18:22 hoe: “Izay nahita vady tsara, dia nahazo zava-tsoa ary mahazo sitraka amin’i Jehovah.” Niara-nanompo tato amin’ny Betela nandritra ny 40 taona mahery izahay mivady. Mbola any Bronx ihany ny fiangonana misy anay izao.

NIARA-NIASA AKAIKY TAMIN’NY RAHALAHIN’I KRISTY

Nahafinaritra be ny niara-niasa tamin’ny Rahalahy Knorr. Tena nazoto nitory ny fahamarinana izy, ary tena nankasitraka ny asan’ny misionera eran-tany. Mbola tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy tany amin’ny tany nanendrena ny ankamaroan’izy ireny. Nampalahelo fa voan’ny kansera ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1976. Narary teo am-pandriana izy indray mandeha, dia nasainy novakiko taminy ny lahatsoratra sasany mbola vao hatao pirinty. Nasainy niantso an’i Frederick Franz aho, amin’izay izy afaka mihaino an’ilay izy koa. Tatỳ aoriana vao fantatro hoe tsy nahita tsara ny Rahalahy Franz, dia ny Rahalahy Knorr no mpamaky an’ireny lahatsoratra ireny taminy.

Nitsidika biraon’ny sampana iray, niaraka tamin’i Daniel sy Marina Sydlik, tamin’ny 1977

Nahavita ny fanompoany tetỳ an-tany ny Rahalahy Knorr, tamin’ny 1977. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy, ka nampahery an’izay nahafantatra azy sy tia azy izany. (Apok. 2:10) Ny Rahalahy Franz indray no nitarika ny asa maneran-tany taorian’izay.

Sekreteran’i Milton Henschel aho tamin’izany. Niara-niasa tamin’ny Rahalahy Knorr nandritra ny taona maro koa izy. Niteny tamiko izy hoe izaho no hanampy ny Rahalahy Franz amin’izay rehetra ilany fanampiana, ary izay no tena andraikitro nanomboka teo. Izaho indray àry no namaky taminy an’izay lahatsoratra mbola vao hatao pirinty. Nahatadidy zavatra be ny Rahalahy Franz. Nahavita nifantoka tsara tamin’izay novakina taminy koa izy. Faly be aho nanampy azy mandra-pahavitany ny fanompoany teto an-tany, tamin’ny Desambra 1992.

124 Columbia Heights, toerana niasako nandritra ny taona maro

Efa 61 taona sahady aho izao no nanompo tato amin’ny Betela. Samy tsy nivadika mandra-pahafatiny ny ray aman-dreniko. Efa tsy andriko izay hihaonana amin’izy ireo indray, rehefa ho lasa tsara kokoa ny fiainana. (Jaona 5:28, 29) Tena tombontsoa ny miara-miasa amin’ny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika, mba hanampy ny mpanompon’i Jehovah eran-tany. Tsy misy zavatra tsara noho izany eto amin’ity tontolo ity! Samy miaiky izahay sy Livija fa “fiarovana mafy” ho anay “ny fifaliana avy amin’i Jehovah”, nandritra an’ireo taona maro nanompoanay manontolo andro.—Neh. 8:10.

Tsy miankina amin’ny olona iray ny hampandroso ny fandaminan’i Jehovah. Mandroso foana ny fitoriana momba ilay Fanjakana, na inona na inona mitranga. Nahafinaritra anefa ny niara-niasa tamin’ny rahalahy sy anabavy tsy nivadika. Marina fa efa tsy etỳ an-tany intsony ny ankamaroan’ireo voahosotra niara-niasa tamiko. Faly anefa aho niaraka tamin’izy ireny satria tena tia an’i Jehovah ry zareo.