Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahery ny Tenin’​Andriamanitra”

“Mahery ny Tenin’​Andriamanitra”

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—HEB. 4:12.

HIRA: 96, 94

1. Nahoana isika no resy lahatra fa tena mahery ny Tenin’Andriamanitra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

MIAIKY isika vahoakan’i Jehovah fa “velona sy mahery” ny teniny, izany hoe ny zavatra lazainy amintsika. (Heb. 4:12) Isika mihitsy no mahita an’izany eo amin’ny fiainantsika sy ny an’ny olon-kafa. Nisy tamintsika, ohatra, mpangalatra taloha, na nifoka zava-mahadomelina, na nijangajanga. Ny sasany indray nalaza na nanam-bola be, nefa mbola nahatsiaro ihany hoe nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainany. (Mpito. 2:3-11) Maro tamintsika no kivy sy tsy nahalala izay tokony hatao, nefa lasa velom-panantenana sy manana tari-dalana noho ny Baiboly. Misy tantara maro manaporofo an’izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly.” Azo antoka fa tena mahafinaritra antsika ny mamaky azy ireny. Na dia efa nanaiky ny fahamarinana aza isika, dia mbola miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Manampy antsika hanao izany ny Soratra Masina.

2. Inona no manaporofo fa nisy heriny tamin’ny olona tamin’ny taonjato voalohany ny Tenin’Andriamanitra?

2 Tsy mahagaga raha olona maro no niova be rehefa nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Izany no nitranga tamin’ny taonjato voalohany, tamin’ireo Kristianina voahosotra ho any an-danitra. (Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11.) Niresaka momba ny karazan’olona tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny apostoly Paoly, ary avy eo niteny tamin’ireo Kristianina ireo hoe: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo.” Nanampy azy ireo hiova ny Soratra Masina sy ny fanahy masina. Na rehefa lasa Kristianina aza anefa ny sasany tamin’izy ireo, dia mbola nila niezaka mafy mba tsy hanao ratsy ka hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony, ohatra, ny rahalahy iray voahosotra. Niova anefa izy, dia voaray indray tatỳ aoriana. (1 Kor. 5:1-5; 2 Kor. 2:5-8) Tena mampahery ny mahita hoe afaka niala tamin’ny fanao ratsy isan-karazany ny mpiara-manompo amintsika noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Fitaovana tena mahery nomen’Andriamanitra antsika ny Teniny, ka tena tokony hiezaka hampiasa tsara azy io isika. (2 Tim. 2:15) Hodinihintsika ato àry hoe inona no azontsika atao mba hahatonga ny Tenin’Andriamanitra hanan-kery eo amin’ny fiainantsika, sy hanohina ny fon’ny olona itoriantsika, ary hisy heriny amin’ny mpihaino rehefa manao anjara na lahateny isika. Rehefa avy mandinika an’ireo isika, dia ho afaka hampiseho hoe tena tia sy mankasitraka an’ilay Raintsika any an-danitra. Izy no mampianatra antsika mba hahitantsika soa.—Isaia 48:17.

EO AMIN’NY FIAINANTSIKA

4. a) Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika hisy heriny eo amintsika ny Tenin’Andriamanitra? b) Ahoana no hahitanao fotoana hamakiana Baiboly?

4 Tsy maintsy mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika, raha tiantsika hisy heriny eo amintsika izy io. Tokony hiezaka hanao an’izany isan’andro isika raha azo atao. (Jos. 1:8) Marina fa be atao be ny ankamaroantsika. Tsy tokony hisy na inona na inona havelantsika hisakana antsika tsy hamaky Baiboly anefa, eny fa na dia ny zavatra hafa tsy maintsy ataontsika aza. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Maro no nahita hevitra tsara mba hahafahany mamaky Baiboly isan’andro. Vao maraina na amin’ny alina, ohatra, ny sasany no mamaky azy io. Misy indray mifidy fotoana anankiray mandritra ny andro. Mitovy amin’izao nolazain’ny mpanao salamo izao no tsapan’izy ireny: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!”—Sal. 119:97.

5, 6. a) Nahoana no tena ilaina ny misaintsaina? b) Inona no tokony hatao rehefa misaintsaina, raha tiantsika hisy vokany tsara ilay izy? d) Inona no soa noraisinao rehefa namaky sy nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra ianao?

5 Tena ilaina koa ny misaintsaina an’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. (Sal. 1:1-3) Raha tsy izany isika tsy ho afaka hampihatra ny torohevitra tena tsara hita ao. Na mamaky Baiboly vita pirinty anefa isika, na mamaky azy io ao amin’ny tablette na fitaovana hafa, dia tokony havelantsika hanohina ny fontsika ny zavatra voalaza ao.

6 Inona no tokony hatao rehefa misaintsaina, raha tiantsika hisy vokany tsara ilay izy? Tsara ny miato kely rehefa avy mamaky andininy vitsivitsy, ary mieritreritra hoe: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah? Inona no efa ataoko izao mba hampiharana an’izay voalazan’ireo andininy ireo? Inona no azoko hatsaraina?’ Tsara koa ny mivavaka rehefa misaintsaina toy izany. Vao mainka te hampihatra an’izay novakintsika isika amin’izay, ary vao mainka hisy heriny eo amin’ny fiainantsika ilay izy.—2 Kor. 10:4, 5.

ENY AMIN’NY FANOMPOANA

7. Inona no azontsika atao raha te hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa manompo?

7 Inona no azontsika atao raha te hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra isika eny amin’ny fanompoana? Ampiasao matetika izy io rehefa mitory sy mampianatra. Hoy ny rahalahy iray: “Raha miara-mitory isan-trano ianao sy Jehovah, dia ianao foana ve no hiteny sa mba havelanao hiteny koa izy?” Toy ny hoe mamela an’i Jehovah hiresaka amin’ilay olona itoriantsika isika, raha ny Baiboly mihitsy no vakintsika aminy. Hisy heriny kokoa noho ny zavatra lazaintsika ny andinin-teny vakintsika, raha haintsika tsara ny mifidy azy. (1 Tes. 2:13) Eritrereto àry hoe: ‘Miezaka mamaky Baiboly matetika araka izay azo atao ve aho rehefa eny amin’ny fanompoana?’

8. Nahoana no tsy ampy ny mamaky andinin-teny amin’ny olona itoriana?

8 Tsy ampy anefa ny mamaky andinin-teny amin’ny olona itoriantsika. Tsy dia tena mahazo an’izay lazain’ny Baiboly mantsy ny ankamaroan’ny olona na tsy mahazo an’ilay izy mihitsy. Hoatr’izany tamin’ny taonjato voalohany, ary mbola hoatr’izany koa amin’izao. (Rom. 10:2) Tsy tokony hieritreritra àry isika hoe tonga dia ho azon’ilay olona izay andininy vakina aminy. Mila asongadina ny hevi-dehibe. Mila averina vakina mihitsy aza angamba ny teny sasany, dia hazavaina ny dikany. Ho azon’ny olona tsara izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra amin’izay, sady hanohina ny fony.—Vakio ny Lioka 24:32.

9. Inona no azo atao mba hahatonga ny olona hanaja ny Baiboly? Manomeza ohatra.

9 Mety hanampy an’ilay olona hanaja ny Baiboly koa ny zavatra lazaintsika alohan’ny hamakiana andinin-teny aminy. Azo atao, ohatra, ny milaza hoe: “Andao hojerentsika ny hevitr’Andriamanitra!” Raha tsy Kristianina indray ilay olona, dia afaka milaza isika hoe: “Mariho ange izay lazain’ity boky masina ity e!” Raha tsy mpivavaka mihitsy izy, dia azo anontaniana hoe: “Efa mba naheno an’ity ohabolana tranainy ity ve ianao?” Samy manana ny zavatra inoany sy ny fomba fiheviny ny tsirairay, ka ataontsika mifanaraka amin’izany ny zavatra lazaintsika alohan’ny hamakiana andinin-teny.—1 Kor. 9:22, 23.

10. a) Inona no nataon’ny rahalahy iray, ary inona no vokany? b) Nisy heriny tamin’ny olona nitorianao ve ny Tenin’Andriamanitra? Tantarao.

10 Maro no nahita hoe tena misy vokany tsara rehefa amakiana andinin-teny ny olona itoriana. Niverina nitsidika rangahy iray efa be taona ny rahalahy iray. Mpamaky ny gazetintsika efa an-taonany maro izy io. Tsy hoe nanatitra Ny Tilikambo Fiambenana farany fotsiny ilay rahalahy tamin’izay, fa namaky andinin-teny tao amin’ilay gazety koa. Novakiny taminy ny 2 Korintianina 1:3, 4. Voalaza ao fa “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” ilay “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Nanohina ny fon’ilay rangahy ilay izy, ka nasainy novakina fanindroany. Nilaza koa izy fa tena nila fampaherezana izy sy ny vadiny. Lasa te hahafantatra bebe kokoa momba an’izay lazain’ny Baiboly izy taorian’izay. Tena misy heriny amin’ny olona itoriantsika àry ny Tenin’Andriamanitra.—Asa. 19:20.

REHEFA MANAO ANJARA NA LAHATENY

11. Inona no tsy maintsy ataon’ireo rahalahy manao anjara na lahateny?

11 Mahafinaritra antsika rehetra ny mamonjy fivoriana sy fivoriambe. Ny hanompo an’i Jehovah no tena andehanantsika any. Mandray soa avy amin’izay ampianarina antsika any koa anefa isika. Tombontsoa be ho an’ireo rahalahy ny hoe manao anjara na lahateny. Mila mitadidy koa anefa izy ireo hoe andraikitra lehibe izany. (Jak. 3:1) Tsy maintsy ataony miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra foana izay ampianariny. Raha manao anjara na lahateny àry ianao, dia inona no azonao atao mba hisy heriny amin’ny mpihaino izay lazainao?

12. Inona no tokony hataon’ny mpandahateny mba hiorina foana amin’ny Soratra Masina ny zavatra lazainy?

12 Tokony hataonao miorina amin’ny Soratra Masina ny anjaranao na ny lahateninao. (Jaona 7:16) Ahoana no anaovana an’izany? Mitandrema sao zavatra hafa no lasa misongadina, fa tsy ny andinin-teny resahinao. Mety ho takona tanteraka mantsy ny Baiboly raha ny fomba anaovanao ny lahateninao na ny zavatra hafa tantarainao na ny fanoharana ampiasainao no misongadina be. Tadidio koa fa ny hoe mampianatra Baiboly dia tsy midika hoe mamaky andinin-teny fotsiny. Raha be loatra aza ny andinin-teny vakinao, dia mety tsy hisy ho tadidin’ny mpihaino. Fidio tsara àry izay andinin-teny hovakinao. Vakio tsara ilay izy avy eo, hazavao, mampiasà fanoharana, ary resaho ny fomba ampiharana an’ilay andininy. (Neh. 8:8) Raha omena drafitra ianao, dia diniho tsara ilay izy sy ny andinin-teny ao. Ezaho fantarina hoe inona no ifandraisan’ny andinin-teny amin’ny fehezanteny miaraka aminy. Mifidiana andininy hanampy anao hanazava ny hevitra ao amin’ilay drafitra. (Misy soso-kevitra tsara ao amin’ny lesona 21 hatramin’ny 23 amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.) Mivavaha amin’i Jehovah avy eo mba hanampiany anao hahay hampita ny hevitra sarobidy ao amin’ny Teniny.—Vakio ny Ezra 7:10; Ohabolana 3:13, 14.

13. a) Inona no tsapan’ny anabavy iray rehefa nisy andinin-teny nanohina ny fony tany am-pivoriana? b) Efa nisy andinin-teny tena nanohina ny fonao ve tany am-pivoriana? Tantarao.

13 Nijaly be ny anabavy iray any Aostralia tamin’ny mbola kely. Nanaiky ny fahamarinana izy tatỳ aoriana. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy, saingy mbola tsy tena resy lahatra hoe tia azy i Jehovah. Nisy heriny be taminy anefa ny andinin-teny iray noresahina tany am-pivoriana. Nosaintsaininy ilay izy, ary nampifandraisiny tamin’ny andinin-teny hafa. * Lasa natoky izy tamin’izay fa tia azy tokoa i Jehovah. Efa nisy andinin-teny tena nanohina ny fonao koa ve tany amin’ny fivoriana na fivoriambe?—Neh. 8:12.

14. Inona no tokony hataontsika raha mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra isika?

14 Tena mankasitraka an’i Jehovah àry isika noho izy nanome ny Baiboly. Nampanantena izy fa haharitra foana izy io, ary notanterahiny izany. (1 Pet. 1:24, 25) Tena mila mamaky Baiboly tsy tapaka isika, mampihatra an’izay vakintsika ao, ary mampiasa azy io mba hanampiana ny hafa. Raha manao an’izany isika, dia mampiseho fa tena tiantsika sady ankasitrahantsika io harena sarobidy io, ary indrindra fa i Jehovah ilay nanome azy.

^ feh. 13 Jereo ilay hoe “ Niova Ihany Aho.”