Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahery Indrindra Nefa Tsara Fanahy

Mahery Indrindra Nefa Tsara Fanahy

“[Fantatr’i Jehovah] tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.”​—SAL. 103:14.

HIRA: 30, 10

1, 2. a) Inona no tsy itovizan’i Jehovah amin’ny olona manam-pahefana? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

“MANJAKAZAKA” na manao tsindry hazo lena mihitsy matetika ny olona ambony na manam-pahefana. (Mat. 20:25; Mpito. 8:9) Tsy hoatr’izany mihitsy anefa i Jehovah. Izy no Mahery Indrindra, nefa tena mitsinjo ny olombelona tsy lavorary izy. Tsara fanahy izy sady tena mieritreritra an’izay ilaintsika sy ny fihetseham-pontsika. Tadidiny foana hoe “vovoka ihany isika”, dia tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy.—Sal. 103:13, 14.

2 Tena tsara fanahy amin’ny mpanompony i Jehovah, rehefa jerena ny tantara ao amin’ny Baiboly. Handinika tantara telo manaporofo an’izany isika ato. Voalohany, tamin’i Jehovah nanampy an’i Samoela mba hilaza ny didim-pitsarany tamin’i Ely Mpisoronabe. Faharoa, tamin’izy nandefitra tamin’i Mosesy rehefa nilaza i Mosesy hoe tsy ho vitany ny hitarika ny Israelita. Ary fahatelo, tamin’izy nanafaka an’ireo Israelita avy tany Ejipta. Rehefa mandinika an’ireo tantara ireo isika, dia eritrereto izay lesona azonao raisina sy izay azonao ianarana momba an’i Jehovah.

TSARA FANAHY TAMIN’NY ANKIZILAHY IRAY

3. Inona no zavatra niavaka nitranga tamin’i Samoela? Inona no fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika rehefa mieritreritra an’ilay tantara isika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Mbola kely i Samoela dia efa “nanompo an’i Jehovah” tao amin’ny tranolay masina. (1 Sam. 3:1) Naheno feo niantso ny anarany izy, indray mandeha, tamin’izy natory. * (Vakio ny 1 Samoela 3:2-10.) Noheveriny hoe feon’i Ely Mpisoronabe ilay izy, dia tonga izy dia lasa nihazakazaka nankany. Hoy izy: “Intỳ aho, fa niantso ahy ianao.” Nilaza anefa i Ely hoe tsy niantso azy. Mbola nisy hoatr’izany indroa taorian’izay, dia tonga saina i Ely hoe i Jehovah no niantso an’i Samoela. Natoron’i Ely azy àry izay tokony havaly raha mbola miantso ilay feo, dia nankatò i Samoela. Azon’i Jehovah natao ny tonga dia niteny tamin’i Samoela hoe izy no niantso azy. Maninona anefa izy no tsy nanao an’izany? Tsy lazain’ny Baiboly ny antony. Hitantsika amin’ny tohin’ilay tantara anefa hoe zava-dehibe tamin’i Jehovah ny fihetseham-pon’i Samoela, dia mety ho izay no nahatonga azy tsy hanao an’izany.

4, 5. a) Mora tamin’i Samoela ve ny nilaza ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Ely? Nahoana anefa izy no sahy niteny ihany? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa mandinika an’io tantara io isika?

4 Vakio ny 1 Samoela 3:11-18. Resahin’ny Lalàn’i Jehovah hoe tokony hanaja zokiolona ny ankizy, indrindra raha manana andraikitra ilay zokiolona. (Eks. 22:28; Lev. 19:32) Dia eritrereto ange e! I Samoela ve dia ho sahy ho any amin’i Ely vao maraina sady amin’izay hilaza didim-pitsarana? Resahin’ny Baiboly hoe “natahotra ny hilaza tamin’i Ely” an’izay nitranga izy. Nataon’i Jehovah nazava tsara tamin’i Ely anefa hoe izy no niantso an’ilay ankizilahy. Hoy àry i Ely tamin’i Samoela: ‘Aza misy afenina ahy izay teny nolazainy taminao.’ Nankatò i Samoela ka ‘nolazainy taminy ny zava-drehetra.’

5 Efa nampoizin’i Ely ihany hoe inona no hotenenin’i Samoela. Efa nisy “lehilahin’Andriamanitra” niresaka taminy mantsy, dia nilaza zavatra nitovy tamin’izany. (1 Sam. 2:27-36) Hitantsika amin’io tantara io hoe hendry i Jehovah sady zava-dehibe aminy ny any am-pontsika any.

6. Inona no azo ianarana avy amin’izay nataon’i Jehovah mba hanampiana an’i Samoela?

6 Ankizy ve ianao sa tanora? Inona no azonao ianarana avy amin’i Samoela? Tadidio fa fantatr’i Jehovah ny olana mahazo anao ary azony tsara ny any am-ponao any. Saro-kenatra angamba ianao dia tsy mahasahy mitory amin’ny olon-dehibe. Mety ho mafy be aminao koa ilay hoe tsy manao hoatran’ny ankizy hafa. Tadidio anefa hoe tena te hanampy anao i Jehovah. Mivavaha aminy dia resaho aminy daholo izay any am-ponao. (Sal. 62:8) Eritrereto tsara ny nataon’ny ankizy na tanora resahin’ny Baiboly, ohatra hoe i Samoela. Miresaha koa amin’izay rahalahy sy anabavy efa nanana olana hoatran’ny anao, nefa nahavita tsy nivadika. Mety ho efa lehibe ry zareo na mitovy taona aminao. Hotantarainy aminao hoe ahoana no nanampian’i Jehovah azy, ary mety ho tsy nampoiziny mihitsy ilay izy.

TSARA FANAHY TAMIN’I MOSESY

7, 8. Inona no porofo hoe tena tsara fanahy tamin’i Mosesy i Jehovah?

7 Efa 80 taona i Mosesy tamin’izy nasain’i Jehovah nanao asa sarotra be. Andevo tany Ejipta ny Israelita tamin’izany, dia nirahin’i Jehovah hanafaka azy ireo i Mosesy. (Eks. 3:10) Taitra be angamba izy. Mpiandry ondry tany Midianina mantsy izy, ary efa 40 taona no nanaovany an’izany. Niteny tamin’i Jehovah izy hoe: “Fa mba iza moa aho no handeha hankany amin’i Farao, ka hitondra ny zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta?” Nankahery azy anefa i Jehovah, ka nilaza hoe: “Izaho no homba anao!” (Eks. 3:11, 12) Nampanantena koa izy hoe tena hihaino ny tenin’i Mosesy ny anti-panahin’ny Israely. Mbola namaly ihany anefa i Mosesy, ka nilaza hoe sao dia tsy hihaino azy ry zareo. (Eks. 3:18; 4:1) Hoatran’ny te hilaza izy hoe diso i Jehovah. Tsy tezitra anefa i Jehovah. Vao mainka aza i Mosesy nataony nahavita fahagagana. Izy no olona voalohany resahin’ny Baiboly hoe nahavita an’izany.—Eks. 4:2-9, 21.

8 Mbola nitady handa ihany anefa i Mosesy. Nilaza tamin’i Jehovah indray izy hoe tsy mahay miresaka. Dia hoy i Jehovah taminy: “Homba anao aho rehefa miteny ianao, ka hanoro anao izay tokony holazainao.” Mbola tsy resy lahatra ihany anefa i Mosesy. Niangavy an’i Jehovah mihitsy izy mba haniraka olon-kafa. Tezitra i Jehovah tamin’izay, nefa mbola nandefitra tamin’i Mosesy ihany. Tena zava-dehibe taminy ny fihetseham-pon’i Mosesy, ka naniraka an’i Arona hiaraka aminy izy, amin’izay i Arona no hiteny.—Eks. 4:10-16.

9. Tsara fanahy sy nanam-paharetana tamin’i Mosesy i Jehovah, ka inona no vokatr’izany?

9 Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa mandinika an’io tantara io isika? Izy no Mahery Indrindra, ka azony nampitahorina fotsiny i Mosesy dia tonga dia nankatò. Tsy izany anefa no nataony. Fantany mantsy hoe nanetry tena i Mosesy matoa niaiky hoe voafetra ihany ny zavatra hainy. Hitan’i Jehovah koa hoe nila nampiana izy mba tsy hanahy be loatra. Nanam-paharetana sy tsara fanahy taminy àry i Jehovah, sady nanome toky hoe hanampy azy. Tena nisy vokany tsara izany. Lasa nahay nitondra ny vahoakan’i Jehovah i Mosesy, ary niezaka ny ho tsara fanahy tamin’ny olona koa.—Nom. 12:3.

Tsara fanahy hoatran’i Jehovah ve ianao rehefa mifandray amin’ny hafa? (Fehintsoratra 10)

10. Inona no vokany rehefa tsara fanahy hoatran’i Jehovah isika?

10 Inona no azo ianarana avy amin’izany? Azo lazaina hoe manana fahefana ianao raha lehilahy manambady, na ray na reny, na anti-panahy. Tena mila manahaka an’i Jehovah àry ianao. Miezaha ho tsara fanahy sy hanam-paharetana amin’ny vadinao sy ny zanakao ary ny olona ao amin’ny fiangonana. Eritrereto koa ny fihetseham-pon’izy ireo. (Kol. 3:19-21; 1 Pet. 5:1-3) Raha miezaka ny ho tsara fanahy hoatran’i Jehovah sy Jesosy ianao, dia tsy hisalasala hiresaka aminao ny olona ka ho afaka hankahery azy ireo ianao. (Mat. 11:28, 29) Ho modely ho an’ny olon-kafa koa ianao amin’izay.—Heb. 13:7.

MPAMONJY FARAN’IZAY MAHERY SADY TSARA FANAHY

11, 12. Inona no nataon’i Jehovah mba hampilamin-tsaina ny Israelita?

11 Telo tapitrisa mahery angamba ny Israelita, tamin’izy ireo niala tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K. Ankizy sy be taona ny sasany tamin’izy ireo. Nisy koa angamba narary sy kilemaina. Tsy hahavita hitarika an’io vahoaka be io raha tsy olona mangoraka sy mahalala tsara an’izay ilain’izy ireo. Hoatr’izany mihitsy i Jehovah, rehefa jerena ny fomba nampiasany an’i Mosesy mba hanafahana ny Israelita. Tsy natahotra ny hiala tany Ejipta àry ny Israelita, na dia izay aza ry zareo vao hiala tany.—Sal. 78:52, 53.

12 Inona no nataon’i Jehovah mba hahazoan’ny Israelita toky hoe hiaro azy ireo izy? Nalaminy tsara izy ireo rehefa hivoaka an’i Ejipta, ka nasainy “nilahatra toy ny tafika.” (Eks. 13:18) Hitan’ny Israelita hoe vitan’i Jehovah ny nandamina an-dry zareo, dia natoky izy ireo hoe hainy ny mitantana ny diany. Natoky koa izy ireo hoe teo amin’izy ireo i Jehovah, satria nitarika azy ireo “tamin’ny alalan’ny rahona izy rehefa antoandro, ary tamin’ny fahazavan’ny afo” rehefa alina. (Sal. 78:14) Hoatran’ny hoe niteny tamin-dry zareo i Jehovah hoe: “Aza matahotra fa izaho ange eto e! Izaho no hitarika anareo sy hiaro anareo.” Tena nila an’izany toky izany ry zareo taoriana kelin’izay.

Inona no porofo hoe tena tsara fanahy tamin’ny Israelita i Jehovah? (Fehintsoratra 13)

13, 14. a) Inona no manaporofo fa tsara fanahy tamin’ny Israelita i Jehovah? b) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe mbola mahery noho ny Ejipsianina izy?

13 Vakio ny Eksodosy 14:19-22. Alao sary an-tsaina hoe miaraka amin’ny Israelita ianao. Ranomasina Mena no eo alohanareo, dia i Farao sy ny tafiny no ao aorianareo. Dia iny i Jehovah fa manao zavatra! Afindrany mankany aorian’ny tobinareo ilay andry rahona, dia lasa tsy afaka mandroso ny Ejipsianina satria maizina be ny misy an-dry zareo. Ny tobinareo anefa mazava be. Manatsotra ny tanany ho eo ambony ranomasina i Mosesy avy eo, ka misy rivotra mifofofofo avy any atsinanana. Mizara roa àry ilay ranomasina, dia lasa misy lalana malalaka be eo afovoany. Handeha eo amin’ilay izy izao ny vahoaka, dia hoatr’izany koa ianao sy ny fianakavianao ary ny biby fiompinareo. Milamina tsara ianareo rehetra fa tsy mikorontana. Gaga be ianao fa tsy mamotaka ilay lalana sady tsy malama. Maina sy mafimafy mihitsy aza ilay izy, ka azo andehanana tsara. Na dia ny miadam-pamindra indrindra aminareo aza tafampita soa aman-tsara.

14 Vakio ny Eksodosy 14:23, 26-30. Mbola be hambom-po ihany anefa i Farao sady tsy nisaina mihitsy, dia lasa izy nanenjika ny Israelita. Nanatsotra ny tanany indray àry i Mosesy, dia nitambatra ny ranomasina sady nitosaka be, ka maty tao ry Farao. Tsy nisy dikany tamin’i Jehovah mihitsy ny nandringana an-dry zareo!​—Eks. 15:8-10.

15. Inona no ianaranao momba an’i Jehovah rehefa mandinika an’io tantara io ianao?

15 Hitantsika amin’io tantara io hoe tia filaminana i Jehovah. (1 Kor. 14:33) Mahatonga antsika hilamin-tsaina sy tsy hatahotra izany, satria matoky isika hoe azo ianteherana izy. Toy ny mpiandry ondry tena tia ny ondriny koa i Jehovah. Mikarakara ny mpanompony izy ary miaro azy ireo amin’ny fahavalony. Tena mankahery antsika ny mahalala an’izany, amin’izao farany efa akaiky izao.—Ohab. 1:33.

16. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny fomba namonjen’i Jehovah ny Israelita?

16 Manampy ny vahoakany koa i Jehovah amin’izao, hoatran’ny nataony tamin’ny Israelita. Ampiany mba hifandray tsara aminy izy ireo ary arovany amin’ny fahavalo. Hanao an’izany foana izy na dia mandritra ny fahoriana lehibe aza, ary efa tena akaiky izy io. (Apok. 7:9, 10) Tsy hisy hatahotra àry isika mandritra ny fahoriana lehibe, na tanora isika na antitra, ary na kilemaina na tsia. * Vao mainka aza isika ho be herim-po. Hotadidintsika ny tenin’i Jesosy hoe: “Mijoroa ka mitrakà fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.” (Lioka 21:28) Tsy hatahotra koa isika na dia rehefa hotafihin’i Goga aza. Firenena maromaro mitambatra izy io, ary mahery lavitra noho i Farao. (Ezek. 38:2, 14-16) Nahoana isika no tsy hatahotra mihitsy? Satria fantatsika fa tsy miova i Jehovah. Ho tsara fanahy sy hikarakara ny mpanompony foana izy ary hamonjy azy ireo.​—Isaia 26:3, 20.

17. a) Inona no tokony hataontsika raha te handray soa amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly isika? b) Inona no hianarantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Hitantsika teo àry fa tsara fanahy i Jehovah, rehefa mitari-dalana sy mamonjy ary mikarakara ny mpanompony. Mihevitra an’izay any am-pon’izy ireo koa izy. Mbola betsaka ny tantara manaporofo an’izany ao amin’ny Baiboly. Rehefa misaintsaina an’ireny tantara ireny ianao, dia jereo ny tsipiriany amin’ilay izy. Hahita zavatra mbola tsy fantatrao momba an’i Jehovah ianao amin’izay. Hiaiky ianao hoe tena tsara toetra izy ary hanohina ny fonao izany, ka vao mainka ianao ho tia azy sy hatoky azy. Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no azontsika atao raha te ho tsara fanahy hoatran’i Jehovah isika, rehefa mifandray amin’ny fianakaviana sy ny olona ao amin’ny fiangonana ary ny olona itoriantsika.

^ feh. 3 Nilaza ilay Jiosy mpahay tantara atao hoe Josèphe fa 12 taona i Samoela tamin’izany.

^ feh. 16 Azo antoka hoe kilemaina ny sasany amin’ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Nanasitrana “ny karazana kilema rehetra” i Jesosy tetỳ an-tany. (Mat. 9:35) Mbola hanao an’izany koa àry izy amin’ny hoavy. Ireo ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona anefa no hositraniny, fa tsy ny olona hatsangana amin’ny maty. Efa salama tsara sy tsy misy kilema mantsy ireo olona hatsangana amin’ny maty.