Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Be Fitiavana Foana fa Mampahery Izany!

Miezaha ho Be Fitiavana Foana fa Mampahery Izany!

“Ny fitiavana mampahery.”​—1 KOR. 8:1.

HIRA: 109, 121

1. Inona no noresahin’i Jesosy tamin’ny mpianany, ny alina farany niarahan’izy ireo?

EFA ho in-30 i Jesosy no niresaka momba ny fitiavana, tamin’ilay alina farany niarahany tamin’ny mpianany. Nohamafisiny hoe tokony ‘hifankatia’ ny mpianany. (Jaona 15:12, 17) Hiavaka be ny fifankatiavan’izy ireo, ka tonga dia ho hita hoe tena mpianatr’i Jesosy izy ireo. (Jaona 13:34, 35) Tsy any am-po fotsiny ilay fitiavana noresahin’i Jesosy. Mahafoy tena manampy olona koa izay manana azy io. Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany. Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.”—Jaona 15:13, 14.

2. a) Inona no mampiavaka ny mpanompon’i Jehovah? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika ato?

2 Tena mifankatia sy mahafoy tena ho an’ny hafa ary miray saina koa isika amin’izao. Izany no ahitana hoe tena mpanompon’Andriamanitra isika. (1 Jaona 3:10, 11) Marina hoe samy hafa firenena sy foko ary fiteny isika. Tsy mitovy koa ny nanabeazana antsika. Faly anefa isika satria manahaka an’i Jesosy ka mifankatia foana. Tena ilaina ny fitiavana, indrindra amin’izao andro izao. Nahoana? Inona no ataon’i Jehovah sy Jesosy mba hampaherezana antsika? Ary inona no azontsika atao mba hampaherezana ny hafa sy hampisehoana hoe tiantsika izy?—1 Kor. 8:1.

NAHOANA NO TENA MILA FITIAVANA ISIKA AMIN’IZAO?

3. Mafy be ny fiainana amin’izao, ka inona no vokatr’izany amin’ny olona sasany?

3 Tsy mora ny fiainana amin’izao, satria be dia be ny zava-tsarotra sy ny fijaliana. (Sal. 90:10; 2 Tim. 3:1-5) Betsaka ny olona mahatsiaro hoe mizaka ny tsy eran’ny aina, ka aleony maty. Maherin’ny 800 000 ny olona mamono tena isan-taona, izany hoe olona iray isaky ny 40 segondra eo ho eo. Mampalahelo fa na ny rahalahy sy anabavintsika sasany aza kivy be tamin’ny fiainana dia namono tena koa.

4. Iza no resahin’ny Baiboly hoe te ho faty?

4 Resahin’ny Baiboly hoe te ho faty ny mpanompon’i Jehovah sasany tsy nivadika. Tsy zakany intsony mantsy ny nahazo azy. Nijaly be, ohatra, i Joba ka niteny mihitsy hoe: “Aleoko maty.” (Joba 7:15; 14:13) I Jona indray diso fanantenana tamin’ny zavatra nasaina nataony, ka nilaza hoe: “Jehovah ô! Esory re ny aiko e, fa aleoko maty toy izay velona.” (Jona 4:3) Nisy fotoana koa i Elia mpaminany nangataka ny ho faty satria kivy be. Hoy izy: “Aoka izay! Esory amin’izay ny aiko, Jehovah ô.” (1 Mpanj. 19:4) Tian’i Jehovah anefa ireo mpanompony tsy nivadika ireo, dia mbola tiany ho velona. Tsy hoe nobedesiny ry zareo satria te ho faty. Nataony kosa izay hahatonga saina an-dry zareo hoe mahafinaritra ny miaina, amin’izay ry zareo mahavita manompo azy foana.

5. Nahoana ny rahalahy sy anabavintsika no tena mila fitiavana amin’izao?

5 Tsy ny rahalahy sy anabavy rehetra akory no te ho faty. Betsaka anefa no miady saina amin’ny olana mahazo azy, ka mila fitiavana sy fampaherezana. Ny sasany izao esoesoin’ny olona na ampijaliny satria manompo an’i Jehovah. Misy koa mahazo tsiny foana any am-piasana, na fosafosain’ny mpiara-miasa. Vizana be koa ny sasany, satria tsy maintsy miasa mihoatra ny ora tokony hiasana na manenjika asa lava. Misy indray manana olana ao amin’ny fianakaviany. Tsy manompo an’i Jehovah angamba ny vadiny, dia manome tsiny azy foana. Vizana tanteraka àry ireny namantsika ireny, ary mieritreritra mihitsy aza ny sasany hoe tsy misy ilana azy intsony. Iza no afaka manampy azy ireny mba tsy hilavo lefona?

MAMPAHERY NY MAHALALA HOE TIAN’I JEHOVAH ISIKA

6. Inona no ataon’i Jehovah mba hampaherezana ny mpanompony?

6 Inona no ataon’i Jehovah mba hampaherezana antsika? Omeny toky isika hoe tiany foana. Azo antoka fa nampahery an’ireo Israelita tsy nivadika ny tenin’i Jehovah hoe: “Sarobidy eo imasoko ianao ka mendrika hohajaina, ary tia anao aho. ... Aza matahotra fa momba anao aho.” (Isaia 43:4, 5) Tadidio àry fa tena tian’i Jehovah ianao satria manompo azy. * Mampanantena antsika ny Baiboly hoe: “Izy no Ilay mahery, ka hamonjy. Ho faly sy ho ravoravo noho ny aminao izy.”—Zef. 3:16, 17.

7. Inona no itovizan’ny fitiavan’i Jehovah antsika amin’ny fitiavan’ny reny ny zanany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Mampanantena i Jehovah hoe hanampy sy hampahery ny mpanompony foana izy, na inona na inona olana mahazo azy ireo. Tsara be ny fomba ilazany an’izany ao amin’ny Isaia 66:12, 13. Resahiny ao hoe hoatran’ny reny izy, dia ataony eo am-pofoany ny zanany ary safosafoiny. Mampanantena koa izy ao hoe hampionona foana ny mpanompony, hoatran’ny ataon’ny reny amin’ny zanany. Nilaza an’io ohatra io i Jehovah mba hampisehoana fa tena tiany ny mpanompony ary tiany hilamin-tsaina. Tena tian’i Jehovah àry ianao sady sarobidy aminy. Aza mba misalasala ny amin’izany mihitsy.—Jer. 31:3.

8, 9. Inona no ho vokany raha mitadidy isika hoe tia antsika i Jesosy?

8 Misy porofo hafa koa hoe tia antsika i Jehovah. Milaza ny Jaona 3:16 hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Tena tia antsika koa i Jesosy matoa nahafoy ny ainy hamonjena antsika. Tsy mampahery be ve izany? Milaza ny Baiboly fa tsy hahavita “hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy”, na dia ny “fahoriana” sy ny “fijaliana” aza.—Rom. 8:35, 38, 39.

9 Reraka sy kivy be isika indraindray rehefa manana olana. Mety tsy hahafaly antsika intsony na dia ny manompo an’i Jehovah aza. Hampahery antsika anefa ny mitadidy hoe tena tia antsika i Kristy, ka hahavita hiaritra isika. (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15.) Raha mitadidy an’izany isika, dia hahavita hanompo an’i Jehovah foana rehefa enjehina, na diso fanantenana, na mitebiteby be, na miatrika loza.

MILA NY FITIAVANAO NY MPIARA-MANOMPO

Ianaro izay nataon’i Jesosy, dia hazoto hampahery ny mpiara-manompo ianao (Fehintsoratra 10, 11)

10, 11. Iza no tokony hampahery an’izay kivy? Hazavao.

10 Mampiasa ny fiangonana koa i Jehovah mba hampaherezana antsika sy hampisehoana hoe tia antsika izy. Mamaly fitia an’i Jehovah isika, raha manao izay rehetra azo atao mba hahatonga ny mpiara-manompo hatoky hoe tena sarobidy izy ary tian’i Jehovah. (1 Jaona 4:19-21) Hoy ny apostoly Paoly: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany, toy izao efa ataonareo izao.” (1 Tes. 5:11) Tsy ny anti-panahy ihany no tokony hanao an’izany. Afaka manahaka an’i Jehovah sy Jesosy daholo isika, ka hampahery an’ireo rahalahy sy anabavintsika.—Vakio ny Romanina 15:1, 2.

11 Mila fitsaboana manokana angamba ny rahalahy na anabavy sasany satria kivy be loatra. (Lioka 5:31) Manetry tena ny anti-panahy sy ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana, ka miaiky fa tsy nianatra manokana momba an’izany fitsaboana izany izy ireo. Mbola mila manampy foana anefa izy ireo, ary tena zava-dehibe izany. Isika rehetra mihitsy no tokony “hanao teny mampahery ny kivy” sy “hanohana ny malemy, ary hahari-po amin’ny olona rehetra.” (1 Tes. 5:14) Mila miezaka hahazo an’izay manjo ny mpiara-manompo amintsika isika. Tokony hanam-paharetana koa isika ary hilaza teny mampahery rehefa kivy izy ireo. Manao an’izany ve ianao? Inona no azonao atao mba hisy vokany kokoa ny ezaka ataonao?

12. Inona no nataon’ny fiangonana ho an’ny anabavy iray kivy be?

12 Inona no azontsika atao mba hampaherezana an’ireo rahalahy sy anabavy kivy be loatra? Nitantara an’izao ny anabavy iray any Eoropa: “Mieritreritra ny hamono tena aho indraindray. Soa ihany anefa fa manana namana mampahery be dia be aho. Efa maty angamba aho hoatr’izay raha tsy teo ny fiangonana. Mampahery ahy foana ry zareo, sady asehony hoe tiany aho. Vitsy kely no mahafantatra hoe efa aretina mihitsy ny ahy ilay hoe kivy be, nefa manampy ahy foana ny iray fiangonana. Misy mpivady iray izay aza hoatran’ny dada sy mamako mihitsy. Eo foana ry zareo rehefa mila fanampiana aho, dia mikarakara ahy na andro na alina.” Marina fa tsy mitovy ny mety ho vitantsika rehetra. Misy dikany be amin’ireo namantsika kivy anefa ny ezaka ataontsika tsirairay mba hampaherezana azy ireo. *

INONA NO AZONAO ATAO?

13. Inona no tena ilaina raha te hampahery an’ireo mpiara-manompo isika?

13 Miezaha hihaino tsara. (Jak. 1:19) Porofom-pitiavana ny hoe mihaino tsara an’izay kivy sady miezaka hahazo an’izay manjo azy. Eritrereto hoe ahoana no ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toerany. Mametraha fanontaniana mba hahalalanao an’izay any am-pony, ary miezaha ho tsara fanahy foana rehefa manao an’izany. Asehoy amin’ny endrikao hoe tia azy ianao ary te hanampy azy. Manàna faharetana, ka aza tapahina ny teniny fa avelao izy hamoaka tsara an’izay any am-pony. Raha mihaino tsara mantsy ianao, dia ho azonao tsara ny fihetseham-pony. Hatoky anao izy amin’izay, dia ho vonona hihaino an’izay holazainao. Hampahery be an’ilay olona ianao raha hitany hoe tena miraharaha azy.

14. Nahoana isika no tsy tokony hanakiana ny hafa?

14 Aza kianina izy. Inona no mety hitranga raha efa kivy be ny olona iray nefa mbola kianintsika ihany? Vao mainka izy halahelo be, dia ho sarotra amintsika ny hampahery azy. Hoy ny Ohabolana 12:18: “Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny tenin’ny hendry kosa manasitrana.” Marina aloha hoe tsy hisy hanao fanahy iniana hanao teny maharary amin’ny olona efa kivy e! Na tsy fanahy iniana aza anefa ilay izy, dia mbola mankarary fo foana. Raha te hampahery azy àry isika, dia tokony hampiseho aminy hoe tena miezaka hipetraka eo amin’ny toerany.—Mat. 7:12.

15. Inona no tena manampy antsika hampahery an’ireo rahalahy sy anabavy?

15 Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra rehefa mampahery. (Vakio ny Romanina 15:4, 5.) Mampionona antsika sy manampy antsika hiaritra Andriamanitra. Avy aminy ny Baiboly, ka tsy mahagaga raha feno hevitra mampahery izy io. Be dia be koa ny fitaovana afaka manampy antsika. Anisan’izany ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaka olana isan-karazany ireo fitaovana ireo, sady manampy antsika hahita andinin-teny mampahery. Ho azontsika amin’izay hoe inona no tsapan’ny olona miatrika an’ireny olana ireny, ka hisy vokany kokoa ny ezaka ataontsika.

16. Inona koa no toetra ilaina mba hampaherezana an’izay kivy?

16 Miezaha halemy fanahy sy hangoraka. Raha miezaka hanana an’ireo toetra ireo isika rehefa mampahery olona, dia ho hita hoe tena tia azy. Tia mangoraka i Jehovah. Antsoina hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” izy. (Vakio ny 2 Korintianina 1:3-6; Lioka 1:78; Rom. 15:13) Nanao hoatran’i Jehovah koa i Paoly. Izao no nosoratany: ‘Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mampinono izay maneho fitiavana ny zanany naterany. Koa satria tena maminay ianareo, dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.’ (1 Tes. 2:7, 8) Raha tsara fanahy amin’izay mpiara-manompo kivy isika, dia mety ho isika no hampiasain’i Jehovah mba hamaliana ny vavaka nataon’izy ireny.

17. Inona no tsy tokony hataontsika, raha te hampahery ny mpiara-manompo isika?

17 Aza manantena hoe tsy ho diso mihitsy ny rahalahy sy anabavy. Ho diso fanantenana fotsiny ianao raha manantena an’izany. (Mpito. 7:21, 22) Tadidio fa tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy i Jehovah. Raha manao hoatr’azy isika, dia hahavita hiaritra an’izay tsy mety ataon’ny mpiara-manompo amintsika. (Efes. 4:2, 32) Mila mitandrina isika mba tsy hahatonga an-dry zareo hieritreritra hoe tsy ampy ny ezaka ataony ho an’i Jehovah. Tsy tsara koa ny mampitaha azy amin’ny olon-kafa. Aleo kosa midera azy amin’izay efa ataony. Hampahery azy ireo izany, ka ho faly izy manompo an’i Jehovah.—Gal. 6:4.

18. Nahoana isika no tokony hiezaka ho be fitiavana sy hifampahery?

18 Sarobidy be amin’i Jehovah ny mpanompony tsirairay, ary sarobidy be amin’i Jesosy koa. (Gal. 2:20) Tena tiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, ka tokony ho tsara fanahy amin’izy ireo isika. Miezaka àry isika mba “hampisy fihavanana sy hifampahery.” (Rom. 14:19) Efa tsy andrintsika ny Paradisa! Tsy ho kivy intsony isika rehefa any. Tsy hisy intsony mantsy ny aretina, ny ady, ny olana ao amin’ny fianakaviana, ary ny hoe diso fanantenana. Tsy hisy hampijaly intsony koa isika mpanompon’i Jehovah. Tsy ho faty noho ny ota avy tamin’i Adama intsony koa isika. Rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona, dia ho lavorary ny olombelona. Ho lasa zanak’Andriamanitra eto an-tany izay tsy mivadika aminy mandritra an’ilay fitsapana farany. Hahazo “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo. (Rom. 8:21) Enga anie àry isika rehetra ka ho be fitiavana sy hifampahery ary hifanampy foana, mba samy ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao.

^ feh. 12 Jereo ireto lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! ireto raha te hampahery olona te hamono tena ianao: “Aza Mamoy Fo! Mbola Mendrika ny ho Velona Ianao” (Aprily 2014); “Mieritreritra ny Hamono Tena ve Ianao?” (Janoary 2012); “Mamy ny Miaina” (8 Novambra 2001).