Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”

Sambatra Izay Manompo An’ilay “Andriamanitra Falifaly”

“Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”​—SAL. 144:15.

HIRA: 44, 125

1. Nahoana isika mpanompon’i Jehovah no sambatra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TENA sambatra isika Vavolombelon’i Jehovah. Falifaly foana isika isaky ny miaraka, na eny amin’ny fivoriambe na any am-pivoriana na rehefa mifanasa. Mafana erỳ ny resaka amin’ireny fotoana ireny. Fa inona no tena mahatonga antsika ho sambatra? Sambatra isika satria mahafantatra an’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly”, sady manompo azy ary miezaka manahaka ny toetrany. (1 Tim. 1:11; Sal. 16:11) Avy amin’i Jehovah ny fahasambarana. Tiany ho sambatra isika ka manao zavatra be dia be izy mba hahafaly antsika.​—Deot. 12:7; Mpito. 3:12, 13.

2, 3. a) Hoatran’ny ahoana izany hoe sambatra? b) Nahoana isika no mety tsy hahatsiaro ho sambatra?

2 Ary ianao? Sambatra ve ianao? Misy azonao atao ve amin’izay ianao ho sambatra kokoa? Sambatra ny olona iray rehefa afa-po amin’ny fiainana na faly be, ary hoatr’izany foana izy. Hitany hoe mamy ny miaina, ary tiany hitohy foana izany. Resahin’ny Baiboly hoe izay tahin’i Jehovah no tena sambatra. Mety tsy hahatsiaro ho sambatra anefa isika indraindray. Nahoana?

3 Be dia be ny olana mety hampiady saina antsika. Mety ho kivy, ohatra, ny olona iray, satria maty ny havany na voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana, na izy nisara-panambadiana na very asa. Ny an’ny hafa indray mety hoe tsy milamina ny tokantranony dia miady lava izy mivady. Misy koa esoesoin’ny mpiara-mianatra na ny mpiara-miasa. Misy indray ampijalina na gadraina satria manompo an’i Jehovah. Mihatsy salama kosa ny mpiara-manompo sasany, na manana aretina mitaiza, na kivy be foana. Afaka ny ho sambatra anefa isika, na betsaka aza ny olana mahazo antsika eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Tia nampahery olona sy nanampy azy ireo ho sambatra i Jesosy. Antsoina hoe “Tompom-pahefana falifaly” izy. (1 Tim. 6:15; Mat. 11:28-30) Nilaza zavatra maromaro afaka manampy antsika ho sambatra foana izy, rehefa nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

TENA ILAINA NY MIFANDRAY TSARA AMIN’I JEHOVAH

4, 5. Inona no azontsika atao raha te ho sambatra foana isika?

4 Inona no zavatra voalohany noresahin’i Jesosy hoe mahasambatra? Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 5:3) Tena zava-dehibe izany. Inona àry no tokony hataontsika raha mila an’Andriamanitra isika? Tokony hianatra ny Teniny isika ary hankatò azy. Tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika koa ny fanompoana azy. Ho sambatra kokoa isika raha manao an’ireo, ary hatoky kokoa hoe tena ho tanteraka ny zavatra nampanantenain’i Jehovah. Hampahery antsika ny mieritreritra ny “zavatra mahafaly antenaintsika”, izay voaresaka ao amin’ny Baiboly.​—Tit. 2:13.

5 Tena ilaina ny mifandray tsara amin’i Jehovah raha te ho sambatra foana isika. Hoy ny apostoly Paoly: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo [izany hoe i Jehovah], eny, hoy indray aho: Mifalia!” (Fil. 4:4) Mila ny fahendrena avy amin’i Jehovah anefa isika, izay vao afaka ny hifandray tsara aminy. Hoy ny Baiboly: “Sambatra ny olona mahita fahendrena, sy ny olona manana fahaiza-manavaka.” Resahiny ao koa hoe: “Hazon’aina ho an’izay mitana azy izy [izany hoe ny fahendrena], ary izay mifikitra aminy no atao hoe sambatra.”​—Ohab. 3:13, 18.

6. Mbola misy zavatra hafa azontsika atao ve mba ho sambatra foana isika?

6 Tsy ampy ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Mila manaraka an’izay voalaza ao koa isika, raha te ho sambatra foana. Nanamafy an’izany i Jesosy rehefa niteny hoe: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.” (Jaona 13:17; vakio ny Jakoba 1:25.) Izany no tena hanampy antsika hifandray tsara amin’Andriamanitra sy ho sambatra foana. Mbola afaka ny ho sambatra ihany ve anefa isika, na dia betsaka aza ny olana mahazo antsika? Aleo hojerentsika indray izay nolazain’i Jesosy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.

INONA KOA NO ILAINA?

7. Inona no tian’i Jesosy hotenenina tamin’ilay hoe “sambatra ny ory”?

7 Hoy i Jesosy: “Sambatra ny ory, fa izy no hampiononina.” (Mat. 5:4) Mety hieritreritra angamba ianao hoe: ‘Ahoana koa izany hoe ory nefa sambatra?’ Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe izay ory na malahelo rehetra dia sambatra daholo. Na ny mpanao ratsy aza mantsy mba malahelo rehefa sendra olana, amin’izao andro farany “tsy mora setraina” izao. (2 Tim. 3:1) Tsy sambatra anefa izy ireny na dia ory aza, satria tia tena fa tsy hoe te hifandray amin’i Jehovah. Iza àry ilay nolazain’i Jesosy hoe “ory”? Azo inoana hoe ny olona mahatsapa fa mila an’Andriamanitra no tao an-tsainy. Malahelo izy ireny satria be dia be no tsy miraharaha an’Andriamanitra na tsy manao ny sitrapony. Malahelo koa izy ireny satria miaiky hoe mpanota, ary mahita hoe faran’izay ratsy ny vokatry ny fahotana. Hitan’i Jehovah hoe tena ory ireny olona ireny, dia ampahereziny amin’ny alalan’ny Baiboly ary ampiany mba ho sambatra sy hiaina mandrakizay.—Vakio ny Ezekiela 5:11; 9:4.

8. Nahoana no sambatra izay malemy fanahy?

8 “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Mat. 5:5) Nahoana no sambatra izay malemy fanahy? Miova ny olona rehefa mahafantatra ny fahamarinana. Mety hoe nasiaka sy mpila ady ary tia nisetrasetra izy taloha. Niova anefa izy rehefa nianatra Baiboly, ka lasa manana ny “toetra vaovao.” Lasa be fitiavana sy mangoraka ary tsara fanahy, ohatra, izy. Lasa manetry tena sy malemy fanahy koa izy, sady mahari-po na manam-paharetana. (Kol. 3:9-12) Inona no vokatr’izany? Lasa milamin-tsaina sy sambatra ary mifandray tsara aman’olona izy. “Handova ny tany” koa izy, araka ny ampanantenain’ny Baiboly.—Sal. 37:8-10, 29.

9. a) Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe “handova ny tany” ny malemy fanahy? b) Nahoana no sambatra ny olona “noana sy mangetaheta ny fahamarinana”?

9 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “handova ny tany” ny malemy fanahy? Ho mpanjaka sy mpisorona ny Kristianina voahosotra ary hitondra ny tany. Handova ny tany izy ireo amin’izay. (Apok. 20:6) Misy olona an-tapitrisany handova ny tany koa anefa, na dia tsy voahosotra aza. Handova ny tany izy ireo, izany hoe hiaina mandrakizay eto an-tany. Ho lavorary sy hiadana ary ho sambatra mandrakizay koa izy ireo. Ny voahosotra sy ireo olona an-tapitrisany ireo no nolazain’i Jesosy hoe sambatra, satria “noana sy mangetaheta ny fahamarinana.” (Mat. 5:6) Ho tanteraka ny fanirian’izy ireo any amin’ny tontolo vaovao. Hataon’i Jehovah tsy misy zava-dratsy intsony mantsy amin’izay, ka hanjaka eto an-tany ny fahamarinana. (2 Pet. 3:13) Tsy hijaly noho ny tsy rariny sy ny ataon’ny olona tsy manara-dalàna intsony ry zareo, ka ho sambatra mandrakizay.—Sal. 37:17.

10. Inona no dikan’ny hoe mamindra fo?

10 “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Mat. 5:7) Midika hoe miantra sy mangoraka ny hoe mamindra fo, izany hoe malahelo rehefa mahita olona mijaly. Raha ny Baiboly anefa no jerena, dia tsy hoe malahelo fotsiny ny olona mamindra fo, fa manao zavatra koa mba hanampiana an’ilay olona mijaly.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy?

11 Vakio ny Lioka 10:30-37. Mahalaza tsara ny atao hoe mamindra fo ilay fanoharana momba ny Samaritanina tsara fanahy. Namindra fo sy nangoraka ilay Samaritanina, dia nanao zavatra mba hanampiana an’ilay Jiosy naratra. Rehefa avy nilaza an’io fanoharana io i Jesosy, dia niteny hoe: “Mandehana àry, ka mba manaova toy izany koa.” Eritrereto àry hoe: ‘Manao hoatran’ilay Samaritanina tsara fanahy ve aho? Mamindra fo ve aho rehefa misy olona mijaly? Sao dia mbola misy zavatra hafa azoko atao mba hanampiana an’ireny olona ireny? Inona, ohatra, no azoko atao ho an’ireo maty vady na be taona ao amin’ny fiangonana, na ho an’ny ankizy manana ray aman-dreny tsy manompo an’i Jehovah? Afaka miezaka ve aho mba hilaza “teny mampahery ny kivy”?’—1 Tes. 5:14; Jak. 1:27.

Manaova zavatra hanampiana olona, dia ho hitanao fa mahasambatra izany (Fehintsoratra 12)

12. Nahoana no mahasambatra ny mamindra fo?

12 Nahoana no mahasambatra ny mamindra fo? Satria manome isika rehefa mamindra fo, ary mahasambatra ny manome. Sambatra koa isika rehefa manao an’izany satria mampifaly an’i Jehovah. (Asa. 20:35; vakio ny Hebreo 13:16.) Hoy i Davida Mpanjaka momba ny olona mangoraka: “I Jehovah hiaro azy sy hitsimbina ny ainy. Hambara ho sambatra izy eto an-tany.” (Sal. 41:1, 2) Raha mangoraka isika sady manao zavatra hanampiana ny olona, dia hoatr’izany koa no hataon’i Jehovah amintsika. Hamindra fo amintsika izy, ka ho sambatra mandrakizay isika.—Jak. 2:13.

NAHOANA NO SAMBATRA NY OLONA “MADIO AM-PO”?

13, 14. Nahoana ny olona “madio am-po” no sambatra?

13 Hoy i Jesosy: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” (Mat. 5:8) Tsy tokony hieritreri-dratsy isika na haniry zava-dratsy, raha tiantsika hadio ny fontsika. Hankasitraka ny fanompoantsika i Jehovah, raha zavatra tsara foana no eritreretintsika.—Vakio ny 2 Korintianina 4:2; 1 Tim. 1:5.

14 Afaka ny ho sambatra sy hifandray tsara amin’i Jehovah ny olona madio am-po. Hoy i Jehovah: “Sambatra izay manasa ny akanjony.” (Apok. 22:14) ‘Nanasa ny akanjony’ ny Kristianina voahosotra. Midika izany hoe madio izy ireo amin’i Jehovah, ary hataony tsy mety maty izy ireo rehefa any an-danitra, sady ho sambatra mandrakizay. Ary ahoana ny amin’ny vahoaka be izay hiaina eto an-tany? Milaza ny Baiboly hoe ‘nosasan’izy ireo sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjony.’ (Apok. 7:9, 13, 14) Midika izany hoe olo-marina izy ireo amin’i Jehovah, ka ekeny ho namany.

15, 16. Nahoana no lazaina hoe “hahita an’Andriamanitra” ny olona madio am-po?

15 Nilaza i Jesosy hoe “hahita an’Andriamanitra” ny olona madio am-po. Ahoana no hampety an’izany, nefa ny Baiboly aza milaza hoe “tsy misy olona afaka mahita” an’Andriamanitra “ka mbola ho velona”? (Eks. 33:20) Ilay teny grika nadika hoe “mahita” dia midika koa hoe mahazo sary an-tsaina na mahalala. Ny hoe “mahita” an’Andriamanitra àry dia midika hoe mahafantatra azy tsara sy tia ny toetrany. Tena nanahaka ny toetran’i Jehovah i Jesosy, ka afaka niteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”—Jaona 14:7-9.

16 Toy ny mahita an’Andriamanitra koa isika rehefa mandinika ny zavatra ataony ho antsika. (Joba 42:5) Hanao zavatra tsara be dia be ho an’izay miezaka ny hadio am-po sy tsy hivadika aminy izy amin’ny hoavy. Hoatran’ny hoe mahita azy koa isika raha mitadidy an’ireny fampanantenany ireny. Ny voahosotra kosa hahita mivantana an’i Jehovah mihitsy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty sy lasa any an-danitra.—1 Jaona 3:2.

SAMBATRA NA DIA MANANA OLANA AZA

17. Nahoana no sambatra izay miezaka hihavana amin’ny olon-kafa?

17 Hoy koa i Jesosy: “Sambatra ny mpampihavana.” (Mat. 5:9) Tena sambatra izay miezaka hihavana amin’ny olon-kafa. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Afafin’ny mpampihavana ny voan’ny fahamarinana, ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.” (Jak. 3:18) Inona àry no azonao atao raha tsy mifanaraka amin’ny olona sasany ao amin’ny fiangonana na ao amin’ny fianakavianao ianao? Mivavaha amin’i Jehovah mba hampiany hihavana amin’ilay olona indray. Homeny fanahy masina ianao raha manao an’izany, ka hahavita hanana toetra tsara dia ho sambatra kokoa. Nohamafisin’i Jesosy hoe tena ilaina ny miezaka hihavana amin’ny olona. Hoy izy: ‘Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.’—Mat. 5:23, 24.

18, 19. Nahoana no afaka ny ho faly foana ny Kristianina na dia ampijalina aza?

18 Hoy i Jesosy: “Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko.” Inona no tiany holazaina? Hoy izy avy eo: “Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.” (Mat. 5:11, 12) Rehefa avy nokaravasina sy norarana tsy hitory ireo apostoly, dia ‘niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy sady faly.’ Tsy ilay nokaravasina akory no nahafaly an-dry zareo. Faly kosa ry zareo “satria natao mendrika ny ho afa-baraka” noho ny anaran’i Jesosy.​—Asa. 5:41.

19 Ampijalina koa ny sasany amintsika amin’izao andro izao. Hoatran’ireo apostoly ihany anefa isika. Tsy ilay ampijalina akory no mahafinaritra antsika. Faly kosa isika miaritra, satria noho isika manompo an’i Jehovah no mahatonga antsika hampijalina. (Vakio ny Jakoba 1:2-4.) Raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia homeny hery mba hahazakana an’izay manjo antsika. Nampijalina tany amin’ny toby fitanana, ohatra, i Henryk Dornik sy ny rahalahiny tamin’ny Aogositra 1944. Niaiky ireo olona nampijaly an-dry zareo hoe tsy vitan’izy ireo mihitsy ny nampiova hevitra azy roa lahy, ary hoatran’ny faly aza izy roa lahy rehefa nampijalina. Nanazava anefa ny Rahalahy Dornik hoe: ‘Tsy te hijaly aho, kanefa tena faly satria niaritra aho noho izaho tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tony foana aho tamin’ireny ary be herim-po.’ Nilaza koa izy hoe lasa akaiky kokoa an’i Jehovah, satria nitalaho taminy imbetsaka dia tena nampiany.

20. Nahoana no mahasambatra antsika ny manompo an’ilay “Andriamanitra falifaly”?

20 Mety hisy hampijaly isika satria manompo an’i Jehovah, na mety hanohitra antsika ny fianakaviantsika. Marary koa angamba isika, na efa antitra. Na inona na inona anefa manjo antsika, dia ho sambatra foana isika rehefa faly amintsika i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.” (1 Tim. 1:11) Sambatra koa isika satria tena matoky hoe “tsy mahay mandainga” i Jehovah, ka ho tanteraka daholo ireo zavatra tsara be dia be nampanantenainy. (Tit. 1:2) Ho faran’izay tsara ny fiainana, ka hoatran’ny hoe tsy nisy akory ireo olana maro manjo antsika amin’izao. Ho tsara lavitra noho izay eritreretintsika ny fitahiana homen’i Jehovah antsika ao amin’ny Paradisa. Ho sambatra tsy misy hoatr’izany isika amin’izay, ary “tena ho finaritra” satria hiadana be.—Sal. 37:11.