Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tia Anareo i Jehovah, ry Zokiolona Tsy Mivadika

Tena Tia Anareo i Jehovah, ry Zokiolona Tsy Mivadika

MANANA andraikitra isan-karazany ny anti-panahy eran-tany, ary tena tian’izy ireo izany. Tena faly koa isika manana azy ireo! Nisy fanovana anefa vao haingana. Raha efa be taona ny anti-panahy iray, dia anti-panahy tanora kokoa indray no asaina manao ny andraikitra lehibe sasany nataony.

Raha mpiandraikitra ny faritra na mpampianatra amin’ny sekoly ara-baiboly, ohatra, ilay rahalahy, dia tsy hanao an’izany intsony izy rehefa feno 70 taona. Rehefa feno 80 taona kosa ny mpandrindra ny Komitin’ny Sampana, sy ny anti-panahy mpandrindra ao amin’ny fiangonana, ary izay rahalahy manana andraikitra lehibe hafa, dia tsy hanao an’izany andraikiny izany intsony. Anti-panahy tanora kokoa indray no hampanaovina an’ilay izy. Nanaiky an’ilay fanovana ve ireny anti-panahy zokiolona ireny? Tena nanaiky izy ireny, satria tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany.

Efa ho 49 taona i Ken no mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Nivavaka izy indray maraina hoe tena tsara raha mba misy rahalahy tanora kokoa hatao mpandrindra. Dia tamin’io maraina io mihitsy izy no nilazana hoe tsy ho mpandrindra intsony. Hoy izy: “Nekeko tanteraka ilay izy.” Nanaiky hoatr’izany koa ny rahalahy be taona maro eran-tany. Azo antoka anefa fa nalahelo ry zareo tamin’ny voalohany, satria tena tiany ny nanampy an’ireo mpiara-manompo aminy.

Hoy i Esperandio: “Nalahelo kely aho rehefa tsy anti-panahy mpandrindra intsony.” Niaiky anefa izy hoe nila fotoana kokoa mba hikarakarana ny fahasalamany. Mbola manompo an’i Jehovah foana izy, ary mandray soa amin’izany ny fiangonany.

Nisy koa mpiandraikitra mpitety faritany efa ela, dia nomena andraikitra hafa. Hoatr’izany i Allan. Efa 38 taona izy no mpiandraikitra mpitety faritany. Hoy izy: “Taitra be aho raha vao nahafantatra an’ilay izy.” Niaiky anefa izy hoe tena ilaina ny mampiofana an’ireo rahalahy tanora kokoa. Mbola manompo an’i Jehovah foana izy izao.

Kivy be i Russell sy ny vadiny tamin’ny voalohany. Mpiandraikitra mpitety faritany sady mpampianatra tamin’ny sekoly ara-baiboly nandritra ny 40 taona mantsy i Russell. Hoy izy: “Tianay be ny fanompoanay! Izahay koa nieritreritra hoe mbola matanjaka dia afaka manohy an’ilay izy.” Neken-dry zareo anefa ilay fanovana. Mampiasa ny fiofanana azony sy ny traikefany mba hanampiana ny fiangonana misy azy izao izy mivady, dia tena faly ilay fiangonana.

Mbola tsy niainanao angamba ny zavatra niainan’ireo olona ireo, dia mety tsy ho azonao ny fihetseham-pony. Mety hanampy anao hahazo an’izany anefa ilay tantara ao amin’ny Samoela Faharoa.

NANETRY TENA ILAY ZOKIOLONA

Tadidinao ve rehefa nikomy tamin’i Davida Mpanjaka i Absaloma zanany? Niala tao Jerosalema i Davida dia nandositra nankany Mahanaima, any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. Nila fanampiana izy sy ny mpanompony rehefa tonga tany. Inona no nitranga?

Nisy lehilahy telo nanome an-dry zareo fandriana sy sakafo ary izay fitaovana nilainy. Iray tamin’izy ireo i Barzilay. (2 Sam. 17:27-29) Nody tany Jerosalema i Davida rehefa resy i Absaloma. Naterin’i Barzilay hatreo amin’ny Reniranon’i Jordana àry izy. Nanasa an’i Barzilay izy tamin’izay mba hifindra any Jerosalema, ary nilaza fa hanome sakafo azy raha manaiky hifindra izy. Efa fantany anefa hoe mpanankarena i Barzilay ka tsy ory sakafo. (2 Sam. 19:31-33) Nasainy nankany angamba izy satria tiany ny toetran’i Barzilay sy izay torohevitra mety homeny azy. Azo antoka hoe voninahitra be izany hipetraka sy hiasa any an-tranon’ny mpanjaka izany.

Nanetry tena anefa i Barzilay sady niaiky hoe tsy mahavita be intsony. Nilaza izy hoe efa 80 taona. Hoy koa izy: “Mbola afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy angaha aho?” (2 Sam. 19:35) Tsy hoe tsy afaka nanome torohevitra intsony izy matoa nilaza an’izany. Efa ela niainana mantsy izy, dia betsaka ny zavatra hainy. Mbola afaka nanoro hevitra tsara izy, hoatran’ireo lehilahy be taona nanoro hevitra an’i Rehoboama Mpanjaka. (1 Mpanj. 12:6, 7; Sal. 92:12-14; Ohab. 16:31) Te hilaza kosa angamba izy hoe nisy zavatra tsy vitany intsony satria izy efa antitra. Nilaza izy, ohatra, hoe tsy nahare tsiron-kanina intsony ary tsy naheno tsara intsony. (Mpito. 12:4, 5) I Kimama àry no nasainy nentin’i Davida ho any Jerosalema. Zanany angamba io Kimama io.—2 Sam. 19:36-40.

MANOMANA NY HOAVY ISIKA IZAO

Efa be taona i Barzilay, dia tsy nanaiky an’ilay andraikitra nampanaovina azy. Fantany mantsy hoe voafetra ny mety ho vitany. Izany koa no anton’ilay fanovana voaresaka tetsy aloha. Tsy olona iray fotsiny hoatran’ny tamin’i Barzilay anefa no voakasik’ilay fanovana. Nila nandinika an’izay nety indrindra tamin’ny anti-panahy eran-tany ny fandaminana rehefa nanao an’ilay izy.

Marina fa efa ela ireo rahalahy zokiolona ireo no nanao ny andraikiny. Manetry tena anefa izy ireo, ka nekeny hoe raha misy rahalahy tanora kokoa mahavita an’ilay izy, dia ho voakarakara tsara foana ny mpanompon’i Jehovah rehefa mihabetsaka. Izy ireo ihany matetika no nampiofana an’ireo rahalahy tanora kokoa. Azo inoana hoe izany no nataon’i Barzilay tamin’ilay zanany, ary izany koa no nataon’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty. (1 Kor. 4:17; Fil. 2:20-22) Tena “lehilahy ho fanomezana” ireo rahalahy tanora kokoa ireo, ary mahavita manampy amin’ny ‘fanorenana ny vatan’i Kristy.’—Efes. 4:8-12; ampitahao amin’ny Nomery 11:16, 17, 29.

MBOLA BETSAKA NY AZONAREO ATAO

Lasa afaka nanompo bebe kokoa ireo rahalahy be taona, taorian’ilay fanovana. Nisy koa afaka nanandrana zavatra mbola tsy nataony mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 19 taona i Marco. Hoy izy: “Tsy Vavolombelona ny vadin’ireo anabavy sasany ao amin’ny fiangonanay. Lasa afaka manampy ny vadin’izy ireny aho izao.”

I Geraldo indray mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 28 taona. Manana tanjona vaovao izao izy mivady, anisan’izany ny hoe manampy olona tsy mitory intsony sy miezaka hanana mpianatra Baiboly betsaka kokoa. Nitantara izy hoe nisy vokany izany, satria 15 izao ny mpianatr’izy mivady, ary maro amin’ireo tsy mitory intsony no efa mivory indray.

Hoy i Allan, ilay voaresaka tetsy aloha: “Manam-potoana kokoa izao izahay mivady mba hitoriana. Manao fampirantiana izahay, sady mitory eny amin’ny faritany be toeram-piasana. Mitory amin’ny olona eo an-tanàna koa izahay, dia roa amin-dry zareo izao no efa tonga nivory.”

Mbola misy zavatra hafa tena tsara azonao atao anefa, na dia niova aza ny andraikitrao. Mety ho mbola mahavita miasa tsara mantsy ianao, ary azo inoana hoe tsy mivadika. Azonao atao ny mizara ny zavatra hainao amin’ireo rahalahy tanora kokoa ao amin’ny fiangonana. Hanampy ny fandaminana ianao amin’izay. Hoy i Russell, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mampiofana sy mampiasa tanora mahafinaritra sy mahay zavatra i Jehovah. Mazoto mampianatra sy mikarakara ny fiangonana ry zareo, dia tena mandray soa amin’izany ireo rahalahy sy anabavy.”—Jereo ilay hoe “ Ampio Ireo Rahalahy Tanora Kokoa mba Hahavita Tsara ny Asa.”

TENA TIAN’I JEHOVAH IANAREO SATRIA TSY MIVADIKA

Aza kivy àry na nisy aza ny fanovana! Nanampy olona be dia be ianareo taloha, ary mbola afaka manao an’izany izao. Efa tianay ianareo ary mbola ho tianay foana.

I Jehovah koa tia anareo ary ho tia anareo foana. Izany no tena zava-dehibe. ‘Tsy hanadino izay nataonareo sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany izy, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.’ (Heb. 6:10) Manome toky antsika izany hoe hankasitraka ny ezaka hataontsika amin’ny hoavy koa i Jehovah, fa tsy ny zavatra efa vitantsika fotsiny. Sarobidy be aminy àry ianareo, ka tsy hohadinoiny mihitsy na izay nataonareo taloha, na izay mbola hataonareo mba hampifaliana azy.

Tsy anisan’ireo rahalahy niova andraikitra angamba ianao. Afaka mandray soa amin’ilay fanovana anefa ianao.

Azonao atao, ohatra, ny mangataka torohevitra amin’ireny rahalahy zokiolona ireny. Efa matotra mantsy izy ireny sady betsaka ny zavatra fantany noho izy nanompo an’i Jehovah efa ela. Jereo koa hoe ahoana no ampiasany ny zavatra fantany, mba hanatanterahana an’izay andraikitra vaovao nomena azy.

Tena tian’i Jehovah ny olona nanompo azy efa ela sady tsy mivadika mihitsy. Tadidio foana izany, na anisan’ireo zokiolona niova andraikitra ianao, na anisan’ireo afaka handray soa avy amin’ilay fanovana.