Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 37

Ekeo An-tsitrapo ny Fahefan’i Jehovah

Ekeo An-tsitrapo ny Fahefan’i Jehovah

‘Tsy vao mainka tokony hanaiky an’ilay Raintsika ve isika?’—HEB. 12:9.

HIRA 9 Jehovah no Mpanjakantsika!

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana isika no tokony hanaiky ny fahefan’i Jehovah?

TOKONY hanaiky ny fahefan’i Jehovah * isika satria izy no Mpamorona antsika. Manan-jo hamaritra an’izay tokony hataontsika àry izy. (Apok. 4:11) Misy antony hafa koa anefa tokony hanekentsika ny fahefan’i Jehovah. Ny fitondrany no tsara indrindra. Tsy hoatran’ireo manam-pahefana be dia be teo amin’ny tantaran’ny olombelona hatramin’izay i Jehovah. Izy no Mpitondra hendry indrindra, be fitiavana indrindra, be famindram-po indrindra, ary mangoraka indrindra.—Eks. 34:6; Rom. 16:27; 1 Jaona 4:8.

2. Nahoana isika no tokony hanaiky ny fahefan’i Jehovah, araka ny Hebreo 12:9-11?

2 Ray tena tia antsika i Jehovah, ka tiany isika raha mankatò azy. Tsy noho isika manaja azy fotsiny anefa no tiany hankatoavantsika azy, fa noho isika tia azy. Nohazavain’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo fa “tokony hanaiky an’ilay Raintsika” isika. Mampiofana antsika mantsy izy, ary ‘mahasoa antsika’ izany.—Vakio ny Hebreo 12:9-11.

3. a) Ahoana no ampisehoantsika hoe manaiky ny fahefan’i Jehovah isika? b) Inona no hovaliantsika ato?

3 Manaiky ny fahefan’i Jehovah isika raha manao izay rehetra azo atao mba hankatoavana azy, sady miezaka mafy mba hiantehitra aminy fa tsy hanao izay heverintsika fa mety fotsiny. (Ohab. 3:5) Ho mora kokoa amintsika ny hankatò an’i Jehovah, rehefa mahafantatra ny toetrany isika sady mitadidy hoe hita amin’ny zavatra rehetra ataony ireo toetrany ireo. (Sal. 145:9) Vao mainka isika ho tia an’i Jehovah rehefa mianatra momba azy. Rehefa tia azy indray isika, dia tsy mila lisitra lava be momba an’izay tokony hatao sy tsy tokony hatao. Miezaka kosa isika mba hitovy fomba fisainana sy fihetseham-po aminy, dia mankahala ny ratsy. (Sal. 97:10) Indraindray anefa sarotra amintsika ny mankatò azy. Nahoana? Inona no azon’ny anti-panahy sy ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Nehemia Governora sy Davida Mpanjaka ary Maria renin’i Jesosy? Hamaly an’ireo isika ato.

NAHOANA NO TSY MORA NY MANAIKY NY FAHEFAN’I JEHOVAH?

4-5. Araka ny Romanina 7:21-23, nahoana no tsy mora ny manaiky ny fahefan’i Jehovah?

4 Sarotra ny manaiky ny fahefan’i Jehovah, satria isika nandova ota dia tsy lavorary. Lasa tsy tia mankatò àry isika. Namaritra an’izay tsara sy ratsy ho azy ireo i Adama sy Eva rehefa nikomy tamin’i Jehovah, ka nihinana an’ilay voankazo voarara. (Gen. 3:22) Mbola tsy te hiraharaha ny fitsipik’Andriamanitra koa ny ankamaroan’ny olona amin’izao, fa manao izay tiany fotsiny.

5 Na mahafantatra an’i Jehovah sy tia azy aza isika, dia mety ho sarotra amintsika ny hanaiky ny fahefany foana. Izany no tsapan’ny apostoly Paoly. (Vakio ny Romanina 7:21-23.) Te hanao izay tsara eo imason’i Jehovah isika, hoatran’i Paoly. Mila miady mafy foana anefa isika mba tsy hanatanteraka ny faniriana hanao ratsy.

6-7. Nahoana koa no mety ho sarotra ny hanaiky ny fahefan’i Jehovah? Manomeza ohatra.

6 Mety ho sarotra koa ny hanaiky ny fahefan’i Jehovah, noho ny kolontsaina nahazatra antsika. Betsaka ny hevitr’olombelona mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah, ka mety ho sarotra amintsika ny tsy hanaraka an’izay ataon’ny olona. Andao isika hijery ohatra.

7 Terena hitady vola be ny tanora any amin’ny tany sasany. Izany no nahazo ny anabavy antsoina hoe Nicole. * Nianatra teny amin’ny oniversite izy tamin’izy mbola tsy nahalala an’i Jehovah, ary anisan’ny oniversite tsara indrindra nisy tany amin-dry zareo ilay izy. Noteren’ny fianakaviany hitady asa be karama i Nicole, amin’izay hohajain’ny olona. Asa hoatr’izany koa no tiany. Nianatra momba an’i Jehovah sy lasa tia azy anefa izy tatỳ aoriana, dia niova ny tanjony. Na izany aza, dia izao no nolazainy: “Mahita asa hahazoana vola be aho indraindray dia te hanao an’ilay izy. Haiko anefa hoe hanelingelina ny fanompoako ilay asa. Mbola miady mafy aho vao mahavita mandà an’ireny asa ireny noho ny fomba nitaizana ahy. Tsy maintsy miangavy an’i Jehovah mihitsy aho mba hanampy an’ahy hahavita an’izany. Tsy ho afaka hanompo azy tsara mantsy aho raha manao an’ilay asa.”—Mat. 6:24.

8. Inona no hodinihintsika?

8 Mandray soa isika rehefa manaiky ny fahefan’i Jehovah. Rehefa manao an’izany ny olona manana fahefana, ohatra hoe ny anti-panahy sy ny ray aman-dreny, dia tsy izy ireo ihany no mandray soa fa ny olon-kafa koa. Ahoana àry no tokony hataon’izay manana fahefana raha te hampifaly an’i Jehovah izy ireo? Andao isika hijery ohatra ao amin’ny Baiboly mba hahitana ny valin’izany.

INONA NO AZON’NY ANTI-PANAHY IANARANA AVY AMIN’I NEHEMIA?

Mandray anjara amin’ny asa atao any am-pivoriana ny anti-panahy, hoatran’i Nehemia nandray anjara tamin’ny fanorenana ny mandan’i Jerosalema (Fehintsoratra 9-11) *

9. Inona no olana natrehin’i Nehemia?

9 Nomen’i Jehovah andraikitra lehibe ny anti-panahy satria nasainy hikarakara ny vahoakany. (1 Pet. 5:2) Be dia be no azon’ny anti-panahy ianarana avy amin’ny fomba nitondran’i Nehemia ny vahoakan’i Jehovah. Nanana fahefana be izy satria governora tao Joda. (Neh. 1:11; 2:7, 8; 5:14) Niatrika olana maromaro anefa izy. Hitany, ohatra, fa tsy nanaja ny tempoly ny vahoaka. Tsy nankatò ny Lalàna koa ry zareo satria tsy nanao fanomezana hanohanana ny Levita. Tsy izay ihany fa tsy narahin-dry zareo ny lalàna momba ny Sabata sady nanambady vehivavy hafa firenena ny sasany tamin-dry zareo. Tsy maintsy nandamina an’ireo àry i Nehemia Governora.—Neh. 13:4-30.

10. Ahoana no nataon’i Nehemia rehefa niatrika an’ireny olana ireny?

10 Tsy nanararaotra ny fahefany i Nehemia mba hanerena ny vahoakan’i Jehovah hanaraka ny heviny. Nivavaka mafy kosa izy mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah, sady nampianariny ny Lalàny izy ireo. (Neh. 1:4-10; 13:1-3) Nanetry tena koa izy ka niara-niasa tamin’ireo rahalahiny, ary nanampy azy ireo hanamboatra ny mandan’i Jerosalema mihitsy aza.—Neh. 4:15.

11. Ahoana no tokony hitondran’ny anti-panahy ny rahalahy sy anabavy, araka ny 1 Tesalonianina 2:7, 8?

11 Tsy voatery hitovy amin’ny olana natrehin’i Nehemia ny olana atrehin’ny anti-panahy. Be dia be anefa no azon’izy ireo atao mba hanahafana azy. Miasa mafy, ohatra, izy ireo mba hahasoa ny rahalahy sy anabavy. Tsy mieritreritra koa ry zareo hoe ambony noho ny mpiara-manompo satria manana fahefana. Maneho fitiavana ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana kosa izy ireo. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.) Be fitiavana sy manetry tena izy ireo, dia hita amin’ny fomba iresahany amin’ny mpiara-manompo izany. Efa an-taonany maro i Andrew no anti-panahy, ary izao no nolazainy: “Hitako hoe manohina ny fon’ny mpiara-manompo ny anti-panahy rehefa sariaka sy tsara fanahy, dia lasa te hiara-miasa amin’ny anti-panahy ry zareo.” Efa ela koa i Tony no anti-panahy, dia izao no nolazainy: “Miezaka mampihatra an’ilay resahin’ny Filipianina 2:3 aho, dia miezaka foana mba hihevitra hoe ambony noho izaho ny olon-kafa. Manampy an’ahy tsy hanao didy jadona izany.”

12. Nahoana ny anti-panahy no tokony hanetry tena?

12 Tokony hanetry tena hoatran’i Jehovah ny anti-panahy. I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao, nefa izy “miondrika” mba hanandratra ‘ny olona ambany hiala amin’ny vovoka.’ (Sal. 18:35; 113:6, 7) Raha ny marina aza, dia maharikoriko azy ny olona mirehareha sy manambony tena.—Ohab. 16:5.

13. Nahoana ny anti-panahy no tokony ’hanisy lamboridy ny lelany’?

13 Tokony ’hanisy lamboridy ny lelany’ ny anti-panahy manaiky ny fahefan’i Jehovah. Raha tsy izany, dia mety tsy ho tsara fanahy izy rehefa miresaka amin’ny olona tsy manaja azy. (Jak. 1:26; Gal. 5:14, 15) Hoy i Andrew, ilay noresahina tetsy aloha: “Indraindray aho tena te hasiaka rehefa misy rahalahy na anabavy tsy manaja an’ahy. Nisaintsaina ny ohatr’ireo olona nanam-pinoana resahin’ny Baiboly anefa aho, dia lasa haiko hoe tena ilaina ny manetry tena sy mandefitra.” Hita hoe manaiky ny fahefan’i Jehovah ny anti-panahy raha be fitiavana sy tsara fanahy rehefa miresaka amin’ny olona ao amin’ny fiangonana, anisan’izany ny anti-panahy hafa.—Kol. 4:6.

INONA NO AZON’NY RAIM-PIANAKAVIANA IANARANA AVY AMIN’I DAVIDA MPANJAKA?

14. Inona no anjara asa nomen’i Jehovah ny raim-pianakaviana, ary inona no tiany hataon’izy ireo?

14 Notendren’i Jehovah ho loham-pianakaviana ny lehilahy. Tiany hampianatra sy hitari-dalana ary hanitsy ny zanany izy ireo. (1 Kor. 11:3; Efes. 6:4) Tsy midika anefa izany hoe afaka mampiasa ny fahefany araka izay tiany ny raim-pianakaviana. Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay fomba itondrany ny ankohonany izy, satria i Jehovah no namorona ny fianakaviana. (Efes. 3:14, 15) Manaiky ny fahefan’i Jehovah ny raim-pianakaviana, raha miezaka mampifaly azy rehefa mampihatra fahefana. Afaka mianatra avy amin’i Davida Mpanjaka izy ireo.

Tokony ho hita amin’ny vavaka ataon’ny raim-pianakaviana hoe manetry tena izy (Fehintsoratra 15-16) *

15. Nahoana i Davida Mpanjaka no ohatra tsara ho an’ny raim-pianakaviana?

15 Tsy notendren’i Jehovah hiandraikitra ny fianakaviany fotsiny i Davida, fa hiandraikitra ny firenen’Israely mihitsy. Mpanjaka izy ka nanana fahefana be. Nisy fotoana izy nanampatra fahefana, dia lasa nanao fahotana lehibe. (2 Sam. 11:14, 15) Navelany hanitsy azy anefa i Jehovah, ka hita hoe nanaiky ny fahefany izy. Naborany tamin’i Jehovah izay tao am-pony, sady nanao izay fara heriny izy mba hankatoavana azy. (Sal. 51:1-4) Tsy izay ihany fa tena nanetry tena izy ka nanaiky torohevitra, na dia vehivavy aza no nanome an’izany. (1 Sam. 19:11, 12; 25:32, 33) Nandray lesona avy tamin’ny fahadisoana nataony i Davida, ary nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.

16. Inona no azon’ny raim-pianakaviana ianarana avy amin’i Davida?

16 Inona, ohatra, no azon’ny raim-pianakaviana ianarana avy amin’i Davida? Aza manararaotra ny fahefana nomen’i Jehovah anao. Ekeo ny fahadisoanao, dia raiso tsara izay torohevitra omen’ny olona anao avy ao amin’ny Baiboly. Hohajain’ny vady aman-janakao ianao amin’izay satria manetry tena. Rehefa miara-mivavaka amin-dry zareo koa ianao, dia aborahy amin’i Jehovah izay ao am-ponao. Ho hitan-dry zareo amin’izay hoe tena miantehitra aminy ianao. Ataovy hita eo amin’ny fiainanao koa fa ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminao. (Deot. 6:6-9) Ny ohatra tsara avy aminao no fanomezana sarobidy indrindra azonao omena ny vady aman-janakao.

INONA NO AZON’NY RENIM-PIANAKAVIANA IANARANA AVY AMIN’I MARIA?

17. Hoatran’ny ahoana ny andraikitra nomen’i Jehovah ny renim-pianakaviana?

17 Nomen’i Jehovah andraikitra lehibe ny renim-pianakaviana, ary nomeny fahefana amin’ny zanany. (Ohab. 6:20) Misy vokany be amin’ny ankizy ny zavatra lazain’ny reniny sy ataony, ary mety haharitra mandritra ny androm-piainan’izy ireo izany. (Ohab. 22:6) Andao hojerentsika hoe inona no azon’ny renim-pianakaviana ianarana avy amin’i Maria renin’i Jesosy.

18-19. Inona no azon’ny renim-pianakaviana ianarana avy amin’i Maria?

18 Nahay tsara ny Soratra Masina i Maria. Lasa tena nanaja an’i Jehovah sy nifandray tsara taminy izy. Vonona hanao izay nasain’i Jehovah nataony izy, na dia hampiova tanteraka ny fiainany aza izany.—Lioka 1:35-38, 46-55.

Mila miezaka be ny renim-pianakaviana mba haneho fitiavana rehefa reraka na sorena (Fehintsoratra 19) *

19 Renim-pianakaviana ve ianao? Be dia be no azonao atao mba hanahafana an’i Maria. Afaka miezaka hinamana amin’i Jehovah foana, ohatra, ianao. Manao an’izany ianao rehefa mianatra samirery sy mivavaka. Manahaka an’i Maria koa ianao raha vonona hiova mba hampifaliana an’i Jehovah. Mety ho mora tezitra, ohatra, ny ray aman-dreninao na nasiaka be. Rehefa nihalehibe ianao, dia mety ho nieritreritra hoe hoatr’izay mihitsy no fomba tokony hitaizana ny ankizy. Na dia nianatra ny fitsipik’i Jehovah aza ianao tatỳ aoriana, dia mety ho sarotra aminao ihany ny ho tony sy hanam-paharetana amin’ny zanakao, indrindra raha amin’ilay ianao efa reraka iny ry zareo no maditra. (Efes. 4:31) Amin’ireny mihitsy ianao no vao mainka mila miantehitra amin’i Jehovah dia mivavaka aminy. Izao no nolazain’i Lydia, renim-pianakaviana iray: “Misy fotoana aho tsy maintsy mivavaka mafy mba tsy hasiaka amin’ny zanako rehefa tsy mankatò izy. Efa nahateny zavatra mihitsy aho indraindray vao miato kely mba hivavaka mangina amin’i Jehovah. Manampy an’ahy ho tony izany.”—Sal. 37:5.

20. Inona no olana mahazo ny renim-pianakaviana sasany, ary inona no azon’izy ireny atao?

20 Misy olana hafa koa mahazo ny renim-pianakaviana sasany. Sarotra amin’izy ireny ny maneho fitiavana ny zanany. (Tit. 2:3, 4) Tsy dia nifandray am-po angamba izy sy ny ray aman-dreniny. Hoatr’izany ve no nitaizana anao? Raha izany, dia aza averina ny fahadisoan’ny ray aman-dreninao. Mila mianatra maneho fitiavana ny zanakao ianao, raha manaiky hanao ny sitrapon’i Jehovah. Mila manova ny fomba fisainanao sy ny fanaonao ary ny fihetseham-ponao ianao. Mety ho sarotra izany nefa azo atao tsara, sady hahasoa anao sy ny vady aman-janakao.

EKEO FOANA NY FAHEFAN’I JEHOVAH

21-22. Araka ny Isaia 65:13, 14, inona no soa azontsika rehefa manaiky ny fahefan’i Jehovah isika?

21 Fantatr’i Davida Mpanjaka hoe mahasoa ny manaiky ny fahefan’i Jehovah. Hoy izy: “Mahitsy ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo. Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso. Fampitandremana ho an’ny mpanomponao koa ireny, ary ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy.” (Sal. 19:8, 11) Hita tsara mihitsy amin’izao ny maha samy hafa ny olona manaiky ny fahefan’i Jehovah sy ny olona mandà ny toroheviny. ‘Mihoby noho ny fifalian’ny fony’ izay manaiky ny fahefan’i Jehovah.—Vakio ny Isaia 65:13, 14.

22 Mihatsara ny fiainan’ny anti-panahy sy ny ray aman-dreny rehefa manaiky ny fahefan’i Jehovah izy ireo. Tsy vitan’izany fa lasa sambatra kokoa ny fianakavian’izy ireo, ary miray saina kokoa ny fiangonana. Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe mampifaly ny fon’i Jehovah izy ireo. (Ohab. 27:11) Misy zavatra hafa mahafaly antsika noho izany ve?

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

^ feh. 5 Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana isika no tokony hanaiky ny fahefan’i Jehovah. Handinika ny ohatr’i Nehemia Governora sy Davida Mpanjaka ary Maria renin’i Jesosy koa isika. Hojerentsika avy amin’izany izay azon’ny anti-panahy sy ny ray aman-dreny ianarana. Manana fahefana koa mantsy izy ireo.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Ratsy ilay hoe manaiky fahefana amin’ny olona iray, raha terena hanao an’izany izy. Ny vahoakan’Andriamanitra kosa anefa misafidy ny hankatò azy, ka tsy ratsy mihitsy ilay hoe manaiky fahefana amin-dry zareo.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 62 SARY: Anti-panahy mikojakoja Efitrano Fanjakana miaraka amin’ny zanany. Niara-niasa tamin’ny rahalahiny hoatr’izany koa i Nehemia rehefa nanorina indray ny mandan’i Jerosalema.

^ feh. 64 SARY: Raim-pianakaviana miara-mivavaka amin’ny vady aman-janany. Mivavaka amin’ny fony izy.

^ feh. 66 SARY: Ankizilahikely tsy nahavita ny devoarany na ny raharahany, satria nilaozany nanao lalao video ela be. Reraka avy niasa ilay mamany, nefa tsy masiaka izy rehefa mananatra azy.