Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 38

‘Mankanesa atỳ Amiko fa Hamelombelona Anareo Aho’

‘Mankanesa atỳ Amiko fa Hamelombelona Anareo Aho’

“Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.”—MAT. 11:28.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nampanantenain’i Jesosy, ao amin’ny Matio 11:28-30?

NAMPANANTENA zavatra tsara be tamin’ny vahoaka nihaino azy i Jesosy. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ... fa hamelombelona anareo aho.” (Vakio ny Matio 11:28-30.) Tsy fampanantenana poakaty izany. Eritrereto, ohatra, izay nataon’i Jesosy ho an’ny vehivavy iray nijaly be satria narary mafy.

2. Inona no nataon’i Jesosy ho an’ny vehivavy iray nijaly be?

2 Tapi-dalan-kaleha ilay vehivavy. Efa tany amina dokotera be dia be izy sady nanantena hoe mba hihatsara. Efa 12 taona izay izy no nijaly be sady tsy nisy nahasitrana azy. Maloto izy araka ny Lalàna. (Lev. 15:25) Henony anefa hoe mahavita manasitrana i Jesosy, dia nitady azy izy. Rehefa nahita an’i Jesosy izy, dia nikasika ny morontongotr’akanjony ka tonga dia sitrana! Tsy nanasitrana azy fotsiny anefa i Jesosy, fa nanampy azy koa mba hahatsapa indray hoe tiana sy misy dikany. Nampiasa an’ilay teny hoe “anaka”, ohatra, izy mba hahatsapan’ilay vehivavy an’izany. Tsy maintsy hoe namelombelona sy nampahery be azy izany!—Lioka 8:43-48.

3. Inona no hovaliantsika ato?

3 Mariho fa ilay vehivavy no nankany amin’i Jesosy, izany hoe izy no nanao zavatra voalohany. Hoatr’izany koa amin’izao. Isika no tsy maintsy miezaka ‘mankany’ amin’i Jesosy. Tsy manao fahagagana i Jesosy amin’izao, mba hanasitranana an’izay olona manatona azy. Mbola manasa antsika anefa izy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ... fa hamelombelona anareo aho.” Hamaly an’ireto isika ato: Ahoana no atao raha te ‘hankany’ amin’i Jesosy? Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe: “Ento ny ziogako”? Inona no azontsika ianarana avy aminy? Nahoana no mamelombelona ny asa asainy ataontsika? Inona no azontsika atao raha tiantsika hamelombelona antsika foana ny mitondra ny ziogan’i Jesosy?

“MANKANESA ATỲ AMIKO”

4-5. Milazà fomba hahafahantsika ‘mankany’ amin’i Jesosy.

4 ‘Mankany’ amin’i Jesosy isika rehefa mianatra zavatra betsaka araka izay azo atao momba an’izay nataony sy nolazainy. (Lioka 1:1-4) Tsy misy afaka manao an’izany ho antsika, fa isika mihitsy no mila mianatra an’izay lazain’ny Baiboly momba azy. ‘Mankany’ amin’i Jesosy koa isika rehefa manapa-kevitra ny hatao batisa sy ho lasa mpianany.

5 Misy fomba hafa koa ‘hankanesana’ any amin’i Jesosy. Manao an’izany isika raha manatona anti-panahy rehefa mila fanampiana. Mampiasa an’ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny mantsy izy mba hikarakarana ny ondriny. (Efes. 4:7, 8, 11; Jaona 21:16; 1 Pet. 5:1-3) Isika anefa no tokony hanao zavatra voalohany, dia mangataka fanampiana. Tsy mahafantatra an’izay any an-tsaintsika sy izay ilaintsika mantsy ny anti-panahy. Izao no nolazain’ny rahalahy atao hoe Julian: “Tsy salama aho dia tsy afaka niasa tao amin’ny Betela intsony. Nisy namako niteny tamiko hoe maninona raha mangataka hotsidihin’ny anti-panahy. Nieritreritra aho tamin’ny voalohany hoe tsy ilaiko izany. Nangataka fanampiana ihany anefa aho dia nisy anti-panahy roa nitsidika an’ahy. Iny no fanomezana tsara indrindra azoko hatramin’izay!” Manampy antsika hanana ny “sain’i Kristy” ny anti-panahy tsy mivadika hoatran’ireo, izany hoe manampy antsika hahazo ny fomba fisainany sy hanahaka an’izany. (1 Kor. 2:16; 1 Pet. 2:21) Anisan’ny fanomezana tsara indrindra azon’izy ireo omena antsika izany.

“ENTO NY ZIOGAKO”

6. Inona no tian’i Jesosy hotenenina amin’ilay hoe: “Ento ny ziogako”?

6 Inona no tian’i Jesosy hotenenina amin’ilay hoe: “Ento ny ziogako”? Te hilaza angamba izy hoe “ekeo ny fahefako.” Mety ho te hilaza koa anefa izy hoe “andao hiaraka hitondra zioga amiko, dia hiara-miasa ho an’i Jehovah isika.” Misy asa foana àry tafiditra amin’ilay hoe zioga.

7. Araka ny Matio 28:18-20, inona ilay asa asaina ataontsika ary inona no toky ananantsika?

7 Manaiky ny fanasan’i Jesosy isika rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa. Ho an’ny olona rehetra io fanasana io. Tsy mba hanilikilika an’izay tena te hanompo an’i Jehovah mihitsy i Jesosy. (Jaona 6:37, 38) Manana tombontsoa handray anjara amin’ilay asa asain’i Jehovah tarihin’i Jesosy daholo ny mpanara-dia azy. Afaka matoky àry isika fa hanampy antsika foana i Jesosy mba hamita an’io asa io.—Vakio ny Matio 28:18-20.

“MIANARA AMIKO”

Mamelombelona ny hafa hoatran’i Jesosy ve ianao? (Fehintsoratra 8-11) *

8-9. Nahoana i Jesosy no tian’ny olona nanetry tena? Inona no tokony hoeritreretintsika?

8 Tian’ny olona nanetry tena i Jesosy. (Mat. 19:13, 14; Lioka 7:37, 38) Fa maninona? Eritrereto fotsiny ny naha samy hafa azy tamin’ny Fariseo. Tsy tia olona sy nanambony tena ry zareo. (Mat. 12:9-14) I Jesosy kosa be fitiavana sy nanetry tena. Ny Fariseo koa tia laza sy toerana ambony. I Jesosy indray nilaza hoe tsy tsara izany. Nampianatra ny mpianany hanetry tena sy hanompo ny hafa izy. (Mat. 23:2, 6-11) Nanjakazaka koa ny Fariseo satria nampitahotra sy nandrahona ny olona. (Jaona 9:13, 22) I Jesosy kosa namelombelona ny hafa, satria tsara fanahy rehefa niresaka sady nampiseho fitiavana foana.

9 Efa manahaka an’i Jesosy ve ianao? Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Malemy fanahy sy manetry tena ve no fahitan’ny olona ahy? Vonona hanompo ny hafa ve aho ka hanao asa ambany? Tsara fanahy ve aho?’

10. Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy ny mpiara-miasa taminy?

10 Nataon’i Jesosy izay hahatonga ny mpiara-miasa taminy hahazo aina tsara fa tsy hatahotra. Tiany koa ny nampiofana azy ireo. (Lioka 10:1, 19-21) Noho ny toetran’i Jesosy, dia tsy nisalasala nametraka fanontaniana taminy ny mpianany. Na i Jesosy koa aza te hahafantatra ny hevitr’izy ireo. (Mat. 16:13-16) Azo oharina amin’ny voninkazo ny mpianatr’i Jesosy. Rehefa voaro sy voatondraka tsara ny voninkazo dia miroborobo be. Nahomby koa ny mpianatr’i Jesosy teo amin’ny fanompoany, satria nandray tsara an’izay nampianariny.

Olona mahafinaritra sy mora iresahana ve ianao?

Mazoto manompo ve ianao?

Manetry tena sy tia miasa ve ianao? *

11. Inona no tokony hoeritreretintsika?

11 Manana fahefana ve ianao? Eritrereto àry ireto: ‘Hoatran’ny ahoana ny fomba itondrako ny olona ao an-trano sy any am-piasana? Manao izay hisian’ny fihavanana ve aho? Tsy matahotra hanontany an’ahy ve ny olona? Vonona hihaino ny hevitr’izy ireo ve aho?’ Tsy te ho hoatran’ny Fariseo mihitsy isika. Tezitra tamin’izay olona nanontany azy ry zareo, sady nanenjika an’izay tsy nitovy hevitra taminy.—Mar. 3:1-6; Jaona 9:29-34.

“HO VELOMBELONA IANAREO”

12-14. Nahoana no mamelombelona ny asa asain’i Jesosy ataontsika?

12 Nahoana no mamelombelona antsika ny asa asain’i Jesosy ataontsika? Be dia be ny antony, fa ny sasany amin’izany ihany no hodinihintsika.

13 Ny mpiandraikitra antsika no tsara indrindra. Mahay mankasitraka sady tsy mba masiaka i Jehovah, na dia izy aza no Avo Indrindra. Sarobidy aminy ny asa ataontsika. (Heb. 6:10) Omeny izay hery ilaina koa isika mba hahavitantsika ny andraikitra nomeny antsika. (2 Kor. 4:7; Gal. 6:5) Mpiandraikitra antsika koa i Jesosy, ilay Mpanjakantsika. Modely ho antsika izy satria nety tsara ny fomba nampiharany ny fahefany. (Jaona 13:15) Eo koa ny anti-panahy. Miezaka manahaka an’i Jesosy, ilay “mpiandry ondry lehibe”, izy ireo rehefa mikarakara antsika. (Heb. 13:20; 1 Pet. 5:2) Miezaka mafy izy ireny mba ho tsara fanahy sy hampahery ary ho be herim-po rehefa mitari-dalana sy miaro antsika.

14 Ny namantsika no tsara indrindra. Tsy misy olona mifankatia be hoatr’antsika, ary tena misy dikany ny asa ataontsika. Eritrereto ange ny tombontsoa ananantsika e! Ny olona tsara fitondran-tena indrindra no miara-miasa amintsika, nefa ry zareo tsy mba mieritreritra hoe tsara noho ny hafa. Mahay ry zareo nefa manetry tena, ka ny hafa foana no heveriny ho ambony noho izy. Tsy mpiara-miasa fotsiny isika amin-dry zareo, fa namana mihitsy. Tia be antsika izy ireo ka vonona ho faty ho antsika mihitsy!

15. Hoatran’ny ahoana ny asa asaina ataontsika?

15 Ny asantsika no tsara indrindra. Mampianatra ny marina momba an’i Jehovah isika, ary mampiharihary ny laingan’ny Devoly. (Jaona 8:44) Ataon’i Satana mizaka ny tsy eran’ny aina ny olona. Tiany hino, ohatra, isika hoe tsy hamela ny fahotantsika mihitsy i Jehovah. Tiany hino koa isika fa tsy mendrika hotiavina. Lainga be anefa izany sady mandratra fo! Rehefa ‘mankany’ amin’i Kristy isika, dia voavela ny helotsika. Tena tian’i Jehovah koa isika rehetra, ary izany no marina. (Rom. 8:32, 38, 39) Tsy faly ve ianao hoe afaka mampianatra ny olona hitoky amin’i Jehovah, dia avy eo mahita ny fiainany mihatsara?

ENTO FOANA NY ZIOGAN’I JESOSY DIA HO VELOMBELONA IANAO

16. Inona no tsy mampitovy an’ilay andraikitra omen’i Jesosy antsika amin’ny andraikitsika hafa?

16 Tsy mitovy amin’ny andraikitra hafa ananantsika ilay ‘entana’ na andraikitra omen’i Jesosy antsika. Betsaka, ohatra, no reraka be sady tsy afa-po akory rehefa avy niasa tontolo andro. Tsy hoatr’izany anefa no tsapantsika rehefa avy nanompo an’i Jehovah sy Kristy. Tena afa-po isika. Mety ho vizana be isika amin’ny hariva rehefa avy miasa, dia manery tena mba hivory. Velombelona indray anefa isika rehefa avy nivory sady mahazo hery. Hoatr’izany koa no tsapantsika rehefa miezaka mitory sy mianatra samirery. Mihoatra lavitra noho ny hery lanintsika ny valisoa azontsika amin’ilay izy.

17. Inona no tokony hotadidintsika sy hotandremantsika, ary nahoana?

17 Mila mitadidy isika hoe misy fetrany ny hery ananantsika tsirairay. Tokony hitandrina amin’izay ampiasantsika an’izany àry isika. Sao dia lany hanangonana vola sy harena, ohatra, ny herinao? Nisy tovolahy nanontany an’i Jesosy hoe: “Inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?” Efa nankatò ny Lalàna io tovolahy io. Azo antoka fa olona tsara izy matoa ny Filazantsaran’i Marka milaza fa “tia azy” i Jesosy. Nanasa azy àry i Jesosy hoe: ‘Mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, ary andao hanara-dia ahy.’ Tsy hitan’ilay lehilahy izay natao satria tsy foiny ny harenany. (Mar. 10:17-22) Nolaviny ilay zioga natolotr’i Jesosy, ka naleony nanompo “ny Harena” ihany. (Mat. 6:24) Ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany?

18. Mila manao inona isika indraindray ary nahoana?

18 Ilaintsika indraindray ny mijery hoe inona no zava-dehibe indrindra amintsika. Amin’izay mantsy azontsika antoka hoe zavatra tsara no andaniantsika ny herintsika. Izao no nolazain’ny tanora antsoina hoe Mark: “Nieritreritra aho hatramin’izay hoe efa manana fiainana tsotra. Nanao mpisava lalana aho, nefa vola foana no tao an-tsaiko. Tsy nieritreritra afa-tsy ny hanatsara ny fiainako aho. Nanontany tena aho hoe maninona àry ny fiainako no lasa mafy be hoatr’izao! Tonga saina aho avy eo hoe izay hahasoa an’ahy foana no notadiaviko voalohany hatramin’izay, dia izay ambiny tamin’ny fotoanako sy ny heriko sisa no nomeko an’i Jehovah.” Nanova ny fiainany sy ny toe-tsainy i Mark tatỳ aoriana, mba hahafahany manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Hoy izy: “Indraindray aho manahy ihany hoe aiza indray izao no hahita vola. Eo foana anefa i Jehovah sy Jesosy, dia afaka mifantoka amin’ny fanompoana foana aho.”

19. Nahoana no tena ilaina ny manana toe-tsaina tsara?

19 Mila manao an’ireto zavatra telo ireto isika, raha te ho velombelona foana rehefa mitondra ny ziogan’i Jesosy: Voalohany, miezaka hanana toe-tsaina tsara foana. Ny asan’i Jehovah no ataontsika, ka izay fomba tiany hanaovana azy no tokony harahintsika. Mpanompo isika, ary i Jehovah no Tompontsika. (Lioka 17:10) Raha manao izay saim-pantatsika fotsiny isika rehefa manao ny asany, dia isika ihany no ho voa. Na omby matanjaka be aza mantsy mety haratra sy ho reraka, raha mitady handeha amin’izay lalana tiany foana ka manohitra an’ilay zioga tarihin’ny tompony. Hahavita zavatra miavaka kosa isika sady ho afaka handresy an’izay olana mitranga, raha manaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Tadidio fa tsy maintsy ho tanteraka ny sitrapony, ary tsy misy mahasakana an’izany.—Rom. 8:31; 1 Jaona 4:4.

20. Inona no antony tokony hanekentsika hitondra ny ziogan’i Jesosy?

20 Faharoa, antony tsara no tokony hanekentsika hitondra ny ziogan’i Jesosy. Ny hanome voninahitra an’ilay Raintsika be fitiavana no tanjontsika. Nitady ny tombontsoany sy tia tena fotsiny ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy, ka vetivety dia lasa tsy sambatra sy tsy nitondra ny ziogan’i Jesosy intsony. (Jaona 6:25-27, 51, 60, 66; Fil. 3:18, 19) Tsy hoatr’izany kosa izay tena tia an’Andriamanitra sy tia ny mpiara-belona taminy. Faly ry zareo nitondra an’ilay zioga nandritra ny fiainany teto an-tany, sady nanantena hoe hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Ho faly foana hoatran-dry zareo koa isika raha antony tsara no mahatonga antsika hitondra ny ziogan’i Jesosy.

21. Araka ny Matio 6:31-33, inona no azontsika antenaina?

21 Fahatelo, mitadidy fa ho eo foana i Jehovah hanampy anao. Nifidy ny hahafoy tena sy hiasa mafy isika. Efa nampitandrina antsika i Jesosy hoe hisy hanenjika isika. Afaka manantena anefa isika fa hanome antsika hery hiaretana an’izay olana mitranga eo i Jehovah. Arakaraka ny hiaretantsika no hampahatanjaka ny finoantsika. (Jak. 1:2-4) Afaka manantena koa isika hoe hanome izay ilaintsika i Jehovah, hikarakara antsika i Jesosy, ary hampahery antsika ireo rahalahy sy anabavintsika. (Vakio ny Matio 6:31-33; Jaona 10:14; 1 Tes. 5:11) Tsy ireo ve no tena ilaintsika mba hahafahantsika hiaritra?

22. Inona no mahafaly antsika?

22 Ny androtr’iny ihany ilay vehivavy nositranin’i Jesosy dia velombelona indray. Mbola hahazo famelombelomana mandrakizay anefa izy, raha lasa mpianatr’i Kristy ka tsy nivadika mihitsy. Inona no mety ho nataony araka ny hevitrao? Eritrereto ange ny valisoa ho azony raha nanaiky hitondra ny ziogan’i Jesosy izy e! Hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra izy! Tsy hisy dikany izay zavatra nafoiny mba hanarahana an’i Jesosy raha oharina amin’izany fitahiana izany. Na hiaina mandrakizay any an-danitra isika na eto an-tany, dia tsy faly ve isika fa nanaiky an’ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko”?

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

^ feh. 5 Manasa antsika hankany aminy i Jesosy. Ahoana no hanaovana an’izany? Hamaly an’izany ity lahatsoratra ity. Hampahatsiahivina ato koa hoe nahoana no mamelombelona antsika ny miara-miasa amin’i Kristy.

^ feh. 60 SARY: Namelombelona ny olona i Jesosy, ary be dia be ny fomba nanaovany an’izany.

^ feh. 66 SARY: Manao hoatran’i Jesosy ny rahalahy iray. Miezaka mamelombelona ny hafa amin’ny fomba isan-karazany izy.