Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 35

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena

‘Mijery ny manetry tena i Jehovah.’​—SAL. 138:6.

HIRA 48 Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona manetry tena?

TENA tian’i Jehovah ny olona manetry tena. Izay tena manetry tena ihany no afaka minamana tsara aminy. “Manalavitra ny olona manambony tena kosa izy.” (Sal. 138:6) Te hampifaly an’i Jehovah daholo isika sady te ho tiany, ka mila mianatra manetry tena.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Handinika ny valin’ireto fanontaniana telo ireto isika ato: 1) Inona no atao hoe manetry tena? 2) Nahoana isika no mila miezaka hanana an’io toetra io? 3) Rahoviana no mety ho sarotra amintsika ny manetry tena? Ho hitantsika ato hoe mampifaly an’i Jehovah isika sady mandray soa rehefa miezaka manetry tena.—Ohab. 27:11; Isaia 48:17.

INONA NO ATAO HOE MANETRY TENA?

3. Inona no atao hoe manetry tena?

3 Tsy mirehareha na mieboebo mihitsy ny olona manetry tena. Milaza ny Baiboly fa ny olona manetry tena dia miaiky hoe ambony lavitra noho izy Andriamanitra. Miaiky koa izy fa tsy maintsy misy zavatra mahatonga ny olon-kafa ho ambony noho izy foana.—Fil. 2:3, 4.

4-5. Tsy zavatra hita etỳ ivelany fotsiny ny fanetren-tena. Nahoana?

4 Hoatran’ny hoe manetry tena no fahitana ny olona sasany, nefa tsy tena izany akory. Efa toetrany mihitsy angamba ilay mimpirimpirina. Misy koa manaja olona sy mahalala fomba satria efa izay no kolontsainy sy nanabeazana azy. Mety hirehareha be anefa izy any am-pony any. Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hiseho ihany izany.—Lioka 6:45.

5 Misy indray olona matoky tena sy sahy milaza ny heviny. Tsy voatery hoe mieboebo izy amin’izany. (Jaona 1:46, 47) Mila mitandrina anefa ny olona hoatr’izany mba tsy hiantehitra amin’ny fahaizany. Na matoky tena àry isika na saro-kenatra, dia mila miezaka mafy mba hanetry tena ao am-pontsika ao.

Nanetry tena ny apostoly Paoly fa tsy nieritreritra hoe ambony noho ny hafa izy (Fehintsoratra 6) *

6. Araka ny 1 Korintianina 15:10, inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’ny apostoly Paoly?

6 Eritrereto ny apostoly Paoly. Nampiasain’i Jehovah be mihitsy izy mba hanorina fiangonana tany amin’ny tanàna maromaro. Ny fanompoana vitany aza mety ho betsaka kokoa noho izay vitan’ny apostolin’i Jesosy Kristy hafa rehetra. Tsy nihevitra anefa i Paoly hoe ambony kokoa noho ny rahalahiny izy. Nanetry tena kosa izy ka niaiky hoe: “Izaho no kely indrindra amin’ny apostoly, ary tsy mendrika hantsoina hoe apostoly aho, satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra.” (1 Kor. 15:9) Nilaza izy avy eo fa ny hatsaram-panahy nasehon’i Jehovah taminy no nahatonga azy hifandray tsara tamin’i Jehovah, fa tsy noho izy niavaka na noho ny fanompoana vitany. (Vakio ny 1 Korintianina 15:10.) Hita tamin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintianina fa nanetry tena be izy rehefa nanoratra ho azy ireo, na dia nanakiana azy aza ny sasany tamin’izy ireo.—2 Kor. 10:10.

Nanetry tena ny Rahalahy Karl Klein. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy taloha (Fehintsoratra 7)

7. Ahoana no nampisehoan’ny rahalahy sasany manana andraikitra hoe manetry tena izy ireo? Manomeza ohatra.

7 Nampahery mpanompon’i Jehovah maro ny tantaran’ny Rahalahy Karl Klein. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy taloha. Nanetry tena be izy rehefa jerena ny tantaram-piainany. Noresahiny tao mantsy ny fahalemeny sy ny olana natrehiny. Notantarainy, ohatra, hoe tamin’ny 1922 izy no nitory isan-trano voalohany, nefa sarotra be taminy izany. Tsy nitory isan-trano intsony àry izy raha tsy roa taona taorian’izay! Rehefa nanompo tao amin’ny Betela indray izy tatỳ aoriana, dia tezitra be tamina rahalahy iray satria nanome torohevitra azy ilay rahalahy. Notantarainy koa hoe nisy fotoana izy niady saina be sady kivy ka narary mihitsy, fa sitrana ihany tatỳ aoriana. Nanana andraikitra lehibe maro koa anefa izy ary tena tiany ny nanao an’ireny. Mba eritrereto ange e! Fantatr’olona be izy nefa tsy nisalasala niresaka momba ny fahalemeny. Tsy hitanao hoe tena nanetry tena ve izy? Be dia be ny mpiara-manompo tia azy sady mahatadidy azy tsara. Tadidin-dry zareo koa hoe tsotra be izy rehefa nitantara ny fiainany. *

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIEZAKA HANETRY TENA?

8. Nahoana no mampifaly an’i Jehovah ny olona manetry tena, raha jerena ny 1 Petera 5:6?

8 Nahoana isika no tokony hiezaka hanetry tena? Ny antony lehibe indrindra dia satria mampifaly an’i Jehovah izany. Manamarina an’izany izay nolazain’i Petera ao amin’ny 1 Petera 5:6. (Vakio.) Izao no noresahin’ny boky “Andao Hanara-dia Ahy” rehefa nanazava an’ireo teniny ireo: “Toy ny poizina ny [fanambonian-tena]. Mety ho ratsy be ny vokatr’izy io. Na ny olona manan-talenta indrindra aza dia tsy ho azon’Andriamanitra ampiasaina, raha [manambony tena]. Kanefa na ny olona tsy mahay indrindra aza dia tena ho azon’i Jehovah ampiasaina tsara, rehefa manetry tena. ... Ho faly hamaly soa anao [izy], raha manetry tena ianao.” * Misy zavatra tsara noho ny hoe mampifaly ny fon’i Jehovah ve?—Ohab. 23:15.

9. Nahoana no lasa te hinamana amintsika ny olon-kafa rehefa manetry tena isika?

9 Mandray soa be dia be koa isika rehefa miezaka manetry tena. Lasa te hinamana amintsika, ohatra, ny olon-kafa. Fa maninona? Eritrereto hoe olona hoatran’ny ahoana no mahafinaritra anao. (Mat. 7:12) Tsy dia tiantsika ny miaraka amin’ny olona be dohika sy tsy mba mihaino ny hevitry ny hafa. Tsy manao hoatr’izany ny mpiara-manompo amintsika, ka tiantsika ny miaraka amin-dry zareo. Mampihatra an’ilay torohevitry ny Baiboly mantsy izy ireo hoe “mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana” ary “manetre tena.” (1 Pet. 3:8) Tiantsika ny miaraka amin’ny olona hoatr’izany. Azo antoka àry fa ho tian’izy ireo koa ny hiaraka amintsika, raha manetry tena isika.

10. Nahoana no mora kokoa amin’ny olona manetry tena ny miatrika fiainana?

10 Mora kokoa amintsika ny miatrika fiainana rehefa manetry tena isika. Mety hahita tsy rariny mantsy isika indraindray, na isika mihitsy no iharan’ny tsy rariny. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.” (Mpito. 10:7) Misy olona, ohatra, manan-talenta be nefa tsy misy miraharaha. Olon-kafa tsy dia mahay noho izy indray no omena voninahitra kokoa. Na izany aza, dia niaiky i Solomona fa hendry isika raha manaiky hoe efa hoatr’izany ny fiainana, fa tsy tezitra noho ny tsy rariny hitantsika. (Mpito. 6:9) Raha manetry tena isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hanaiky an’izay rehetra mitranga, na dia tsy tiantsika aza izy ireny.

RAHOVIANA NO METY HO SAROTRA AMINTSIKA NY MANETRY TENA?

Nahoana no tsy mora ny manetry tena rehefa mitranga ny zavatra hoatr’izao? (Fehintsoratra 11-12) *

11. Ahoana no tokony hataontsika rehefa omena torohevitra?

11 Be dia be ny fomba azontsika ampisehoana hoe manetry tena isika isan’andro. Andao handinika ohatra vitsivitsy. Mila miezaka hanana an’io toetra io isika rehefa omena torohevitra. Tadidio fa matoa ny olona iray nanokana fotoana hanomezana torohevitra antsika, dia midika izany hoe mety ho tsy tonga saina akory isika hoe tsy nety ny nataontsika. Matetika isika no tonga dia te handa an’ilay torohevitra. Mety hanakiana an’ilay olona na ny fomba nilazany an’ilay izy koa isika. Raha manetry tena anefa isika, dia hiezaka handray tsara an’ilay torohevitra.

12. Araka ny Ohabolana 27:5, 6, nahoana isika no tokony hankasitraka an’izay manome torohevitra antsika? Hazavao amin’ny ohatra.

12 Mankasitraka ny torohevitra omena azy ny olona manetry tena. Intỳ misy ohatra: Andao hatao hoe any am-pivoriana ianao, dia miresaka amin’ny mpiara-manompo maromaro. Nisy iray tamin’izy ireo avy eo niantso anao mitokana, dia nilaza taminao fa misy ravintoto kely ny nifinao. Tsy maintsy ho menatra aloha ianao e! Soa ihany anefa fa nampahafantariny anao ilay izy. Tsy hankasitraka azy àry ve ianao? Tianao aza raha mba nisy nilaza taminao aloha kokoa. Hoatr’izany koa no tokony ho tsapantsika rehefa misy mpiara-manompo be herim-po ka manome torohevitra antsika. Tokony hanetry tena isika ka hankasitraka ny nataony, ary hihevitra azy ho namana fa tsy fahavalo.—Vakio ny Ohabolana 27:5, 6; Gal. 4:16.

Nahoana no ilaina ny manetry tena rehefa mahazo tombontsoam-panompoana ny olon-kafa? (Fehintsoratra 13-14) *

13. Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena isika rehefa misy mahazo tombontsoam-panompoana?

13 Rehefa misy mahazo tombontsoam-panompoana. Niaiky an’izao ny anti-panahy iray atao hoe Jason: “Rehefa misy mahazo tombontsoam-panompoana, dia indraindray aho manontany tena hoe fa maninona àry no tsy izaho no voatendry.” Efa nieritreritra hoatr’izany ve ianao? Tsy ratsy ny hoe “miezaka” hahazo andraikitra bebe kokoa. (1 Tim. 3:1) Mila mitandrina amin’izay eritreretintsika anefa isika. Raha tsy izany, dia mety hanomboka hirehareha isika ao am-pontsika ao. Mety hisy rahalahy, ohatra, hanomboka hieritreritra fa izy no tena mahay ny asa iray eo anivon’ny fiangonana. Na mety hieritreritra ny anabavy iray hoe: ‘Ny vadiko kosa mbola mahay lavitra noho i Anona e!’ Tsy hieritreritra hoatr’izany anefa isika raha tena manetry tena.

14. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Mosesy?

14 Modely ho antsika i Mosesy. Voatendry hitarika ny firenen’Israely izy, ary nankasitrahany izany andraikitra nomena azy izany. Ahoana anefa no nataony rehefa navelan’i Jehovah hanao ny asa sasany nataony ny olon-kafa? Tsy saro-piaro tamin’ny andraikiny izy. (Nom. 11:24-29) Hita koa hoe nanetry tena izy, ka navelany hanampy azy hitsara ny vahoaka ny hafa. (Eks. 18:13-24) Betsaka kokoa àry ny mpitsara ka tsy voatery niandry ela be ny Israelita. Hita amin’izany hoe izay hahasoa ny vahoaka no tena nifantohan’i Mosesy, fa tsy ny andraikiny. Tena ohatra tsara izy! Tokony hotadidintsika hoe na mahay be aza isika, dia tsy hampiasa antsika mihitsy i Jehovah raha tsy manetry tena isika. “Na avo aza [izy], dia mijery ny manetry tena.”—Sal. 138:6.

15. Inona no nitranga tamin’ny rahalahy sy anabavy maro?

15 Rehefa miova ny fiainantsika. Efa aman-taonany ny rahalahy sy anabavy maro no nanompo an’i Jehovah. Nisy tamin’izy ireny anefa nahazo fanendrena vaovao, taona vitsivitsy lasa izay. Nilaza, ohatra, ny fandaminana tamin’ny 2014 hoe tsy hisy intsony ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Niova àry ny karazana fanompoana manontolo andro nasaina nataon’ireny rahalahy ireny sy ny vadiny. Nanomboka tamin’io taona io koa, dia tsy manohy ny fanendrena azy intsony ny mpiandraikitra ny faritra raha vao mahatratra 70 taona. Tsy manao ny andraikitry ny anti-panahy mpandrindra intsony izay anti-panahy 80 taona na mihoatra. Nandritra an’ireo taona vitsivitsy lasa, dia betsaka ny Betelita voatendry ho mpisava lalana. Tsy nanohy ny fanompoana manontolo andro manokana intsony koa ny rahalahy sy anabavy sasany, satria narary na nila nikarakara fianakaviana na noho ny antony hafa.

16. Ahoana no nampisehoan’ireo rahalahy sy anabavy hoe nanetry tena ry zareo rehefa niova ny fanendrena azy ireo?

16 Sarotra tamin’ireny rahalahy sy anabavy ireny ilay fiovana. Tiany mantsy ilay fanendrena azy. Efa aman-taonany mihitsy aza ny ankamaroany no nanao ilay izy. Tena nangidy tamin’ny sasany tamin’izy ireo àry rehefa niova ny fiainany. Zatra ihany anefa izy rehefa nandeha ny fotoana. Fa maninona? Satria tiany i Jehovah, ary izany no tena nanampy azy. Fantany hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah izy, fa tsy nanokan-tena ho an’ny asa na tombontsoam-panompoana. (Kol. 3:23) Faly manompo an’i Jehovah foana izy, na inona na inona asaina ataony. ‘Apetrany amin’i Jehovah daholo izay rehetra mampanahy’ azy, satria fantany hoe miahy azy izy.—1 Pet. 5:6, 7.

17. Nahoana isika no faly hoe mampirisika antsika hanetry tena ny Tenin’Andriamanitra?

17 Soa ihany fa mampirisika antsika hanetry tena ny Baiboly. Rehefa miezaka manana an’io toetra sarobidy io isika, dia tsy isika ihany no mandray soa fa ny olon-kafa koa. Tsy izay ihany fa lasa mora kokoa amintsika ny miatrika fiainana. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe lasa mifandray akaiky kokoa amin’ilay Raintsika any an-danitra isika. Izy ‘ilay Avo sy Misandratra’, nefa tiany sady sarobidy aminy ny mpanompony manetry tena. (Isaia 57:15) Tsy mahafaly antsika ve izany?

HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko

^ feh. 5 Tena mila miezaka isika mba hanetry tena. Ahoana izany hoe manetry tena? Nahoana isika no mila miezaka hanana an’io toetra io? Nahoana no mety ho sarotra ny manetry tena rehefa miova ny fiainantsika? Hovaliana ato ireo fanontaniana lehibe ireo.

^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra hoe ‘Nanisy Soa Ahy Jehovah’ ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1985, sy ilay hoe “Tena Tsara Fanahy Tamiko i Jehovah!” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2001.

^ feh. 8 Jereo ny toko 3, fehintsoratra 23.

^ feh. 53 SARY: Ao an-tranon’ny mpiara-manompo ny apostoly Paoly. Manetry tena izy ka mifandray tsara amin’ny rehetra, anisan’izany ny ankizy.

^ feh. 57 SARY: Rahalahy be taona manaiky ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly omen’ny rahalahy iray tanora kokoa.

^ feh. 59 SARY: Mahazo tombontsoam-panompoana ilay rahalahy tanora kokoa. Tsy mialona azy ilay rahalahy be taona.