Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 39

Iza Ilay “Vahoaka Be”?

Iza Ilay “Vahoaka Be”?

“Nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, ... nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry.”—APOK. 7:9.

HIRA 60 Iankinan’ny Aina io Asa Io

HO HITANAO ATO *

1. Nanao ahoana ny fiainan’i Jaona tamin’ny taona 95 tany ho any?

EFA antitra ny apostoly Jaona tamin’ny taona 95 tany ho any. Mety ho izy irery koa sisa no apostoly mbola velona. Tsy vitan’izay fa nigadra tany amin’ny nosy Patmo izy. (Apok. 1:9) Fantany koa fa nisy mpivadi-pinoana nampianatra zavatra diso sy nanao izay hampisaratsaraka ny Kristianina. Hoatran’ny afo mitsilopilopy efa ho faty ny fiangonana kristianina. (Joda 4; Apok. 2:15, 20; 3:1, 17) Azo antoka fa tsy mora tamin’i Jaona izany rehetra izany.

Nahita “vahoaka be” miakanjo fotsy sy mitazona sampana palmie ny apostoly Jaona (Fehintsoratra 2)

2. Inona no fahitana miavaka hitan’i Jaona, araka ny Apokalypsy 7:9-14? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

2 Nomen’Andriamanitra fahitana momba ny hoavy i Jaona, tao anatin’izany zava-tsarotra izany. Inona no hitany? Anjely efatra vonona hamotsotra ny rivotry ny fandringanana amin’ny fahoriana lehibe. Nisy anjely iray anefa niteny tamin’izy ireo mba hiandry aloha, mandra-panisy tombo-kase farany an’ireo voahosotra mpanompon’Andriamanitra. (Apok. 7:1-3) Miisa 144 000 ireo voahosotra ireo, ary hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. (Lioka 12:32; Apok. 7:4) Niresaka antokon’olona iray hafa i Jaona avy eo. Be dia be izy ireo ka niteny izy hoe: ‘Nahita vahoaka be tsy tambo isaina aho.’ Nilaza koa izy hoe “avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” izy ireo, ary “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry.” (Vakio ny Apokalypsy 7:9-14.) Azonao an-tsaina ve ny hafalian’i Jaona rehefa fantany fa mbola hisy olona maro be hanaraka ny fivavahana marina?

3. a) Nahoana ilay fahitan’i Jaona no tokony hanatanjaka ny finoantsika? b) Inona no hianarantsika ato?

3 Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’i Jaona ilay fahitana. Tanteraka amin’izao andro izao anefa ilay izy, ka vao mainka tokony hanatanjaka ny finoantsika. Olona an-tapitrisany izao no lasa manompo an’i Jehovah sy manantena ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ary hiaina mandrakizay eto an-tany. Ho hitantsika ato ny fomba nampahafantaran’i Jehovah an’io vahoaka be io, 80 taona mahery lasa izay. Horesahintsika koa hoe tena betsaka ilay vahoaka ary samy hafa fiaviana. Hanatanjaka ny finoan’izay anisan’io vahoaka io ireo hevitra ireo.

AIZA NY VAHOAKA BE NO HIPETRAKA?

4. Inona no voalazan’ny Baiboly nefa tsy azon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina? Inona no nampiavaka ny Mpianatra ny Baiboly?

4 Milaza ny Soratra Masina fa hiaina mandrakizay eto an-tany ny olona mankatò an’Andriamanitra. Matetika anefa no tsy mampianatra an’izany ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (2 Kor. 4:3, 4) Ampianarin’ny ankamaroan’izy ireny fa mankany an-danitra ny tsara fanahy rehefa maty. Tsy nampianatra an’izany kosa ny Mpianatra ny Baiboly. Izy ireo no namoaka Ny Tilikambo Fiambenana nanomboka tamin’ny taona 1879. Nazava tamin’izy ireo hoe hataon’Andriamanitra Paradisa indray ny tany, ary hisy olona mankatò an-tapitrisany hiaina mandrakizay eto an-tany fa tsy any an-danitra. Elaela anefa vao azon’izy ireo tsara hoe iza ireo olona ireo.—Mat. 6:10.

5. Iza ireo 144 000, araka ny Mpianatra ny Baiboly?

5 Marina fa rehefa nandinika ny Soratra Masina ny Mpianatra ny Baiboly, dia nahita koa hoe hisy olona ‘hovidina avy eto an-tany’ mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. (Apok. 14:3) Miisa 144 000 izy ireo, ary Kristianina efa nanokan-tena ho an’i Jehovah daholo. Tena nazoto izy ireo tetỳ an-tany ary tsy nivadika tamin’i Jehovah. Ahoana kosa no fiheveran’ny Mpianatra ny Baiboly ny vahoaka be?

6. Inona no noeritreretin’ny Mpianatra ny Baiboly momba ny vahoaka be?

6 Hitan’i Jaona hoe “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry” ny vahoaka be. (Apok. 7:9) Izany no nahatonga ny Mpianatra ny Baiboly hihevitra fa ho any an-danitra koa ny vahoaka be, hoatran’ireo 144 000 ihany. Raha samy ho any an-danitra anefa ireo antokon’olona roa ireo, dia inona izany no maha samy hafa azy? Nieritreritra ny Mpianatra ny Baiboly hoe Kristianina tsy dia nankatò an’Andriamanitra ny vahoaka be. Mety ho mbola nivavaka tany amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny sasany tamin’izy ireo, na dia tsara fitondran-tena ihany aza. Nafana fo ihany, hono, izy ireo fa tsy tena nafana fo tsara ka tsy ho afaka hiara-manjaka amin’i Jesosy. Tsy ampy ny fitiavany an’Andriamanitra, ka hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana fotsiny izy ireo any an-danitra, fa tsy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana.

7. Iza no noheverin’ny Mpianatra ny Baiboly fa hiaina eto an-tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? Inona no noeritreretin’izy ireo momba ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika taloha?

7 Iza izany no hiaina eto an-tany? Nino ny Mpianatra ny Baiboly fa rehefa lasa any an-danitra daholo ny 144 000 sy ny vahoaka be, dia hisy olona an-tapitrisany hiaina eto an-tany ka hankafy fiainana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Nihevitra izy ireo fa olona mbola tsy nanompo an’i Jehovah ireo, fa mandritra ny Fanjakana Arivo Taona vao hianatra momba azy sy hanompo azy. Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hiaina mandrakizay eto an-tany izay nanaraka ny fitsipik’i Jehovah, fa ho ringana kosa izay nikomy. Nieritreritra koa ny Mpianatra ny Baiboly fa rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona, dia mety ho any an-danitra ny sasany amin’ireo antsoina hoe “andriana” eto an-tany. Anisan’izany ny “olo-mendrika fahiny” izay hatsangana amin’ny maty, izany hoe ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika talohan’i Kristy.—Sal. 45:16.

8. Iza ireo antokon’olona telo noeritreretin’ny Mpianatra ny Baiboly hoe tafiditra amin’ny fikasan’Andriamanitra?

8 Raha fintinina, dia nieritreritra ny Mpianatra ny Baiboly fa misy antokon’olona telo: 1) Ireo 144 000, izay hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra, 2) ny vahoaka be, izany hoe Kristianina tsy dia nafana fo tsara. Ho any an-danitra izy ireo, ary hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry, ary 3) olon-kafa an-tapitrisany. Mbola hampianarina momba an’i Jehovah izy ireo, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. * Nihanazava tsikelikely anefa ny marina tamin’ny fotoana nofidin’i Jehovah.—Ohab. 4:18.

NIHANAZAVA NY FAHAMARINANA

Maro tamin’ireo olona manantena hiaina eto an-tany no natao batisa tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1935 (Fehintsoratra 9)

9. a) Nahoana no azo lazaina hoe ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ ny vahoaka be? b) Nahoana ilay fanitsiana no mitombina tsara?

9 Lasa nazava tsara hoe iza ny vahoaka be tamin’ny 1935. Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izay mantsy hoe tsy voatery ho any an-danitra ny vahoaka be vao ho afaka ‘hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry.’ Manana heviny an’ohatra ireo teny ireo. Na dia eto an-tany aza ny vahoaka be dia azo lazaina hoe ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana’, rehefa manaiky ny fahefan’i Jehovah sy mampiseho hoe manohana ny zony hitondra. (Isaia 66:1) Toy ny hoe ‘mitsangana eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ izy ireo, rehefa mampiseho hoe mino ny soron’i Jesosy. Tsy ara-bakiteny koa ilay voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 7:9, rehefa jerena ny Matio 25:31, 32. Resahina ao fa hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra i Jesosy ary “hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra”, anisan’izany ny ratsy fanahy. Mazava ho azy àry fa tsy ho any an-danitra ireo firenena rehetra ireo, fa ho eto an-tany. Mitombina tsara ilay fanitsiana. Lasa mazava mantsy hoe nahoana ny Baiboly no tsy milaza fa ho any an-danitra ny vahoaka be. Antokon’olona iray ihany no ampanantenaina hoe hiaina any an-danitra, dia ny 144 000. “Ho mpanjaka hitondra ny tany” miaraka amin’i Jesosy izy ireo.—Apok. 5:10.

10. Nahoana ny vahoaka be no mila mianatra momba an’i Jehovah sy manompo azy, alohan’ny Fanjakana Arivo Taona?

10 Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah àry nanomboka tamin’ny 1935, hoe Kristianina tsy mivadika manantena hiaina mandrakizay eto an-tany ilay vahoaka be hitan’i Jaona. Misy zavatra tokony hataon’izy ireo alohan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Mila mianatra momba an’i Jehovah sy manompo azy izy ireo, mba ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Hanana finoana matanjaka izy ireo amin’izay, ka ‘ho afa-mandositra an’izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany.’—Lioka 21:34-36.

11. Nahoana ny Mpianatra ny Baiboly sasany no nieritreritra hoe mety hisy olona ho any an-danitra aorian’ny Fanjakana Arivo Taona?

11 Ary ahoana ilay hoe ho any an-danitra ny olona tsy mivadika sasany aorian’ny Fanjakana Arivo Taona? Niresaka an’izany Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1913 amin’ny teny anglisy. Noheverina mantsy fa tsy mitombina raha fiainana eto an-tany fotsiny no mba ho valisoan’ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika fahiny, fa olona tsy dia nafana fo indray no ho any an-danitra. Inona no nahatonga an’izany eritreritra izany? Ireto hevi-diso ireto: 1) Hiaina any an-danitra ny vahoaka be, ary 2) Kristianina tsy dia nafana fo io vahoaka be io.

12-13. Inona no eken’ny voahosotra sy ny vahoaka be?

12 Araka ny hitantsika anefa, dia lasa nazava tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ireo olona tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona ihany ilay vahoaka be hitan’i Jaona. Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe eto an-tany izy ireo, ary ‘hiantsoantso tsy an-kijanona’ hoe: “Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.” (Apok. 7:10, 14) Lasa azon’izy ireo koa hoe tsy ho any an-danitra ireo olona tsy nivadika taloha. Milaza mantsy ny Baiboly fa hahazo “zavatra tsara kokoa” noho ry zareo ny olona hatsangana amin’ny maty mba hiaina any an-danitra. (Heb. 11:40) Lasa nazoto niresaka tamin’ny olona momba ny fiainana mandrakizay eto an-tany àry ireo rahalahy sy anabavy, sady nafana fo erỳ nampirisika ny olona hanompo an’i Jehovah.

13 Mahafaly ny vahoaka be ny fanantenany. Fantatr’izy ireo fa i Jehovah no mifidy hoe any an-danitra sa eto an-tany ny mpanompony tsy mivadika no hanompo azy. Manaiky ny voahosotra sy ny vahoaka be hoe tena tsara fanahy i Jehovah satria nanome ny sorom-panavotana, ary noho io sorona io ihany no mahatonga azy ireo hahazo ny valisoany.—Rom. 3:24.

TENA BETSAKA IZY IREO!

14. Nahoana no betsaka no lasa saina hoe ahoana no hahatanterahan’ilay faminaniana momba ny vahoaka be?

14 Rehefa fantatra amin’izay tamin’ny 1935 hoe iza ilay vahoaka be, dia mbola betsaka no lasa saina hoe: ‘Ahoana no hahatonga an’ireo olona hiaina eto an-tany ho lasa be dia be?’ Tamin’i Ronald Parkin 12 taona, ohatra, no nampahafantarina hoe iza ny vahoaka be. Hoy izy: “Nisy mpitory 56 000 teo ho eo eran-tany tamin’izany, ary voahosotra angamba ny ankamaroany. Dia hoatran’ny hoe tsy betsaka akory ilay vahoaka be!”

15. Inona no mampiseho fa tsy mitsahatra manangona ny vahoaka be i Jehovah?

15 Nisy misionera nalefa tany amin’ny tany maro taorian’izay, ka nitombo foana ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa nampiasa an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay isika rehefa nampianatra Baiboly, nanomboka tamin’ny 1968. Tsotra ny fomba nanazavan’io boky io ny fahamarinana, ka vao mainka betsaka ny olona nanatona an’i Jehovah. Maherin’ny 500 000 àry no natao batisa tao anatin’ny efa-taona. Mbola nisy an-tapitrisany ny olona natao batisa taorian’izay. (Isaia 60:22) Lasa tsy dia nahazo vahana intsony mantsy ny Fivavahana Katolika, tany Amerika Latinina sy tany an-tany hafa. Tsy voasakantsakana intsony koa ny asantsika tany Eoropa Atsinanana sy tany amin’ny faritra sasany tany Afrika. Mbola namoaka fitaovana maro tena mandaitra ny fandaminan’i Jehovah tato ho ato, mba hanampiana ny olona hahalala an’izay lazain’ny Baiboly. Azo antoka hoe manangona an’ilay vahoaka be i Jehovah, ary efa valo tapitrisa mahery izy ireo izao.

SAMY HAFA FIAVIANA IZY IREO

16. Avy aiza ilay vahoaka be?

16 Nilaza i Jaona fa “avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” ilay vahoaka be. Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany i Zakaria mpaminany talohan’izay. Izao no nosoratany: “Amin’izany andro izany, dia hisy olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena hihazona ny akanjon’ny Jiosy iray, ka hanao hoe: ‘Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.’”—Zak. 8:23.

17. Inona izao no atao mba hanampiana ny olona avy amin’ny firenena sy fiteny rehetra?

17 Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy maintsy mitory amin’ny fiteny maro be izy ireo, mba hanangonana ny olona avy amin’ny fiteny rehetra. Efa 130 taona mahery izao isika no nandika boky sy bokikely fianarana Baiboly. Mandika amin’ny fiteny 900 mahery isika izao, ary tsy misy mandika amin’ny fiteny betsaka hoatr’antsika. Manangona vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra tokoa i Jehovah amin’izao, ary tena fahagagana izany! Samy hafa fiaviana izy ireo nefa lasa miray saina manompo an’i Jehovah, noho ireo Baiboly sy boky ara-baiboly voadika ireo. Olona mazoto mitory sy mifankatia be koa no ahafantarana azy ireo. Tsy hitanao hoe manatanjaka finoana ve izany?—Mat. 24:14; Jaona 13:35.

INONA NO VOKATR’ILAY FAHITANA EO AMINTSIKA?

18. a) Rehefa jerena ny Isaia 46:10, 11, nahoana no tsy mahagaga hoe notanterahin’i Jehovah ilay faminaniana momba ny vahoaka be? b) Nahoana no tsy malahelo ny olona manantena hiaina eto an-tany?

18 Tena tokony hahafaly antsika ilay faminaniana momba ny vahoaka be. Tsy gaga isika hoe notanterahin’i Jehovah tamin’ny fomba miavaka izy io. (Vakio ny Isaia 46:10, 11.) Tena mankasitraka ny fanantenana omen’i Jehovah azy ny vahoaka be. Tsy malahelo izy ireo hoe tsy voahosotry ny fanahy mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Rehefa mamaky Baiboly mantsy isika dia mahita fa maro ny lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana notarihin’ny fanahy masina, nefa tsy anisan’ny 144 000. Anisan’izany i Jaona Mpanao Batisa sy Davida. (Mat. 11:11; Asa. 2:34) Hatsangana amin’ny maty izy ireo sy ny olon-kafa maro be, ary hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Ho afaka hampiseho daholo izy ireo sy ny vahoaka be hoe tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fitondrany.

19. Efa tanteraka izao ilay fahitan’i Jaona. Nahoana izany no manaporofo hoe efa tena akaiky ny farany?

19 Sambany eo amin’ny tantara Andriamanitra no manangona olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra mba hanompo azy. Na manantena ho any an-danitra isika na ho eto an-tany, dia tokony hazoto hanampy olona betsaka araka izay azo atao mba ho lasa “ondry hafa” anisan’ny vahoaka be. (Jaona 10:16) Tsy ho ela dia ho tonga ny fahoriana lehibe, ka horinganin’i Jehovah ireo fitondrana sy fivavahana nampahory ny olona. Hahazo tombontsoa miavaka ny vahoaka be amin’izay, satria hanompo an’i Jehovah mandrakizay eto an-tany.—Apok. 7:14.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

^ feh. 5 Nahita ny fanangonana ny “vahoaka be” i Jaona, tao amin’ny fahitana iray momba ny hoavy. Hiresaka an’io fahitana io isika ato. Azo antoka fa hanatanjaka ny finoan’izay rehetra anisan’io vahoaka io ity lahatsoratra ity.