Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 36

Vonona ho Lasa Mpanarato Olona ve Ianao?

Vonona ho Lasa Mpanarato Olona ve Ianao?

“Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.”—LIOKA 5:10.

HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay

HO HITANAO ATO *

1. Nasain’i Jesosy hanao inona ny mpanarato efatra mirahalahy, ary ahoana no nataon-dry zareo?

MPANARATO i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Nilaza tamin-dry zareo i Jesosy indray mandeha hoe: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” * Azo antoka fa gaga be ry zareo tamin’izay. Milaza ny Baiboly fa “nandao ny haratony avy hatrany” ry zareo, dia “nanaraka” an’i Jesosy. (Mat. 4:18-22) Niova tanteraka ny fiainan’izy efatra mirahalahy nanomboka teo. “Olona velona” amin’izay mantsy no azon-dry zareo, fa tsy trondro intsony. (Lioka 5:10) Mbola asain’i Jesosy hanao an’io asa io koa amin’izao ny olona tso-po sy tena tia ny fahamarinana. (Mat. 28:19, 20) Efa nanaiky an’io fanasany io ve ianao?

2. Nahoana ianao no mila mandinika tsara rehefa hanapa-kevitra raha ho lasa mpanarato olona? Inona no hanampy anao handray an’izany fanapahan-kevitra izany?

2 Efa elaela angamba ianao no nianatra Baiboly ary efa niezaka niova. Mila manapa-kevitra ianao hoe hitory amin’izay ve. Misalasala ve anefa ianao? Aza kivy raha izany. Matoa ianao misalasala dia midika izany hoe fantatrao fa fanapahan-kevitra lehibe ilay izy. Marina fa milaza ny Baiboly hoe “avy hatrany” dia nandao ny haratony i Petera sy ny namany. Tsy nanapa-kevitra maimaika anefa ry zareo tamin’io. Efa enim-bolana mahery talohan’io mantsy ry zareo no nahafantatra an’i Jesosy sy nino hoe izy no Mesia. (Jaona 1:35-42) Efa betsaka koa angamba no fantatrao momba an’i Jehovah sy Jesosy, ary mbola te hifandray kokoa amin’i Jehovah ianao. Mila mandinika tsara anefa ianao alohan’ny hanapahana hevitra ho lasa mpitory. Inona no nanampy an’i Petera sy Andrea ary ny olon-kafa ho lasa mpanarato olona?

3. Inona no toetra ilainao raha te hahay hitory sy hampianatra ny vaovao tsara ianao?

3 Nandeha tsara ny asa fanaratoana nataon’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Nahoana? Satria ry zareo nazoto, nahay tsara an’ilay asa, be herim-po, ary nifehy tena. Azo antoka fa nanampy azy ireo hahavita tsara ny asa fitoriana koa izany. Hahay hitory sy hampianatra koa ianao raha manana an’ireo toetra ireo. Hodinihintsika ato hoe inona no hanampy anao amin’izany.

INONA NO HANAMPY ANAO HAZOTO HITORY?

Lasa mpanarato olona i Petera sy ny olon-kafa. Mbola mitohy hatramin’izao io asa lehibe io (Fehintsoratra 4-5)

4. Inona no nahatonga an’i Petera hazoto hanarato?

4 Nanarato i Petera mba hamelomana ny fianakaviany. Tsy asa fotsiny anefa no fiheverany an’izany. Tena tiany mihitsy ilay nanarato. (Jaona 21:3, 9-15) Nianatra ny ho tia manarato olona koa izy, ary lasa nahay tsara an’io asa io rehefa nampian’i Jehovah.​—Asa. 2:14, 41.

5. Inona no nahatonga an’i Petera hatahotra, rehefa jerena ny Lioka 5:8-11? Inona no hanampy antsika tsy hatahotra hoatr’izany?

5 Tia an’i Jehovah isika. Izay no tena mahatonga antsika hazoto hitory. Mety hieritreritra isika hoe tsy mahay, nefa hahavita hiresaka momba an’i Jehovah foana isika raha tia azy. Rehefa nanasa an’i Petera mba ho lasa mpanarato olona i Jesosy, dia niteny taminy hoe: “Aza matahotra.” (Vakio ny Lioka 5:8-11.) Fa inona no nampahatahotra azy? Natahotra ve izy hoe inona no hanjo azy raha lasa mpianatr’i Jesosy? Tsy izany mihitsy. Nahatsiaro ho tsy mendrika hiara-miasa amin’i Jesosy izy. Vao avy nanao fahagagana mantsy i Jesosy, dia nahazo trondro be dia be ry zareo. Mety hahatsapa hoatran’i Petera koa ianao. Manahy angamba ianao hoe tsy ho vitanao daholo izay takina amin’ny mpianatr’i Kristy. Raha izany, dia miezaha ho tia kokoa an’i Jehovah sy Jesosy ary ny olon-kafa. Hazoto hanaiky ny fanasan’i Jesosy ianao amin’izay.​—Mat. 22:37, 39; Jaona 14:15.

6. Inona koa no mahatonga antsika hazoto hitory?

6 Misy antony hafa koa mahatonga antsika hazoto hitory. Nandidy antsika i Jesosy hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona”, dia te hankatò azy isika. (Mat. 28:19, 20) Mitory koa isika satria ‘ampahorina sy aparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry’ ny olona, ary tena mila maheno ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana. (Mat. 9:36) Tian’i Jehovah hahalala tsara ny fahamarinana sy ho voavonjy ny karazan’olona rehetra.​—1 Tim. 2:4.

7. Nahoana ny Romanina 10:13-15 no manaporofo hoe tena ilaina ny asa fitoriana?

7 Lasa te hanarato olona koa isika, rehefa mieritreritra ny soa ho azon’izy ireo amin’ilay izy. Izay no maha samy hafa antsika amin’ny mpanarato ara-bakiteny. Rehefa mahazo trondro ry zareo, dia amidiny ilay izy na ataony sakafo. Ny antsika indray tsy hoatr’izany. Manarato olona isika satria tiantsika ho voavonjy ny ain’izy ireny.​—Vakio ny Romanina 10:13-15; 1 Tim. 4:16.

HATSARAO NY FAHAIZANAO

8-9. Inona no tokony ho fantatry ny mpanarato, ary nahoana?

8 Tokony ho fantatry ny mpanarato tamin’ny andron’i Jesosy hoe trondro hoatran’ny ahoana no azony alaina. (Lev. 11:9-12) Tokony ho fantany koa hoe aiza no ahitana trondro. Matetika mantsy ny trondro no mijanona any amin’izay rano mety aminy sady betsaka sakafo. Tsy vitan’izany fa ilaina ny mifidy ny fotoana mety indrindra mba hanaratoana. Rahoviana ohatra? Niresaka momba an’izany ny rahalahy iray any amin’ny nosy any amin’ny Oseana Pasifika. Nanasa misionera hanarato izy indray mandeha, dia niteny taminy ilay misionera hoe: “Rahampitso maraina amin’ny sivy izany ny fotoana!” Dia namaly izy hoe: “Tsy hoatr’izany ilay izy rahalahy a! Amin’izay fotoana mety amin’ny trondro isika no mandeha, fa tsy amin’izay fotoana mety amintsika.”

9 Hoatr’izany koa tamin’ny taonjato voalohany. Nandeha tany amin’izay toerana nisy olona ny mpianatr’i Jesosy, ary tamin’ny fotoana azo inoana hoe ahitana olona. Nitory isan-trano, ohatra, ry zareo dia nitory tany amin’ny tempoly sy synagoga ary teny an-tsena. (Asa. 5:42; 17:17; 18:4) Ary isika? Mila fantarintsika hoe rahoviana ny olona no mety ho tratra ao an-tranony, na aiza no mety hahitana azy ireny. Mila vonona hanova ny fandaharam-potoanantsika isika avy eo, mba hahafahana hitory amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana ahitana olona betsaka indrindra.​—1 Kor. 9:19-23.

MANAO AN’IZAO NY MPANARATO MAHAY: 1. Amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mora ahitana trondro ry zareo no manarato (Fehintsoratra 8-9)

10. Inona no fitaovana omen’ny fandaminana antsika?

10 Tokony hanana fitaovana fanaratoana ny mpanarato sady tokony hahay hampiasa an’ilay izy. Hoatr’izany koa isika. Mila manana fitaovana hoentina mitory isika sady mila mahay mampiasa an’ilay izy. Natoron’i Jesosy ny mpianany hoe ahoana no fomba hanaratoana olona. Nolazainy tamin-dry zareo hoe aiza no itoriana, inona no lazaina, ary inona no tsy tokony hoentina. (Mat. 10:5-7; Lioka 10:1-11) Namoaka Fitaovana Fampianarana ny fandaminan’i Jehovah, ary hita hoe tena mandaitra izy ireny. * Efa atoro antsika hoe ahoana no hampiasana an’ireny fitaovana ireny. Manampy antsika tsy hatahotra hitory izany sady manampy antsika hahay hampianatra.​—2 Tim. 2:15.

MANAO AN’IZAO NY MPANARATO MAHAY: 2. Mahay mampiasa fitaovana fanaratoana ry zareo satria efa nampiofanina (Fehintsoratra 10)

MIEZAHA HO BE HERIM-PO

11. Nahoana ny mpanarato olona no mila herim-po?

11 Miasa alina ny mpanarato matetika. Miovaova tampoka koa ny toetrandro eny an-dranomasina. Mety hisy tafio-drivotra tampoka, ohatra. Mila herim-po àry ry zareo. Hoatr’izany koa ny mpanarato olona. Mety hiatrika olana hoatran’ny tafio-drivotra mantsy isika raha vao manomboka mitory sy mampahafantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. Mety hanohitra, ohatra, ny fianakaviantsika ary mety haneso antsika ny olom-pantatsika. Ny olona itoriana indray mety tsy hihaino. Tsy gaga amin’izany anefa isika, satria efa nilaza i Jesosy hoe hisy hanohitra ny mpanara-dia azy.​—Mat. 10:16.

12. Inona no hanampy anao ho be herim-po kokoa, rehefa jerena ny Josoa 1:7-9?

12 Inona no hanampy anao ho be herim-po? Voalohany, matokia fa mbola mitarika ny asa fitoriana i Jesosy. (Jaona 16:33; Apok. 14:14-16) Faharoa, miezaha hatoky kokoa hoe hitana ny teniny i Jehovah ka hikarakara anao. (Mat. 6:32-34) Vao mainka ianao ho be herim-po rehefa mitombo ny finoanao. Hita hoe tena nanam-pinoana i Petera sy ny namany, matoa niala tamin’ny asa fivelomany dia nanaraka an’i Jesosy. Tena manam-pinoana koa ianao matoa nahavita niteny tamin’ny havanao sy ny olom-pantatrao hoe mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary manatrika ny fivorian’izy ireo. Azo antoka hoe nisy fiovana be nataonao mba hanarahana ny fitsipik’i Jehovah, ohatra hoe tamin’ny toetranao sy ny fomba fiainanao. Tsy ho nahavita an’izany koa ianao raha tsy nanam-pinoana sy be herim-po. Matokia fa rehefa miezaka ho be herim-po kokoa ianao, dia ‘homba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.’​—Vakio ny Josoa 1:7-9.

MANAO AN’IZAO NY MPANARATO MAHAY: 3. Be herim-po ry zareo dia miasa foana na ratsy aza ny andro (Fehintsoratra 11-12)

13. Nahoana no ilaina ny misaintsaina sy mivavaka?

13 Inona koa no azonao atao mba hahatonga anao ho be herim-po sy ho sahy? Mivavaha. (Asa. 4:29, 31) Hamaly ny vavaka ataonao i Jehovah ary tsy hanary anao mihitsy. Ho eo foana izy hanampy anao. Tsara koa ny misaintsaina hoe ahoana no efa nanampian’i Jehovah ny mpanompony taloha. Ankoatra izay, dia eritrereto hoe inona no efa nataon’i Jehovah mba hanampiana anao hiatrika olana sy hahazoanao hery hanovana ny fomba fiainanao. Nahavita nanampy ny vahoakany hiampita ny Ranomasina Mena ve izy, dia tsy hahavita hanampy anao ho lasa mpanara-dia an’i Kristy? (Eks. 14:13) Nilaza ny mpanao salamo hoe: “I Jehovah no momba ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olombelona atao amiko?” (Sal. 118:6) Miezaha hatoky an’i Jehovah hoatr’izany.

14. Inona no ianaranao avy amin’i Masae sy Tomoyo?

14 Misy zavatra hafa koa azonao atao mba ho be herim-po. Diniho hoe ahoana no nanampian’i Jehovah ny olona saro-kenatra mba ho sahy. Nihevitra ny Ranabavy Masae hoe tsy hahavita hitory mihitsy satria saro-kenatra. Na ny mieritreritra fotsiny aza hoe hiresaka amin’ny olona tsy fantany dia efa nampivarahontsana azy. Hoatran’ny hoe mianika tendrombohitra be izany taminy! Inona anefa no nanampy azy? Niezaka be izy mba ho tia kokoa an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Nitadidy koa izy hoe kely sisa ny fotoana tavela, dia nivavaka izy mba hazoto hitory kokoa. Tsy natahotra intsony izy tatỳ aoriana ary nanao mpisava lalana maharitra mihitsy. Afaka manampy ny mpitory vaovao mba ho be herim-po koa i Jehovah. Nanampy ny Ranabavy Tomoyo, ohatra, izy. Vao nitory voalohany i Tomoyo dia tonga dia novazavazain’ilay olona nitoriany hoe: “Tsy mila Vavolombelon’i Jehovah aho!” sady nakaratony ny varavarana. Tsy natahotra i Tomoyo tamin’izay fa niteny tamin’ilay namany hoe: “Tsara e? Tsy nila niteny akory aho dia efa fantany hoe Vavolombelon’i Jehovah!” Mpisava lalana maharitra i Tomoyo izao.

MIEZAHA HIFEHY TENA

15. Nahoana no mila mifehy tena ny mpanarato? Nahoana izany no tena ilain’ny Kristianina?

15 Mila mahavita mifehy tena ny mpanarato raha te hahazo trondro. Midika izany hoe mahavita mamola-tena izy mba hanao an’izay tokony hatao. Mila manery tena, ohatra, izy mba hifoha maraina sy tsy hiala raha tsy vita ny asany, ary na dia ratsy aza ny andro. Hoatr’izany koa isika. Mila mifehy tena isika raha te hahavita hiaritra sy hamita ny asa fitoriana.​—Mat. 10:22.

16. Inona no hanampy antsika hifehy tena?

16 Tsy hoe vao teraka isika dia efa mahay mifehy tena. Izay tsy manahirana antsika aza matetika no tiantsika hatao. Misy zavatra sasany anefa tena zava-dehibe, na dia tsy mora aza ny manao an’ilay izy. Izay no mahatonga antsika hoe mila mifehy tena. Ahoana àry raha misy zavatra sarotra amintsika ka mila manery tena hanao an’ilay izy isika? Afaka manampy antsika i Jehovah amin’ny alalan’ny fanahy masina.​—Gal. 5:22, 23.

17. Araka ny 1 Korintianina 9:25-27, inona no tsy maintsy nataon’i Paoly mba hahafahany hifehy tena?

17 Nahavita nifehy tena ny apostoly Paoly. Niaiky anefa izy hoe tsy maintsy ‘nasiany mafy’ ny vatany, izay izy vao nahavita nanao ny tsara. (Vakio ny 1 Korintianina 9:25-27.) Nampirisika ny olon-kafa koa izy mba hifehy tena sy hanao ny zava-drehetra “amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (1 Kor. 14:40) Tsy maintsy mifehy tena isika raha te hanohy ny fanompoana an’i Jehovah, anisan’izany ny fitoriana sy fampianarana.​—Asa. 2:46.

AZA MANGATAKA ANDRO

18. Rahoviana isika no hoe mahomby amin’i Jehovah?

18 Mieritreritra ny mpanarato hoe mahomby izy rehefa mahazo trondro be dia be. Isika anefa tsy hoatr’izany. Tsy ny isan’ny olona nampiantsika ho lasa mpanompon’i Jehovah no amaritana hoe mahomby isika na tsia. (Lioka 8:11-15) Mahomby foana isika amin’i Jehovah, rehefa tsy mijanona mitory ny vaovao tsara sy mampianatra ny olona. Fa maninona? Satria isika mankatò azy sy ny Zanany.​—Mar. 13:10; Asa. 5:28, 29.

19-20. Nahoana isika no vao mainka mazoto mitory amin’izao fotoana izao?

19 Mandritra ny volana vitsivitsy ihany no azo atao ny manarato, any amin’ny tany sasany. Rehefa akaiky ho tapitra io fotoana io, dia vao mainka miezaka mafy ny mpanarato. Hoatr’izany koa isika mpanarato olona. Vao mainka isika mazoto mitory amin’izao fotoana izao satria efa tena akaiky ny farany. Kely sisa ny fotoana ahafahana manao an’io asa mamonjy aina io. Aza mangataka andro àry! Aza miandry hoe mety tsara ny zava-drehetra izay vao handray anjara amin’io asa io.​—Mpito. 11:4.

20 Izao àry ianao no mila miezaka hazoto hitory, hahay Baiboly kokoa, ho be herim-po, ary hifehy tena. Miezaha ho lasa mpanarato olona, dia ho afaka hiara-miasa amin’ireo mpitory valo tapitrisa mahery eran-tany ianao. Ho tsapanao amin’izay ny fifaliana avy amin’i Jehovah. (Neh. 8:10) Miezaha hitory betsaka araka izay azonao atao, ary aza mijanona mihitsy raha tsy miteny i Jehovah hoe vita ny asa. Ahoana anefa no hatao raha te ho tapa-kevitra kokoa hoe hitory foana? Hiresaka fomba telo hanaovana an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 66 Torio ny Vaovao Tsara

^ feh. 5 Nanasa mpanarato mazoto miasa sy manetry tena i Jesosy taloha mba ho lasa mpianany sy ho mpanarato olona. Mbola manasa olona manana an’ireo toetra ireo koa izy amin’izao mba hanao an’io asa io. Ahoana anefa raha misy mpianatra Baiboly misalasala hanaiky an’ilay fanasan’i Jesosy? Inona no tokony hataony? Hiresaka an’izany isika ato.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Antsoina hoe “mpanarato olona” izay rehetra mitory ny vaovao tsara sy mampianatra ny olona mba ho lasa mpianatr’i Kristy.

^ feh. 10 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampianaro ny Marina ny Olona”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Oktobra 2018, pejy 11-16.