Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 37

“Hohozongozoniko ny Firenena Rehetra”

“Hohozongozoniko ny Firenena Rehetra”

“Hohozongozoniko ny firenena rehetra, ka hiditra ato amin’ity trano ity ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra.”—​HAG. 2:7.

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no nolazain’i Hagay hoe hitranga amin’ny androntsika?

 “TAO anatin’ny minitra vitsivitsy, dia rava sy nirodana hoatran’ny tsy teo ny fivarotana sy ny trano tranainy.” “Natahotra be daholo ny olona. Be dia be no niteny hoe naharitra roa minitra teo ho eo ilay izy. Hoatran’ny hoe tsy nety tapitra anefa ny fahitako an’ilay izy.” Ireo no teny nolazain’ny olona sasany tafavoaka velona tamin’ny horohoron-tany iray tany Népal, tamin’ny 2015. Ahoana raha ianao no niaina zavatra mampivarahontsana hoatr’izany? Tsy ho afaka ao an-tsainao mihitsy angamba ilay izy.

2 Misy fanozongozonana hoatr’izany koa amin’izao, saingy tsy horohoron-tany ilay izy. Tsy tanàna iray na firenena iray fotsiny anefa no voahozongozona fa ny firenena rehetra. Efa ela be izy io no nanomboka, ary mbola mitohy hatramin’izao. Niresaka momba an’io fanozongozonana io i Hagay mpaminany. Izao no nosoratany: “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola hohozongozoniko indray mandeha indray ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny tany maina, ary kely sisa dia hataoko izany.’”​—Hag. 2:6.

3. Nahoana no tsy mitovy amin’ny horohoron-tany ilay fanozongozonana noresahin’i Hagay?

3 Tsy mitovy amin’ny horohoron-tany ilay fanozongozonana noresahin’i Hagay. Misy vokany tsara mantsy izy io, fa tsy mandravarava sy manimba zavatra hoatran’ny horohoron-tany. Izao no nolazain’i Jehovah: “Hohozongozoniko ny firenena rehetra, ka hiditra ato amin’ity trano ity ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra, ary hofenoiko voninahitra izy ity.” (Hag. 2:7) Inona no dikan’io faminaniana io ho an’ny olona niaina tamin’ny andron’i Hagay? Ary inona no dikan’izy io ho antsika? Hamaly an’ireo isika ato. Ho hitantsika koa hoe afaka mandray anjara amin’io fanozongozonana ny firenena io isika.

HAFATRA MAMPAHERY TAMIN’NY ANDRON’I HAGAY

4. Nahoana i Jehovah no naniraka an’i Hagay mpaminany?

4 Nisy asa lehibe nanirahan’i Jehovah an’i Hagay mpaminany. Eritrereto ny zava-nitranga tamin’izany. Nody tany Jerosalema ny Jiosy sasany tamin’ny taona 537 T.K. rehefa avy babo tany Babylona. Azo inoana hoe niaraka tamin-dry zareo i Hagay. Vao tonga kelikely ireo Jiosy tsy nivadika ireo, dia nanomboka nanorina ny fototry ny tranon’i Jehovah. (Ezra 3:8, 10) Nampalahelo anefa fa kivy ry zareo taoriana kelin’izay, dia tsy nanorina an’ilay tempoly intsony. Nanohitra an-dry zareo mantsy ny manodidina. (Ezra 4:4; Hag. 1:1, 2) Naniraka an’i Hagay àry i Jehovah tamin’ny taona 520 T.K. mba hampahery ny Jiosy, ka handrisika an-dry zareo hamita ny tempoly. *Ezra 6:14, 15.

5. Azo inoana hoe nampahery ny vahoakan’i Jehovah ny hafatr’i Hagay. Fa maninona?

5 Ny hanampy ny Jiosy mba hatoky kokoa an’i Jehovah no tanjon’ilay hafatr’i Hagay. Tena be herim-po io mpaminany io rehefa nilaza tamin’ny Jiosy kivy hoe: “‘Mahereza daholo ianareo mponin’ity tany ity’, hoy i Jehovah, ‘ka miasà. Fa momba anareo aho’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.” (Hag. 2:4) Azo antoka hoe tena nampahery an’ireo Jiosy ilay teny hoe “Jehovah Tompon’ny tafika.” Manana fahefana amina tafik’anjely be dia be mantsy i Jehovah, ka nila niantehitra taminy ny Jiosy raha te hahomby.

6. Inona no ho vokatr’ilay fanozongozonana noresahin’i Hagay?

6 Naniraka an’i Hagay i Jehovah mba hilaza tamin’ny Jiosy hoe hanozongozona ny firenena rehetra izy. Nanome toky an’ireo Jiosy kivy izany fa hohozongozonin’i Jehovah i Persa. Fanjakana natanjaka indrindra tamin’izany i Persa, ary nifehy firenena maro. Inona no ho vokatr’io fanozongozonana io? Voalohany, ho vitan’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny farany ny fanorenana ny tempoly. Ankoatra izany, dia hisy olona tsy jiosy hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny Jiosy ao amin’io tempoly vao naorina io. Azo antoka hoe tena nampahery ny vahoakan’i Jehovah io hafatra io!—Zak. 8:9.

ASA IRAY MANOZONGOZONA NY TANY MANONTOLO

Mandray anjara betsaka amin’ilay asa fanozongozonana atao amin’izao ve ianao? (Fehintsoratra 7-8) *

7. Inona ilay asa fanozongozonana andraisantsika anjara amin’izao andro izao? Hazavao.

7 Mahakasika antsika ve ny faminanian’i Hagay? Ie. Mbola manozongozona ny firenena rehetra indray i Jehovah amin’izao, ary mandray anjara amin’izany isika. Eritrereto izao: Nataony Mpanjakan’ilay Fanjakany any an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. (Sal. 2:6) Vaovao ratsy ho an’ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity izany. Midika mantsy izany fa tapitra “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Tsy nisy mpitondra nisolo tena an’i Jehovah nandritra an’io fotoana io. Nampahafantarin’ny mpanompon’i Jehovah àry hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azo antenaina hamaha ny olana mahazo ny olombelona. Mitory momba an’izany ry zareo, indrindra nanomboka tamin’ny 1919. Nanozongozona an’izao tontolo izao io fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” io.​—Mat. 24:14.

8. Araka ny Salamo 2:1-3, ahoana no ataon’ny ankamaroan’ny firenena rehefa naheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana?

8 Ahoana no nataon’ny olona rehefa naheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana? Nanda an’io hafatra io ny ankamaroany. (Vakio ny Salamo 2:1-3.) Lasa nikorontana ireo firenena, izany hoe tezitra be. Tsy mety manaiky an’ilay Mpitondra voatendrin’i Jehovah izy ireo. Tsy “vaovao tsara” no fahitan-dry zareo an’ilay hafatra torintsika. Ny fitondrana sasany aza mandrara ny asa fitoriana mihitsy. Betsaka amin’ireny mpitondra firenena ireny no milaza hoe manompo an’Andriamanitra, kanefa tsy te hiala amin’ny toerany. Hoatran’ny tamin’ny andron’i Jesosy ihany no mitranga amin’izao andro izao. Manohitra an’ilay Voahosotr’i Jehovah ny mpitondra, ka manenjika ny mpianany tsy mivadika.​—Asa. 4:25-28.

9. Inona no ataon’i Jehovah rehefa tsy manaiky ny hafatra momba an’ilay Fanjakana ireo firenena?

9 Inona no ataon’i Jehovah rehefa hitany hoe tsy manaiky ny hafatra momba an’ilay Fanjakana ireo firenena? Izao no voalazan’ny Salamo 2:10-12: “Koa aoka ho malina ianareo, ry mpanjaka ô, ary maneke fanitsiana, ry mpitsara eto an-tany ô! Manompoa an’i Jehovah amin-tahotra, ary mifalia, nefa koa mangovita. Orohy ilay zanaka, mba tsy ho tezitra Andriamanitra, ary mba tsy ho ringana ianareo, fa mora mirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy!” Tsara fanahy i Jehovah ka omeny fotoana ny mpanohitra mba hahafahan’izy ireo handray fanapahan-kevitra tsara. Mbola afaka miova hevitra sy manaiky ny Fanjakan’i Jehovah ry zareo. Efa kely anefa sisa ny fotoana. Miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika izao. (Isaia 61:2; 2 Tim. 3:1) Tena mila mahafantatra ny marina ny olona ary manao safidy tsara. Mila manao an’izany haingana ry zareo.

MANDRAY TSARA AN’ILAY FANOZONGOZONANA NY OLONA SASANY

10. Ahoana no andraisan’ny olona sasany an’ilay fanozongozonana, araka ny Hagay 2:7-9?

10 Nilaza i Hagay fa handray tsara an’io fanozongozonana io ny olona sasany. Niteny izy hoe vokatr’io fanozongozonana io dia ho avy hanompo an’i Jehovah “ny zava-tsarobidin’ny firenena rehetra”, izany hoe ny olona tso-po. * (Vakio ny Hagay 2:7-9.) Naminany momba an’izany koa i Isaia sy Mika. Nilaza ry zareo hoe “any am-parany” izany no hitranga.​—Isaia 2:2-4; Mika 4:1, 2.

11. Ahoana no nataon’ny rahalahy iray rehefa naheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana izy?

11 Eritrereto ny nataon’ny Rahalahy Ken. Manompo any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Efapolo taona lasa izy izay no naheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana. Mbola tadidiny tsara izany. Izao no nolazainy: “Faly be aho tamin’izaho vao nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Lasa fantatro hoe miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika. Hitako koa fa raha te hankasitrahan’Andriamanitra sy hahazo fiainana mandrakizay aho, dia tsy tokony ho anisan’ity tontolo tsy azo ianteherana ity fa hiandany tanteraka amin’i Jehovah. Rehefa avy nivavaka tamin’i Jehovah momba an’izany aho, dia tonga dia nanao zavatra. Tsy nanohana an’ity tontolo ity intsony aho, ary nanaiky harovan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho voahozongozona mihitsy io Fanjakana io.”

12. Inona no mahatonga ny tempoly ara-panahin’i Jehovah ho feno voninahitra amin’izao andro farany izao?

12 Hita mihitsy hoe mitahy ny vahoakany i Jehovah! Nitombo be, ohatra, ny isan’ny olona manompo azy nandritra ny andro farany. Dimy arivo mahery fotsiny isika mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1914. Efa maherin’ny valo tapitrisa anefa isika amin’izao, ary an-tapitrisany no mankalaza ny Fahatsiarovana miaraka amintsika isan-taona. Vokatr’izany, dia feno ny “zava-tsarobidin’ny firenena rehetra” ny tokotanin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. Ny tempoly ara-panahy dia ny fandaharana natao mba hanompoana an’i Jehovah. Mahazo voninahitra koa ny anaran’i Jehovah, satria miezaka miova ireo olona ireo mba hananany toetra vaovao.​—Efes. 4:22-24.

Faly mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpanompon’i Jehovah eran-tany (Fehintsoratra 13)

13. Inona koa ny faminaniana tanteraka? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

13 Misy faminaniana hafa koa tanteraka vokatr’io fitomboana io. Anisan’izany ilay ao amin’ny Isaia toko faha-​60. Izao, ohatra, no resahina ao amin’ny andininy faha-22: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.” Misy zavatra tsara be mitranga amin’izao satria tena mihabetsaka ny olona manompo an’i Jehovah. Manam-pahaizana ireny olona antsoin’i Hagay hoe ‘zava-tsarobidy’ ireny, sady vonona hanampy amin’ny asa fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” Mampiasa an’ireny fahaizana ireny ny vahoakan’i Jehovah, ka toy ny hoe ‘minono amin’ny firenena’, araka ny nolazain’i Isaia. (Isaia 60:5, 16) Any amin’ny tany 240 izao no itoriana ny vaovao tsara, noho ny fanampian’ireny rahalahy sy anabavy malala ireny. Adika amin’ny fiteny 1 000 mahery koa ny boky sy gazetintsika.

IZAO NO FOTOANA HANDRAISANA FANAPAHAN-KEVITRA

14. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona rehetra amin’izao?

14 Misy fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny olona amin’izao andro farany izao, vokatry ny fanozongozonana an’ireo firenena: Hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra, sa hatoky ny fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ity? Fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny olona rehetra izany. Marina fa mankatò ny lalàn’ny fitondram-panjakana ao amin’ny taniny ny vahoakan’i Jehovah. Tsy midikiditra amin’ny politika mihitsy anefa ry zareo. (Rom. 13:1-7) Fantany mantsy hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona. Tsy anisan’ity tontolo ity anefa io Fanjakana io.​—Jaona 18:36, 37.

15. Araka ny bokin’ny Apokalypsy, inona no fitsapana lehibe atrehin’ny mpanompon’i Jehovah?

15 Miatrika fitsapana ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao, mba hahitana raha tena tsy mivadika. Miresaka momba an’izany ny bokin’ny Apokalypsy. Mbola henjehina mafy foana àry isika. Teren’ny fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ity hanompo azy mantsy ny olona, ary hampijaliny izay tsy manaiky hanohana azy. (Apok. 13:12, 15) ‘Tereny ny olona rehetra, na kely na lehibe, na manankarena na mahantra, na olona afaka na mpanompo, mba hasiana marika eo amin’ny tanany havanana na eo amin’ny handriny.’ (Apok. 13:16) Nasiana marika tsy mety afaka ny andevo taloha mba hahafantarana hoe iza no tompony. Hoatr’izany koa amin’izao. Teren’ny olon-kafa hanisy marika eny amin’ny tanany na ny handriny ny olona tsirairay, izany hoe tereny hampiseho hoe iza no tohanany. Ho hita amin’izay eritreretin’ny olona tsirairay sy ataony raha miandany amin’ny fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ity izy sady manohana azy.

16. Tokony hiezaka mafy mba tsy hivadika amin’i Jehovah isika dieny izao. Nahoana?

16 Hanaiky an’io marika io ve isika ka hanohana ny fitondram-panjakana eto amin’ity tontolo ity? Hahita olana sy hiatrika loza izay mandà azy io. Izao mantsy no resahin’ny Apokalypsy: “Tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay nanana ilay marika.” (Apok. 13:17) Fantatry ny vahoakan’Andriamanitra anefa hoe inona no hataon’Andriamanitra amin’ny olona manana an’ilay marika. (Apok. 14:9, 10) Noho izany, dia tsy manaiky hasiana an’ilay izy ry zareo, ka toy ny manoratra amin’ny tanany hoe: “An’i Jehovah aho.” (Isaia 44:5) Dieny izao àry dia efa ataovy azo antoka hoe tena tsy mivadika amin’i Jehovah ianao. Ho faly i Jehovah amin’izay hilaza hoe azy ianao.

FANOZONGOZONANA FARANY

17. Inona no tokony hotadidintsika momba ny faharetan’i Jehovah?

17 Nanam-paharetana be i Jehovah nandritra ny andro farany. Tsy tiany hisy ho ringana mantsy ny olona. (2 Pet. 3:9) Omeny fotoana ny olona rehetra mba hibebahana sy handraisana fanapahan-kevitra tsara. Misy fetrany anefa ny faharetany. Rehefa tsy mety manohana ny Fanjakany ny olona, dia hitovy amin’izay nitranga tamin’i Farao no hitranga aminy. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Farao: “Azoko natao ny naninjitra ny tanako, mba hamelezana anao sy ny vahoakanao tamin’ny areti-mandringana, ary mba hamongorana anao tsy ho amin’ny tany. Raha ny marina anefa, dia izao no mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.” (Eks. 9:15, 16) Ho fantatry ny firenena rehetra amin’ny farany hoe i Jehovah ihany no tena Andriamanitra. (Ezek. 38:23) Ahoana no hitrangan’izany?

18. a) Inona ny fanozongozonana hafa resahin’ny Hagay 2:6, 20-22? b) Ahoana no ahalalantsika fa ho tanteraka amin’ny hoavy io faminaniana io?

18 Nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo ny apostoly Paoly, taona maro taorian’ny nahafatesan’i Hagay. Hita amin’ny teny nolazainy hoe ho tanteraka amin’ny hoavy ny Hagay 2:6, 20-22. (Vakio.) Izao no nosoratany: ‘Ankehitriny izy nampanantena hoe: “Mbola hohozongozoniko indray mandeha indray, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa.” Ilay fitenenana hoe “indray mandeha indray” dia midika fa hesorina izay zavatra hozongozonina, izany hoe ny zavatra natao, mba hitoeran’izay zavatra tsy hozongozonina.’ (Heb. 12:26, 27) Inona no tsy mampitovy an’io fanozongozonana io amin’ilay fanozongozonana resahina ao amin’ny Hagay 2:7? Midika fandringanana mandrakizay izy io. Izany no hanjo an’izay mandà ny zon’i Jehovah hitondra, hoatran’ny nataon’i Farao.

19. Inona no tsy ho voahozongozona mihitsy, ary ahoana no ahafantarantsika an’izany?

19 Inona no tsy ho voahozongozona mihitsy, izany hoe tsy hesorina? Hoy ihany i Paoly: “Koa satria hahazo fanjakana tsy azo hozongozonina isika, dia aoka hohazonintsika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izay entintsika manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany, amin-tahotra sy amim-panajana.” (Heb. 12:28) Hitantsika amin’izany fa rehefa tapitra ilay fanozongozonana farany, dia ny Fanjakan’Andriamanitra irery sisa no ho eo. Tsy ho voahozongozona mihitsy izy io!​—Sal. 110:5, 6; Dan. 2:44.

20. Inona ny safidy tsy maintsy ataon’ny olona, ary ahoana no hanampiantsika azy ireo?

20 Tsy tokony hangataka andro àry ny olona. Tsy maintsy misafidy ry zareo hoe mbola hanaraka ny fomba fiaina ampirisihin’ity tontolo ity ka ho ringana, sa hanova ny fiainany mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia hiaina mandrakizay. (Heb. 12:25) Manampy an-dry zareo handray an’io fanapahan-kevitra lehibe io isika rehefa mitory. Enga anie isika hanampy olona betsaka kokoa mba hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra! Andao koa hitadidy an’ilay tenin’i Jesosy Tompontsika hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”​—Mat. 24:14.

HIRA 40 An’iza moa Isika?

^ feh. 5 Hiresaka momba ny fanitsiana ny fahazoantsika ny Hagay 2:7 isika ato. Misy asa manozongozona ny firenena rehetra amin’izao. Horesahintsika ato hoe ahoana no andraisana anjara amin’io asa mahafinaritra io. Hodinihintsika koa hoe mandray tsara an’io fanozongozonana io ny olona sasany, fa misy indray tena tsy tia an’ilay izy.

^ feh. 4 Fantatsika hoe nahavita tsara ny asa nampanaovin’i Jehovah azy i Hagay, satria vita ny tempoly tamin’ny 515 T.K.

^ feh. 10 Fanitsiana ny fanazavana taloha ity. Nilaza isika taloha hoe tsy vokatry ny fanozongozonana ny firenena rehetra ny mahatonga ny olona tso-po hanatona an’i Jehovah. Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2006.

^ feh. 63 SARY: Nampirisika ny vahoakan’Andriamanitra mba hazoto hanorina ny tempoly i Hagay. Mazoto mitory ny hafatr’Andriamanitra koa ny vahoakany amin’izao. Mpivady mitory momba an’ilay fanozongozonana farany.